Mbola misy ve ny voaloham-bolana?

61. ranthson ( 28/08/2015 14:38)

RBNIR:

Tsy iandiankevitra hoy aho, izaho moa dia matahotra ny tsy hahazo loka ny antony tsy hitandremako azy satria ireo mpianatra aza tsy nitandrina noho ilay izy aloky ny zavatra ho avy...fa raha sitrapon'ny Tompo dia azavaiko ilay paska e! ny atreto aloha dia araka ilay teny hoe samia mamisavisa ry namana....

Hazakazaka ny mba hahazo loka ny ataontsika ry RBNIR, fa hoy fotsiny ny TOmpo hoe izay mtady iany no hahita, izay mandondona no vohaina, ary izay mangataka ihany no omena. Izaho koa dia matahotra ny tsy hahazo ilay loka, ka izanynno hikatsahana ny fahamarinana hatr'aiza hatr'aiza. fa efa itako ilay marina ankehitriny dia misaotra an'A/tra aho, ary isika eto M/car dia tsy lavitra an'zany.
62. RBNIR ( 30/08/2015 08:02)
Faly misera namana,
Rehefa avy nampianarin'ny namana "teny anglisy" dia mba niverina nianatra "teny malagasy" kely indray....
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Rehefa natao ary ny fanadihadina dia izao ny vokatra hita ilay hoe ireny (ao anatin'ilay hoe aloky ny zavatra ho avy ireny) dia "misolo" an'ireto anarana voalaza ireo "ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata"
Mino aho fa raha misy namana mahay teny malagasy tsara eto dia afaka ny hanamarina izany izy,

Izany hoe ireo farany ireo izany no voalaza fa "aloky ny zavatra ho avy"....

Hoy aho hoe ny paska koa tafiditra satria anisan'ny andro firavoravoana « [Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina. » (Deo.16:1)

Tena aloka marina v ny paska fahiny????
Inona avy ny zavatra hita tamin'ny paska fahiny?
« Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo. » (Eks.12:20)
« Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. » (Eks.12:21)
Raha mamaky isika dia hahita fa zanak'ondry tsy misy kilema no ilaina (Eks.12:5)

Taloha (ilay aloka) izany dia :
1- Tsy mihinana masirasira (sy mofo masirasira)
2- Misy zavatra vonoina (zanak'ondry tsy misy kilema) Vonoina ho paska "hoy ny teny ao amin'ny Eks.12:21

Ankehitriny (ilay tenan'i Kristy na ilay vongana) kosa :
1- « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela , na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor.5:8)
2- ... Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor.5:7b)

Izany hoe : Aloka -----> vongana na tenan'i Kristy
1- Ilay fihinanana zavatra tsy misy masirasira (sy mofo tsy misy masirasira) fahiny (aloka)-----------> nosoloina fahadiovam-po sy fahamarinana (« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo....» (1 Kor.5:7a)

2- Ilay zanak'ondry novonoina ho paska fahiny -------> tenan'i Kristy « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor.5:7)

Koa dia averiko am-pitiavana hatrany ry namana isany : ny tena mahazava-doza ny fiziririantsika amin'ny fitandremana ireny "fanetretena haitraitra" ireny anie hoy aho dia ity e: « Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony» (Kol.2:18)
63. ranthson ( 31/08/2015 08:21)

Raha mandinika tsara angamba ianao ry RBNIR, ny hafatra eto dia avy @ apostoly Paoly hoan'ny kolosiana (hafa firenena, Jentilisa). Ireo andro masina ireo dia natao hoan'ny zanak'israel fahiny (fiangonan'A/tra taloha). ny hafa firenena taloha dia noharina t@ alika no nitenenan'i Jesosy azy taloha:

Mat 15 :24-26" Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely.25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.

Fa tsy maintsy ho foraina izy aloha vao mahazo mitandrina ireo andro ireo (araka ny voalazako tany aloha ny...)

Niova io fitsipika io ankehitriny araka ny faminanian'i Isaia 42:1 manao hoe :
[Ny amin`ny Mpanompon`i Jehovah, mpitondra famonjena ho an`ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an`ny jentilisa Izy.

Ady hevitra be io resaka famonjena ny Jentilisa io t@ andron'ny Apostoly porofo : vakio ny Asa 15 :1- 8 " Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany .........5 Fa ny mino sasany, izay isan’ ny antokon’ ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’ i Mosesy....

