Ho an'ireo mpandala ny finoana...

21. gasy1zay ( 24/06/2015 14:02)

rhaj0:

gasy1zay:
Ka tsy zavadehibe aminao ve ny hoe misy Andriamanitra mahafoy ny zanany ho anao?

Tena raha izaho aloha, ka hoe, misy ZANAKA any ho any, NATAO SORONA ho ahy, sacrifice humain ho'a... dia tena marary ny saiko eee... Izaho ve no manao ny ataoko dia ny tsy manan-tsiny any ho any no vomoina atao sorona ???
Soatoavina sa fombafomba t@ an'arivo-taonany lasa tany ve ry nama dia mbola deraina ankalazaina h@ izao ihany..

gasy1zay:
Fa olona iza no atao sorona?

K'efa io Jesoa io no NATAO SORONA (ho anao).

Fa dia ifalio ao izany ny anao eeee...

Ny Ntaolo ho'a nefany mahatakatra dia manilika hoe, "matesa ny omby" hoz'izy...
Ny an-dry Gasy1zay izany mety hoe izao ny ohapitenenany:

Raha manota aho, dia atao sorona i Jesoa

Aza malahelo ianao rhaj0 fa i Jesoa Kristy anie ka zanak'Andriamanitra e! Tsy hoe nahafoy ny ainy izy dia maty dia nijanona teo ny tantara fa efa nitsangana t@ maty izy e!
22. endriny ( 24/06/2015 14:34)

gasy1zay:

Aza malahelo ianao rhaj0 fa i Jesoa Kristy anie ka zanak'Andriamanitra e! Tsy hoe nahafoy ny ainy izy dia maty dia nijanona teo ny tantara fa efa nitsangana t@ maty izy e!

Fanamboaran-tsaina re izao... fanamboaran-tsaina... dia miaky ihany koa aho e

Jesosy aza nitaraina mihintsy hoe: "Raha sitrakao ry Raiko mba esory amiko ity kapoaka mangidy ity"...

Fa tsy norarahian'ilay Dadany mihintsy fa tsy maintsy maty ialahy rahampitso atao sorona

"Tsy nahafoy ny ainy izy dia nijanona teo ny tantarany fa efa nitsangana tamin'ny maty .. dia mbola hoavy amim-boninahitra indra hitsara ny velona sy ny maty" hihihihihihihihi
23. gasy1zay ( 24/06/2015 14:45)

endriny:

Tsy fanamboaran-tsaina fa finoana ry endriny a!

Mijery ny resantsika eto aho dia mahatsapa tokoa fa toa marina ity voasoratra ity :

fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa [Gr. Grika] mitady fahendrena,
23 fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa
24. gasysud ( 24/06/2015 15:37)

RBNIR - 24/06/2015 06:28
Izany hoe : Andriamanitra no tokony hiasa ho an'ny olombelona fa tsy ny olombelona no hiasa ho an'Andriamanitra......

Amiko tsy misy olana amiko na iza no miasa ho an'iza, ny olana amiko ary tsy takatry ny saiko dia ilay fanaovana sorona olombelona, tsy misy zavatra hafa azo atao ve ivelan'io hanalana ny ota? indrindra fa lazainareo kristianina fa Andriamanitra mahery, mahefa ny zava-drehetra? Tsy Andriamanitra ihany ve no nanome an'i Mosesy ny didy folo ary izy ihany no manitsakitsaka ny lalampanorenana avy eo?

Tena ialako tsiny fa tsy takatro ilay resaka.

gasy1zay - 24/06/2015 14:45
Aza malahelo ianao rhaj0 fa i Jesoa Kristy anie ka zanak'Andriamanitra e! Tsy hoe nahafoy ny ainy izy dia maty dia nijanona teo ny tantara fa efa nitsangana t@ maty izy e!

Vao maika tsy azoko ilay resaka, vonoina atao sorona avy eo velomina. Mampidera fahaizana ve Andriamanitra sa inona no tena marina? Averiko foana raha ny fanalàna ny otan'izao tontolo izao, teny indraim-bava dia via izany, toy ny voalaza ao amin'ny genesisy: misia ny mazava dia misy ny mazava, ary tokony izao ny zava-miseho: " mialà ny ota sy fahotana" dia miala izany. ntena farany izay tsotra fa dia mila manao sorona ve?

