FIANGONANA

1. Hajarilala7 ( 21/07/2015 07:27)
Tsy izay misy olona miangona rehetra dia lazaina fa Fiangonan'i Kristy daholo.
novalian'i rhaj0 ny 25/08/2015 11:01
2. rhaj0 ( 21/07/2015 12:37)
nataok'ty, hozy indrindra IZY hoe, n'aizan'aiza "miangona" nareo, dia ... tonga dia .. "eo afovoanareo AHO"...
3. Hajarilala7 ( 21/07/2015 14:24)
rhaj0:

nataok'ty, hozy indrindra IZY hoe, n'aizan'aiza "miangona" nareo, dia ... tonga dia .. "eo afovoanareo AHO"...

Eo afovoany tokoa Izy, fa tsy midika izany fa Fiangonana io, ny Fiangonana dia vadin'i Kristy, ary isam-batan'olona io, ary any amin'ny bokin'i Joba 1 any dia ahitana fa "raha vory ireo zanak'Andriamnitra dia mba teo koa Satana,
4. rhaj0 ( 21/07/2015 14:52)
Hajarilala7:
tsy midika izany fa Fiangonana io

Iiieeee... hoe inona k'lou ny hoe "Fiangonana".. ilay katedraly vita biriky na vato ve sa....

Raha ny fazahoako azy, rahefa nivezivezy kely teny @ google aho, dia ilay "church", avy @ grika hoe EKKLESIA, dia ilay "fitangorongoronan'olona", raha @ heviny orijinaly, na hoe, @ heviny t@ fotoan'androny... dia i JC moa izany, tonga dia milaza fa, IZY hono izany, tonga dia "eo afovoan'ilay fitangorongoroan'olona" ao ee...

kA raha io ilay izy, dia rehefa misy mitangorongorona izany dia efa izy eee...
5. Hajarilala7 ( 21/07/2015 15:05)
Nisy Jiosy nitangorona teo aminy fa tsy ondriny (tsy fiangonana), Jaona 10 / 25-26.
6. rhaj0 ( 21/07/2015 15:18)
OK.. izay izany ilay izy..

Fa efa mamaky Jaona ihany, dia nahavariana ahy ity..

Jaona 10:31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy [Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3] , satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.

Io (ve) izany no tena mampisaraka ny Kristiana sy izay hafa nivavaka @ A.tr'i Abrahama rehetra, toa ny Jiosy, ny Moslimo... h@ TJ (?)
7. Hajarilala7 ( 22/07/2015 06:18)
Ny mitoraka vato Azy tamin'izany dia ara-bakiteny fa ankehitriny kosa dia ireo rehetra izay milaza zavatra tsy araka ny sitrapony no mitora-bato Azy. Ny atao hoe "kristiana" dia mpianatr'i Kristy, ary ny mpianatr'i Kristy dia izay maharitra amin'ny teniny (=fahamarinana). Ireo izay mitory teny tsy marina dia toa mitora-bato Azy.
8. RBNIR ( 22/07/2015 08:11)
Faly misera namana,
« Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. » (Mat.16:18)
Aza maka sarotra e, fototeny angona : fi - angonako fitoerana iangonan'ny Azy...
Io ilay nolazainy hoe "Vala" « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jao.10:16)

Fanamarihana kely fotsiny ity vala ity no nolazainy fa tsy hoe ireto vala ireto....Tokony ho tokana ilay Vala fa tsy mizarazara be toy ny ankehitriny.....

Samia ho tahiny daholo....

9. bor2lais ( 22/07/2015 13:23)
RBNIR:

Fanamarihana kely fotsiny ity vala ity no nolazainy fa tsy hoe ireto vala ireto....Tokony ho tokana ilay Vala fa tsy mizarazara be toy ny ankehitriny.....

:-)
10. Hajarilala7 ( 22/07/2015 14:47)
RBNIR > Marina izany, tokana ny "vala"!
11. bor2lais ( 22/07/2015 15:02)
Hajarilala7:

Ny mitoraka vato Azy tamin'izany dia ara-bakiteny fa ankehitriny kosa dia ireo rehetra izay milaza zavatra tsy araka ny sitrapony no mitora-bato Azy. Ny atao hoe "kristiana" dia mpianatr'i Kristy, ary ny mpianatr'i Kristy dia izay maharitra amin'ny teniny (=fahamarinana). Ireo izay mitory teny tsy marina dia toa mitora-bato Azy.

