Ho an'ireo mpandala ny finoana...

41. RBNIR ( 03/07/2015 08:10)
natam:


RBNIR - 02/07/2015 06:09
Faly misera hatrany namana
Mahafinaritra rehefa manaiky Azy ianao namana gasysud......Dia hoy aho aminao hoe tohizo....
ary aza adino ary ny teniny « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)


Mba hazavao ny tiana ho lazaina amin'io azafady

Faly misera namana,
Izay milaza fa tsy mandà Azy ary manaiky izay noteneniny dia io koa misy teny iray nolazainy......tsy tokony ho lavina namana.....Betsaka no manaiky an'i Kristy (eny fa na dia ny devoly aza raha vao nahita Azy dia nanaiky Azy fa tena Izy marina tokoa Ilay Zanak'Andriamanitra ary tokony hohenoina sy raisina ny teniny....

Koa dia io ary misy teny iray koa noteneniny tokony horaisintsika izay manaiky sy tsy mandà Azy namana.....
42. gasysud ( 03/07/2015 13:28)

natam - 03/07/2015 07:41
Citation

RBNIR - 02/07/2015 06:09
Faly misera hatrany namana
Mahafinaritra rehefa manaiky Azy ianao namana gasysud......Dia hoy aho aminao hoe tohizo....
ary aza adino ary ny teniny « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)


Mba hazavao ny tiana ho lazaina amin'io azafady


Raha ny fijeriko an'io resaka io dia izao, teny nataon'i Kristy izy io, ho an'ireo olona mikatsaka ny fanjakan'ny lanitra izy io, mihevitra ny tenany fa tena mpanompo fatratra an'i Kristy ary mahavita miracle sy faminaniana araky ny voalazan'ny Matio etsy ambany:

7.22 Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? N’avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?

7.23 Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité.


43. natam ( 06/07/2015 05:52)

gasysud - 03/07/2015 13:28
Citation


RBNIR - 02/07/2015 06:09
Faly misera hatrany namana
Mahafinaritra rehefa manaiky Azy ianao namana gasysud......Dia hoy aho aminao hoe tohizo....
ary aza adino ary ny teniny « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)



Raha ny fijeriko an'io resaka io dia izao, teny nataon'i Kristy izy io, ho an'ireo olona mikatsaka ny fanjakan'ny lanitra izy io, mihevitra ny tenany fa tena mpanompo fatratra an'i Kristy ary mahavita miracle sy faminaniana araky ny voalazan'ny Matio etsy ambany:

7.22 Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? N’avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?

7.23 Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité.


Raha ny famalinao azy anie ry gasysud toa mihevitra ianao fa tsy voakasik'io resaka io ianao. Ny resakao koa hoatran'ny tena mahatoky tena be ianao. Ianao ve mino ny baiboly?
44. RBNIR ( 06/07/2015 07:31)

natam:

Raha ny famalinao azy anie ry gasysud toa mihevitra ianao fa tsy voakasik'io resaka io ianao. Ny resakao koa hoatran'ny tena mahatoky tena be ianao. Ianao ve mino ny baiboly?

Gasysud ange namana tsy mandà an'i Jesosy fa manaiky Azy e, saingy ilay hikatsaka ny fiainana mandrak'izay no tsy mampahazoto azy....
Ary izay no nanomezako azy ity teny ity « Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. » (1 Kor.15:19)
45. natam ( 06/07/2015 08:39)

natam - 06/07/2015 05:52
Citation
Raha ny famalinao azy anie ry gasysud toa mihevitra ianao fa tsy voakasik'io resaka io ianao. Ny resakao koa hoatran'ny tena mahatoky tena be ianao. Ianao ve mino ny baiboly?


Mazava be anie ilay voalaza e

7.22 Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? N’avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?

7.23 Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité.


Mazava be anie io toko sy andininy io e. Tsy parabole io ka ho interprete-na.

Inona no idirako amin'io resaka io? Izaho tsy mahay manala devoly, izaho tsy mahay maminany, tsy mahavita miracle, noho izany tsy natao ho ahy io teny io.

Tsy vitan'io ihany ny resaka fa mbola nampintandrina koa i Kristy manao hoe:


Matio
24.23 Si quelqu'un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là, ne le croyez pas.
24.24 Car il s'élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront de grands prodiges et des miracles, au point de séduire, s'il était possible, même les élus.
24.25 Voici, je vous l'ai annoncé d'avance.


Hadàlana foana anie ny miady hevitra amin'izany eto e, mazava ny voalaza fa ho betsaka ny hitory hoe aty i kristy, aty no tena famonjena, ao ny misora-tena ho mpaminany sns...

ka izany no tsy mampanahy ahy, averiko foana fa Andriamanitra no mahalala izay mahasoa ahy, tsy mila be kajikajy izany amin'ny fiainana...

