raha ianareo, ahoana ny fomba fahitanareo ny kolon...

1. ppapah ( 15/07/2015 14:36)
raha ianareo, ahoana ny fomba fahitanareo ny kolontsaina ankehitriny noho ny fanatontoloana sy ny teknolojia?
novalian'i Nav ny 06/10/2015 06:51
2. 5laody ( 16/07/2015 13:07)

ppapah:

raha ianareo, ahoana ny fomba fahitanareo ny kolontsaina ankehitriny noho ny fanatontoloana sy ny teknolojia?

Goavana be ilay hevitra fa dia anjaranao ny maka izay mahasoa e, Mety ny ny maka ny zava-tsoa amin'ny kolon-tsain'ny hafa ary tsara koa ny mba manome azy ireo kely ny anao.

Ny amin'ny teknolojia indray haingam-pandeha be raha te hanaraka nefa tokony maka fotoana itsakotsakoana koa.

Asio ohatra hanazavana azy dia mitohy ny resaka. Zavatra tsara izao isika tsy mifankafantatra akory dia mifampisera eto.
3. mpisotrtoaka ( 03/08/2015 14:51)
Mihemotra isika !
4. TenWords ( 30/09/2015 08:24)
papah >>> Ny fanatontoloana dia hevitra iray avy amin'ny illuminaty handetehana ireo izay marivo salosana ka manaiky be fahatAny na mivantana na ankolaka izay asainy hatao, hita amin'ny alalan'ny fivoaran'ny teknolojia sy ny seha-pamoronana isan-karazany izany...
Ny hevitray dia tsotra : Ny toe-tsain'ny mpiray tanindrazana no tokony tsy ho zanahan'ireo riba vahiny tena hita fa manjAka amin'izao fotoana izao (tsy maneho fitiavan-tanindrazana izay drardardadraina etsy sy eroa izany fa indrindra tsy misy ambompom-pirenEna satria tsy mitafy ny an'ny tena ianao fa misalotra ny an'ny hafa) : hitantsika mibaribary izany eo amin'ny sehatry ny mozika, 7em art, asa tanana,...
Ny kolontsaina no tokony hanosika ny fampandrosoana saingy efa nariantsika ela izany " fihavAnana malagasy izany = aseho amin'ny alalan'ny asa toy ny vali-tanana, trano atsimo sy avaratra, tao-trano tsy efan'ny irery..." izay nosolointsika toe-tsaina samy maka ho azy sy demokrasia izay mifanohitra amin'ny marimaritra iraisana.
Azo ampiarahana amin'ny fivoaran'ny teknolojia nefa ireo kolontsintsika ireo : Lesona tsara halaintsika tahaka ny Japoney izay tsy manAry ny kolontsainy kanefa mahay mamolaka ny teknolojia koa ho fampandrosoana ny taniny, tsy mahagaga raha mandroso ny olona " na dia mandA an'Andriamanitra aza" ... aiza ho aiza amin'izany isika malaza mpivavaka?
5. Nav ( 06/10/2015 06:51)
Ny kolontsaina sy teknolojia ve? Ny kolontsaina dia ny ao anatin'ny saina (mazava ho azy): fomba amam-panao, soatoavina, teny, . .
Amiko azo atao tsara ny mampiasa ny teknolojia avo lenta fa vokatra iombona "universel" io, tsy azo sakanana ny fampiasana azy fa izay alefanao na ampidirinao ao anatin'ireny fitaovana High Tech ireny, ilay ampidirina ao anatiny no ataovy tsara mifanaraka amin'ny kolontsainan'ny tena.
Ohatra: izao ankeitriny izao dia mampiasa ordinatera aho ary hiditra amin'ny valabe web dia hitanareo ny lazaiko. Ny fitaovana no High Tech fa ny zavatra lazaiko dia ezahiko ho teny malagasy madio sy mora takarin'ny Malagasy ary ny vontoatiny dia tena mikasika ny kolontsaina sy soatoavina malagasy.
Fanontaniana ataoko: tsara ve anefa io fitaovana "teny malagasy" io amin'izao fotoana izao? Sao tsy tena mbola mahasahy miditra amin'ny fanatontoloana àry? Na tsy afaka miditra mihitsy satria mbola marefo eo amin'ny tontolo moderna? Raha hanao kabary sy poezia dia mahomby ny teny malagasy fa raha vao voambolana siantifika sy teknika dia reraka, noho izany, araky ny fijeriko, tokony mbola hamboariana, hatsaraina io teny malagasy ankehitriny io, ity anoratako aminareo ity.
Efa misy vahaolana narosoko, azo antoka fa voaporofo amin'ny fomba siantifika dia : i) Fanamboarana fanatsaràna ny Abidia malagasy, ii) Fanamboarana fanarenana ny fomba fanisana malagasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2588