FAMONJENA HO ANAO

1. Sagesse04 ( 28/08/2015 13:39)
Ô re olona ô! Tonga ny fotoana fanavotana antsika zanak'olombelona manerana izao tontolo izao. Efa ianantsika izao ilay ora farany voalaza ao amin'ny 1Jn2,18. Koa mifohaza amin'izay e, "andao ho any an-danitra", henoy fa efa miainga ny fampianaran'Yahoshuah, ilay Andriamanitra tena Izy. Akaiky ny farany dikan'izao satria efa mandeha sy toriana manerana ny tany rehetra izany fampianarana izany (Mat24,14).
Koa ndao hanatona an'Yahoshuah, avoty ny fanahintsika, fantaro fa raha tsy miaraka amin'Yahoshuah ianao dia ho very any amin'ny helo.
Araho ny fampianaran'Yahoshuah ao amin'ny HFF Radio 97.2 FM na ny webradio sy ny webtv ao amin'ny "www.rtvyahoshuah.com", fampianarana izay entin'ny ray aman-dreny episcopo Samuelson Edward.
Tandremo anefa fa tsy maintsy atao batisa ianao vao voavonjy fa tsy hoe mihaino fotsiny ihany (Mk16,16).
Koa aza mety hofitahina intsony fa efa ampy izay roa arivo taona izay, ndao hiara-hanompo an'Yahoshuah.
Aza tezitra ianao fa aoka ho fifaliana ho anao ny mandre ny teny fanavotana, taomy ny namanao sy ny havana aman-tsakaiza hanaraka ny fampianaran'Yahoshuah ho famonjena ny fanahiny.
Fantaro fa ny famonjena ny fanahy no zava-dehibe indrindra ka mahaiza manongilan-tsofina amin'ny teny, mahaiza mandray.
Efa fitsarana ho anao na dia ity lahatsoratra ity aza, aoka ianao ho liana ny lalana mankany an-danitra ary tsarovy fa fitiavana anao izao teny izao.
Hitahy anao anie Yahoshuah.
novalian'i stahtam ny 17/09/2015 11:29
2. rhaj0 ( 28/08/2015 15:25)
Sagesse04 :
raha tsy miaraka amin'Yahoshuah ianao dia ho very

RAha miaraka aminy koa anefa ianao dia very any @ tsihaitsihay... yahoshuahshuah izany...

tsy aleo ve eto an-tany eto ihany k'lou fa tsy fantatra tsinona izay any kouh.. tsy any ve vao tena very ?? :-)
3. rhaj0 ( 28/08/2015 16:01)
Sagesse04:
taomy ny namanao sy ny havana aman-tsakaiza hanaraka ny fampianaran'Yahoshuah ho famonjena ny fanahiny.

Mihinana latsaka azany ve dia misy vary @ ity, sa ... tena ny fanahin'i Yahoshuah no tianao ho vonjena ka hitaomana olona ?? Sa tena izaho no mihinana latsaka dia tsy kOpy @ (fi)resaka(re)o eeee ? :-)

Sagesse04:
Efa ianantsika izao ilay ora farany

okey dokey.. ndeha hirevy be k'lou izany... Dia hiverina eto aho afaka 59 minitra... :-)

[size=6]vazivazy ny ahy fa tohizo ny "famonjena ho anao" eee...[/size]
4. Rafieritreretana ( 30/08/2015 14:32)
rhaj0!!! Hitako avokoa ny fanehoankevitra nataonao, tsi-misy afa-tsy FANIRATSIRANA!
Efa mba nieritreritra ve ianao io hoe: "RAHA MATY AMIN'IZAO LELA MANDEHA HOAZY IZAO DIA MBA INONA NO FIAFARANY"???

==>Maninona no dia rombahinao ho azo tahaka izao, ireo valim-pitia sahaza ny olona mpiteny ratsy sy mpaniratsira?