25. gasy1zay ( 24/06/2015 16:12)

gasysud:

Andriamanitra nilaza fa fahafatesana no tambin'ny ota, misy karazany roa anefa ny fahafatesana ambaran'ny baiboly, ny voalohany fahafatesana ara-nofo mahazatra antsika fa ny faharoa dia ito voalazan'ny apokalypsy ito :
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

Rehefa manota izany raolombelona dia ho faty ara-nofo (fahafatesana voalohany) ary ho any @ farihy mirehitra afo (fahafatesana faharoa) satria izay no tambin'ny ota.

Raha araka io voalazanao io hoe teny indraim-bava avy amin'Andriamanitra dia afaka ny fahotana, dia tsy marina ilay hoe fa fahafatesana no tambin'ny ota, afaka manao izay tiany ny olombelona raha izany fa hiteny Andriamanitra fotsiny hoe miala ny fahotana dia madio daoly isika,
satria tsy maintsy tanteraka ny voalazan'Andriamanitra hoe fahafatesana no tambin'ny ota dia ny zanany no natolony ho faty eo amin'ny toeran'ny olombelona mpanota, satria tsy maintsy vonoina ny ota, maty ny fahotana vao madio afaka mihaona sy miray fonenana @ Andriamanitra Ray isika.
I Jesoa Kristy no nitondra ny heloka sy fahotantsika teo @ hazo fijaliana, i Jesoa Kristy maty teo @ hazo fijaliana no midika hoe maty ny fahotantsika, ka rehefa mino ianao hoe vitan'i Jesoa Kristy ny famonjena, efa maty ny fahotanao dia izay ilay filazantsaran'ny famonjena. Voavonjy ianao satria i Jesoa Kristy no maty teo @ toeranao noho ny fahotanao.

26. RBNIR ( 25/06/2015 02:41)

gasysud:

Amiko tsy misy olana amiko na iza no miasa ho an'iza, ny olana amiko ary tsy takatry ny saiko dia ilay fanaovana sorona olombelona, tsy misy zavatra hafa azo atao ve ivelan'io hanalana ny ota? indrindra fa lazainareo kristianina fa Andriamanitra mahery, mahefa ny zava-drehetra? Tsy Andriamanitra ihany ve no nanome an'i Mosesy ny didy folo ary izy ihany no manitsakitsaka ny lalampanorenana avy eo?

Tsy olombelona no nataony sorona fa ny Zanany lahitokana mba ho fanavotana olombelona.....
27. endriny ( 25/06/2015 05:59)
mivadibadika ohatry ny lela may eo foana ianao RBNIR

DIa lazao fa diso ihany koa izany ny fiekem-pinoana sy ilay hoe Fa ny teny tonga nofo e...

Fa na izany na tsy izany dia olombelona aloha no natao sorona... Dia izy no antsoina hoe Atra fitiavana kanefa ny otan'ny razamben'ny olombelona aza arahiny hatraty amin'ny taranaka faha 12.000.. dia efa nomeny natao sorona ny zanany kanefa mbola misy olona alefany any amin'ny afobe ihany... dia izay tsy ataon'ny pasitera sy mopera batisa dia tsy avotra fa mbola mibaby io fahotana tamin'ny fototra io... kanefa ny nanalana an'io no nanaovana sorona zanaka tokana...