Ka noho izany, tsy fahafoanany ilay lalàna resaka paska sy firavoravoana sy sabata ny tena olana nanoratan'i Paoly hoan'ny kolosiana t@ io fa resaka Jentilisa izay tokony ho foraina aloa vao mahazo mihinana sy misotro (fandraisana ny fanasan'ny Tompo, voaloham-bolana, paska sy sabata .

NB : raha hoan'ny Jiosy sy ny zanak'israel io hafatra io dia marina ny anao satria mbola nanao izany ny Jiosy dia notenen'ny Paoly hoe tsy tokony atao intsony ilay izy.

fa ilay hafatra tompoko dia hoan'ny hafa firenena ka hoe satria misy miampanga (mitsara) ry zareo

vakio ny kol 2: 11-14 "11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty.13 Ary hianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;...."

ka noho izany "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy"

fihinana sy fisotro = fandraisana ny ràn'ny Jesosy sy ny tenany na andro firavoravoana >>> io ilay lalàn'ny paska taloha hoe tsy maintsy foraina vao mahazo mihinana ny Jentilisa..

ka mipetraka ilay teny manao hoe :kol 2 :18 "Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa [Na: (tsy)] hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofony"

Izany hoe voafitaka ny Jentilisa raha mbola asaina mifora vao hanao paska sy firavoravoana sy hihinana ny fanasan'ny Tompo. ilay fanaovana famorana no tsy ahazoana loka intsony eto fa efa nosoloina batisa

ALoky ny zavatra ho avy = fa tsy aloky ny zavatra efa lasa. Araka ny nazavaiko teo aloha fa mbola hisy paska any an-danitra. hoy i Jesosy

Mat 26, 29:Ary lazaiko aminareo fa hatramin''izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin''ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin''ny fanjakan''ny Raiko.

Io toko sy andininy io no manambara fa mbola hisy paska any an-danitra. Ka asakasakao ry RBNIR raha tsy mbola tsy hanao paska ianao fa diso ilay fahazoantsika ny tenin'A/tra ka lasa mahavery

64. ranthson ( 31/08/2015 08:26)
Ka noho izany diso mihintsy ny fomba fandraisanareo ilay teny ka mety mahatonga fahaverezana hoanareo.
2 Pet 3 : 16 "Tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany"

Mbola mitohy ihany ny tenin'i Petera hoe :

" 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo;18 fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.

Malahelo aho raha olona tahaka anao izao ry RBNIR no voafitaka nefa itako ianao fa mba matahotra an'A/tra ihany, fa diniho tsara fa marina ireo teniko ireo fa raha tsy mbola tsy resy lahatra ianao sy izay mitovy hevitra aminao dia raisiko ho ahy ihany ny fahalalako. fa efa voateniko izy izay"

"Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny eny am-pon'ny malala"
65. ranthson ( 31/08/2015 08:44)
Mbola tsindriko ihany ny tenin'i Jesosy manao hoe :
Mat 26, 29:Ary lazaiko aminareo fa hatramin''izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin''ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin''ny fanjakan''ny Raiko.

Vaovao aminareo hoy ny Tompo : ny vaovao aminareo dia ny zanaka sisa amin'izao andro farany izao.

Ka mipetraka ny fanontaniana raha tsy hanao paska ianao aty, moa ve mety ho isan'ireo vaovao iaraka hanao paska miaraka amin'ny Kristy ianao any an-danitra e?

....ety an-tany tahaka ny an-danitra ....misy dikany io teny io,
66. RBNIR ( 31/08/2015 08:57)
Raha ny dikan'ny paska namana dia misy zavatra vonoina foana (zanak'ondry tsy nisy kilema ------> novaina ny tenan'i Kristy,
Raha misy any izany dia misy hafa indray tsy maintsy hovonoina namana!!!

(raha azoko tsara mamono zana-kondry tahaka ny taloha koa ianareo izany izao)???? Rehefa mitandrina mantsy dia tena mitandrina fa tsy mitandritandrina??? Sa ts'izay ilay izy ry namana??? :)
67. RBNIR ( 31/08/2015 08:58)
haitraitra = aingitraingitra = zavatra tsy mahasoa nefa handaniana vola B, harena B, herimpo B.....
68. ranthson ( 31/08/2015 09:01)

RBNIR:

Raha ny dikan'ny paska namana dia misy zavatra vonoina foana (zanak'ondry tsy nisy kilema ------> novaina ny tenan'i Kristy,
Raha misy any izany dia misy hafa indray tsy maintsy hovonoina namana!!!

