tandremo sao voafitaka e

1. mivoatra ( 13/07/2015 09:50)
NY BIOSCANNER

Ireo mpivarotra (mpibizna) dia mikaroka hatrany izay hampiroborobo ny varony. Isan'izany ny fampiasana ny fitaovana " bioscanner " izay azontsika jerena eto ambany ny momba azy, mety ho maimaimpoana na misy sarany ny fitiliana fa ny tena tanjon'izy ireo dia ny hividiananao ny vokatra fanampin-tsakafo amidiny izay lazainy fa biô ary voavoatra avy any ivelany ka mahasalama.

https://www.facebook.com/groups/MbaDinihoKely/
novalian'i pakopako ny 05/09/2015 06:17
2. hery ( 06/08/2015 13:22)
Nadikako avy ao am fb sao dia tsy hita
-------------

Ny " bioscanner " , ahoana marina ?:
Ny " bioscanner " dia fitaovana ho entina hitiliana ny aretina ao anaty. Misy karazany be dia be izy io, fa ny hitovizany dia tsotra ny fampiasana azy, ary milaza avy hatrany ny aretina misy ao aminao ao anatin´ny fotoana fohy rehefa apetaka eo amin´ny tena ( 6-15 minitra). Matetika fitaovana avy any ivelany . Araka ny filazan´ireo izay mampiasa azy io na mivarotra azy io dia mamoaka " micro -ondes" ny tenan´ny olona, io " micro-onde " io no tsetsefil´ilay fitaovana ary fakafakainy. Samy hafa anefa ny " micro-onde " avoakan´ny olona marary sy salama, ka raha marary ianao dia voatilin´io fitaovana io avy hatrany izay aretina misy ao anatinao ao izany. Ankoatr´io " micro -onde " io dia ´mampiasa ny hafanana avy ao aminao koa io fitaovana io hitiliana ny aretina. Mahomby sy mahagaga be hono io fitaovana io ary ny ankamaroan´ny dia aretina voatilin´io daholo.......
Efa betsaka ny fitaovana toy io natao test fa tsy nahomby, tsy nandalo " test clinique " akory izy ireo. Ireo hevitra etsy ambony milaza ny fomba fiasan´io fitaovana io ka mahatonga azy afaka mitily aretina ao anaty dia tsy voamarina ary tsy mifanaraka amin´ny fahalalána ara-pitsaboana fantatra amin´izao fotoana izao. Ny vokatry ny fitiliana avoakany ka omena anao avy eo dia zavatra efa vita dieny mialoha ( programmé), fa avoakany fotsiny avy eo. Dia mazava hoazy fa araky ny vokatry ny fitiliana dia asaina mividy ireo karazana fanampintsakafo sy vitamines ianao : mody ataony maimaimpoana ny fitiliana mba hisarihana anao, fa avy eo ianao asainy mividy izao karazana fanampitsakafo rehetra izao . Io dia karazana fitadiavam-bola ataon´ny sasany indray, manararaotra amin´ny tsy fahalalan´ny olona dia mamorona izao zarazana tetika sy fomba rehetra izao handrebirebena olona.
Ka hoantsika rehetra mpikambana ato amin´ny MDK , raha vao maheno na mahita karazana fitaovana toy io dia mieritrereta avy hatrany fa soloky indray izay.
Doc. Lanto Ravonjison
MkIII Infrared Bioscanner
3. pakopako ( 05/09/2015 06:17)
Salama,
tena isaorana enao mahalala mampahafantara anay tsy nahay mba hitandremanay

Misaotra anareo mampita zavatra toy itony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3955