1. Jodasy ve araka io famaritana nomenao io Kristiana sa tsia ?
2. Mba azonao omena ve ny antsoinao hoe toriteny marina (sy tsy marina) azafady, asio ohatra raha azo atao ?

Misaotra mialoha !
12. Hajarilala7 ( 22/07/2015 15:23)
1 - Jodasy dia tsy mpianatry ny Tompo ara-pamaritana = tsy Kristiana, na dia lazaina toy izany aza izy, satria efa fantatry ny Tompo fa devoly!

2 - Toriteny marina dia avy tamin'ny fanehoan'ny Fanahy Masina fa tsy fahendren'ny olona ka mahataona olona iangona fotsiny fa manome Fiainana Mandrakizay (1 Korint 2/ 4) Izay tsy avy amin'ny Fanahy dia tsy marina.
13. rhaj0 ( 22/07/2015 16:42)
Dia hotry ny mihomehy aho sisa...

i JC izany nahazo ny hoe "olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra."

Rizareo Kristiana noho ny Kristiana toa nareo namana eto indray dia, tena mety hahazo (avy aty amiko) hoe : "olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho xxx"

Ka ankamantatra: inona azany ilay "xxx" ooo ? :-)
14. bor2lais ( 22/07/2015 16:51)
Hajarilala7:

1 - Jodasy dia tsy mpianatry ny Tompo ara-pamaritana = tsy Kristiana, na dia lazaina toy izany aza izy, satria efa fantatry ny Tompo fa devoly!

Ka ilay famaritana omenao mihitsy ange no nahatonga ahy nametraka ilay fanontaniana ! Any amin'ny asan'ny apostoly mantsy vao misy resaka Kristiana ao amin'ny Baiboly ! Nateraky ny finoana vokatry ny toriteny nataon'i Paoly (io teny io) raha ny fahazoako azy !
Hajarilala7:

2 - Toriteny marina dia avy tamin'ny fanehoan'ny Fanahy Masina fa tsy fahendren'ny olona ka mahataona olona iangona fotsiny fa manome Fiainana Mandrakizay (1 Korint 2/ 4) Izay tsy avy amin'ny Fanahy dia tsy marina.

Amiko tsy dia ampy ilay fitenenana hoe avy amin'ny Fanahy satria be ny fanahy mpamitaka fa mila fantarina koa hoe inona no torin'ilay olona. Ny an'i Paoly mazava tsara fa 1 Korint 2/ 2 ! Ary io no fototry ny Kristianisma amiko !
15. RBNIR ( 22/07/2015 18:13)

bor2lais:

RBNIR:

Fanamarihana kely fotsiny ity vala ity no nolazainy fa tsy hoe ireto vala ireto....Tokony ho tokana ilay Vala fa tsy mizarazara be toy ny ankehitriny.....

:-)

Faly misera aminao indray ry namana bor2lais :)
16. rhaj0 ( 22/07/2015 19:07)
RBNIR:
Fanamarihana kely fotsiny ity vala ity no nolazainy fa tsy hoe ireto vala ireto....Tokony ho tokana ilay Vala fa tsy mizarazara be toy ny ankehitriny.....

Ka rehefa mifanipaka an-karona samy te-ho "kristiana tena izy" tanaty vala iray, dia, raha ny fahitako azy aloha, dia tsara raha lasa maromaro io ny "vala" e...

Dia izao indray izany mifanipaka ny "vala" fa samy te-hoe, ny valany no "vala tena izy".. dia mody hoe "tokana ny vala"..

Dia ao nareo izany ee...
17. RBNIR ( 23/07/2015 02:01)
Rafitra avy amin'i satana ny fizarazarana (misy fitenin-tsika izay manao hoe zarazarao hanjakana).......
Rehefa hitan'i satana fa nahazo vahana ny finoana an'i Jesosy Kristy ary tsy resiny na dia nampiasa fanenjehana navaivay aza izy, dia nampiasa an'ity amin'izay izy....« Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; » (Apok.2:24)

Io sain-dalin'i satana io no niasa ka nitondra fizarazarana......

Tamin'ny voalohany dia fampianarana tsy nisy kilema no nentin'i Jesosy, taty aoriana dia tanteraka ity faminaniana nataon'ny apostoly paoly ity.....

« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; (2 Tim.4:3)

Ny tsy fahazakan'ny olona ilay fampianarana tsy misy kilema no nahatonga ireo vala maro dia maro taty aorina....

Ny tena fototra na ny tena vala anefa dia ilay voalohany naorin'i Jesosy izay mbola nitazona ny fampianaran'i Jesosy (fampianarana tsy misy kilema)....

Ny fampianarana tsy misy kilema dia toy izao no andraisana azy...
1- « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
Araka io teny io dia avy amin'Andriamanitra mivantana homena an'i Jesosy
2- Jesosy Kristy Tompo indray kosa no mifidy olona mivantana sy mampianatra an'izireo mivantana mba hirahiny hampianatra indray kosa (ireo no antsoina hoe apostoly)
apostoly = olona tsy nanan-dratena fa olona nofidiana ary nampianarina mivantana (vakio fa ireo apostoly 12 lahy tsy nisy nananpo izay ho lasa apostoly fa i Jesosy no avy dia nanantona sy nifidy azy mivantana ary anisan'izireny i paoly apostoly......
3- Araka ny maha fampianarana tsy misy kilema azy dia tsy ketraka ila akory ilay izy (tsy kapila kapa) fa dia tenin'Andriamanitra tsy anampiana ary tsy analana no ampianarina amin'ny olona......(ny baiboly 100%) ary manaja tsara ireto teny ireto...
« Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao. » (Deo.13:1)
Hatrany amboalohany dia efa nanafatrafatra Andriamanitra fa tsy azo ampiana na anesorana ny teniny....

Nohamafisiny tsara izany taty aoriana.....
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apok.22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apok.22:19)

Koa raha misy milaza ny tenany ho tena fiangonany dia tokony ho hita taratra ao ireo teny rehetra eo ambony ireo....

Miaina amin'ny fampianarana tsy misy kilema = tenin'Andriamanitra 100% tsy ampiana ary tsy analana izay noraisiana mivantana amin'ireo atao hoe apostolin'i Jesosy (olona nofidiany sy nampianariny mivantana).........

18. rhaj0 ( 23/07/2015 02:11)
"Kapila kapa" kosa izany resakao izany ry RBNIR aaa...

RBNIR:
2- Jesosy Kristy Tompo indray kosa no mifidy olona mivantana ... (vakio fa ireo apostoly 12 lahy .....
3... ampianarana tsy misy kilema ... (ny baiboly 100%)

F'angaha moa efa NISY Baiboly, indrindra ny TT, t@ andro niainan'ireo apostoly 12 ry RBNIR aaa ??? :-)
19. RBNIR ( 23/07/2015 02:31)
ATO AMIN'ITY ROHY ITY misy lehilahy azoko antoka fa nofidiany marina tokoa...
Tsy nahita azy nofidian'i Jesosy mivantana aho ary tsy nahita azy nampianariny mivantana ihany koa fa ny azoko hijoroana vavolombelona dia ny fampianarana izay zarainy ankehitriny dia 100% mitovy amin'ny fampianarana nozarain'i Jesosy Kristy fahiny...
Manana baiboly moa aho hahafahako manamarina izany....
Tsy izy irery anefa fa araka ny fanambaran'i Jesosy taminy dia misy iray hafa koa any ampitan-dranomasina any (mbola tsy nolazainy hoe aiza mazava) efa voafidy tahaka azy io koa....

Tsy ho ela dia hovoafidy koa ireo 10 ambiny sisa izay hameno ny isan'izireo ho 12....

Hatramin'izay mantsy dia 12 lahy hatrany no nofidian'Andriamanitra hitarika ny vahoakany (zanak'israely 12 lahy) , ireo foko nozaraina tao amin'ny zanak'israely 12 (tarihin'ny olona 12) , ireo apostoly 12 tamin'ny andron'i Jesosy ary ankehitriny dia hiverina ihany koa ny 12 lahy vaovao hitarika ny olona hitory ao amin'ilay atao hoe FITORIANA LEHIBE FARANY (azonao vaikiana ato) sy ATO .......

Hoy Jesosy hoe : « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)

VAKIO TSARA FA HOY IZY HOE HOTORIANA (futur) AMIN'IZAO TONTOLO IZAO ITY FILAZANTSARAN'NY FANJAKANA ITY (tsy filazan-tsara hafa fa ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa ihany) DIA VAO HO TONGA NY FARANY.......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA......IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA......
20. RBNIR ( 23/07/2015 02:34)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2049