Ny anjaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo aza efa loza BE, ka ianao koa ity mbola mitady inona indray? Tsarovy anie fa ny Andriamanitra tena marina dia tsy mba misangisangy amin'izay olombelona na oviana na oviana:

HOY ANEFA Sagesse04 HOE:

Ary raha voa-tsara tahaka izao ny FARISEO sy SADOSEO...dia mba ahoana kosa IANAO?
- Jaona 8:43-44/ Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. HIANAREO AVY TAMIN'NY DEVOLY RAINAREO, ka izay sitraky ny RAINAREO (devoly) no tianareo hatao (...).
- Matio 23:33/ Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?
5. rhaj0 ( 30/08/2015 19:06)
Rafieritreretana:
- Jaona 8:43-44/ ...HIANAREO AVY TAMIN'NY DEVOLY RAINAREO, ka izay sitraky ny RAINAREO (devoly) no tianareo hatao (...).
- Matio 23:33/ Ry bibilava, taranaky ny menarana...

hi hi hi.. izany ihany no mahavoa ana(re)o Kristiana.. Dia ankahalainy sy kizakizatina ary hivazavazana (en majuscule) mafy be foana io Devoly io..

Mba ivereno fantaro, dia hajao ary aza ariana ihany ho'a ny fahendren'ny Ntaolo razantsika, fa ny azy, ampireveny ny Devoly (sy A.tra) dia .. milamina ny tany eee..

tatitr'i Flacourt:
noresahina [url=http://forum.serasera.org/forum/message/m54ff475257d31#m5501d19d2ca99]teto[/url

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: ils sacrifient proche de leur tombeau quelque bête, dont ils en jettent un morceau pour le diable et un autre morceau pour Dieu
6. Strong3 ( 31/08/2015 08:36)
C'était la pub :-) !

aza ampitahorina toa io ny olona re ry sakaiza ah!

jereo fa hijeren'i rhaj0 verset wiki mihitsy ianareo hihihi

mba asio porofo izay lazaina fa izay no andrasan'ny siantifika sy ny tsimisiAtra hono eh!

fa tsy dia mandratra sofina amiko ilay miteny hoe , izahay koa manana ny marina, fa ilay miteny hoe : ato aminay irery no marina tena dramatika be :p

de nandritra izany 2000 izay izany de very daholo ny olona na nivavaka na tsia ve????

fa ianareo vao teraka omaly (fiangonana) no nitondra ny tena marina ??... hihihi

eny hoa eh :-)
7. stahtam ( 02/09/2015 08:41)

Sagesse04:

Ô re olona ô! Tonga ny fotoana fanavotana antsika zanak'olombelona manerana izao tontolo izao. Efa ianantsika izao ilay ora farany voalaza ao amin'ny 1Jn2,18. Koa mifohaza amin'izay e, "andao ho any an-danitra", henoy fa efa miainga ny fampianaran'Yahoshuah, ilay Andriamanitra tena Izy. Akaiky ny farany dikan'izao satria efa mandeha sy toriana manerana ny tany rehetra izany fampianarana izany (Mat24,14).
Koa ndao hanatona an'Yahoshuah, avoty ny fanahintsika, fantaro fa raha tsy miaraka amin'Yahoshuah ianao dia ho very any amin'ny helo.
Araho ny fampianaran'Yahoshuah ao amin'ny HFF Radio 97.2 FM na ny webradio sy ny webtv ao amin'ny "www.rtvyahoshuah.com", fampianarana izay entin'ny ray aman-dreny episcopo Samuelson Edward.
Tandremo anefa fa tsy maintsy atao batisa ianao vao voavonjy fa tsy hoe mihaino fotsiny ihany (Mk16,16).
Koa aza mety hofitahina intsony fa efa ampy izay roa arivo taona izay, ndao hiara-hanompo an'Yahoshuah.
Aza tezitra ianao fa aoka ho fifaliana ho anao ny mandre ny teny fanavotana, taomy ny namanao sy ny havana aman-tsakaiza hanaraka ny fampianaran'Yahoshuah ho famonjena ny fanahiny.
Fantaro fa ny famonjena ny fanahy no zava-dehibe indrindra ka mahaiza manongilan-tsofina amin'ny teny, mahaiza mandray.
Efa fitsarana ho anao na dia ity lahatsoratra ity aza, aoka ianao ho liana ny lalana mankany an-danitra ary tsarovy fa fitiavana anao izao teny izao.
Hitahy anao anie Yahoshuah.

