NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony

1. Strong3 ( 17/04/2015 10:28)
Normaly be raha tsy misy zavatra fantan'ny tanora amin'izao intsony ny finoana an'Atra...

maika ny ahatafita ny zanany any andafy fotsiny ny RAD dia tsy tereny hivavaka ny zaza, hany ka manohitra tanteraka ny fisian'Atra
novalian'i Strong3 ny 29/05/2015 08:38
2. rhaj0 ( 17/04/2015 10:45)
Ahoana azany izany hoe manohitra "tsy misy" izany...
3. Strong3 ( 17/04/2015 11:02)
tsy misy izany fa angano fotsiny ihany eh , hadalana izany eh, ny ezakako no mahatafita ahy eh ...sns

kay moa teo ny RAD nitaiza sy nahabe ary nahatafita.

Misy ve andriamanitra dia ataony mahantra ny gasy, ny kamboty tsy miakatra fa mihahosa hatrany
dia lazaina daholo io rehetra io, fa izany no ilazana fa tsy misy Atra.

fa ny mahagaga dia mahay TENIN'ATRA ihany ry zareo
4. rhaj0 ( 17/04/2015 13:12)
Mahagaga anao tokoany izany, satria ve..

- "mino" ianao fa "monopole" anao ny resaka aroson'ny "tenin'A.tra" ? ka hoe, ny "Aza Mangalatra" izany dia anao irery ao?.. ka hoe raha mahay izany "Aza Mangalatra" izany, dia tena hoe, tsisy afa-tsy avy @ "tenin'A.tra" no ahalalana izany ? Dia ho gaga lava tokoany ianao hoe, ary ahoana azany ireo Sinoa, Karana, Zaponey TSISY nahalala izay Baibolin'i Canaan-nao, nefa toa mahalala ny "Aza Mangalatra" koa ohatra ???

- sa, "mino" ianao fa ny olona hafa rehetra dia toa anao, ka hoe samy "mikatona-ao-@-box-keliny" ao daholo, ka dia gaga ianao hoe, fa ahoana koa azany ny olona hafa toa mahalala ny ao anatin'ilay "box-kelinao-tsisy-afa-tsy-Baiboly" ?


Fa dia mbola ho "gaga" lava ianao, fa ny hany "hainao", dia ilay hoe "tenin'A.tra" (avy tany Canaan), dia "tsy mahay" zavatra maro eee....... Ohatra izao ny Kama Sutra izay hain'ny Hindu (izay tsy mahay ny Atry ny Kristiana)... dia tena ho gaga ianao fa hoe, fa maninona tokoany azany no culpabiliser-n' A.try Kristiana foana ny sex, ary fa maninona Iandefimandrinao toa "misento tokana" foana fotsiny no mba hainy, fa tsy mba ... u 'now... dia hoe, izay tsinona no mba "tenin'A.tra" hainareo mi-tsam ?... Mahagaga ve ???
5. Strong3 ( 21/04/2015 08:42)
Avilivily io resaka io dia toa mety ihany, rehefa eken'ny fiarahamonina ve hoe ; aza maka ny zavatry ny hafa , dia tsy ho tonga fahendrena eo amin'izy ireo izany?
_ ka na sinoa na bengali na zaponé ... rehefa dinan'ny fiarahamoniny dia izay no mahapety ny fahendreny sy ny fisainany , inona no mahagaga izany?
... tsy samy mi-culpabiliser-ny tenany ao daholo isam-poko ve ny olombelona?
... fa nahoana no miavaka ny tany canaan?
ary nahoana no eken'ny fiarahamonin'izao tontolo izao ny mari-drefy hoe av JC & apr JC ??

