Nanome cadeau an'olona nefa aveo hitanao any @ olon-kafa

1. peta83 ( 05/05/2015 12:19)
Aona mo ny fandraisanareo an'izany, misy olona akaiky (fianakaviana)anay mivady hitanay fa tena tsy nanana téléphone mihitsy izy, entin'alahelovana enao sady olona akaiky anao dia nividy téléphone 1 ho azy ary natao mba vraie marque. Volana vitsy taty aoriana hitanay fa tsy izy tsony no mampiasa azy fa olon-kafa. Somary vexée kely izahay 2 nefa sarotra aminay ny hiteny izany aminy. Ahoana no mba hevitrareo amin'izany?
novalian'i tiris8786 ny 28/08/2015 15:45
2. moi ( 05/05/2015 12:41)
Anisan'ny mahatonga antsika tsy hazoto hanome cadeau olona io, satria izy no nividianana azy fa tsy olonkafa, tsy ho an-janany, na ho an-drahalahiny na anabaviny.
Rehefa manome dia tsara raha arahana teny hoe raha tsy mety aminareo na tsy ilainareo intsony dia mba avereno aminay ihany.
Ankeviny nandoavany trosa zao ilay cadeau raha azoko tsara !
Toy izay koa raha manome telephone na fitafiana ho an'ny mpanampy : raha miala izy dia alaiko ny fananana nomeko mba homena izay handimby azy.
Fehiny : malahelo ihany ny tena e, toy ny manome kilalao an-janakao ihany anie e, marary ianao fa potika anatin'ny fotoana fohy ilay izy, nefa tsy hanome intsony ve ?
Zarao aminy fotsiny ny alahelo raha mety hampitony fa aza arahana alahelo ela.
3. peta83 ( 05/05/2015 13:19)
Misaotra an'i "toi"
Tsy de inoako lotra oe nandoavany trosa le izy satria ny zanany iany no mampiasa azy fa tsy ay oe provisoire ve fampiasàny azy sa nomeny définitive fa otran efa nisy 01 mois zay no teny am'lé zanany lé izy!
4. vahiny2004 ( 05/05/2015 13:48)
Misy zavatra 2 samihafa an :

- nangataka ve izy hoe mila dia nomenareo, kanjo avy eo nomeny olona hafa ?
sa
- nareo fotsiny ve no te hanome azy satria hitanareo fa tsy manana izy ? Donc mety tsy ilainy loatra ilay izy ary mety hitany fa ilay hafa no mila azy kokoa dia nomeny azy.

Tsy hoe miana-kendry fa amiko rehefa manome dia omena tanteraka tsy arahina alahelo sy fepetra

Namaste
5. peta83 ( 22/05/2015 13:21)
Tsara ny miana-kendry éééé!!! lé faha-2 no nataonay!!! am'manaraka aleo tsy manome tsony fa tsssssssssss. Ny tena ato miafy am foza orana fa nentim-pitiavana de mba nanome zavatra tsara nefa kay mo tsy misy vidiny tam'lé olona lé izy dé bofffff. Ny @ sisa no tsy atao tsony!
6. booboo ( 22/05/2015 14:54)
Normal be raha tsy misy vidiny aminy satria tsy ilainy anie izany ilay izy, tsy " besoin " sady tsy " envie " akory @ zay. Noeritreretinao fa toa anao angamba izy hoe tena ilaina ny tél. Aminareo 2 ny tél no misy vidiny sy tena ilaina, tsy voatery ho toy izay ny rehetra. Rehefa te hanampy olona @ manaraka dia tsara kokoa anontaniana mivantana ny tena zavatra tena ilaina. Raha hatao cadeau indray dia ohatra izay koa, anontaniana ihany hoe inona no tiana hatao cadeau, @ zay siora ianao fa zavatra tiany sy ilainy ary hampiasainy na ho tehiriziny tsara izay homena.
7. aglaadsgaiz ( 19/06/2015 13:10)
yo yo ,ok,marina daholo ze lazainareo rehetra,tsis diso,soa fianatre ,naazo maimaipoana tany aminao izy de mba mzara maimaipoana @ hafa koa sure
8. Maningana ( 23/07/2015 08:34)
zah r zareo ref mis oul manome zavatr ahy dia TENA KAJIKAJIAKO TAHAKA NY ANAKANDRIAMASO ilay izy an, tsy mba sahiko ny manao tsinotsinona ilay zavatra omen oul ahy iny, f d mahagaga n oul sasany mahavita izany, samy hafa marina n tsirairay e
9. tiris8786 ( 28/08/2015 15:45)
eny e indraindray miseho izay zavatra izay saingy raha zanany ihany no nomeny azy dia tsy dia olana loatra amiko saingy raha ohatra ka manafitohina kely anareo roa izay dia aza manome intsony amin'ny manaraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.229