Voavonjy ve ny silamo?

1. hery ( 25/08/2015 22:43)
Ohatry ny hoe ny Kristianina foana ihany no mifanosinosy eto :-) Fa mba te hanontany aho hoe voavonjy ve ny silamo?

Dia raha tsy voavonjy ny silamo, maninona no tsy ireny aloha ifanotofan'ireo fiangonana marobe ireo? Sa ve we sarotra kokoa izany? Dia hitady tany malemy hanorenam-pangady ihany ve izany?

novalian'i rhaj0 ny 30/09/2015 11:17
2. bor2lais ( 26/08/2015 07:21)
Io ilay hoe moramora kokoa ny "manjono am-bovo" angamba ! :-)
3. Fiffi ( 26/08/2015 08:16)

hery:


Dia raha tsy voavonjy ny silamo, maninona no tsy ireny aloha ifanotofan'ireo fiangonana marobe ireo? Sa ve we sarotra kokoa izany? Dia hitady tany malemy hanorenam-pangady ihany ve izany?




...fa maninn no we "raha tsy voavonjy ny silamo" ?

lé famonjena nga natokana an'Kristiana ihany ?

....je pense we raha voavonjy ny Kristiana , dé voanvonjy koh ny silamo tahaka ny sasany...satria je pense we Andriamanitra iray ihany no hivavahana....

(raha Andriamanitra iray ihany no hivavahana).....
4. rhaj0 ( 26/08/2015 11:48)
Fiffi:
....je pense we raha voavonjy ny Kristiana , dé voanvonjy koh ny silamo...

Iieeee... mety ho tsara tokoany kosany izay concept-nao izay... hoe raha voavonjy i Paoly, dia voavonjy koa i Mohameda.. automatiquement, na hoe @ lojikan'A.tra.

.. dia "andraso eo i Paoly" raha hanaiky an'izany izy :-)

Fa samy hafa anie ny A.try ny Kristiana sy Moslimo eee... na dia samy niainga t@ A.tr'i Abrahama azany ireo Fivavahany roa ireo. Io ilay lasa vazivazy hoe, ilay A.tra 3 no 1 dia, satria hoe lasa misy : 1- A.try ny Jiosy, 2- A.try ny Kristiana ary 3- A.try ny MOslimo.


Matio 24:14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany

Inty hoe raha mba misy afaka manazava kely fanin-2 indray fa hotry ny tsy takatro tsara.. Ny fazahoako an'io mantsy, dia efa "vavolombelona ny firenena rehetra" eran'izao tontolo izao, izany hoe, efa tratra ny tanjona, ka tsy azoko hoe, inona no mbola hikofokofoan'ireo mpitory...

TSISY milaza mihintsy ao anaty Baiboly hoe, "ataovy Kristiana ny firenena rehetra"... sa izaho no tsy maha-araka ??? TEna izaho no tsy maha-araka, fa raha tsy izany ve tsy nisy ireny "guerre de religion" sy "croisade" taloha ireny. Dia h@ izao dia mbola misy manao toa izay ihany, ny taona anefa 2015...

Ka dia bonne chance marina ho an'ny Kristiana mino fa "rahefa mitory izy dia voavonjy"... Tsy ho hary ho vita ny fitoriana ny hafa rehetra, na moslimo na japoney ohatra, ary dia "hivezivezy lava any ny fanahiny", satria TSY ho tanteraka mihintsy ilay hoe "ho tonga ny farany".
5. Fiffi ( 26/08/2015 13:04)

rhaj0:


TSISY milaza mihintsy ao anaty Baiboly hoe, "ataovy Kristiana ny firenena rehetra"...



iza no nilaza an'zany teo ?

