sekta

1. rhaj0 ( 30/04/2015 20:42)
Niresaka sekta i LGDI androany.. ary dia tena mamely mihintsy izany ilay Finoana/Fivavahana eee... Izany no tena hoe banga mihomehy alina ka manararaotra ny fahalemen'ny olona (fahalemem-panahy sy fragilitE). Koa na eto azany mba mahita interinety, na ny sasany mba aty an-dafy, mahita ny fahalalana sy fahalalahana, fa mbola voajonony ao foana eeee...

Fa jereo @ ireo ambany ireo fa sirik'i LGDI i Gasy1zay sy i RBNIR :-)

1. Pourtant, selon un prêtre, « la dîme est un concept de l’Ancien Testament, une exigence de la loi selon laquelle tous les Hébreux devaient donner 10% de ce qu’ils avaient gagné et avaient cultivé au Temple (Lévithique 27 : 30 ; Nombres 18 :26 ; Deutéronome 14 : 24 ; 2 Chroniques 31 :5). Plus précisément, la dîme de l’Ancien Testament était une méthode de taxation pour pourvoir aux besoins des prêtres et des Lévites du système artificiel ». Pourtant, le nouveau testament n’ordonne nulle part la dîme, ni même ne recommande aux Chrétiens de verser un certain pourcentage des revenus, mais dit seulement qu’il doit être versé selon ses possibilités. (1 Corinthiens 16 :2).

2. En 3 mois, 10 associations religieuses ont été enregistrées auprès du ministère de l’Intérieur. Actuellement, l’effectif atteint 260 sectes dans la Grande Ile. (..) Ainsi, une fidèle d’une église à Andrefana’Ambohijanahary a affirmé qu’ « elle a trouvé la santé après être emprisonnée dans une sorte de sorcellerie depuis des années, et même les médecins ne pouvaient rien faire ». Une mère de famille, a précisé que « depuis que je suis ici, surtout après avoir été délivrée, mon mari n’est plus agressif ni infidèle. Ma vie a vraiment changé… ». Un jeune homme a avoué « d’avoir trouvé un travail décent depuis qu’il a eu la bénédiction du pasteur ». (..) Sachant que selon un pasteur de secte « plus l’individu s’implique plus il reçoit des bénédictions ».
2. gasy1zay ( 01/05/2015 13:45)
1) tena 100% d'accord @ io za ka
Tena nanamafy an'io voalaza momba ny fahafolonkarena io anie za t@ ilay resaka sekta teto iny e! Efa nambarako mintsy hoe tsy condition idirana any an-danitra ny fandoavana na tsia ny fahafolon-karena fa famitahana olona na tsy fahalalana ny soratra masina ny filazana hoe mila mandoa 10% harena raha te handova ny lanitra.

2) 75% d'accord aho satria mino aho fa afaka manova olona Jesoa (mpisotro lasa tsy misotro, mpampirafy lasa hendry, sns sns ), afaka manasitrana ny aretina rehetra, afaka mamaly vavaka momba ny asa sns sns, fa tsy d'accord aho hoe "bénédiction" an'i pastera fa noho ny fanantonana an'Andriamanitra sy ny fibebahana.

Andramo dia ho hitanao fa aza mitsiriritra ny lazain'ny sekta any e!
3. rhaj0 ( 01/05/2015 16:32)
Hey.. I Jesoa izany sady any Dago any no aty Kanada aty koa ? Sa tena hoe, avy any galaksia hafa any ankoatra any izy, ary hitany in-1 mipalaka daholo, hatraty ka hatrany ? Reny daholo ny vavaky ny olona rehetra (mino AZY) ?
4. rhaj0 ( 01/05/2015 19:19)
Sa indray tena amina monde na univers hafa mihintsy ilay hoe "Jesoa mahita antsika rehetra ka maharakotra ny tany, hatraty Kanada ka hatrany Dago" ?

hoe univers hafa tsy haintsika, tsy takatry ny saintsika mihintsy izao misy AZY izao, fa raha "imaginer" tsotsotrement, dia izay olona rehetra mitraka, dia eo ambony masony eo Jesoa (na dia tsy hitany aza).. na any Amazonia ilay olo na any Aostralia..
5. rhaj0 ( 01/05/2015 19:25)
Sa indray izy manjoajoana eny rehetra eny, sahala @ ilay imagination-ko hoe, superman-miankanjo-fotsy-mitaingi-tsoavalikely, dia ... mety tena teo am-pandalovana takaikinao iny indrindra IZY no nahare ny vavakao, ary dia ... tagadi-tagada... nobitsihiny ilay mpampiasa hi-embaucher anao Gasy1zay ???

