BATISA MARINA ???

1. hajarilala7 ( 23/07/2015 06:00)
Fantatrao ve ny BATISA MARINA?
novalian'i RBNIR ny 13/02/2023 14:14
2. Fiffi ( 23/07/2015 06:13)

hajarilala7:

Fantatrao ve ny BATISA MARINA?

.....fa inona sa misy ve ny batisa tsy marina ?
3. Hajarilala7 ( 23/07/2015 09:49)

Misy Batisa tsy marina! ary iray ihany ny Batisa marina (Efesiana 4/ 5) . Ao amin'ny Asan'ny Apostoly 19 dia natao Batisa ireo olona tany Efesosy fa tsy nahazoany Fanahy Masina izany.

4. rhaj0 ( 23/07/2015 11:42)
hajarilala7:
Fantatrao ve ny BATISA MARINA?

Fiffi:
.....fa inona sa misy ve ny batisa tsy marina ?

hi hi hi... io azany samy nareo Kristiana dia efa mifanipaka revy ao io, ka voapepo sy voatsipaka ho "tsy-marina" (na "tsy tena izy") ny an'ny sasany... mainka ny mahazo ny "tsy-mpino" sy ny ataony... ny qualificatif "tsy-marina" tena mbola maivana be :-)
5. Fiffi ( 23/07/2015 11:52)
heu.....ny problème an'i Hajarilala7 momba ny batema marina sy tsy marina tsy problème-ko....ka nahatonga ahy nametraka fanontaniana....

tsy miss mifanipaka revy zany ao kah.....fanontaniana no hapetrako...
6. rhaj0 ( 23/07/2015 11:56)
eny azany eee.. "tsy mifanipaka an-karona" ny Kristiana, rahefa ny andaniny milaza ny ankilany, fa hoe
- ny inoany ao, na izay ataony ao, dia "tsy marina" (na tsy "tena izy")
- na izy tenabeny ao io azany, dia "kristiana tsy tena izy"
7. Strong3 ( 23/07/2015 12:57)
hahaha... io fa mipoitra aty ry rhaj0 ny mpanaradrenirano sy ny tena izy :-)

mba tantarao tsara aza ilay tena marina ry hajarilala7; hiarahamahita hoe tena marina ny batisan'isé
8. Hajarilala7 ( 23/07/2015 13:03)
indrindra ho an'i Strong3

Ny Batisa marina dia
- Hialohavan'ny Fibebahana = Finoana azo avy amin'ny toriteny avy amin'ny Fanahy Masina
- fiarahana milevina amin'i Kristy, (Romana 4/4-6) = Atao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo.
- hasitrika ao anaty rano.
- Rano tsy mbola nadevenana olona (Jaona 19/ 41), satria Jesosy dia tao amin'ny fasana tsy mbola nandevenana olona no nandevenana Azy = Rano mandeha (Ony)
9. rhaj0 ( 23/07/2015 13:14)
hi hi hi... ka dia be dia be dia be dia be izany no "avotra" eee (izaho anisany) :-)

"batisa tsy marina" no natao taminy, ka dia tsisy kaonty izany izany eee...
10. Hajarilala7 ( 23/07/2015 15:59)
Mbola mety hihomehezana izany izao aloha fa amin'ny farany raha tsy mibebaka dia zava-doza!!!
11. tealala ( 23/07/2015 16:10)
Ary inona no atao hoe "bain rituel"?
12. bor2lais ( 23/07/2015 16:52)
Strong3:

hahaha... io fa mipoitra aty ... ny mpanaradrenirano ...

:-)
13. rhaj0 ( 23/07/2015 17:26)
renirano ... Rano mandeha (Ony)[size=4] (ok, kOpy za...)[/size] :-)
14. fihents ( 24/07/2015 04:18)
Manaja antsika rehetra e !

1 - Voamarina lou lay tenin'Atra hoe raha mba mivory eo ny zanak'Atra dia mba eo koa ny zanak'i Satàna (samia misaina iza lay izy)

2 - Amiko lou r'zareo lay batisa dia doctrine-mpiangonana no betsaka e ! io resaka batisa io no hoentina hifampizarazana, ataon'ny satàna fitaovana miitsy n'io amzao ka variana miady hevitra sy mifandrafy fotsiny amzany, samy manana ny formule lay fiangonana dia refa mihaino ianao dia ôtran hoe samy marina dôly.

