Salama daolo ee. Azo atao ve ny manova ny anran'ny... - Dinika forum.serasera.org
You are here: home > Forum

Salama daolo ee. Azo atao ve ny manova ny anran'ny...

Lohahevitra : Hoy ny lalàna
Fitohizan'ny hafatra : Salama daolo ee. Azo atao ve ny manova ny anran'ny...
Valiny : 1
MatavyVinta - 15/07/2015 14:52
Salama daolo ee. Azo atao ve ny manova ny anran'nyn rain'ny zaza amin'ny kopia sa tsia. raha eny dia inona avy ny dingana tokony arahina. Mankasitraka eee
Valio | Miverina eny ambony
mpilaza444 - 22/09/2017 14:04
Mety ho azo atao ihany ny manova ny rain'ny zaza ao amin'ny kopia. Raha aty aoriana, voaporofo fa olona iray hafa mihitsy no rain'ny zaza ka mitsipaka ny maha-zanany azy ilay lehilahy voalohany nisoratan'ilay zaza. Ohatra hoe tsy mitovy groupe sanguin aminy akory ilay zaza sady efa nisy koa ny fanitsakitsahana nataon'ny vehivavy, dia manao fitsipahana ny maha-ray izy ary ilay lehilahy hafa amin'izay manao taratasy fanekeny an'ilay zaza. Ny fitsarana amin'izay no manome alalana hanitsiana ny kôpia.
Valio | Miverina eny ambony