(raha azoko tsara mamono zana-kondry tahaka ny taloha koa ianareo izany izao)???? Rehefa mitandrina mantsy dia tena mitandrina fa tsy mitandritandrina??? Sa ts'izay ilay izy ry namana??? :)

non, efa noteneniko ihany ery aloa fa ny fanatitra alatsa-drà sy ny famorana ihany no lalàna efa tanteraka @ lalàna (fa izaho tsy ambany lalàna). Ny paska misy fiaraha-mihinana sy misotro ny tenan'ny Tompo sy ny ràny, firavoravoana. sa i RBNIR tsy mandray ny fanasan'ny Tompo? mba valio hoe
69. ranthson ( 31/08/2015 09:02)

RBNIR:

haitraitra = aingitraingitra = zavatra tsy mahasoa nefa handaniana vola B, harena B, herimpo B.....

IE, famorana
70. RBNIR ( 31/08/2015 09:13)
dia tena efa voapetaka marina tokoa izy izany ry namana.....
71. RBNIR ( 31/08/2015 09:16)

izao ary, azo ovaina v ny datin'ny paska ao aminareo sa tsia?
72. ranthson ( 31/08/2015 09:42)

RBNIR:

izao ary, azo ovaina v ny datin'ny paska ao aminareo sa tsia?

Ny datin'ny paska dia tsy andro fixe na volana fixe @ny calendrier fa ny volana (lune) no midéterminée azy. Andro fahaefatra ambin' ny folo rehefa hariva amin' ny volana voalohany (Nisana na Abiba) no voatendrin' i Jehovah Andriamanitra hankalazana ny Paska, ary ho lalàna mandrakizay izany.

izany hoe eo @ voaloham-bolana (tsinam-bolana) amin'ny volana Nisana na Abiba ianao no manisa 14 jours dia izay no paska. ny andro faha-15 dia andro firavoravoana hoan'ny Jehovah.

Ka na fetsy aza ny devoly sy ny bibidia, ka nanova ny fotoana sy lalàna, dia tsy afaka nanova ny cycle lunaire izy ireo.
73. ranthson ( 31/08/2015 09:46)

RBNIR:

dia tena efa voapetaka marina tokoa izy izany ry namana.....

izaho sa ianao no voapetaka? :-) na leiz tsy mazava aminao na ianao no be hambo po na tena voapetaka marina :-)
74. ranthson ( 31/08/2015 09:54)
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany ity na remarque kely : matoa ny bibidia (666) mbola manao paska sy andro firavoravoana (lundi de paka izy amin'zareo) dia fantatry ny devoly fa mbola misy ny paska fa saingy novainy ilay fotoana fanaovana azy (natoany Alahady foana) mba hamitahany ny maro. (mikasa hanova fotoana sy lalàna)

Daniela 7 : 25
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna;....

75. RBNIR ( 31/08/2015 10:26)
ranthson:

RBNIR:

izao ary, azo ovaina v ny datin'ny paska ao aminareo sa tsia?

Ny datin'ny paska dia tsy andro fixe na volana fixe @ny calendrier fa ny volana (lune) no midéterminée azy. Andro fahaefatra ambin' ny folo rehefa hariva amin' ny volana voalohany (Nisana na Abiba) no voatendrin' i Jehovah Andriamanitra hankalazana ny Paska, ary ho lalàna mandrakizay izany.

izany hoe eo @ voaloham-bolana (tsinam-bolana) amin'ny volana Nisana na Abiba ianao no manisa 14 jours dia izay no paska. ny andro faha-15 dia andro firavoravoana hoan'ny Jehovah.

Ka na fetsy aza ny devoly sy ny bibidia, ka nanova ny fotoana sy lalàna, dia tsy afaka nanova ny cycle lunaire izy ireo.

« ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! » (Jao.19:14)

Vakio tsara fa hoy ny teny hoe ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina.....
Talohan'io anefa dia voalaza fa efa nanao Paska niaraka tamin'ny mpianany i Jesosy????? nefa hoy ianao hoe tsy azo ovaina ilay

Ny marina dia ity: Jesosy dia efa nampianatra fa aloka ireny andro firavoravoana taloha ireny ary dia nataony tsinontsinona ny fomba fitandremana izany (porofo io hitan-tsika io ry namana).....
Nahita ary nahalala izany ireo mpianatra dia mba nanao tsinontsinona ihany koa (dia teraka teo ilay kol.2:16,17) nisy ny nanakiana (toy izao ataonao izao) e!

Teny iray no hamintinako azy « Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] » (1 Jao.2:6) Koa asakasak'izay tsy handeha amin'ilay nandehanany ry namana....
76. ranthson ( 31/08/2015 14:13)

I Jesosy lazaiko anao fa nitandrina ny paska fona, eny hatr@n'ny nahafatesany aza teo @ hazofijalina. porofon'izany ilay toko sy andininy efa nambarako teo aloha ihany.

Matio 26 : 18
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.

1) Nandray ny fanasan'i Tompo koa izy arak'io voalazan'ireo toko sy andininy ireo >>> Noho izany tsy nanana eritreritra mihintsy izy ny tsy anao paska alo.
2) izy ilay zanak'ondry maty tandindon'ilay zanak'ondry t@ andron'ny zanak'israel >>> paska ihany ko io.

Ny problème eto dia hoe naninona Izy no nihinana aloan'ny fotoana jaona 19 :14, satria ny antony tsy afaka ihinana ilay mofo izy raha efa mihantona eo @ hazofijalina tompoko, sa mety izany? mety ampatahotra ihany ra nihinana izy teo an! :-)

Ka noho izany tsy hoe nandika ny didy izy akory fa nontanterahiny ilay lalàna fa saingy noho ny zava-misy dia tsy maintsy izay no nataony mba ahatanteraka ny sitrapon'A/tra.

>>>>tsy mahafoana ny paska io tompoko satria raha nisaina ny hanafoana ny paska i Jesosy dia tsy nirarà an'io akory, azony natao tonga dia tsy nihinana tompoko ary tsy ho faty ihany koa; fa ny porofo hoe nitandrina izy dia "Matio 26 : 18" ......... koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.

(Mitovy@ilay raisonnement ny nahasitranan'i Jesosy ilay marary t@ andro sabata ihany izany ka saika nitenenan'i sadoseo azy hoe namaha ny sabata izy.... nefa famonjena no nataony)

Noho izany tsy mitombina tompoko ilay raisonnement hoe foana ny paska na dia mtady toko sy andininy fatratra ianareo mba hahafoana ny didin'A/tra.

77. RBNIR ( 31/08/2015 22:07)
ranthson:

Ny problème eto dia hoe naninona Izy no nihinana aloan'ny fotoana jaona 19 :14, satria ny antony tsy afaka ihinana ilay mofo izy raha efa mihantona eo @ hazofijalina tompoko, sa mety izany? mety ampatahotra ihany ra nihinana izy teo an! :-)

Ka noho izany tsy hoe nandika ny didy izy akory fa nontanterahiny ilay lalàna fa saingy noho ny zava-misy dia tsy maintsy izay no nataony mba ahatanteraka ny sitrapon'A/tra.

Izany hoe arakaraka ny zava-misy io dia indraindray azo ekena ihany tsy tandremana araka ny tokony ho izy ilay andro (azo aroso na hahemotra)?
Koa raha mamaly tahaka anao izany koa moa ireo olona sasany dia mba ahoana namana (moa tsy tokony hanan-drariny koa v izireo raha izany)?

Raha ny soratra masina anefa no vakiana dia tsy afaka atao ny manova ilay andro voatendry hitandremana ny paska (tahaka ny mahasarotiny anareo ankehitriny namana satria fantatrao tsara izany)

Inona ny andro voatendry fa hitandremana ny paska?
« Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. » (Lev.23:5)

Azo atao v ny mampandroso na mampihemotra io andro io?
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy. » (Nom.9:10)
« Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. » (Nom.9:11)

Valiny : azo atao saingy voafaritra mazava hoe amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy.......

Averiko hatrany, i Jesosy mihitsy no efa nanao tsinotsinona ny fitandremana ny paska ary nampianatra fa aloky ny zavatra ho avy ireny namana...

