mitady toko sy andininy

1. gasysud ( 21/05/2015 07:14)
mba mitady ny toko sy andininy mikasika ny fiakaran'i Jesoa Kristy velona any an-danitra taorinan'ny nonombohana azy tamin'ny hazo fijaliana, azafady indrinra
novalian'i endriny ny 04/06/2015 04:52
2. Strong3 ( 21/05/2015 12:09)
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
« Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. » (Asan'ny Apostoly 1:9)
« Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, » (Asan'ny Apostoly 1:10)
« izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. » (Asan'ny Apostoly 1:11)
« Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata). » (Asan'ny Apostoly 1:12)
3. rhaj0 ( 21/05/2015 12:36)
Strong3:
..ary nisy rahona nitondra Azy..
Hono ho'a ry Strong3, tena raisina "ara-baki-teny" ve io, ary dia tena "inoana" fa tena mitaingina rahona izany rahefa miakatra miakatra mankany iny, dia any dia tsy hita, sa ...
4. 5laody ( 21/05/2015 13:10)
Salama daholo,

Saika mba hanontany an'i RHaj0 aho hoe mbola andro tsy fiasana ve ny alatsinain'ny Pentekôty any amin'ny tany misy anao. (tsy tena HS angamba ny fanontaniako).Misaotra
5. rhaj0 ( 21/05/2015 13:22)
miasa zahay fa tsy mahalala pentecote na ascension.. Ny 24 desambra koa zahay miasa, ary ny 26 desambra ny anay no fetibe shopping.
6. endriny ( 21/05/2015 14:54)
Ohatran'ny hoe nisy nisintona tamin'ny tady ve izany i Jesosy: "ary rehefa avy nilaza izany i Jesosy, dia nankarina izy"

Mba heritrerto ange ry zareo hoe ianao nahita zavatra mbola tsy fahitanao... Dia maina be ohatran'izao ve no fomba itantaranao azy?
7. rhaj0 ( 21/05/2015 15:06)
Ny ahy izao ny inoako kokoa, dia ry Bobolito, izay tany ambony rahona tany taloha, fa nony nizizo ny hidina i katavikely ho'a, dia rovitra ilay lavaka tao @ rahona, ary dia nigorodana latsaka taty an-tany daholo izy mianakavy..

Ilay migorodana milatsaka azo inoana kokoa noho ilay misidina miakatra :-)
8. gasysud ( 21/05/2015 17:34)
Misaotra betsaka fa mba misy fanamarihana kely miaraka amin'ny fanontaniana ity.

NIsy jiolahy nombohina niaraka tamin'i Jesoa, ny iray niteny hoe; luc 23.42 souviens toi de moi quand tu seras dans ton royaume. Namaly azy i Jesoa ary nanao hoe luc 23.43 je te le dis en verité aujourd'hui tu seras avec moi dans le paradis.

Fanontaniana: Nidina tety an-tany indray ve i Jesoa avy eo ka niditra tao am-pasana ary nitsangana tamin'ny andro fahatelo avy eo taty aoriana vao niakatra velona any an-danitra indray?

Mba omeo toko sy andininy mikasika an'io azafady.

Tsy mananihany akory sanatria fa mifamahofaho be amiko ilay resaka
9. rhaj0 ( 21/05/2015 18:02)
(manao azafady @ gasysud raha manao resaka somary tsy ao @ andrasanao.. tsy izany fa ny resaka atao(ko) eto dia toatoa ny tohin'ny any @ lohahevitra hafa.. tsy hors-sujet, fa fotsiny hafa tsirony)

Dia hono ho'a indray.. Ilay Jiolahy izany tena efa tonga dia tafiditra any paradisa, na dia "jiolahy" azany ??

Mety "jiolahy" izy araka ny fitsaran'olb, fanefa kosany dia mino marimarina aho fa nanao "ota" araka ny voafaritry ny Baiboly ihany izy (mety nangalatra, na namono olona, ets...)
10. gasysud ( 22/05/2015 06:46)

rhaj0 - 21/05/2015 18:02
(manao azafady @ gasysud raha manao resaka somary tsy ao @ andrasanao.. tsy izany fa ny resaka atao(ko) eto dia toatoa ny tohin'ny any @ lohahevitra hafa.. tsy hors-sujet, fa fotsiny hafa tsirony)

Dia hono ho'a indray.. Ilay Jiolahy izany tena efa tonga dia tafiditra any paradisa, na dia "jiolahy" azany ??


Izay indray aloha dia tsy fantatro na tena jiolahy marina io na tsia, fa araky ny voalazan'ny baiboly dia jiolahy izy.

Ny ahy ny fantatro araky ny voalazan'ny baiboly (luc 23.43 je te le dis en verité aujourd'hui tu seras avec moi dans le paradis) dia ny andro nahafatesan'izy sy Jesoa Kristy dia efa samy any am-paradisa izy roalahy no mihaona. Izany hoe efa tonga any amin'ny fanjakany i Kristy izany.