sa hoe noho ny heri-pamoretan'ny romanina dia nanaiky tsy fidiny izao tontolo izao , fa amin'izao andro mazava be izao (araka ny teninao rhaj0) dia MIFOHA DAHOLO IANAREO??? hihihih

mba miresaka jeografika ihany , mba jereo ny tahiry nipetraka tao egypta, babilona, roma, sy ireo anara-tanana noforonina tao amin'ny baiboly.
Sa ny kananiana no raiben'izao tontolo izao ka nilaza angano mba hanoritsoritana ireo zava-nitranga rehetra??
6. kolo ( 21/04/2015 12:45)
Mila valiny aloha hoe , Iza marina ilay Andriamanitra lazaianreo eto? Amiko mantsy zany Andriamanitra izany vao haingana (tamin'ny namolavolana ny boky baiboly tamin'ny fiteny gasy) no nahalalan'i Malagasy azy fa raha ny fantatro dia toa izany ZANAHARY izany no ninon'ny Ntaolo, izay tsy iza fa ireo RAZAM-BE nipoirantsika rehetra ireo. " RAZAM-BE tena nanampahendrena sy fitiavana " miohatra lavitra an-tsika " mandala sy mino ny voarakitrin'ny boky Baiboly"
7. rhaj0 ( 21/04/2015 12:48)
Ny fahazoako azy, dia ny an'ny Kristiana dia ny "Atry ny Kristiana". Fa io izao dia tsy hay akoriny hoe, ny "Atr'i Abrahama" ve koa ny azy sa tsia. Satria ny Atr'i Abrahama no Atry ny Jiosy sy ny Moslimo. Dia nefa hainao ihany...
8. Strong3 ( 22/04/2015 10:49)
manala manisy koa ny sasany!

Atr'iza iza io kou zao?
Tokana no Mpahary , fa izay tsy nahary dia nohariana avokoa :-)
9. bor2lais ( 22/04/2015 11:14)
Strong3:

NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony
...

Ilay RAD anefa ve mba mivavaka ihany sa isan'irony antsoina hoe mpamonjy "isan-kerintaona" fotsiny ihany ? :-)
10. Strong3 ( 22/04/2015 12:39)
hihihi na isakin'ny alahady aza izy mivavaka fa manao devoire dia mitovy amin'ny mpanao isantaona ihany kou!
mivavaka izy mba ahatafita ny zanany , dia atosika mafy ny zaza mba ho lasa lavitra ka na alahady ora fivavahana aza dia alefa manao cours sao tsy tafa eo ny exam

tafita ra zaza dia mitsipadoha laka-nitana, na ny RAD aza tsy tsaroany maika izay Atra !...
eo vao latsa-nenina ra RAD
11. rhaj0 ( 22/04/2015 13:27)
ka ny "vavaka" no nahatafita ilay zaza sa ny "cours" eee...
- raha ny "vavaka" no nahatafita azy, dia lojika be izany fa mahery ny "vavaka", ary dia ny "vavaka" koa no nahatonga azy ho nitsipa-doha taty aoriana
- raha ny "cours" no nahatafita azy, dia ... rariny ny azy fa tsisy (n)ilavana azy izany ny "vavaka"..

ka ahoana izy ity ry Strong3 a... aiza ilay lojika ee...

Dia avy eo dia "latsa-nenina" hoe ilay rad ry Strong3 fa "tafita" ilay zaza aaa ? izany ve no n(amp)ianarana azy tao @ "vavaka"-ny tao ??? Dia ahoana, naleo "tsy nivavaka" sa naleo "tsy nampanao cours" dia tsy tafita ilay zaza ?? mbo sampona mihintsy nareo kah...
12. bor2lais ( 24/04/2015 07:10)
ramose rhaj0:

ka ny "vavaka" no nahatafita ilay zaza sa ny "cours" eee...
...

Amin'ny (tena) Kristiana ramose tsy voatery "dikôtômika" be tahaka ny (voalaz)anao io ny fiainana a ! :-)
13. rhaj0 ( 24/04/2015 10:26)
okey dokey... "nivavaka" (na nivavahana) izy ny mba ho afaka maka "cours", dia nandritra ny "cours" izy "nivavaka" (na nivavahana)... okay dia afa-panadinana ilay zaza ary tafita.