Sao dia mba tsy izao tokoa aza no hevitr'Atra... fa ny fiangonana no manamboamboatra izay mba ahazoany mandemy saina antsika marivo salosana.
28. RBNIR ( 25/06/2015 08:12)

Faly misera namana endriny,
Mila apetraka amin'ny voninahitra mendrika Azy Jesosy Kristy Tompo namana, Tompontsika izy fa tsy mitovy amin-tsika akory.
Tsy olombelona izy na dia nanetry tena hitovy amin'ny olombelona aza.
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Fil.2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Fil.2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Fil.2:8)
« Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, » (Fil.2:9)

Ny tsy fahaizan'ny olona mametraka an'i JEsosy Kristy amin'ny voninahiny no mahatonga ny ozona mihatra amin'ny olona « Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. » (Joda 8)

Mazava ho azy fa rehetra tsy mametraka an'i JEsosy Kristy amin'ny toeram-boninahitra mendrika Azy (izany hoe ho Tompony) ny olona iray; dia tsy maintsy na haniratsira Azy ka tsy hankato, na hanevateva Azy ary ny hafarany dia hiteny ratsy Azy mihitsy aza.......

Vakio hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny bokin'ny Joda dia ho azon-tsika ny tiako ambara....

Koa anatra no atsipiko ry namana, Jesosy Kritsy dia tsy olombelona fa Zanak'Andriamanitra...
Andriamanitra efa nametraka Azy ho Tompon'izao tontolo izao (na ety an-tany na hatrany an-danitra)....Na iza na iza manome voninahitra Azy ka manetry tena hanompo Azy dia ho velona ary hanana ny fiainana mandrakizay,
Na iza na iza kosa miziriziry manandratena ka mandà ny tsy hanompo Azy, dia hihatra amin'ny ny teny voasoratra ao amin'ny bokin'i Joda....
Koa dia "Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala"....
Samia ho tahin'Andriamanitra daholo....
29. gasysud ( 25/06/2015 11:54)
Tena manahirana ity resaka ity.Izany angamba no tsy maha kristianina ahy, tsy takatry ny saiko ilay resaka...

30. RBNIR ( 01/07/2015 07:18)

gasysud:

Tena manahirana ity resaka ity.Izany angamba no tsy maha kristianina ahy, tsy takatry ny saiko ilay resaka...

Faly misera namana,
Ataovy izay hahatakaran'ny sainao azy fa ratsy ange izany e!
« Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra. » (2 Kor.4:2)
« Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany, » (2 Kor.4:3)

Torohevitra omeko anao , mivavaha mafy ary mangataha Aminy mba hampahiratany ny masonao......

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
31. RBNIR ( 01/07/2015 07:19)
« Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Mat.7:8)

Aza reraka ny mangataka, ny mitady sy mandodona.....dia ho hitanareo ny voninahitr'Andriamanitra......
32. gasysud ( 01/07/2015 12:31)

RBNIR - 01/07/2015 07:19

Faly misera namana,
Ataovy izay hahatakaran'ny sainao azy fa ratsy ange izany e!

Misaotra betsaka amin’ny toro-hevitra. Amiko ny fitiavana tsy misy idiran’ny resaka saina mihitsy, indrindra fa ny fitiavana an’Andriamanitra. Amiko Andriamanitra dia fitiavana fa tsy araky ny iheveranareo kristianina azy, sady manome soa sy manome sazy. Ary izany dia iraisako amin’ny filazan’I Albert Einstein hoe: “Je ne peux pas concevoir l'existence d'un Dieu qui récompense et punit ses créatures, ou exerce sa volonté sur le genre d'expériences que nous vivons en nous-mêmes ».

RBNIR - 01/07/2015 07:18

« Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra. » (2 Kor.4:2)
« Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany, » (2 Kor.4:3)

Ilay fomba fiteny toy izany mihitsy no tsy mety amiko, satria toa manambara amiko izany fa tsy mahalala ny asany sy ny zavatra ataony Andriamanitra. Raha ekenao fa noho ny sitrapony ny fisiako ety ambonin’ny tany, Izy Andriamanitra no mahafantatra ny zava-miafina rehetra momba ahy fa tsy ny 2 Kor.4.2 sy3 akory. Fantany ny nahaterahiko, voaisany hatramin’ny volon-dohako, fantany koa ny fotoana hahafatesako sns… Heveriko fa Andriamanitra tsy ho faly hanamboatra olombelona sy zava-boahary ho any amin’ny fahaverezana…

RBNIR - 01/07/2015 07:19
Aza reraka ny mangataka, ny mitady sy mandodona.....dia ho hitanareo ny voninahitr'Andriamanitra......

