You are here: home > Forum

Dikan'ny teny hoe rano manoro?

Lohahevitra : Kolotsaina
Fitohizan'ny hafatra : Dikan'ny teny hoe rano manoro?
Valiny : 4
hery - 07/07/2015 01:30
Inona kay ry zareo ny dikan'ny teny hoe Rano manoro amin'ilay hoe Ranomasina rano manoro?
Valio | Miverina eny ambony
bor2lais - 08/07/2015 15:53
Sao dia hoe manampy (manome saina) ! Tahaka ny hoe "la nuit porte conseil" !
Valio | Miverina eny ambony
5laody - 13/07/2015 14:29

bor2lais
Sao dia hoe manampy (manome saina) ! Tahaka ny hoe "la nuit porte conseil" !


Mety ohatrohatr'izay ihany raha raisina hoe "nour" (teny arabo) dia midika hoe hazavana.

Raha mba misy viavy hoe Noro no anarany dia tsara anontaniana hoe inona ny hevitr'ilay fanampin'anarana.

Ilay tanàna hoe Mahanoro ve avy amin'izay ihany? Raha mandefa saina lavitra (mety any amin'ny tsy izy ) aho izao dia mety hoe "Mahatsiaro ho bitika eo anatrehan'ity ranomasina midadasika be"
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 16/10/2015 17:42
Rano masiaka no dikan'ny hoe ranomanoro. Saika ireo rano tsy azo ilalaovana fa manoro (courant marin hoy ny terme technique hihihihihihihihi)
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 21/10/2015 06:39
Raha jerena kely fotsiny amin'ny Tenimalagasy ilay hoe manoro dia sampatenin'ny toro. NY ranomanoro na rano manoro izay (courant) dia rano mahatorotoro izay tandrify azy eo.
Valio | Miverina eny ambony