(dia izany no tsy nahatonga azy hatrany Nepal, ka nanohitra an'ilay devolin-doza tsy hanosika ilay pilaky tektonika izay nahatonga ny horohoron-tany)
6. gasy1zay ( 01/05/2015 20:08)
rhaj0 > fa anga moa tsy efa nambara t@ i rhaj0 hoe omni-présent ilay Andriamanitra hivavahan'ny kristianina?

"Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho"

Na aty gasikara, na any canada na any israely na any nepal dia mitombina io ry rhaj0.

7. rhaj0 ( 02/05/2015 11:49)
okey dokey... IZY izany system hafa mihintsiny eee.. raha imaginer-na tsotsotrement dia hotry ny rivotra iainana eto @ pilaneta latera izany IZY e.... eo foana IZY, n'aizan'aiza, na oviana na oviana, h@ izay ka h@ izao, to infinity and beyond...

Dia na dia ilay hoe, Atry ny Kristiana, avy tao Canaan, na dia izay fotsiny azany hono IZY, dia:
- maharakotra hatrany Amazonie ka hatrany Aostralia hono IZY, ary
- mahalala ireo olona hafa ireo, na dia tsy vahoakaNY azany ireo olona ireo, ary
- manao raha @ ireo olona ireo, toa ny hoe, mampandefa azy atsy @ lacheminee na atsy @ laparadis,
- na dia TSY fantatr'ireo olona ireo akoriny azany ny fisiaNY ee...

[size=4](rahefa aiza ho aiza @ izay resaka rehetra atao eto io ianao vao hanomboka hihomehy ? sa mbola serieux dia mivavaka ao ihany ? :-)[/size]
8. Strong3 ( 04/05/2015 08:12)
Ruah , io no ilazana Azy, ka inona indray moa fa tsy efa fantatrao ihany ve izany ry rhaj0?

fa ny sekta nge ka tsy ny mpisitaka ihany no sekta fa misy koa ireo mpanjanaka sain'ny mpino ao aminy eh, ka aza dia sondriana fa betsaka no efa VOAFATOTR'IREO sekta

eto izao tena misy voageja mafy mihitsy, toa tsy tompon'ny tenany ... :-)
9. bor2lais ( 04/05/2015 11:43)
ramose rhaj0:

rahefa aiza ho aiza @ izay resaka rehetra atao eto io ianao vao hanomboka hihomehy ? sa mbola serieux dia mivavaka ao ihany ?

:-)
[size=8]Sao ianao kosa ramose no mampiomehy (na mampalahelo) eto fa toa manenjika aloka hoy ny fitenenana : zavatra tsy fantatrao (na voafehinao) akory kay no resahinao eto ! :-)

Mba alefaso (rehefa tsy te-handeha ianao) na ento (raha te-hianatra miaraka aminy) any am-piangonana ihany ny ankizy (hianatra katesizy na sekoly alahady) sao hihomehezan'ny namany rehefa miseho miresaka finoana Kristiana (tahaka ny eto) any ry zareo !

Am-pitiavana be ![/size]
:-)
10. rhaj0 ( 04/05/2015 14:05)
bor2lais:
zavatra tsy fantatrao (na voafehinao) akory kay no resahinao eto !

Io indray kosa k'lou no maha-samy hafa antsika ry Bor2lais a... Izaho indray TSY hotr'anareo (kristiana), fa izaho raha miresaka dia tsy quoi na "tsy fantatro" na "tsy voafehiko" ny resaka, fa fifanakalozana ny atao e.. Dia rahefa misy diso ny resako, na tsy ampy, etsetra... dia ahitsy, f'inona moa ny olana?.. Tsy takatrao toatoa izany ve no ataon'ny siantista rahefa miresaka ny fikarohany izy? Izany no ianarako ee..