46. tojonjanahary ( 08/07/2015 06:26)
Jesosy oa tsy mitahy, zanahary sy ny razantsika ian no mitahy!
47. endriny ( 13/08/2015 04:48)

tojonjanahary:

Jesosy oa tsy mitahy, zanahary sy ny razantsika ian no mitahy!

Marina ny anao, I Roma sy ny Mpanjaka ao Monaco ary ny Mpanjaka any Londre ihany no tahiany, fa ny sisa mpanompony daholo (mba tsy ilazako hoe andevony)
48. endriny ( 15/08/2015 05:52)
Ny fandalana finoana iray dia mitarika ny olona hiankin-doha fotsiny amin'ny zavatra inoany mba hamahana ny olany fa tsy mitondra ny olona hitady vahaolana amin'ny olany. Hany ka rehefa mianjady ny fahasahiranana dia feno ny toerana fanompoana sampy rehetra ( anisan'ny sampy ny finoana kristianina)
49. stahtam ( 14/09/2015 10:40)

[quote=endriny]
Ny finoana ny Sampy Kelimalaza sy Rafataka ... dia nifototra tamin'ny sorona toy ny akoholahy mena sy ny ondry.
Ny fijoroana Zanahary dia mifototra amin'ny sorona omby vositra marijy na mazava loha.
Ny finoana Kristianina dia nifototra tamin'ny fanaovana sorona olombelona (Jesosy).

Dia aoka samy mba handinika mangina ny hoe fa nahoana aho no manaraka an'itsy finoana itsy na iroa? Izaho ve izany manaraka sy Mankato finoana ny manao sorona ondry sy akoho, na omby, na olona?

Ny mampalahelo dia misy ireo zaza tsy manantsiny, na ireo vehivavy virjiny atao sorona mihintsy ho an'ny mpitondra fivavahana sasany. Tany Nizeria vehivavy 20 bevohokan'ny mpitondra fiangonana... misy ary nisy ireo zaza natao lafika rehefa maty ny lehibem-piangonana sasany.

Indrisy hoy aho... sao diso ariana loatra a...
[/quote=stahtam] mamaly an'i endriny
Isaorana betsaka ny valin-teny sy ny fanazavana nentinao! Azoko tsara ny tianao holazaina ka ny azoko ambara amin'ireny angamba dia hoe maro dia maro ny "fahendrena" (na rafi-pisainana) ananantsika zanak'olombelona ka na handinika ny fiavian'izy ireo tsirairay aza isika dia mbola ho marobe tahaka izany koa ny "mety ho antony" hitranga eo. Fa ny hitako itambaran'izy rehetra kosa (eny fa na ny hevitrao izay nandà aza) dia ny FISIAN'NY ALAHELO ANATY rehefa nisy sy tanteraka ilay sorona (na tokony hatao io na tsia). Raha ekena ny lalàn'ny "physique" hoe "rien ne se perd, rien ne se crée, tout se transforme" dia mino aho fa vokatry ny fisian'ny ALAHELO ANATY tany aloha tany (vokatry ny fandikan-dalàna) koa, ka niampita taty aoriana no nahatonga ireny zava-misy ireny. Koa na dia misy aza ny mivaona any @ làlana tsy izy dia azo takarina ihany angamba fa misy amin'ireo kosa ny mba araka ny tokony ho izy. Moa sitraky ny ray aman-dreny va ny hikapoka ny zanany @ tsora-kazo fa saingy nisy ny ditra niseho dia nisy ny ALAHELO ANATY, dia nifindra ao anatin'ilay kapoka ilay izy vao nionona ny fahatezerana? ka asa ny fandraisanao izay valin-teny avy amiko izay. Na izany aza dia nanana fanontaniana ihany koa aho ho an'izay namaly ENY (hoe tena tsy maintsy novonoina ny Mesia) dia hoe: MELOKA VE SA TSY MELOKA EO ANATREHAN'NY FITSARANA NY JIOSY IZAY NAMONO AZY ? Izay no tiana hambara fa dia mamerina fisaorana hatrany e! Mirary soa ho anao.
50. Radavison ( 21/09/2015 09:04)
Miarahaba an-dRa-gasysud sy ny namana mpisera rehetra,

Misy lohahevitra maromaro anatin'io fanontanianao io, ka mba miezaka ny hitondra ny anjara birikiko aho.

Lohahevitra Voalohany aloha, ny sorona nataon'i Jeso Kristy dia satria msina sy marina ary mpamindra fo Andriamanitra. Masina Andriamanitra ka tsy mankasitraka ary tsy afa-maiara-mitoetra amina ota na dia izay farany kely indrina aza. Marina anefa izy ka ny zavatra rehetra misy sandany avokoa, fa raha ny ota manoka noresahina dia misy famaizana ho valin'izany.
Andriamanitra Ray no nandefa ny zanany ho sorona, fa tsy isika olombelona no nangataka hoe "omeo 'olona' azo atao sorona izahay..."
I jeso Kristy nalefan'izy Ray hitondra izay mety ho faharatsiana sy ota rehetra eto amin'izao tontolo izao. Natao ota mihitsy izy (azafady jereo 2Kor5, 21). Ary izany no nahatonga Azy ho nianjeran'ny sazy ka novonina teo amin'ny hazo fijaliana.