Fa tsy ampy angaha (sa tsy nahomby) ilay "vavaka" (na ny nivavahana), ary dia nitsipa-doha ary "tsy nahalala an'Atra intsony" ilay zaza... okay.
14. bor2lais ( 24/04/2015 12:24)
1. F'angaha kosa moa heverin-dramose fa manaranaka ilay finoana ? :-)

Raha manaranaka ny finoana ramose tsy namorona ity lohateny ity angamba i Strong3 a ! :-)

2. "Nahomby sa tsia ny vavaka" :
Ny tsy azonao ramose dia izao : fangatahana ihany (fa tsy fanerena sanatria) no ataon'ny Kristiana ramose fa izay sitrapoNY ihany no ekena na dia tsy mifanaraka amin'izay noeritreretina sy tiana aza ny valiny a ! :-)

Tadidin-dramose moa ity filamatry ny mpitsabo Kristiana efa nolazaiko teto ity ?
"Izahay mitsabo fa Jesoa irery ihany no manasitrana" :-)

Tsy mipetra-potsiny ny Kristiana saingy izay rehetra ataony dia ankinina Aminy daholo !

Izay ilay antsoina hoe manankina ny fiainana Aminy ! :-)

3. Voka-tsoa ara-pahasalamana mety azo amin'ny fanarahana io 2. io : mety mampihena be dia be ny fahadisoam-panantenana, fahakiviana, aretim-po, sns ! :-)
15. rhaj0 ( 24/04/2015 12:44)
bor2lais:
1. F'angaha kosa moa heverin-dramose fa manaranaka ilay finoana ? :-)

okay, marina ny anao. Fa dia mila ilazanao ny olona(o). Fa hoe, dia TSISY dikany daholo hoe ilay miady ho hoe "zanak'Israely", na hoe obsEdE @ hoe, ka isikana hono ka "taranaky ny foko #12". TSISY "manaranaka" io, ka hoe tonga dia "mandova" satria taranaka. Yes, I am okay with that, hozy Eminem :-)

bor2lais:
izay sitrapoNY ihany no ekena na dia tsy mifanaraka amin'izay noeritreretina sy tiana aza ny valiny a ! :-)

Ka dia "sitrapoNY" koa izany ilay "nanipa-doha laka-nitana" ... koa inona no "anenenana" sy ikoretahana eo ??

bor2lais:
3. Voka-tsoa ara-pahasalamana mety azo amin'ny fanarahana io 2. io : mety mampihena be dia be ny fahadisoam-panantenana, fahakiviana, aretim-po, sns ! :-)

Ya ya... ka dia mahaiza mi-encaisse izany fa "sitrapoNY" daholo izay eo ee....

(dia rahefa izany koa ve no lazainao @ marary mandalo ao aminao ao dokotera, dia tena salama tsisy aretim-po ny olona? )
16. bor2lais ( 24/04/2015 13:08)
ramose rhaj0:

Ka dia "sitrapoNY" koa izany ilay "nanipa-doha laka-nitana" ... koa inona no "anenenana" sy ikoretahana eo ??

:-)
Sady amin'izay ve hoe :
strong3:

NY MALAGASY LATSAKAN'NY 20 TAONA tsy entin'ny RAD mivavaka dia tsy mahalala an'Atra itsony

:-)
17. rhaj0 ( 24/04/2015 13:20)
ka tena ao @ sitrapoNY ilay "tsy nitondrana ilay zaza hivavaka", ary sitrapoNY koa ilay zaza "tsy mahalala an'Atra itsony", ka inona ho'a no itarainana(re)o eo eeee ??
18. bor2lais ( 24/04/2015 13:32)
ramose rhaj0:

ka tena ao @ sitrapoNY ilay "tsy nitondrana ilay zaza hivavaka"

:-)
Tahaka izao izany ny fomba fanatsoan-kevitra ampianarin-dramose ao amin'ny ankizy ao a !
:-)
19. rhaj0 ( 24/04/2015 13:35)
Ironiser-ko @ io k'lou raha ohatra ka Ibaotsimivily mino tsisy-adi-hevitra lava ao izy ee... :-)
20. rhaj0 ( 24/04/2015 14:02)
[size=8]mampome manapaka tsinaibe...[/size] Fa dia miondreha dia mivavaha ao foana fotsiny e.. ataovy gilady be ny finoana fa ho mety foana io .. Aza mba maneninenina izany.. aza mikoretaka.. Fa araka ny sitrapoNY daholo izao rehetra izao.. PlaniNY daholo izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3341