Fa n'enareo moa ry Bor2lais (sy ry Strong3 koa ohatra), io mitompo-teny fantatra io, na io mino-dia-mamikitra-gaigy-manao-pli-vava io, na io mangina-tsy-miteny-fa-be-tsetra-sahala-@-Maria ao foana fotsiny io e...

Fa miteny ianao hoe mifampihomehy izany ny ankizy... tena "mino" ve ianao, raha mipetrak a ny fanontaniana hoe, "iza ny olona voalohany teto an-tany", dia ny valiny mivoaka dia hoe:
- madama eva
- big-bang (sy ry Sheldon mbamin-dry Leonard sy Penny)

Dia iza @ ireo no ihomehezan'ny ankizy ?
11. bor2lais ( 04/05/2015 15:28)
ramose rhaj0:

izaho raha miresaka dia tsy quoi na "tsy fantatro" na "tsy voafehiko" ny resaka, fa fifanakalozana ny atao e.. Dia rahefa misy diso ny resako, na tsy ampy, etsetra... dia ahitsy, f'inona moa ny olana?..

Dia mba manontania ary aloha fa aza tonga dia manao "conclusion" na "démonstration" nefa ny "hypothèse" apetrakao momba ny finoana Kristiana aza mety ho diso e ! :-)
12. rhaj0 ( 04/05/2015 15:43)
efa nanontany foana kosany ahom, fa i radoko indrindra no miavonavona, hotshotsan'ny hoe mahay dia mamilafila... rahefa tsy hiteny nareo dia arosoko ny fijeriko azy ka inona moa...
13. 5laody ( 05/05/2015 10:53)

aleo aloa nareo mtsam atao fampihavanana kely e! (apetraho ny 200 000 Ar
14. rhaj0 ( 05/05/2015 14:39)

Akanga aloha fa mbola handeha hanandro k'lou... hampaniry vola eny @ hazo...
(rehefa samy "hino" ihany dia mba finoana mamokatra no hidirana koouh..)
15. fidinirina ( 06/05/2015 05:27)
rhaj0:

(rehefa samy "hino" ihany dia mba finoana mamokatra no hidirana koouh..)

odry!!! nga moa rhaj0 "mino" ndray sa te-hino fa tsy hita izay asiana ny loha sa ny tongotra.
Mbola tsy niditra akory dia ahoana no asahianao mitsara sy milaza hoe tsy mamokatra.
Fantatro izay inoako!! Inona ny vokatra hoy ianao ?
[size=20]Fitiavana, famindram-po, famelan-keloka, finoana, famonjena, fahasoavana, fiarovana, fankaherezana, fahazavana, anatra, fahononam-po, fanetren-tena, fahamarinana, fahamasinana, fahatokiana, fiainana ary fiainana mandrakizay...[/size]
16. rhaj0 ( 06/05/2015 12:49)
ireo tanisain'i Fidinirina ireo izany no "vokatra" tena maha-izy lay ny Finoan'i Fidinirina ao an... okay.

Fa hoe ho'a hoe, mba sokafy ny saina dia jereo sy halalino azany ny an'ny olona hafa izay TSY mino ny A.try ny Kristiana; fa ahita ho'a ianao fa ny an'ny hafa ka tena "mamokatra" eee...

- Ny Hindu izao mahay Kama Sutra, ny Kristiana missionaire foana; ny olona migiaka manja, nareo misento-tokana..
- Ny Kristiana mandohalika, ny Bodista manao yoga..
- Ny Kristiana TSY te-ho sahala @ biby, ny amerindiana reincarnE ho biby, ny Hindu manaja ny omby..