Mbola mamerina ny fisaorana anao aho amin'izany, ary angamaba tsy ho diso aho raha hiteny aminao hoe: "Rehefa mangataka amin'Andriamanitra, aza maika ny hitady ny voninahitr'Andriamanitra araky ny lazainao io ambony io... " Satria ny voninahiny dia efa miseho manerana an'izao tontolo izao io fa isika olombelona no miezaka ny hanimba izany...

33. RBNIR ( 01/07/2015 13:12)

Tsy misy fisaorana namana, safidy io, raha ny an'i Albert Einstein no raisinao dia an'olombelona ihany izay...
Fa raha ny an'i Jesosy Kristy no raisinao dia ny an'Andriamanitra izay.....
Tsy hitovy mihitsy satria efa voasoratra fa......« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isa.55:9)

Izay koa angamba no mahatonga ny olona sasany tsy hahatakatra an'ilay izy nefa hoy aho mila manao izay hahatakarana azy isika.....
34. gasysud ( 02/07/2015 05:59)

RBNIR - 01/07/2015 13:12

Tsy misy fisaorana namana, safidy io, raha ny an'i Albert Einstein no raisinao dia an'olombelona ihany izay...
Fa raha ny an'i Jesosy Kristy no raisinao dia ny an'Andriamanitra izay.....

Resaka moa no ataontsika eto fa tsy fitarihana olona hivavaka atsy na aroa, satria izaho manokana aloha tsy manana antokom-pinoana itarihana anao fa resaka fotsiny no ataoko eto. Ny olana amiko anie tsy i Jesosy Kristy velively e! Azoko tsara izay tiany lazaina e, ary ekeko amin'ny foko manontolo e! Ianareo miseho manaradia Azy no tsy mety amiko ny itondranareo ny resaka e... Maro no efa voaresaka teto fa haka ohatra iray isika, hoy kristy hoe: "didy vaovao no omeko anareo dia ny ifankatiavanareo"... "Izany no ahafantarana anareo fa mpianatro ianareo".

Ny fanatanterahana izany fifankatiavana izany dia:
1/Tsy ilaina ny fitanisana toko sy andininy be dia be. Raha i Kristy no miteny io fitiavana io, tadidio fa izy mihitsy no fitiavana ary izay miaina ny fitiavana dia tafaray aminy fa tsy mila mitanisa toko sy andininy ao amin'ny ny KORINTIANINA, APOKALIPSA sns...
2/Tsy ilaina ny miditra ao anaty antokom-pinoana izany. Taiza izy no niteny hoe: "raha te ho mpianatro ianareo dia mandehana mankany amin'ny sinagoga"? Na koa hoe: "ataovy tsianjery ny toko sy andininy"?.

Mba diniho ihany namana ny fiainantsika eto Madagasikara a! Aiza ilay fifankatiavana e nefa betsaka ny miseho azy ho mpianatr'i Kristy...

Farany, tadidio fa Andriamanitra no nahary izao tontolo izao, izany hoe izao tontolo izao dia endrika isehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, noho izany anjarantsika no mitia izao tontolo izao, ny mihaino an'izao tontolo izao, ny miaina miaraka amin'izao tontolo izao, fa tsy hoe i Einstein dia olombelona ka tsy misy ilàna ny heviny, raha tsy nisy ny olona toy ireny isika tsy afaka niserasera toy izao amin'ny alàlan'ny teknolojia, ... satria sitrapo sy ny fitiavan'Andriamanitra matoa nisy izy...

35. RBNIR ( 02/07/2015 06:09)
Faly misera hatrany namana
Mahafinaritra rehefa manaiky Azy ianao namana gasysud......Dia hoy aho aminao hoe tohizo....
ary aza adino ary ny teniny « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)

Misy dia misy tokoa ny sitrapon'Andriamanitra tokony "hofantarina" sy "hatao" rehefa mino sy manaiky Azy marina isika.....