stahtam mamaly an'i Sagesse04,
Fantatro fa manana bonne foi ianao milaza ireo teny ireo. Isaorana anao izany. Noho ilay teny farany kosa dia mba mamaly satria rehefa misy zavatra tokony hahitsy dia raisiko ho anisan'ny fitiavana ny manao izany fanitsiana izany. Raha baiboly no atao fototra itadiavana famonjena sy fitahiana dia misy itovizantsika ihany, fa raha ny anarana inoana kosa dia raisiko ho fahamarinana ny jaona 4 izay milaza fa raha hafa firenena (malagasy, anglisy...) no mivavaka dia mivavaka amin'izay tsy fantany izy, fa raha Jiosy kosa no mivavaka dia mivavaka amin'izay fantany izy; koa ireo Jiosy mivavaka ireo no tokony hotadiavina dia anontaniana hoe: Iza no anaran'ilay Mpanjakanareo dia ho azo antoka ny fahamarinan'ny valinteniny. Misy faminaniana mantsy milaza fa ny hafa firenena amin'ny farany dia hiteny amin'ny Jiosy hoe: "hanaraka anareo izahay fa fantatray fa momba anareo..." Dia mirary soa ho anao e!
8. stahtam ( 07/09/2015 05:50)
Stahtam mamaly an'i Sagesse04,

9. Sagesse04 ( 09/09/2015 13:33)

stahtam:

Bonjour daholo. Tena mahafinaritra rehefa atao ampahendrena ny resaka fa tsy atao ohatry ny an'ny sasany izay manao teny tsy voahevitra sy fanaratsiana fotsiny ihany.
Pour stahtam: Marina fa nilaza io teny ao amin'ny Jaona 4 io tokoa Yahoshuah satria fantatry ny Jiosy tsara YHVH (Yahvah) Andriamanitra Ray izay nivavahany, fa raha manaraka ny soratra masina tsara anefa isika dia mahita fa ny anaran'ilay Zanaka (Yahoshuah) no norarana mba tsy hotoriana izany hoe ilay Mpamonjy (Asa 4,17-18 Asa 5,40) ka dia foana izany Anarana izany satria tsy nisy nitory intsony Izy taty aorian'ny Apostoly sy ny Kristianina voalohany izay tapitra maty noho ny fanenjehana, noho izany dia mahafantatra ny anaran'ny Ray hoe "Yah" ny Jiosy hatramin'izao fotoana izao, manamarina izany ny Bible hébraïque (Biblia Hebraïca Stuttgartensia) fa tsy mahalala intsony kosa ny anaran'ilay Zanaka (normal be izany). Ny Jiosy izay mbola miandry ny fahatongavan'ny Mesia dia tsy mahalala mihintsy io Anarana io, fa ny Jiosy ankehitriny izay mino fa efa tonga ny Mesia dia miteny fa ny anaran' ilay Zanak'Andriamanitra dia Yeshua, Yeshoshuah... izay tsy iza fa i Jesoa ihany araka ny fampianaran'Yahoshuah izay torian'i Episcopo, na ny manampahaizana aza dia mba milaza fa tsy Yeshua velively ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra. Marina fa mpanjakan'ny Jiosy Yahoshuah, aoka hazava anefa fa ny Jiosy mihintsy no nampamono Azy sy nanao ny tsy hielezan'ny Anarany intsony. Mba manasa anao ny tenako hanaraka ny fampianarana ao amin'ny Radio HFF fa inoako fa fanazavana feno mihintsy no ho azonao avy amin'izany. Mirary soa tompoko!
10. endriny ( 10/09/2015 07:10)
Fa nahoana no hoe hanompo ny Atr'Israely? Satria ve izay no nosoratan'ny olona mba amidy amin'ny olona?

Fa maninona tokoa moa raha manao to ny Jiosy hoe mikatsaka ny fanafovatana eto an-tany aloha ( ilay tany nampanantenaina) fa tsy mivarotra saka be loha?
11. stahtam ( 10/09/2015 08:46)

Sagesse04:

stahtam:

Stahtam mamaly an'i Sagesse04,
Fantatro fa manana bonne foi ianao milaza ireo teny ireo. Isaorana anao izany. Noho ilay teny farany kosa dia mba mamaly satria rehefa misy zavatra tokony hahitsy dia raisiko ho anisan'ny fitiavana ny manao izany fanitsiana izany. Raha baiboly no atao fototra itadiavana famonjena sy fitahiana dia misy itovizantsika ihany, fa raha ny anarana inoana kosa dia raisiko ho fahamarinana ny jaona 4 izay milaza fa raha hafa firenena (malagasy, anglisy...) no mivavaka dia mivavaka amin'izay tsy fantany izy, fa raha Jiosy kosa no mivavaka dia mivavaka amin'izay fantany izy; koa ireo Jiosy mivavaka ireo no tokony hotadiavina dia anontaniana hoe: Iza no anaran'ilay Mpanjakanareo dia ho azo antoka ny fahamarinan'ny valinteniny. Misy faminaniana mantsy milaza fa ny hafa firenena amin'ny farany dia hiteny amin'ny Jiosy hoe: "hanaraka anareo izahay fa fantatray fa momba anareo..." Dia mirary soa ho anao e!
Bonjour daholo. Tena mahafinaritra rehefa atao ampahendrena ny resaka fa tsy atao ohatry ny an'ny sasany izay manao teny tsy voahevitra sy fanaratsiana fotsiny ihany.
Pour stahtam: Marina fa nilaza io teny ao amin'ny Jaona 4 io tokoa Yahoshuah satria fantatry ny Jiosy tsara YHVH (Yahvah) Andriamanitra Ray izay nivavahany, fa raha manaraka ny soratra masina tsara anefa isika dia mahita fa ny anaran'ilay Zanaka (Yahoshuah) no norarana mba tsy hotoriana izany hoe ilay Mpamonjy (Asa 4,17-18 Asa 5,40) ka dia foana izany Anarana izany satria tsy nisy nitory intsony Izy taty aorian'ny Apostoly sy ny Kristianina voalohany izay tapitra maty noho ny fanenjehana, noho izany dia mahafantatra ny anaran'ny Ray hoe "Yah" ny Jiosy hatramin'izao fotoana izao, manamarina izany ny Bible hébraïque (Biblia Hebraïca Stuttgartensia) fa tsy mahalala intsony kosa ny anaran'ilay Zanaka (normal be izany). Ny Jiosy izay mbola miandry ny fahatongavan'ny Mesia dia tsy mahalala mihintsy io Anarana io, fa ny Jiosy ankehitriny izay mino fa efa tonga ny Mesia dia miteny fa ny anaran' ilay Zanak'Andriamanitra dia Yeshua, Yeshoshuah... izay tsy iza fa i Jesoa ihany araka ny fampianaran'Yahoshuah izay torian'i Episcopo, na ny manampahaizana aza dia mba milaza fa tsy Yeshua velively ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra. Marina fa mpanjakan'ny Jiosy Yahoshuah, aoka hazava anefa fa ny Jiosy mihintsy no nampamono Azy sy nanao ny tsy hielezan'ny Anarany intsony. Mba manasa anao ny tenako hanaraka ny fampianarana ao amin'ny Radio HFF fa inoako fa fanazavana feno mihintsy no ho azonao avy amin'izany. Mirary soa tompoko!
stahtam manome hevitra mikasika ny valin-teny etsy ambony:
Ny fototra iray momba ny Mesia dia ny filazan'ny Baiboly HEBREO mialoha ny anarany any amin'ny faminaniana (tsy ao anaty baiboly dikan-teny) fa tsy aty amin'ireo boky vaovao izay antsoin'ny maro hoe testamenta vaovao akory satria EFA VOAOMANA hatry ny fahiny ny fiavian'ny Mesia; noho izany dia ny Jiosy (ny vahoakany) no tena mahalala ny Mesia voalohany indrindra. Ny Jiosy dia mahafantatra tsara ny toko sy andininy misy io anarany io satria amin'ny fiteniny izany. Ary ny teny hebreo milaza Azy dia Yesho'ah (hita ao amin'ny Biblia hebraïca Stuttgartensia koa izany) ary tsy hita na aiza na aiza aty amin'ny testamenta vaovao io anarana io. mbola misy anarana hafa ankoatra ny aza fantany ao anaty baiboly hebreo toy ny hoe YAHO... sy ny hafa fa tsy ny hoe YAH ihany ary hainy koa ny fotoana ampiasana azy ireo rehefa ataony ao anaty anarana izany.
Raha ny momba ilay hoe "na ny manampahaizana aza dia mba milaza fa tsy Yeshua velively ny anaran'ilay Zanak'..." dia somary tsy idirako loatra satria olona voatokana mihitsy no nomena ny tenin'Ilay nampisy ny lanitra sy ny tany dia ny Israeliana (Salamo 147/19,20); ny manampahaizana anefa dia hafa firenena ka tsy dia inoako hoe zavatra tsy nomena azy ve dia tokony hidirany? faharoa, voatokana mihitsy koa ny olona hi-interpréter sy hitory izany teniny dia ny Jiosy (Romana 3/1,2); koa raha fandinihana dia ekeko fa azony atao, fa tsy azoko itokiana ho marina kosa ny interprétation avoakany. Diniho ange izao e: ao anaty dictionnaire izay boky nosoratan-dry zareo aza dia lazainy fa "Lundi" ny premier jour de la semaine (azonao jerena ny “Dictionnaire Larousse Général, 1993” momba ny voambolana hoe: “lundi”), dia ahoana moa no hitokiana izay fanazavana momba ny fivavahana omeny @ izany? Raha fivavahana no resahina, ny renvoi eo amin'ny Matio 1/21 dia hita mibaribary fa fanazavana manampahaizana fa tsy ho ilay anjely akory no hilaza @ Maria hoe J...= J... no Mpamonjy.
Farany momba ilay hoe: "ny Jiosy mihitsy no nampamono Azy sy nanao ny tsy hielezan'ny anarany intsony" dia mety ho safobemantsina ihany noho ireto antony manaraka ireto: ny boky Asan'ny Apostoly izay nataonao référence dia milaza fa ankoatra ny olon-tsotra maro dia MARO be na dia ny mpisorona aza no nanaiky io finoana ny Mesia tonga nofo io (Asa 6/7), midika izany fa tsy izy rehetra fa ny sasany ihany no nanohitra. Io fisainana io amiko (anti-sémitisme) dia foto-pisainana nampidirin'ny mpitondra fivavahana hafa firenena tao an-tsain'izao tontolo izao satria tsy afaka hitory "filazantsara" mihitsy izy ireo raha mbola eo ny tompon-toerana dia ny Jiosy izany ka tsy maintsy ahataka amin'ny fomba rehetra (na fanosoram-potaka na famonoana mihitsy aza.
Raha fintinina izany izay rehetra izay dia ilay faminaniana ao amin'ny Zakaria 8/23 no tena fikiriko satria ny vavan'Ilay nivavahan'ny Israely mihitsy no nilaza ka dia andrasako satria tsy maintsy ho tanteraka io. Rehefa hita ireo Jiosy ireo dia tazonina ny sisin-dambany ary azo antoka ny famonjena. Mandra-pihaona indray e!
12. Hajarilala7 ( 16/09/2015 15:45)
Saika tsy hiteny ihany kanefa sao dia hanadinana ka dia miteny!