Araraotiko eto ihany koa nisy fanontaniana teto amin'ny serasera (tsy avy amin-dRa-gasysud) fa nanama hafa, hoe raha planin'Andriamanitra izany, moa nanota ve ireo namono ny Mesia? Eny nanota ireo satria namono olona, fa saingy izany ota izany dia tafiditra amin'ireo voalazako etsy ambony hoe "hitondra izay mety ho faharatsiana sy ota rehetra eto amin'izao tontolo izao" no nahafatesan'i Kristy.

Lohahevitra faharoa:
Tsy tontosa fa "acte inachevé" hoy ianao fa toa mbola misy ihany korontana sns...
Eny mbola misy ny korontana sy fifandrafiana sns... fa saingy izao :
Lafo vidy tamin'Andriamanitra ny fanomezana ny Zanany ho faty, kanefa ny vokatra entin'izany nomeny maimaim-poana.
Ny dikan'ny hoe maimaim-poana dia tsy vidina vola na harena. Izany kosa anefa tsy midika hoe "automatique". Hazavaiko amin'ny fampitahana ny teniko:
ohatra1 : Tadidiko tsara fony mbola kely izahay "gratuit" ny rano teny amin'ny pompe (tsy misy carnet, na vola aloa any amin'ny FKT). Izany tsy midika hoe avy dia misy rano ao an-tranonany, fa nantsaka izahay amin'ny siny sy ny daba, dia mameno ny sinibenay tao an-dakozia...
Ohatra 2 : tsy hoe misy savony mahafaka loto ao an-tranay dia madio avy hatrany ny akanjonay rehetra, fa tsy maintsy ampiasaina araka ny fampiasana azy io vao madio ny lamba,
Ohatra 3 : tsy fantatro hoe misy radio FM ,ohatra, ve any aminareo any. Mandefa ny fandaharany io radio io, fa raha tsy alefanao ny radio-nao ao an-trano, ka mifanitsy amin'ny longueur d'onde d'émission-ny ny anao, dia tsy hovoarainao mihitsy izay alefany ao...
Izany rehetra izany midika hoe : efa nataon'Andriamanitra izay mifandrify aminy, fa Izy anefa tsy manery an'iza an'iza fa mamela malala izay te hino sy handray ny famonjena Izy.
Ary izany indrindra no fanazavana ny mbola mampisy izay zavatra tsy milamina araka ny voalazanao ireo, satria maro ny olona tsy nandray sy/ka miaina io famonjena io.

Lohahevitra fahatelo
ny amin'ny hoe "miteny fotsiny izy dia voavela ny eloka" : oui, mais c'est Lui, Jésus, qui va/doit payer après !

Izay ary Ra-gasysud sy ny namana rehetra,

fa dia veloma sy mahereza daholo é

Radavison.





gasysud:


endriny - 23/06/2015 15:05
Ny finoana ny Sampy Kelimalaza sy Rafataka ... dia nifototra tamin'ny sorona toy ny akoholahy mena sy ny ondry.
Ny fijoroana Zanahary dia mifototra amin'ny sorona omby vositra marijy na mazava loha.


Ny jiosy koa dia manao sorona toy izany


endriny - 23/06/2015 15:05
Ny finoana Kristianina dia nifototra tamin'ny fanaovana sorona olombelona (Jesosy).


Miala tsiny fa tsy natao hanafitohina anao kristianina ity resako ity fa hevitra tsy takatra

Io no tena tsy azoko amin'ny finoana kristianina. Raha jerena mantsy ny tantara rehefa manao fahagagana i Kristy, teny indraim-bava dia voavonjy ilay olana... ka ny tena tsy takatro dia mahavita izany fahagagàna be izany ilay zanaka fa ilay Andriamanitra Ray mila manao sorona vao afaka mahavonjy izao tontolo izao. Izaho aza indraindray dia mieritreritra fa "acte inachevé" ny famonjena vokatr'iny sorona iny satria mbola mikorontana ny tany fa mila mibebaka ihany nefa voalaza fa iny rà latsaka no manala ny ota rehetra. Izany ve no fitiavana? Tsy nisy fomba hafa ve entina anehoana izany fitiavana izany? Toy ny hoe miteny fotsiny Andriamanitra: Afaka daholo ny fahotanareo rehetra, dia vita ny resaka.Heveriko fa fomban'olombelona io manao sorona io fa tsy an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0951