Ka averiko indray ny fanontaniako:

Nidina tety an-tany indray ve i Jesoa avy eo ka niditra tao am-pasana ary nitsangana tamin'ny andro fahatelo avy eo taty aoriana vao niakatra velona any an-danitra indray?
11. endriny ( 22/05/2015 06:57)

rhaj0:

(manao azafady @ gasysud raha manao resaka somary tsy ao @ andrasanao.. tsy izany fa ny resaka atao(ko) eto dia toatoa ny tohin'ny any @ lohahevitra hafa.. tsy hors-sujet, fa fotsiny hafa tsirony)

Dia hono ho'a indray.. Ilay Jiolahy izany tena efa tonga dia tafiditra any paradisa, na dia "jiolahy" azany ??

Mety "jiolahy" izy araka ny fitsaran'olb, fanefa kosany dia mino marimarina aho fa nanao "ota" araka ny voafaritry ny Baiboly ihany izy (mety nangalatra, na namono olona, ets...)


Ny hanavotra ny mpanota ange no nahatongavany taty e... Dia hitanao eo fa fampitahorana ataon'ny mpitady kil fotsiny ilay hoe helo sy afobe..
12. endriny ( 22/05/2015 07:01)

gasysud:


Nidina tety an-tany indray ve i Jesoa avy eo ka niditra tao am-pasana ary nitsangana tamin'ny andro fahatelo avy eo taty aoriana vao niakatra velona any an-danitra indray?


Misy tery izay ry zanako, hoy maopera... Fa tsy misy malalaka fa manjary mitovy laharana ny entina sy ny mpitondra...
13. bor2lais ( 22/05/2015 07:25)
endriny sy ramose rhaj0:

Ny hanavotra ny mpanota ange no nahatongavany taty e... Dia hitanao eo fa fampitahorana ataon'ny mpitady kil fotsiny ilay hoe helo sy afobe..

Marina tapany ihany ny voalazanareo mikasika ilay "jiolahy". Tapany (ara-bakiteny :-)) satria jiolahy 2 ry zareo : naninona no 1 ihany no navotaNY ? :-)
Sa tsy fantatra fa mistery izany ! :-)
14. Strong3 ( 22/05/2015 07:44)

gasysud:

Misaotra betsaka fa mba misy fanamarihana kely miaraka amin'ny fanontaniana ity.

NIsy jiolahy nombohina niaraka tamin'i Jesoa, ny iray niteny hoe; luc 23.42 souviens toi de moi quand tu seras dans ton royaume. Namaly azy i Jesoa ary nanao hoe luc 23.43 je te le dis en verité aujourd'hui tu seras avec moi dans le paradis.

Fanontaniana: Nidina tety an-tany indray ve i Jesoa avy eo ka niditra tao am-pasana ary nitsangana tamin'ny andro fahatelo avy eo taty aoriana vao niakatra velona any an-danitra indray?

Mba omeo toko sy andininy mikasika an'io azafady.

Tsy mananihany akory sanatria fa mifamahofaho be amiko ilay resaka


« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)
« Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka] » (Isaia 55:10)
« Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. » (Isaia 55:11)
__ vao NILAZA I JKristy hoe "VITA" dia niakatra niverina ny Tenin'Atra...
___ ao aoriana kely ao anefa dia nilaza indray IZY HOE "AZA MIKASIKA AHY ALOHA FA MBOLA TSY NIAKATRA TANY AMIN'NY RAY AHO..."
inona no hievitr'izany?
_____ Jaona 1:1-3 no mamaly azy ; Tenin'Atra i Jesosy Kristy , ka antsoina koa hoe Atra , io TENY IO DIA NAHAVITA NY MISSION-NY KA VAO TANTERAKA IZANY DIA NIVERINA TSY MISY FEPETRA ILAY TENY. fa ny Vatana izay NATAO TRANON'IO TENY IO , ilay nombohina tamin'ny hazo dia mbola tsy niakatra , ary ilay fanahiny namelona azy dia nidina tany amin'ny fiainantsihita hateloana...
______ dikany; vao maty ilay jiolay dia nihaona tamin'i JKristy amin'ny mahateny velona Azy tany andanitra.

mety ho takatrao ve ny zavatra lazaiko???
15. endriny ( 22/05/2015 08:27)
Jesosy = tenin'Atra Maizina be... Satria nataoko fa ilay boky artifisialy no tenin'Atra...
16. Strong3 ( 22/05/2015 09:19)
ka heverinao fa tsy mampivanitika anga ity filazanao azy fa modia tsy hita toa rediredin'jaza hoe boky artifisaly ... lol tssss hihih :-)

« ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. » (1 Korintiana 2:8)
« Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), » (1 Korintiana 2:9)
« dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. » (1 Korintiana 2:10)

MIAIZINA AMINAO NY ZAVA-PANAHY SATRIA tsy niezaka nanakatra ianao, fa vao ketraka tamin'ny vandivandin'ny kristiana boritra ianao dia nandositra ny fiangonana .