....hoy aho we "raha Andriamanitra iray ihany no hivavahana"
6. gasy1zay ( 26/08/2015 13:29)
Izy mino fa voavonjy izy satria mino fa ny Coran no arahina raha te hoany @ Allah, fa raha @ mahakristianina sy ny fijery kristianina dia mazava hoe tsy misy famonjena hafa afatsy ao @ Jesoa Kristy, ka mazava be izany fa ny silamo izay tsy mino hoe mpamonjy i Jesoa na hoe zanak'Andriamanitra izy fa dia hoe mpaminany nanao fahagagana fotsiny dia tsy ho voavonjy araka ilay famonjena inoantsika kristianina.
7. rhaj0 ( 26/08/2015 16:28)
gasy1zay:
Izy mino fa voavonjy izy satria mino fa ny Coran no arahina raha te hoany @ Allah, fa (..) tsy ho voavonjy araka ilay famonjena inoantsika kristianina.

Ka efa miha-maro isa hatrany izao ny Moslimo, tsy ao Mada ihany fa eran-tany koa..

Ka dia ... ahoana : ho raiketin'ny Kristiana indray ve ny "croisade", na "tafika masina".. sa tena ho hitarina h@ "guerre de religion" ?
MATIO 28:19 koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra...



Fa io ho'a dia mila mitandrina tsara rahefa manaja io consigne io, satria ny takatr'i Jesosy @ hoe "firenena rehetra" dia toa ny an'Andrianampoinimerina sy ny @ "valam-parihy" ihany io... TSY takatr'i Jesosy akory, ohatra, fa misy izany Vazimba izany any Mada, na hoe aborigene any Amazonie (mbola tsy takany akory ho'a fa boribory ny tany; 400 taty aoriana vao tonga saina ny eoropeanina sy Galileo)

Ka dia mila updater-na izany ny Baiboly eeee... :-)
MATIO 28:19 koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra...
ampiana hoe ...
... Ary ny "firenena rehetra" takatr'i Jesosy, dia ireo "firenena" kely maromaro tao Canaan.


Ary dia avelao izany ny Moslimo hanao ny reviny sy ny vonjiny ao eee... (vivre et laisser vivre)
8. Jugali ( 26/08/2015 21:02)
mitovy ian ny Andriamanitry ny krisitan sy ny silamo. samy Andriamanitra tokana mpamorona an'izao tontolo izao.

ar tadidio fa ny Anjely Gabriel tonga t@ Maria ian no Anjely Gabriel tonga t@ Mahomet.
9. rhaj0 ( 27/08/2015 02:04)
Jugali:
mitovy ian ny Andriamanitry ny krisitan sy ny silamo. samy Andriamanitra tokana mpamorona an'izao tontolo izao.

Koa ny Andriamanitry ny Ntaolo koa izany dia mitovy @ Andriamanitr'i Abrahama satria, hoz'ianao Jugali hoe, "tokana ny mpamorona an'izao tontolo izao" ??

Fa anaty fonosana fa efa noresahina avy tatsy @ rakitr'i Flacourt, fa ny Anjely Gabriel, @ Ntaolo (na ny Zafiraminia sa iza izy teo) dia nantsoiny hoe Ragibourail ...

10. Rafieritreretana ( 27/08/2015 07:29)
Misaotra an'i hery tamin'ilay fanotaniana!!!
(...)
Io Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra io rehefa nitodika tamin'ny olombelona indray ka hamonjy azy, dia tsy fomba fivavahana no nomeny fa "LALANA"; ary izany lalàna izany no fototry ny FAMPIANARAN'ny Kristy sy ireo Apostoly mpianany mba ahafahan’ny olona miaraka amin'Andriamanitra tokoa na tsia.
Noho izany, na iza na iza milaza fa MIVAVAKA, kanefa tsy mitoetra amin'ny FAMPIANARAN'NY Kristy dia Andriamanitra mihintsy no efa nandà AZY hoe: "tsy ao Aminy ny Ray, ary toy izany ihany koa Zanaka"
-IIJaona 9/ Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an'Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.

==> Ny fanotaniana anefa manao hoe: "VOAVONJY VE NY SILAMO"?
Hatreto aloha raha ny fahitako azy dia tsy mitory an'i Kristy velively ry zareo, noho izany dia tsy manana an'Andriamanitra Izy; ary tsy ho tafiditry ny lanitra tokoa fa maty makany amin'ny helo ah!!! Saingy manana Andriamanitra ihany izy ireo, kanefa dia Ilay Andriamanitra tsy izy.