3 - Amiko an, zay batisa nanaovana ahy dia raisiko marina amiko, araka ny tenin'i Paoly hoe "Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra hinoany". Za zao talohan'ny nibebahako no vita batisa, fa raisiko ho toy ny famonjena nataon'ny Kristy efa environ 2000 ans passé ian io, fa t@ fin 2013 za vao nandray azy ara-panahy, Jaona 3 : 3 io zany no tena base e ! Raha tsy ateraka indray ianao dia tsy afaka handova ny fanjakàn'ny lanitra, zany hoe ateraky ny fanahy, (nouvelle créature en Jésus Christ), raha mbola tsy nibebaka mantsy ny olona iray, dia lay fanahin'ny Adama no nolovainy, fa rehefa nibebaka izy, dia maty niaraka @Kristy ny fanahiny aloha zay mbola Adama dia maty ary nitsangana dia niova fanahy vaovao dia fanahin'ny Kristy izay tsy mba resihin'ny fahotàna intsony. I Kristy no efa nitsangana Fanahy sy Vatana, fa izay olona nibebaka kosa, dia efa nitsangana ara-panahy izy, fa ny vatana no miandry ny fitsanganan'ny tena @ maty. Fa io anié na vita batisa ranobe ianao, na rano kely, na inona formule hitondrana azy, rehefa hijanona @ fahotàna ianao dia very fôna e ! Mifankatiava ianareo hoy ny Tompo fa izany no ahalàlan'ny olona fa mpianatro ianareo. Tokony hifankatia isika, aza mety ho zarazarain'ny anaram-piangonana zany, tsy misy miitsy ao anaty Baiboly milaza fa ny fiangonana zatsy na zaroa no hiditra @fanjakan'ny lanitra fa izay tonga zanak'Atra e ! Tia antsika Jesosy rzareo a !!! Amen.
15. Hajarilala7 ( 24/07/2015 06:37)

fihents:

Ilay finoana anie ka tsy hoe izay eken'ny sainao araka ny tenin'i Paoly hoe "Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra hinoany" fa ny finoana izay azo avy amin'ny tenin'i Kristy => FAHAMRINANA (Romana 10/ 17) ary Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Raha izay eken'ny sainao rehetra no mahavonjy anao dia tsy misy antony nanirahina an'i Jesosy Zanak'Andriamanitra tety satria izay eken'ny olona no mahavonjy azy

Ary ny Batisa tsy doctrine fa baikon'Andriamanitra mba :
- Hahatanteraka ny fahamarinana rehetra Matio 3/ 14-17, Marka 16/ 16, Asa 2/ 38
- Hahazoana famelan-keloka Asa 3/38
- Hahazoana fitafiana dia i Kristy Jesosy Galatiana 3/ 27, Apokalypsy 16/ 15, Romana 13/ 14
- Fiarahana milevina amin'i Kristy mba hiarahana mitsangana aminy ho amin'ny fiainam-baovao Romana 6/ 4.
- Fandosirana ny fahatezerana ho avy, Matio 3/ 7

Ny doctrine dia fampianaran'olombelona fa tsy avy amin'Andriamanitra. Andriamanitra mitady olona mivavaka aminy amin'ny fanahy sy ny fahamarinana=araka ny Teniny.

16. Hajarilala7 ( 24/07/2015 06:43)

17. fihents ( 24/07/2015 06:59)
Hajarilala7:

Manaja Hajarilala7

Ok, tsy mandiso ny famaritan'isé ny tenako, ny fanazavako anlay hoe doctrine ngamba no ts mety kely, tsy ilay batisa no hoe doctrine fa lay formule hitondran'ny fiangonana azy e ! araka ny teniko hoe izaho dia efa vita "batisa", Ny batisa dia tsy maintsy atao @ Kristiana satria baiko io, fa eo amlay hoe avant sa après fibebahana, isé ve zao mieritreritra hoe lay jiolahy teo @hazo fijaliana zay nibebaka tamin'ny Tompo dia vita Batisa ? nefa Izy dia nampanantena fa hahita Azy any @Paradisa. Izay lay nolazaiko hoe Fibebahana @ fahotàna vita no tena base dia tsy miverina amzany tsoun fa izay ordre ny batisa kosa aloha, ôtran tsy hitako zay pblème, za zao mahatsapa tsara fa voavela heloka, ny fanahiko mangetaheta tenin'Atra fôna, izaho afaka tanteraka tamin'ny fahotako, tsapako tanteraka hoe ny fanahin'i Jesosy Kristy Tompo no miasa ato anatiko. Tia antsika Jesosy ry namako.
18. Hajarilala7 ( 24/07/2015 07:13)
Matoa Jesosy niteny marina dia marina tokoa tamin'i Nikodemosy hoe :"Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy dia tsy mahazo miditra ny fanjakan'Andriamanitra" dia olona efa natao batisa io jiolahy io fa saingy lazaina fa jiolahy.
- Tsy misy fizahan-tavan'olona ao amin'ny Tompo, ka ny sasany na tsy vita batisa aza dia voavonjy.
- Iza ary no sahy milaza fa marina ny fiampangana azy ka lazaina izy fa jiolahy??
- Na dia jiolahy aza izy dia mbola velona tra-pamonjena satria mbola teo anilany Jesosy satria eefa nandray ny santatry ny famelan-keloka dia ny batisa.
19. fihents ( 24/07/2015 07:31)

