Mbola misy ve ny voaloham-bolana?

1. ranthson ( 24/08/2015 12:50)
Ahoana ny hevitrao amin'ity teny ity? "
"Fa tahaka ny lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hataoko , no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo. Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatreako , hoy Jehovah"
Isa 66 : 22-23
novalian'i RBNIR ny 07/10/2015 09:30
2. ranthson ( 24/08/2015 13:20)
Ny voaloham-bolana dia andro 1 isam-bolana voatendrin'ny Jehovah hohamasinina tahaka ny sabata andro fahafito ihany koa. Tsy mitovy amin'ny voalohan'ny volana tahaka ny itantsika amin'ny calendrier mahazatra anefa io andro io fa ny volana eny ambony no hamantarana azy. rehefa tsinana ny volana dia izay ny voaloham-bolana.
3. ranthson ( 25/08/2015 05:50)
Apok 22 :1-2 "Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry teo afovoan’ ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro"
4. Strong3 ( 25/08/2015 06:43)
kay ve mbola hisy volana any andanitra eh?

fa hono hoa ry ranthson; isakin' inona no tokony hiankohoka amin'i Jehovah?

raha jiosy dia misy andro natokana tokoa.

fa sao mba tsy kristiana aza ry ranthson aloha eh? raha izay za manko dia tsy ho be resaka hanazava eto. satria sarotra hoan'ny tsy kristiana ny hananana fifantohana hivavaka na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana.

Jereo kely nge ity verset ity eh: « Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. » (Matio 24:20)

AMINAO MISAINA TSARA IO, TSY TOKONY ANDRO SABATA VE NO FOTOANA METY AHATOGAVAN'NY ANDRON'I TOMPO?
nahoana anefa izy no ilaza fa ivava mba tsy ho amin'izany? :-) azavao tsotra mazava ary directly
aza manolakolaka resaka
5. ranthson ( 25/08/2015 07:22)

Strong3:

Mr Strong3, miarahaba anao. ny sabata,voaloham-bolana, Paska, andro firavoravoana, pentekosta : ireo dia andro masina eo anatrehan'i Jehovah A/tra hatr@ taloha sy izao ary amin'ny ho avy. Atao ety an-tany ireo ary hatrany an-danitra ihany koa. araky ny voalaza ao @ kol 2: 16-17 " Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.". raha kristianina ianao izany ka hanatena ny iakatra any an-danitra tokony hiankohoka eo Aminy isak'ireo andro ireo. Ataonao ahoana ny anao an'ireo raha tsy zatra anao an'ireo ianao ety an-tany. tahaka ilay vavaka nampianarin'i Jesosy hoe ....ety an-tany tahaka ny any an-danitra....?
6. Strong3 ( 25/08/2015 07:33)
ayh! ... eny hoa valio mazava fotsiny hoe mbola misy volana ve any eh?

« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apokalypsy 22:5)
7. ranthson ( 25/08/2015 07:34)

Strong3:

kay ve mbola hisy volana any andanitra eh?

fa hono hoa ry ranthson; isakin' inona no tokony hiankohoka amin'i Jehovah?

raha jiosy dia misy andro natokana tokoa.

fa sao mba tsy kristiana aza ry ranthson aloha eh? raha izay za manko dia tsy ho be resaka hanazava eto. satria sarotra hoan'ny tsy kristiana ny hananana fifantohana hivavaka na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana.

Jereo kely nge ity verset ity eh: « Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. » (Matio 24:20)

AMINAO MISAINA TSARA IO, TSY TOKONY ANDRO SABATA VE NO FOTOANA METY AHATOGAVAN'NY ANDRON'I TOMPO?
nahoana anefa izy no ilaza fa ivava mba tsy ho amin'izany? :-) azavao tsotra mazava ary directly
aza manolakolaka resaka

Kristianina mihintsy aho ka, aza matahotra ianao ry strong3. izay amin'ny maha kristian ahy izany mihintsy no itandremako ny didiny sy ny lalàny ary inoako an'i Jesosy ho Mpamonjy ahy.
ny amin'ny andro farany tsy misy mahalala ny andro sy ny ora ar ny fotoana. mety ho sabata araky ny eritreritrao io na tsia, fa ny atao dia miambina. fa raha amin'y sabata marina mo tsy voamay tsara satria eo aminao mivavaka be iny ny Tompo no hoavy ve tsy tonga 100% izany :-)
8. Strong3 ( 25/08/2015 07:46)
asa na azonao ilay fanotaniako ? :-) hihih ...
ka nahoana i Jesosy no miteny hoe mivavaha mba tsy ho amin'ny andro sabata no hiavian'izany?
9. ranthson ( 25/08/2015 07:50)

Strong3:

ayh! ... eny hoa valio mazava fotsiny hoe mbola misy volana ve any eh?

« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apokalypsy 22:5)

volana "lune" ve ny tianao anontaniana sa volana "mois"? :-) amintsika ety an-tany tompoko dia ny volana no ahafantaratsika ny voaloham-bolana. fa refa any an-danitra kosa ny fantatro dia misy voa mamoa isam-bolana any ary sura a voaloham-bolana ny famoazan'ireo voa ireo. Ka na dia novain'i bibidia aza ny fotoana sy ny lalàna tompoko, tsy azony (bibidia) natao kosa ny nanodina ny cycle volana ka nanova azy (lehibe ny fahendren'A/tra).
NB: hoy ny salamo 104:19 "Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany" nanao ny volana ho fotoana ahoana ary Izy ry strong3, inona ny nilana ny volana?
10. ranthson ( 25/08/2015 08:09)

Strong3:

asa na azonao ilay fanotaniako ? :-) hihih ...
ka nahoana i Jesosy no miteny hoe mivavaha mba tsy ho amin'ny andro sabata no hiavian'izany?

tsy azako ilay ipetrahan'ny fanontaniana?
11. ranthson ( 25/08/2015 08:12)

strong3
fa hono hoa ry ranthson; isakin' inona no tokony hiankohoka amin'i Jehovah?
raha jiosy dia misy andro natokana tokoa.

- 1) tsisy Jiosy sy Jentilisa intsony eo anatrehan'A/tra.
- 2) Ny nofo rehetra hoy i Jehovah fa tsy ny Jiosy ihany Isa 66 : 22-23 "Fa tahaka ny lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hataoko , no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo. Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatreako , hoy Jehovah"
12. ranthson ( 25/08/2015 08:22)
Ary toy izany koa ny paska, andro firavoravoana sy ny pentekosta : à partir io voaloham-bolana io no hanisana azy mba tsy hanaraka ny paskan'i bibidia ianao .... na dia mifamaofao aza ny calendrier tsy voahovan'olona ny andron'A/tra, io voaloham-bolana io no hamantaranao ny paska tena marina, pentekosta tena marina.
lev 23 :4-5 "Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin’ ny fotoany avy. Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah"

Ka paska an'iza no harahinao? avy aiza ny paska tandremanao? tsy ilainao ve ny voaloham-bolana? anjaranao ny mieritreritra fa tandremo fotsiny sao mandray ny mariky ny bibidia 666 ianao.
"Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana . Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra." apok 2:7
13. RBNIR ( 26/08/2015 07:28)
Faly misera namana ranthson,

Mikasika ilay Isa.66:22-23
Raha vakiana hatramin'ny Isa.65:17 ny teny dia hita fa tsy ilay mitovy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao resahina ary amin'ny apok.21;22 sy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ny resahina eto amin'ny Isa.65;66

Ireto no porofo namana: Isa.65:1 « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] » (Isa.65:20)

Raha io no vakiana dia
* mbola hisy "maty"
* mbola hisy "ozona" a
* ry mbola hisy "mpanota" any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao resahina eto amin'ny Isa.65;66
* Araka ity koa dia mbola misy andro sy volana isaina any amin'io tany vaovao sy lanitra vaovao io...« Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah. » (Isa.66:23)

Any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao voalaza any amin'ny apokalipsy 22 kosa anefa dia
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apok. 21:4)
« Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy » (Apok.22:3)
« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apok.22:5)
« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jao.3:5)

Araka ireo teny ireo kosa any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ao amin'ny apokalipsy 21 & 22 dia :
* tsy hisy fahafatesana intsony
* tsy hisy halina intsony (noho izany tsy hisy andro sy volana isaina intsony)
* tsy hisy ozona intsony
* tsy hisy mpanota intsony fa « Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet.3:13)

Koa tsy mety araka izany ny mampifandray ny teny ao amin'Isa.65;66 amin'ny teny fikasana ao amin'ny apok.21;22

Fehiny tsy afaka hilaza isika fa hisy voaloambolana any amin'ilay fiainana mandrakizay noho ilay teny ao amin'ny Isa.66:23 namana.........
14. RBNIR ( 26/08/2015 07:46)
Koa raha izany ary dia nahoana no voalaza fa? « teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. » (Apok.22:2)

Nahoana no voalaza fa nisy hazon'aina mamoa isam-bolana any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao voalaza ao amin'ny apok 22???