==> Manarak'izany ihany koa, ny fandovana ny lanitra dia tsy avy amin'olona fa Andriamanitra mifidy; ary izay fifidianana ataony izany dia tsy azontsika idirana, fa zaranao aza nomeny sofina sy maso ho enti-mamantatra ny lamina napetrany.
TSAROVY TSARA ANGE NY TANTARA FA NY ISIRAELITA (Jiosy) sy ny ISMAELITA (Arabo) dia samy taranak'i Abrahama, kanefa ny zanaky ny andevo (Ismael), dia nasain'Andriamanitra noroahina fa tsy mahazo mandova:
-Galatiana 4:30/ Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? "Roahy io andevovavy io sy ny zanani-lahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo".

==> Milaza ny Silamo ary manaiky ao amin'ny ny Bokin’ny KORANO fa i Moïzy dia mpaminany avy amin’Andriamanitra, ary ekena ny Boky nosoratany izay misy ny didin’Andriamanitra (TORA):
Milaza ihany koa anefa ny KORANO fa i MAHOMETA no mpaminany farany; kanefa i Moïzy dia manizingizina fa Isiraelianina tahana Azy ihany ny mpaminano azo henoina, ny ankoatr’izy tsy izy:
-Deoto 18:15/ 15Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Yah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
-Deoto 18:18-19/ 18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. 19Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.

Izany indrindra no anamarinantsika na very na voavonjy ny Silamo, satria izy ireo dia manaiky an'i Moizy ho mpaminany. I Moizy anefa namoaka lalàna hoe: "MPAMINANY ISIRAELIANINA NO HOMEN'ANDRIAMANITRA NY OLONA, IZY NO HENOY"...

ARY REHEFA IZANY, DIA TSY ANJARATSIKA NO MITSARA NA MIAMPANGA AZY IREO, FA I MOIZY IZAY ITOKIANY:
Jaona 5:45/ Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Moïzy izay itokianareo.


11. Strong3 ( 27/08/2015 09:01)
Voavonjy ve ny silamo?

... miakatra be izany lentan'ny fizarana izany, tsy toin'ny teo aloha (y) makasitraka eh!

ny Mat 17:5 dia milaza Atra fa : ... ity ny zanako malalako izay sitrako: IZY NO HENOY!

ny silamo dia mino fa Atr'i Abrahama dia Andriamaniny ihany koa, ary ny silamo koa dia mino fa mpitondra hafatra avy amin'i Atra (Allah) i Jesosy.
Nahoana aza no TSY NIHAINO SY NINO NY TENY NAMPITONDRAINA IO JESOSY io ny silamo?

noho izany dia hoy io Jesosy izay inoan'ny silamo io, « Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jaona 3:18)
« Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony. » (Matio 12:36)
« Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. » (Jaona 14:10)

Ka tsy fitsarana amin'ny samy mpino eto no mipetraka fa ny Teny tsy hinoana no mahavery! :-)
12. rhaj0 ( 27/08/2015 11:00)
esy ee... dia mivanika tsiravina fotsiny aho mijery ny (mbola) "finoanareo" ny marketing nataon'ny olombe isan'isany t@ fotoan'androny mba azahoana client...
"IIJaona 9 ... Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an'Andriamanitra"

Dia giravy koa ilay "miady lova" (ho @ fanjakan'ny lanitra) eeee... aiza nama koa misy h@ hoe ...
"Galatiana 4:30 ... fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo"

Dia ianao io ve nama mba "zanaka inona" no mihevitra ny "handova" ???

ntsss... dia ao ianao izany eee...
13. Strong3 ( 27/08/2015 11:50)
andrina ray , andriana reny hihihih :-) lol
14. Rafieritreretana ( 27/08/2015 11:57)


Raha mba fantatrao tokoa maintsy izay noraisiko dia tsy tahaka izany no fiteninao!
Tinao ho fantatra moa hoe iza izaho?
==> Valiny: "ANDRIAMANITRA izahay"... saingy tsy ivavahana fotsiny. Noho izany dia tsy fantatrao izahay, satria ianao eto amin'izao tontolo izao:

