Dola Loka rehareha tena marika volamena, tandremo sao diso lalana

1. saho ( 06/08/2015 18:44)
Tena miarahaba manokana ireo tanora Malagasy mpanao fanatanjahantena nahazo ireo amboara tena volamena

Rehareha iraisampirenena tokoa izany marika volamena izany satria tena matanjaka tokoa noho ny hafa, ny vatana sy saina samy matanjaka daholo, tsara be fa tohizo, nareo no modely ho an ny zaza Malagasy aty ao aoriana

Ny seho endrika fanakanana ny saina Malagasy tsy ho sahaza le marika volamena dia tokana ihany no antony, saina Farantay no ho soloina an iny saina Malagasy iny raha tsy mahay le tompon daka tanora Malagasy, mbola tanora fanahy tokoa ka tsy nahay niady ara hetsika ny fitazonana le saina Malagasy, sarobidy izany marika volamena izany

Ny mba hafatro amin ny maha namana malagasy ato serasera dia tandremo sao solafaka , mahaiza miady ny lalana hizorana, aza avadika ho saina Farantay le saina Malagasy, tandremo sao tia vola sy tia voninahitra ara materialy, tazomy hatrany ny amboara niandoahanao maha Malagasy hatramin ny voalohany izao ka hatramin ny farany. Mirary amboara ampolony na anjatony mandrapahatongan ny marika volamena afara

Faly aho fa nahazo amboara ny tanora Malagasy, tiako be, mahatsiaro fa mafy ny ezaka nosendraina dia tonga amin ny amboara volamena sarobidy erantany iraisampirenena

Ny taranja fanatanjahantena, dia amboara vatana sy saina, ka sarobidy le amboara e. Malagasy hatrany, Malagasy hatrany, Malagasy farany. Tiako be!!!!!
novalian'i sitlo ny 07/08/2015 00:32
2. sitlo ( 07/08/2015 00:32)
Hitako tamin'ny liveleak vao androany iny dia gaga aho. Fa saingy amin'ny lafiny ilany, ny hampatezitra antsika ve ny tanjony sa ahoana ny fahitanareo azy? Izaho aloha tsy faly tamin'ilay tranga fa faly kosa aho hoe zavatra ohatra an'ireny sisa no azony natao. Misy hetsika fanehoana tsy fankasitrahana hono amin'ny sabotsy izay afaka. Mitondra saina mandalo eo amin'ny ambassade de France izay afaka.

Izay tsy afaka kosa dia mihazakazaka 3000m ho mariky ny fankasitrahana ny ezaka nataon-dramatoa kely Marthe Ralisinirina.

http://www.liveleak.com/view?i=4db_1438887361
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2762