hatsikana nalaza tamin'izany fotoana

1. sakaiz ( 11/07/2015 12:08)
jereo eto
2. 5laody ( 14/07/2015 11:28)
3. mpisotrtoaka ( 15/07/2015 11:05)
Tonga tany an-danitra hono ity mpanao pôlitika iray nony maty. Nahita elisy be dia be izy teo anoloan'ny Md Piera. Hoy izy nanontany :
- Inona daholo ireto elisy ireto ?
- Ireo dia elisy isaky ny firenena tsirairay avy ! Elisy maneho ny toetran'ny mpanao pôlitika amin'ny firenena tsirairay ireo ! Arakaraka ny fihodiny ny zavatra tsara na ratsy ataon'ny mpanao pôlitika ! Ohatra hoe manao ny tsara sy marina ny mpanao pôlitika ao amina firenena iray dia mihodina moramora izy ! Fa raha mpangoron-karena sy mpamadika palitao sy ny sisa kosa dia mihodina mafimafy izy dia arakarak'izay hatrany !
- Ary aiza amin'ireo izao ny elisy misy ny firenena malagasy ?
- Mbola tsy eto iny izao fa nataon-dry zalahy anjely solona vantilatera fa maty ilay tao !
- An !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2743