Dia mba jerevo @ ireo @ saina tsy miangatra.. iza no salama fi(s)aina ??
17. rhaj0 ( 07/05/2015 10:49)
hi hi hi... hiangatra foana ny sainao fa dia ovaiko ny anarana..

jereo azany ho'a, iza no salama fi(s)aina :

- Ikalasoa izay mahay Kama Sutra dia migiaka manja, sa i Ikalatiana izay tsy manao afa-tsy missionaire foana dia mitelina sento-tokana..
- Ikaritiana izay mandohalika sy migonongonona ary manipy tanana any an-danitra, sa Ibozy manao yoga, cool, dia manao hoe uuummmm...
- Ny Ikolitiana TSY te-ho sahala @ biby ary kitahotra (bibidia) akoriny azany, sa Ipocahontas mihevitra fa ho reincarnE ho biby ary manaja, mitia sy mamela ny biby iaina malalaka

Ny tena mampahonena an-dry Ikalatiana sy Ikaritiana ary Ikolotiana dia heveriny na mino izy fa sahala azy daholo ny olona rehetra... ary ny loza, dia tadiaviny poretina ho sahala azy daholo koa ny olona rehetra[size=2]...o boy...doublement manavy eee..[/size]
18. fidinirina ( 07/05/2015 12:00)
1. Aleo koa mba valiako hoe : ha ha ha, taiza no mba nahalalanao fa tsy manao an'izany ny kristiana. [size=4]Koa nahoana izahay no manao an'izany? hi hi hi.[/size]

2. Fa maninona za (ny Kristianina) no mandohalika: [size=20] manetri-tena, mifona, manaja, mitsaoka, mivavaka ho ana(re)o / ho antsika, miankohoka, mitalaho, mangataka famelan-keloka sy famindram-po avy @ Andriamanitra, tsy mahatraka noho ny fahotana ...[/size]

Romana 14 : 11
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’ Andriamanitra .

3. Fa za kosa aloha mandrakizay tsy hihevi-tena ho biby izany mihitsy e. Ny biby nga manana ny Fanahy masina ! "reincarner ho biby dia rehefa maty ilay biby dia reincarner ho inona ndray?" mba mitombona daholo ary ve zany resaka zany sa finoanoam-poana fotsiny. Rehefa tsy mino an'Andriamanitra dia minomino foana @ zay zavatra hita sy re eny sisa.
19. rhaj0 ( 07/05/2015 12:30)
fidinirina:
mba mitombona daholo ary ve zany resaka zany sa finoanoam-poana fotsiny...

ya ya.. rehefa ny anao, na ny an'ireo olona avy any Canaan, dia "minou fotsy", fa rehefa ny an'ny olona hafa, dia "minomino phone"...
[size=4]Dia rahefa pehana ianao hoe Itsimahalalaafatsynysaimpantany dia hotry ny tena no Irainizeloza ho'a...[/size]
20. gasy1zay ( 07/05/2015 13:14)

rhaj0:

hi hi hi... hiangatra foana ny sainao fa dia ovaiko ny anarana..

jereo azany ho'a, iza no salama fi(s)aina :

- Ikalasoa izay mahay Kama Sutra dia migiaka manja, sa i Ikalatiana izay tsy manao afa-tsy missionaire foana dia mitelina sento-tokana..
- Ikaritiana izay mandohalika sy migonongonona ary manipy tanana any an-danitra, sa Ibozy manao yoga, cool, dia manao hoe uuummmm...
- Ny Ikolitiana TSY te-ho sahala @ biby ary kitahotra (bibidia) akoriny azany, sa Ipocahontas mihevitra fa ho reincarnE ho biby ary manaja, mitia sy mamela ny biby iaina malalaka

Ny tena mampahonena an-dry Ikalatiana sy Ikaritiana ary Ikolotiana dia heveriny na mino izy fa sahala azy daholo ny olona rehetra... ary ny loza, dia tadiaviny poretina ho sahala azy daholo koa ny olona rehetra[size=2]...o boy...doublement manavy eee..[/size]


ny an'i rhaj0 izany ny fandrefesana ny fiadanana eto an-tany dia ny fahaizana position Kama sutra, fanaovana yoga ary ireo TE hitovy @ biby (zoophilia ve zany???)



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5014