Hajarilala7:

dia olona efa natao batisa io jiolahy io fa saingy lazaina fa jiolahy
- Iza ary no sahy milaza fa marina ny fiampangana azy ka lazaina izy fa jiolahy??.

Sûr ve sé fa vita batisa io jiolahy io ? tadidio tsara fa io jiolahy io ihany no niteny tmlay namany hoe "Mendrika ho antsika sy enao zao mahazo antsika izao fa ity olona ity kosa (Jesosy no nolazainy) dia tsy nanao na inona na inona" io no resany tmlay jiolahy iray nandrabiraby an'i Jesosy Kristy. 'lay jiolahy ian no no niampanga ny tenany, ary zay lay Fibebahana e ! miampanga ny tenanao ianao fa mpanota, dia mibebaka, mandray famonjena.

Hajarilala7:

Na dia jiolahy aza izy dia mbola velona tra-pamonjena satria mbola teo anilany Jesosy satria eefa nandray ny santatry ny famelan-keloka dia ny batisa.

Voavalin'isé ny fanontaniana, ny batisa dia tsy dia pb hoe rano be na rano kely, alohan'ny fibebahana na aoriany fa Famelan-keloka raisina io noho ny fibebahana izay natao. Tia antsika Jesosy ry namako.
20. Strong3 ( 24/07/2015 08:58)

Hajarilala7:

indrindra ho an'i Strong3

Ny Batisa marina dia
- Hialohavan'ny Fibebahana = Finoana azo avy amin'ny toriteny avy amin'ny Fanahy Masina
1/ « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38)

- fiarahana milevina amin'i Kristy, (Romana 4/4-6) = Atao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo.
2/ ahitsio kely io verset io fa diso fipetraka,
___ ITY NO TOKONY HOE EO : « Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. » (Romana 6:4)

- hasitrika ao anaty rano.
1/ « ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. » (Matio 3:6)
2/ « Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. » (Asan'ny Apostoly 16:28)
« Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? » (Asan'ny Apostoly 16:30)
« Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)
« Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 16:33)
« Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 16:34)
« Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo. » (Asan'ny Apostoly 16:35)
3/ « Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)
4/ « Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. » (Matio 3:15)
5/ « Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. » (1 Jaona 5:6)
« dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. » (1 Jaona 5:8)
« fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty. » (Kolosiana 2:12)
___ raha FEHEZINA IZAY DIA TSOTRA : misy nasitrina tao anaty rano nisy tsy nandalo rano mihitsy.
araka ny tenin'i Petera hoe: « izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra] » (1 Petera 3:21)
FA RAHA MBOLA MISY RANO ALOHA DIA TOKONY HASITRIKA araka ny tenin'i Paoly ity: « dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. » (1 Jaona 5:8)

- Rano tsy mbola nadevenana olona (Jaona 19/ 41), satria Jesosy dia tao amin'ny fasana tsy mbola nandevenana olona no nandevenana Azy = Rano mandeha (Ony)
ity kosa aloha dia ilako tsiny fa TOA MANAO FANAHIN-JAZA LOHATRA ILAY interpretaion-nao ka ... hahahah
ity verset ity mba diniho, « Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy. » (Asan'ny Apostoly 16:15)
« Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. » (Asan'ny Apostoly 18:8)
TOERANA IRAY IHANY NO NANAOVANA BATISA IREO , KA MOA VE DISO IZANY AMINAO ???
mifindra torana foana ve ianareo rehefa manao batisa faobe izany ..??
hihih

Mialatsiny aho Mr Hajarilala7 zandry malala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1112