HIRAN'NY LOLO SY NY TARINY

1. vony501 ( 04/08/2015 07:46)
Sao mba misy manana ity hiran'i Lôlô sy ny tariny ity? tsy haiko ny titre fa toy izao ilay tononkira/

Indro hono izy avy atsy mivadika avy aroa
Dia mijery fitaratra
Fanontaniany miodina ao an-doha
Fanontaniana sarotra
Fa nahoana kosa (izy re) (2)
No dia mahatasiaro ho ratsy tarehy
Moa ve, I Jehovah no niangatra
Nahatonga azy toy izao?
Novakiany ilay fitaratra
Fa nanome azy sary (mankalao) (3)

Sa ny rainy fony nanamboatra
No nenti-toaka na mamo?
Sa ny reniny no tsy nazoto loatra
Ka tsy nisento na kamo?
Dia namboariny izy (iray sy valo) 2
Izao ilay bandy kely tsy nijery fa nandalo
Dia mitoka-monina
Isaky ny mba mandeha mandihy
Fa tsy misy olona
Mazoto hanatitra azy rehefa mody
Miantso tody rehefa mody

Nataony tamin'ny fo fa tsy mba vazivazy
Ny nanamboatra volo, nanao pilakazy
Napetany tokoa ireny lokomena ireny
Kanefa toa mandainga 'lay fitaratra jereny

Dia misy andininy tsy tadidiko eto, ohatra ny hoe nisy bandy nikôty ihany dia mba niaraka, fa toy izao indray ny tohiny:

Indro hono izy avy atsy mivadika avy aroa
Roa volana katroka
Mila ho lasa adala mivadika atidoha
Miongo-bolo mikaroka
Hanasitrana ny (kibony) (2)
Izay mizihitra tsy (fidiny) (2)
Adalana izay natao
Indray alakamisy hariva izay
Fa efa jembin'ny lalao
Diso ny fanisany andro (nihoatra iray) (3)

Nandramany avokoa re ny ravin-javoka
Somary tenehina, atao ny ala-nenina
Dimy indray mihinana irony nivaquine
Kanefa hatramin'izao toa (tsy haninona) (2)

Tsy tadidiko na mbola misy tohiny fa izay no haiko
Mba alefaso eto izay manana fa tena milay be io hira io an!




2. ikalamako ( 05/08/2015 13:14)
raha nanontany an'i dadatoa google ianao dia avy dia nomeny an'ito : http://tononkira.serasera.org/hira/lolo-sy-ny-tariny/nivaquine

Nivaquine no lohateniny ao amin'ny tononkira serasera-ntsika


vony501:

Sao mba misy manana ity hiran'i Lôlô sy ny tariny ity? tsy haiko ny titre fa toy izao ilay tononkira/

3. vony501 ( 08/08/2015 06:31)

ikalamako:

raha nanontany an'i dadatoa google ianao dia avy dia nomeny an'ito : http://tononkira.serasera.org/hira/lolo-sy-ny-tariny/nivaquine

Nivaquine no lohateniny ao amin'ny tononkira serasera-ntsika


vony501:

Sao mba misy manana ity hiran'i Lôlô sy ny tariny ity? tsy haiko ny titre fa toy izao ilay tononkira/


Misaotra Tompoko! Soa fa nisy ihany koa an'i Nenitoa Ikalamako
4. ikalamako ( 08/08/2015 06:55)
hihihihi misaotra antsika e

[/quote]
[/quote]Misaotra Tompoko! Soa fa nisy ihany koa an'i Nenitoa Ikalamako
[/quote]
5. mpisotrtoaka ( 30/10/2015 09:17)
Kininina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3044