Tsotra ny antony namana, ety amin-tsika izao dia misy ny andro sy volana ary raha amin'izao fotoa izao dia mamoa isam-bolana ilay hazo,
Raikitra ho "anarany" araka izany ilay hoe hazo mamoa isam-bolana, fa raha ny marina tsy hisy alina intsony any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao dia tsy hisy andro isaina intsony araka izany satria tahakan'ny andro mandrakariva no hiainanana any ary tsy voaisa intsony ny ora sy ny fotoana satria dia tahakan'ny andro iray ihany no misy mandrakizay mandrakizay....
15. RBNIR ( 26/08/2015 07:52)
Farany, ny kristiaina taloha v nasaina nitandrina ny voalohambolana sa tsia???
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Araka io teny io dia tsy nitandrina izireo satria hoy i paoly hoe "aloky ny zavatra ho avy ireny...

Ary ny maha-zava-doza ny fitandremana azy dia ity
« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] » (Kol.2:18)

Tsy hahazoana ilay loka (fiainana mandrakizay) ny fitandremana ireny izay voalaza eto fa fanetretena haitraitra namana.....

Koa am-pitiavana no hilazako aminao namana, tsy tandremana intsony ny voaloham-bolana satria aloky ny zavatra ho avy ireny (toy ny andro firavoravoana hafa tahaka ny paska koa sns...) ary ny fizirizirin-tsika hanao ireny fanetretena haitraitra ireny dia hisakana an-tsika tsy hahazoantsika loka namana....

Notahin'ny Tompo anie isika rehetra....
16. ranthson ( 26/08/2015 13:53)

RBNIR:

Tena diso ny fandrasainao ilay teny ry RBNIR ka mivadika ambony ambany ilay izy.
kol 2:16 "« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17),
1) ra io dia manin ary ianao manao sabata? fa maninona ianao tsy anao voaloham-bolana sy paska?
2) azavaiko ny hevitrio teny io : taloha tompoko, ny Jiosy ihany no mahazo manao paska sy voaloham-bolana, ny Jentilisa afaka manao raha toa ka forana. fa ankehitriny kosa, foana ny famorana ara-nofo fa batisa no famorana ny fo (kol 2 : 11-12), tsisy intsony na Jiosy na Jentilisa, ka noho izany tokony tsy hisy handrara an'ireo Jentilisa ireo intsony tsy anao sabata, paska, voaloham-bolana satria efa voafora t@ batisa izy ireo. izay ny dikan'io teny io. resaka famorana io tompoko.
3) aloky ny zavatra hoavy : ny dikan'io teny io dia atao koa rehefa any an-danitra.

17. ranthson ( 26/08/2015 14:34)

RBNIR:

Farany, ny kristiaina taloha v nasaina nitandrina ny voalohambolana sa tsia???
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Araka io teny io dia tsy nitandrina izireo satria hoy i paoly hoe "aloky ny zavatra ho avy ireny...

Ary ny maha-zava-doza ny fitandremana azy dia ity
« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] » (Kol.2:18)

Tsy hahazoana ilay loka (fiainana mandrakizay) ny fitandremana ireny izay voalaza eto fa fanetretena haitraitra namana.....

Koa am-pitiavana no hilazako aminao namana, tsy tandremana intsony ny voaloham-bolana satria aloky ny zavatra ho avy ireny (toy ny andro firavoravoana hafa tahaka ny paska koa sns...) ary ny fizirizirin-tsika hanao ireny fanetretena haitraitra ireny dia hisakana an-tsika tsy hahazoantsika loka namana....

Notahin'ny Tompo anie isika rehetra....

Betsaka ny mampiasa an'io toko sy andininy ao kol 2 io mb handravana ny didin'A/tra anisan'izany ianao ry RBNIR na dia somary nanakiana an'zareo Jiosy @ilay rava ny didy10. io toko sy and io no nampiasainy t@izay. Nefa izaho eto dia manakiana tanteraka ny fomba handraisanareo ireo teny ireo fa diso tanteraka mihintsy.
vakio ny eks 12:43 -48 (lalàna ny amin'ny paska) :"Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.44 Ary ny andevolahin’ ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.45 Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.47 Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.49 Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.",
raha fintinina io teny io, ts mahazo manao paska ny hafa firenena raha tsy foraina aloha.raha mamaky kol 2:11 -12 "11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty."
izany hoe kol 2 rehetra = resaka famorana tompoko.
Rehefa tsy misy intsony ny famorana ara-nofo dia mitovy ny Jiosy sy ny Jentilisa izao ka noho izany niteny i Paoly hoe "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)
FEHINY : RESAKA FAMORANA IO TOKO SY ANDININY IO TOMPOKO, TSY AZO SAKANANA NY HAFA FIRENENA HANAO PASKA SY SABATA ARY ANDRO FIRAVORAVOANA SY VOALOHAM-BOLANA
18. ranthson ( 26/08/2015 14:45)
RBNIR:

Faly misera namana ranthson,

Mikasika ilay Isa.66:22-23
Raha vakiana hatramin'ny Isa.65:17 ny teny dia hita fa tsy ilay mitovy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao resahina ary amin'ny apok.21;22 sy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ny resahina eto amin'ny Isa.65;66

Ireto no porofo namana: Isa.65:1 « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] » (Isa.65:20)

Raha io no vakiana dia
* mbola hisy "maty"
* mbola hisy "ozona" a
* ry mbola hisy "mpanota" any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao resahina eto amin'ny Isa.65;66
* Araka ity koa dia mbola misy andro sy volana isaina any amin'io tany vaovao sy lanitra vaovao io...« Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah. » (Isa.66:23)

Any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao voalaza any amin'ny apokalipsy 22 kosa anefa dia
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apok. 21:4)
« Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy » (Apok.22:3)
« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apok.22:5)
« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jao.3:5)

Araka ireo teny ireo kosa any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ao amin'ny apokalipsy 21 & 22 dia :
* tsy hisy fahafatesana intsony
* tsy hisy halina intsony (noho izany tsy hisy andro sy volana isaina intsony)
* tsy hisy ozona intsony
* tsy hisy mpanota intsony fa « Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet.3:13)

Koa tsy mety araka izany ny mampifandray ny teny ao amin'Isa.65;66 amin'ny teny fikasana ao amin'ny apok.21;22

Fehiny tsy afaka hilaza isika fa hisy voaloambolana any amin'ilay fiainana mandrakizay noho ilay teny ao amin'ny Isa.66:23 namana.........

1) Raha ny momba ilay lanitra sy tany vaovao indray, marina dia marina ny voalazanao fa tsy hisy fahafatesana intsony any, tsy misy andro sy alina intsony any, tsy hisy hozona intsony any.( tsy mila hazavaina fa mazava be) ka mipetraka ary ny fanontaniana, tany sy lanitra vaovao inona ary io hambara ao @ isa 66 io satria faminaniana io fa tsy zavatra efa lasa akory?
2) eo @ andininy isa 66 : 15-18 "15 Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin’ ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin’ ny lelafo.16 Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’ i Jehovah hifandahatra amin’ ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan’ i Jehovah.17 Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.18 Fa Izaho dia hamaly [Na: mahalala] ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro."
Manambara ny @ fahataperan'izao tontolo izao io tompoko, ka diso hevitra ianao raha tsy ampitovianao @ apok 22 io lanitra sy tany vaovao iory RBNIR
19. ranthson ( 26/08/2015 14:51)
RBNIR:

Koa raha izany ary dia nahoana no voalaza fa? « teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. » (Apok.22:2)

Nahoana no voalaza fa nisy hazon'aina mamoa isam-bolana any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao voalaza ao amin'ny apok 22???

Tsotra ny antony namana, ety amin-tsika izao dia misy ny andro sy volana ary raha amin'izao fotoa izao dia mamoa isam-bolana ilay hazo,
Raikitra ho "anarany" araka izany ilay hoe hazo mamoa isam-bolana, fa raha ny marina tsy hisy alina intsony any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao dia tsy hisy andro isaina intsony araka izany satria tahakan'ny andro mandrakariva no hiainanana any ary tsy voaisa intsony ny ora sy ny fotoana satria dia tahakan'ny andro iray ihany no misy mandrakizay mandrakizay....

Leiz ry RBNIR dia izao, amiko ny lanitra sy ny tany izao iaiantsika izao ho levona , fa isika tsy mahalala ny fahendren'A/tra, fa na dia tsy misy intsony aza ny masoandro sy ny volana dia mihevitra ve ianao fa tsy fantatr'A/tra ny hamantatra ny volana sy ny taona e?
Araka ny voalaza ao @ apok 20:6 ohatra "Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.",
Tsy misy intsony ny masoandro sy ny volana ary andro fona, ka nahoana ary no misy foana ny fanisana ny taona? Lehibe ny fahendren'A/tra fa tsy takatsika.
20. ranthson ( 26/08/2015 14:53)
Fehiny, tahaka ny manafoana ny didy folo ihany ianao ry RBNIR raha manafoana ny sabata, voaloham-bolana, paska, andro firavoravoana, pentekosta ...
Hadikadio tsara alo ny tenin'A/tra fa tsy misy lalàna foana izany ao @baiboly afa-tsy ny hoe fanatitra alatsa-drà sy ny famorana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5985