Hevitra Ara-Drafitra

1. Chrynhal Doricka ( 17/08/2015 14:54)
Manao ahoana daholo tompoko.

Mba mangataka aminareo izay manana na afaka manampy mba hanoro na hanome lesona feno momba ny hevitra ara-drafitra malagasy,tsy misy lesona momba ny teny malagasy mantsy ny aterineto hatreto dia manahirana ny mianatra sy mandalina ny teny malagasy.Izay afaka ny manampy dia mba mangataka fanampiana avy aminareo mpiray tanindrazana indrindra fa ianareo namana ao Madagasikara izay efa afaka BEPC ,tsy ho jerevam-potsiny ny fanampianao fa ho valiana arakin'ny hisiny sy ny rariny.Misaotra mialoha tompoko
novalian'i Radavison ny 13/09/2015 06:59
2. Radavison ( 08/09/2015 13:48)
Mahafinaritra ny maheno malagasy liana mamin'ny teniny.
Izao kosa anefa, raha fampianarana feno no tadiavinao, "lesona feno hoy ianao", dia tsy maintsy manomboka any amin'ny firafitry ny teny io aloha, indrindra indrindra ny Enti-milaza (Vara hoy ny voambolana vaovao avy amin'ny akademia) : ny asanan'ny tovona, tovana, tsirin-teny sara-droa, ny tsofoka,
My enti-milaza matoanteny fotsiny dia efa misy sokajiny maro :
Ny mpanao, sehatra, iharana, atao, mpandray, atao, fitaovana, mpamari-toe-javatra, mpampanao, mpifanao, sns...
Tamin'izahay mbola tany an-tsekoly dia taom-pianarana iray manotolo voa nahavitana an'izany, kanefa azo lazaina fa fampidirana ihany izany fa raha ny fikarohana ataon'ny akademia mlagasy dia efa lalina dia lalina tokoa. Ohatra, jereo ity tranonkala ity.
www.tenymalagasy.gov.mg/?page_id=121

Ny azo atao eto amin'ny serasera angamba dia mba maka ohatra fehezan-teny ianao, dia apetrao ny fanontaniana, dia valiana arakaraka izany eo

Veloma sy Mahereza é
Radavison
3. Hasnfan ( 10/09/2015 11:39)
mba omeo hoe ny FITODIKA ny ito fhznteny ito f ôtran tsy haiko mits:

TANTERAKA NY TENIKO TAMINY.
4. Radavison ( 11/09/2015 15:01)
Eto izao isika manana fhzt EntiMilaza tsy matoan-teny.
Raha ny HAD dia azo ekena ny hoe "TSARAINA",
Raha fitodika kosa no jerena dia tsy misy satria tsy azo ampiofohina (=tsy azo aova fitodika). Fa raha jerena ilay voalazan'ny akademia hoe
"Tsy mba ahitana an’izany kosa rehefa anarana na faritoetra ny vara, satria tsy aman-tsirin-teny ny anarana" (http://www.tenymalagasy.gov.mg)

Fa raha ohatra ka toy izao ilay fehezanteny :
"TANTERAKA' omaly' NY TENIKO TAMINY"
dia azo ampihofoina hoe : "Nahatanteraka ny teniko taminy (ny) 'omaly' " io dia mpamari-toejavatry ny tsaraina.

Misy maha-samihafa azy kely ny HAD sy ny Fitodika araka ny efa vilazaiko tany aloha.

Veloma sy mahereza,
Radavison

Hasnfan:

mba omeo hoe ny FITODIKA ny ito fhznteny ito f ôtran tsy haiko mits:

TANTERAKA NY TENIKO TAMINY.
5. Hasnfan ( 12/09/2015 07:27)
mer6 ralah radavidson
6. Radavison ( 13/09/2015 06:59)
Arahabaina indray,
Rehefa tena namerina ny lesona tany amina'ny am-polo taonany maro lasa aho dia maimaika ihany io hoe "tsaraina" io, izay no nanaovako hoe "azo ekena" ny "tsaraina"
Fa raha tena zohina dia hay matoantenin'ny Iharana amin'ny endrika EFA (accompli) io hoe "TANTERAKA" io.
Ny fhzt fohy indrindra amin'ny endrika TSY EFA dia hoe "TANTERAHINA NY TENY",
Fa ny fhzt fohy indrindra amin'ny endrika EFA, fitodika iarana, dia "TANTERAKA NY TENY", izay iray lasitra amin'io fehezan-teny nomenao ho ohatra io hoe : TANTERAKA NY TENIKO TAMINY"

Veloma sy mahereza é,
Radavison


Radavison:

Eto izao isika manana fhzt EntiMilaza tsy matoan-teny.
Raha ny HAD dia azo ekena ny hoe "TSARAINA",
Raha fitodika kosa no jerena dia tsy misy satria tsy azo ampiofohina (=tsy azo aova fitodika). Fa raha jerena ilay voalazan'ny akademia hoe
"Tsy mba ahitana an’izany kosa rehefa anarana na faritoetra ny vara, satria tsy aman-tsirin-teny ny anarana" (http://www.tenymalagasy.gov.mg)

Fa raha ohatra ka toy izao ilay fehezanteny :
"TANTERAKA' omaly' NY TENIKO TAMINY"
dia azo ampihofoina hoe : "Nahatanteraka ny teniko taminy (ny) 'omaly' " io dia mpamari-toejavatry ny tsaraina.

Misy maha-samihafa azy kely ny HAD sy ny Fitodika araka ny efa vilazaiko tany aloha.

Veloma sy mahereza,
Radavison

Hasnfan:

mba omeo hoe ny FITODIKA ny ito fhznteny ito f ôtran tsy haiko mits:

TANTERAKA NY TENIKO TAMINY.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1634