Nefa ny marina dia ho marina hatrany
17. gasysud ( 22/05/2015 09:23)

Strong3 - 22/05/2015 07:44

« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)
« Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka] » (Isaia 55:10)
« Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. » (Isaia 55:11)
__ vao NILAZA I JKristy hoe "VITA" dia niakatra niverina ny Tenin'Atra...
___ ao aoriana kely ao anefa dia nilaza indray IZY HOE "AZA MIKASIKA AHY ALOHA FA MBOLA TSY NIAKATRA TANY AMIN'NY RAY AHO..."
inona no hievitr'izany?
_____ Jaona 1:1-3 no mamaly azy ; Tenin'Atra i Jesosy Kristy , ka antsoina koa hoe Atra , io TENY IO DIA NAHAVITA NY MISSION-NY KA VAO TANTERAKA IZANY DIA NIVERINA TSY MISY FEPETRA ILAY TENY. fa ny Vatana izay NATAO TRANON'IO TENY IO , ilay nombohina tamin'ny hazo dia mbola tsy niakatra , ary ilay fanahiny namelona azy dia nidina tany amin'ny fiainantsihita hateloana...
______ dikany; vao maty ilay jiolay dia nihaona tamin'i JKristy amin'ny mahateny velona Azy tany andanitra.

mety ho takatrao ve ny zavatra lazaiko???


Miala tsiny fa tena tsy takatro ny zavatra tianao ho lazaina. Ny maha sarotra azy dia naka toko sy andininy any amin'ny Isaia ianao. Mifanojo amin'ny vanim-potoana nanombohona an'i Kristy ve izany? Mety nisy olona tian'i Isaia hampitàna io resaka nataony io tamin'izany fotoana izany fa eto dia mazava ny resak'i kristy ; androany ianao no ihaona amiko any am-paradisa, izany hoe efa tafakatra any amin'ny Ray izy tamin'io fotoana io niaraka tamin'ilay jiolahy voavonjy.

Efa tany an-danitra izany izy. Dia Nidina indray ve izy raha araky ny voalaza amin'ny fitsanganana amin'ny andro fahatelo sy ny fiakarana velona any an-danitra avy eo. Ny toko sy andininy mifandraika amin'izany no tiako ho fantatra.

Tsy voatery asiana resabe akory

18. Strong3 ( 22/05/2015 10:36)
ok.... >> gasysud !

androany , anio ... mazava hoazy fa tena nihaona i JKristy sy ilay jiolahy satria Ny Tenin'Atra efa niverina tany amin'i Atra.


19. rhaj0 ( 22/05/2015 10:47)
nosirihiko ny dika-teny anglisy dia hoe
Luke 23:43 Jesus answered him, “Truly I tell you, today you will be with me in paradise.”

tena mitombona ny fanontanian'i Gasysud.. fa jereo tsara ny faingo fa alohan'ny "today".. izany hoe, tena "androany ianao no ihaona amiko any am-paradisa"

Izany hoe, vao maty izany dia tonga dia efa tafiditra any ny androtr'iny ihany ? I Jesosy no miteny io..


esy eee...


Fa io ry Gasysud anie... ho hitanao ary efa hainao ihany ry politisiana fatsora ratsy ireo, fa ho lazainy ianao hoe :

1. ka ny "fotoana", na koa ny "fandrefesana fotoana" anie samy hafa : ny "fotoana" @ JC dia tsy mitovy @ "fotoana" anao ao io... Raha hoz'IZY hoe "androany", dia ... ny any Paradisa anie efa tsisy alina sy maraina intsony, ka dia efa "androany" foana izany ny any eeee...

2. Torak'izany koa ilay hoe "torahy vato ho faty ny mpanota na dia zanakao azany izy"... ny "vato" aminao eto anie ka samy hafa noho ilay "vato" lazain'ny vavan'i A.tra eee... ny "vaton'Atra" mety vato-fantome, ka rahefa voatoton'izany ianao, dia hotry ny lalovan'ny rivotra mampangatsitsiaka fotsiny, fa kosa, mahatonga saina..

20. 5laody ( 22/05/2015 10:54)


Tsy voatery asiana resabe akory


Tokotokony hahatanty resabe ihany ianao ato amin'ny fivvahana finoana na dia voafaritra tsara aza ny zavatra tadiavinao.

Tsy fantatro raha katôlika ianao fa amin'ny fiekem-pinoana amin'ny teny frantsay aza hafa mihintsy ny voalaza : "Il est mort et enseveli, est descendu aux enfers"

tsisy nandika tamin'ny teny gasy toa misy hoe nidina tany amin'ny helo.
amin'ny teny anglisy "he descended to the dead."

ny fanontaniana hafa mipetraka dia hoe fa inona no nataony tany?

Miala tsiny fa tsy mpiangaly toko sy andininy.

Rhaj0>>> saika hananihany aho hoe ahoanao inona anaka izay omby maty any fa ny hena hanina. Kay ianao tsy mihinan-kena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.172