Salamo 82:6/ Hoy izaho: ANDRIAMANITRA IANAREO, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
IJaona 3:1/ Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe ZANAK'Andriamanitra, SADY IZANY TOKOA ISIKA! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.
15. rhaj0 ( 27/08/2015 12:12)
Hozy Ralarosy:

DIEU (Au singulier ou au pluriel, avec une minuscule, et un féminin déesse)
1- Dans les religions polythéistes, être supérieur doué d'un pouvoir surnaturel sur les hommes ; divinité : Les dieux des Romains.
2- Représentation d'une divinité : Des dieux en pierre.
3- Personne à laquelle on voue une sorte de vénération, un attachement passionné, ou que l'on considère comme supérieure : Ce sportif est leur dieu.
4- Objet, chose, idée que l'on place au plus haut dans la hiérarchie des valeurs et à quoi on sacrifie tout : Le dieu dollar.



Mba ameo "famaritana" (definition) anao, na ny ao @ Baiboly, ny hoe "Andriamanitra" hoe e... ngo dia tsy mitovy ny resaka..
16. Strong3 ( 27/08/2015 12:19)
za koa mba hiteny :-)
« Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy] » (Isaia 53:10)
« Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany] » (Isaia 53:11)
« Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. [*Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na: nanao] » (Isaia 53:12)

Izaho ilay olombaovaoa nasiana tombokase manokana handova sy mpiara-mandova amin'ilay Teny Tonga nofo !
17. Jugali ( 28/08/2015 20:02)
Maro ny zavatra iraisan'ny Silamo sy ny Kristiana raha mijery lalina.

Ny zavatra rehetra mahasamy hafa azy kosa dia avy @ ty daholo :
"Andriamanitra tsy manaranaka, Lehibe Andriamanitra" . Izay no nampianarina mafy ny Silamo fa tokana iany Andriamanitra ary izy irery ian dia mahasahana an'izao tontolo izao. Ka izay no mahatonga azy mihevitra fa mpaminany tsotra i Jesoa satria tsi mananjanaka 'zany Andriamanitra aminy.
Antony "pédagogique" no nahatonga an'io fampianarana io. Mila mijery ny tantaran'ny faritry Arabie Saoudite iny t@zany andro izany. Tena fatra mpanompo sampy tanteraka ary loza b iny faritra iny. Nivavaka t@ vato aman-kazo mintsy. Izay no tena "mission" an'i Mahomet nampianatra andry zareo fa misy an'izany Andriamanitra tokana izany. Raha ny tantara anefa dia nandeha b ny hevitra teo @ireo vahoka nampenarina fa oe sefo na lehibe an'reo Andriamanitra maro (sampy) tompoin'zareo zany 'zany Andriamanitra resahan'i Mahomet 'zany. IZAY NO ANTONY nahatonga ny fanapahankevitra nampianarana oe "Andriamanitra ts miteraka Andriamanitra hafa" izany fa izy ian, entina nandresena lahatra an'ireo olona ireo iala @ Andriamaintra maro tompoina. Ts tafita katram farany anefa ny hevitra ka lasa noheverina fa ts misy zanak'Andriamanitra toa an'i Jesoa. Hadihadio ny tantara nisy tany Arabie Saoudite t@zany fa izay no zava-nitranga. Izay no tena mampisaraka ny Krisitana sy ny Silamo.

Raha resaka hoe voavonjy na tsia d tsotra tompoko : ts miankina @ antokom-pinoana mihitsy io. Andriamanitra ts manavaka ary ts maniry ny olombelona noforoniny hizarazara ho finoana maro. Ny olombelona no mifampizarazara. Samy noforonon'Andriamanitra daholo na mpino na ts mpino, na Silamo na Kristiana ary tsy manam-petra araka ny fihevitry ny olona ny fitiavan'Andriamanitra. Rehefa manam-piniavana ny ho voavonjy sy manaiky ny maha-zanak'Andriamanitra dia mandray hatrany Andriamanitra. Mpirahalahy avokoa ny olombelona rehetra eto an-tany, tsy an-kanavaka fa antony "terrestre" maro no mahatonga fizarazarana izay tsy tian'Andriamanitra velively.
18. Strong3 ( 31/08/2015 12:02)
mahaliana, mba azavao misimisy hoe raha mbola misy hainao?