Tsy rava izany ny didy folo sy ny lalàna fa no tanterahina! Ary tsy avy amin'ny devoly izany io fa avy amin'Andriamanitra!

Aza mety ho fitahin'ireo devoly mandrava didy folo ireo ianareo fa manao lohan'ny demonia ireo, ao amin'ny Radio Herin'ny Fanahin'ny Fampiviliana"

Afaka amin'ny rànareo aho!

Tsy hanampy eto intsony aho!!! Ary tsy hamaly na iza na iza amin'ity loha-hevitra ity!!
13. stahtam ( 17/09/2015 11:29)

[quote=Hajarilala7]
Saika tsy hiteny ihany kanefa sao dia hanadinana ka dia miteny!

Tsy rava izany ny didy folo sy ny lalàna fa no tanterahina! Ary tsy avy amin'ny devoly izany io fa avy amin'Andriamanitra!

Aza mety ho fitahin'ireo devoly mandrava didy folo ireo ianareo fa manao lohan'ny demonia ireo, ao amin'ny Radio Herin'ny Fanahin'ny Fampiviliana"

Afaka amin'ny rànareo aho!

Tsy hanampy eto intsony aho!!! Ary tsy hamaly na iza na iza amin'ity loha-hevitra ity!!
[/quote=stahtam]
Miarahaba anao ary misaotra nanao teny tsy misorona. Mampalahelo anao ny hahita ny hafa mandeha @ làlana tsy izy koa niezaka ianao nanao izay azo atao rehetra. Efa nihaino io radio mihitsy aho taloha, fa efa nijanona ankehitriny noho ny antony. Tsy izy irery ihany fa ny radio évangéliques hafa koa. Antony hafa mihitsy anefa no anaovako izany fa tsy hoe noho ny fomba fanazavany hevitra akory. Ny fomba fijerinao no tiako hanampiana anao. Raha tianao dia misy tahirin-kevitra atoroko raha mahaliana anao ny mamaky azy:
1°) Christianity and mythology de J.M. Robertson (page 331, 10ème à la 12ème ligne), sur internet no ahitana io;
2°) FARY MAMY Kilasy Famaranana, takila 19, 76 sy 77.
Mirary soa ho anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7843