Hanampy anao ity amin'izany.....JEREO ATO

Samia ho tahin'Andriamanitra namana....
36. gasysud ( 02/07/2015 08:49)

RBNIR - 02/07/2015 06:09
ary aza adino ary ny teniny « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)

Misy dia misy tokoa ny sitrapon'Andriamanitra tokony "hofantarina" sy "hatao" rehefa mino sy manaiky Azy marina isika.....

Fanjakan'ny lanitra hoy ianao? Izaho tsy kristianina, tsy silamo, tsy bodista sns...
Izao no ambarako anao: tsy anisan'ireo olona mikajikajy izany fanjakan'Andriamanitra izany aho... Tomponandraikitra amin'ny zavatra ataoko aho... Andriamanitra mahafantatra ny ao am-poko fa ny iangaviako anao dia aza maka fanahy ahy amin'izany fanjakan'Andriamanitra izany ianao amin'ny fitanisana ny Mat. 7: 21. Tena mahafantatra lavitra noho ianao momban'ny dikan'io andininy io aho. Ary aza ampitahorina amin'ny apokalipsy sy ny afobe ihany koa aho. Tsy tahotra akory ny ahy fa question de principe, satria Andriamanitra tsy Maître chanteur toy ny olombelona ka hanao hoe " rehefa manao an'ity ianao dia mahazo paradisa ary rehefa tsy manao an'izato kosa ianao dia mankany amin'ny afobe."

Ny fitanisana paradisa sy afobe dia toe-tsainan'olombelona ihany.
Tsarovy fa ilay jiolahy niaraka tamin'i kristy teo amin'ny hazo fijaliana aza tonga dia directa any amin'ny paradisa, kanefa tsy namaky io Mat. 7: 21 io.
37. RBNIR ( 02/07/2015 08:55)
Azo atao tsara ny manantena an'i Kristy amin'izao fianana izao fotsiny ihany saingy...... « Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. » (1 Kor.15:19)
38. RBNIR ( 02/07/2015 09:10)
Raha ny lojika dia zavatra tokana sisa no azon'ireo jiolahy 2 tanterahina amin'ny sitrapon'Andriamanitra satria tsy ho afaka ny hanao hafa intsony izireo.....Ilay tokana takiana dia hoe mila mino izireo fa Jesosy marina no ilay Zanak'Andriamanitra notolorana ny fanjakana mandrakizay.....Ilay iray aloha no azo antoka hatreto fa avotra satria nanantanteraka......ilay 1 hafa tsy fantatra satria Andriamanitra no mahalala.....

Fa ny olona rehetra kosa tsy tokony dia iantehitra amin'iny cas exceptionnel iny satria ireo olona marobe izay hovoavonjy dia voalaza fa....« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

Voalaza araka io teny io fa sady nitandrina ny didin'Andriamanitra ireo olona ireo no nitandrina ny finoana an'i Jesosy ihany koa......
39. gasysud ( 02/07/2015 11:54)

RBNIR - 02/07/2015 09:10
Fa ny olona rehetra kosa tsy tokony dia iantehitra amin'iny cas exceptionnel iny satria ireo olona marobe izay hovoavonjy dia voalaza fa....« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

Voalaza araka io teny io fa sady nitandrina ny didin'Andriamanitra ireo olona ireo no nitandrina ny finoana an'i Jesosy ihany koa......

Cas exceptionnel ou non... Heveriko fa tsy anjarako na anjaranao no be resaka ny momban'izany fa zava-misy iny...

Eto vao tena voaporofo ilay fitenenana malaza hoe: Rehefa mangataka zavatra, aleo mivantana any amin'Andriamanitra toy izay mandeha any amin'ny olo-masiny (ses saints).Ny olo-masiny lany andro mitanisa toko sy andininy...

Tsotra ny fanatonana an'Andriamanitra...
40. natam ( 03/07/2015 07:41)

RBNIR - 02/07/2015 06:09
Faly misera hatrany namana
Mahafinaritra rehefa manaiky Azy ianao namana gasysud......Dia hoy aho aminao hoe tohizo....
ary aza adino ary ny teniny « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)

Mba hazavao ny tiana ho lazaina amin'io azafady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1106