toa misy fahalala ara-teolojia mifandiso maro koa mantsy izy tao kou.

ohatra ny paradisa , ny nahatonga ny ozona tamin'ny adama sy eva
ny afo be sy ny famonjena

toa samy hafa ny Atra nanao dicté tao kou ...
raha ara-tantara sy jeografia dia zanak'i Abrahama daholo na ismaela na isaka

fa ismaela nanaraka an'i agara ary i isaka ilay notsofin'i Abrahama rano handimby azy

ekena dia ekena fa nisy anjely nanjohy i ismaela tamin'izay, ary saika ny tany arabo manotolo dia nanaraka io fampianarany azo tamin'ny anjely io (sy izay andriamaniny tao , na niova Atra izy na ilay tao amin'ny Abrahama ihany no nanambina azy)
fa ny azo antoka dia samy hafa ny fitantarana ao amin'ny bokin'ny fiandohan'ny famoronana sy ny fiafaran'izao ere iainantsika izao.

miresaka ianao eto ny amin'ny famonjena.
dia asa tokoa izay ataon' Atra Tsitoha ao fa raha ny baiboly aloha dia tsy misy ahazoana famoonjena raha amin'ny alalan'i Jesosy hoy io Atra Tsitoha mpahary io.

fa izay an'ny finoana hafa toa an'i silamo dia asakasak'io Atra Tsitoha io ihany, fa raha toa ka misy lalana hafa nefa izy milaza izany ao amin'ny baiboly .
dia tsotra aminay kristiana mpandaiga na tsy milaza ny marina io Atra Tsitoha io (sanatria anefa izany)
Fa masina Izy, tsy olombelona izy ka handaiga.
fa tokana Atra, Masina Izy... Mandrakizay ny fahamarinany.

Ny hoe zanaka , dia marina ny filazana fa tsy niteraka Atra. ary fomba fiteny (language humain) no antony hilazana fa ZANAKA IZY;
FA AMIN'NY TEOLOJIA NO AHALALANA FA TSY ZANAKA NATERAKA , IZY FA FISEHOANA HITAMASO ahatakaran'ny olona ny hevitra tiana ampita ny filazana Azy jesosy hoe zanaka.

fa ireo teolojiana milaza hoe ray zanaka fanahy , na ray reny zanaka io dia niala tamin'ny fahamarinana ka tsy azo isaina ho fahamarinana ny fanambaran'ireo.
19. gasy1zay ( 31/08/2015 13:47)
ao @ bokin'ny Asan'ny apostoly ao misy olona mpivavaka 2 karazana (ilay tandapa etiopiana sy i kornelio) tsy nahalala an'i Jesoa Kristy fa dia mpivavaka tsotra azo oharina @ ireo silamo resahintsika eto, raha jerentsika ny tantara dia nirahin'Andriamanitra ny apostoly hitory ny filazantsara @ izy ireo ary hanao batisa azy.

Raha dinihantsika ireo ohatra 2 ireo dia azo lazaina hoe tsy ampy ny mivavaka sy ny manao marina fa mila mino/mandray an'i Jesoa Kristy sy atao batisa ny olona mba hahazo famonjena.
20. rhaj0 ( 31/08/2015 13:58)
Jugali:
Samy noforonon'Andriamanitra daholo na mpino na ts mpino...

Fomba fijerinao irery io, na fomba fijerina(re)o Mpino..

Ho anay TSY-Mpino indray dia ... "Samy namorona ny Andriamanitrany daholo ny Mpino".

Ny Kristiana izany dia namoronany ZanaNY akoriny azany kou.
Ny Moslimo tsy nanaiky an'izany anefany kou.
Ny Amerindiana namoronany Grand Manitou.
Ny HIndu namoronany ny Vishnu.
Angaha tsy coucou daholo eee :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6325