Zanpiera

1. seul110 ( 03/09/2015 07:39)
Ô ry reto a! mba ontsa ihany ny tena amin'ity resaka Jean Pierre ty e! tsy hita fa mba teny amin'ny anjerimanontolo ihany ny tena nanovo fahalalana de nahita ny zavatra takian'ny mpianatra fa tsy dia miova anie fa mitovitovy ihany isan-taona e! de rehefa mba mitaky ve izy de tonga de ampihinanina e?? Ny miaramila ary anie ka ajedakin'ny dahalo fotsiny ary atsimo arý e! nisy valo izy ireo teo voajedaka soa aman-tsara, maninona raha mirohotra makany miady fa tsy sondriana mamono ankizy eny ankatso eny e? de tokony mba efain'ny fanjakana ny hetahetan'ny mpianatra fa izany ne no mahatonga an'izany e!!
http://www.madagascar-tribune.com/L-etudiant-Jean-Pierre-au-centre,21418.html
novalian'i sitlo ny 15/09/2015 19:27
2. hery ( 03/09/2015 22:16)
Mampihomehy ihany ilay ataon'ny fanjakàna.
Maimaika be nanadio tena, tsy mba nisy prudence kely akory mody niteny hoe hanao fanadihadiana izahay fa tonga dia nanamarin-tena be.
Rehefa hita niharihary ilay izy sady notakian'ny amerikana vao mody hoe hanao fanadihadiana indray.
3. taxs ( 04/09/2015 11:36)
Sady manpihomehy ilay izy no mampalahelo, ny mpitandrofilaminana zao omaly dia sahy miteny; fa tsy azo atao hoe hetisetra ireny nianjady t@ Zanpiera reny. Mbola mila porofo hono e
4. sitlo ( 15/09/2015 19:27)
Mba mpianatra teny koa taloha fa amin'ny maha-mpianatra ambony azy dia tokony hahafantatra ny zavatra takiany izy. Maro ny mpitarika grevy eny no tsy mpianatra akory. Ao koa ireo voakarama... Alefaso ny mpianatra hoy ny fitenin'ny mpampianatra izay.
Mba nahita SECES nirotsaka teny ve ianareo?

Ary ilay zavatra takiana? Fampanantenana vola be nataon'i Andry Rajoelina ho an'ny SECES ange ilay izy. Fa fampanantenana toy ny nametraka vato iray anamboarana stade manarapenitra maro eraky Madagasikara ihany.

Hoy fotsiny izy hoe: tsy ampy vola noho ny krizy no tsy nahavitana azy. Fa rehefa miverina demokrasia dia mirotsaka ho azy ny vola avy any andafy dia vita daholo ireo. Dia niala izy dia ilay olona tonga manaraka no lazainy fa tsy mahavita azy.

Mba mpampianatra mpikaroka lazaina fa manam-pahaizana indrindra ve dia tsy ahatakatra an'izany fa ny fitiavan-tena no betsaka. Ny zara fa mahay manoratra nampanantenaina "vary mora" sy "trano mora" aza nahatakatra hoe tsy possible izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2264