Hofaranako ny resaka ka hofitiniko ny fizarana namana (anjaran'ny tsi11 sisa no mandinika)
Kol.2:16,17 : Ny voalohambolana dia tsy tandremana intsony satria aloky ny zavatra ho avy ireny....
Ho an'ireo izay mihevitra fa mbola hisy ny voalohambolana any amin'ilay fiainana mandrakizay noho ilay teny fikasana ao amin'ny Isa.65;66 dia aoka ho fantatr'izireny fa tsy mitovy ny teny fikasana voalaza ao amin'ny Isa.65;66 sy ny ao amin'ny apok.21;22 satria ao amin'ny Isa.65;66 (mbola hisy maty sy ozona ary mpanota ihany Isa.65:20 ; mbola hisy andro sy volana isaina ihany Isa.66:23 ; hisy nofo aman-dra (biby)ihany Isa.65:25
Any amin'ilay apok.21;22 kosa anefa tsy hisy fahafatesana intsony Apok.21:4 tsy hisy ozona intsony Apok.22:3 ary tsy hisy ota sy mpanota intsony 1 Jao.3:5 fa ny fahamarinana no hitoetra any 2 Pet.3:13 tsy hisy alina intsony noho izany tsy hisy andro sy volana isaina intsony Apok.22:5 tsy hisy biby satria ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny any 1 Kor.15:50.
Aloka hoy ny tenin'Andriamanitra ary isan'izany ireo andro firavoravoana ohatra nalaina ny paska det.16:1
Fihinanana mofo tsy misy masirasira Eks.12:20-------> fahadiovampo sy fahamarinana 1Kor.5:8
ondry Eks.12:21 (zanak'ondry tsy nisy kilema Eks.12:5) novonoina ho paska---------> tenan'i Kristy novonoina ho paska Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor.5:7b)
Farany dia noporofoina fa i Jesosy Kristy mihitsy no tsy nanaja ny paska voalohany ka nampianatra ireo mpianany hanao toy izany koa satria nitandrina ny paska talohan'ny andro voatendrin'Andriamanitra Izy...« ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! » (Jao.19:14)
Mbola vao andro fiomanana ny amin'ny paska ny andro tamin'io, nefa Jesosy efa niaraka nihinana ny paska niaraka tamin'ireo mpianany talohan'io andro fiomanana io (ilay andro anefa mbola tsy tonga akory.....

Koa dia atsipy ny teny any ampon'ny mahalala......
Averina hatrany fa tsy fanenjehana an'iza na iza, tsy fanaratsiana an'iza na iza, fa « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
Ho fampianarana, ho fandresen-dahatra ho fifampitaizana amin'ny fahamarinana ary ho fanitsiana izay diso fotiny ihany....
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

Hitahy antsika rehetra anie ny Tompo

78. RBNIR ( 31/08/2015 22:17)
« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra .....» (Kol.2:18)
79. ranthson ( 02/09/2015 07:54)
RBNIR:

Izany hoe arakaraka ny zava-misy io dia indraindray azo ekena ihany tsy tandremana araka ny tokony ho izy ilay andro (azo aroso na hahemotra)?......

Ekeko tokoa, fa misy ny paska faharoa hoan'izay lasan-davitra ka tsy afaka nanao paska voalohany arak'io noteneninao io,

Fa ambarako etoana, fa nitandrina paska i Jesosy, fa saingy taloha, vonoina ny zanak'ondry zay vao hohanina ny henany miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira sy anamangidy(andron'ny zanak'Israel talo),
eks 12 : 7-8

Fa saingy i Jesosy ilay zanak'ondry novonoina, dia tsy afaka ihinana izy satria ho faty eo @ hazofijaliana. ka noho izany dia nihinana aloan'ny fotoana izy fa tsy nanafoana ny paska fa nitandrina ihany matoa nihinana.

Misy fanontanina inty, i RBNIR ve mandray ny fanasan'ny Tompo?
80. RBNIR ( 02/09/2015 07:59)

Mivadibadika koa ange isika izany mamaly namana ranthson e! indraindray ianao manaiky fa tsy nitandrina ara-potoiana Izy, indraindray ianao mandà fa otran'ny nitandrina ihany Izy, ka dia inona no marina e!
Hamafisiko hatrany tena tsy nitandrina Izy (mbola hoentina ny porofo raha sitrapon'ny Tompo)
Tsy azoko loatra ilay fampifandraisanao ilay fanasan'ny Tompo amin'ilay resan-tsika eto....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991