fomba fanazavana satria efa betsaka ny vilana saina etsy sy eroa

1. saho ( 17/04/2015 07:01)
Misy manaparitaka etsy sy eroa fa hoe menatra izy satria Malagasy, satria hono tsy antoka ho avy ny firenena Malagasy indrindra fa ho an ireo tanora sns...fametrahako fanontaniana, ahoana ny ho avin i Gasikara afaka 100 taona, seho inona no hitranga sns....
Misy koa manaparitaka fa tsy misy tantara momba an i Gasikara tamin ny taona taloha, moyen age, kanefa seho lovantsofina nisy foana tany Gasikara fa noho ny fahatongavan ny mpaka sary sy ireo nanaporofo vao niseho ny tantara voaporofo, misy manambara izay filazany etsy sy eroa manaratsy ny maha malagasy azy, na dia mbola azo atao aza ny fikarohana eo tantara Gasikara hoe ahoana ny fisian ny Malagasy talohan ny nisian ny fahatongavan ny mpaka sary sy ireo misionera sns...
Amiko ny teny hoe MAL GACHE, dia nomen ireo FARANTAY, izay mbola miseho ny loko FANAMBANIANA, TSY FASIANA VALERA IZANY sns...
Raha atodiko eo amin ny rahavavy Nosy Maurice (Maorisiana) dia azontsika atao ny fikarohana eto Net fa ny an ny zareo dia maimaimpoana ny fampianarana, tsiss fandoavambola ny fidiran ny maorisiana sekoly, tafita daholo ny ankizy na tanora maorisiana....mandroso dia mandroso tokoa ny Nosy rahavavy Maorisiana na lafiny ara toekarena na lafiny rehetra ohatra resaka fandraisana vahiny erantany....
Marina fa mbola lavitra ny dia momba ny fiainana ara politika sns...ao Gasikara kanefa aoka isika tsy hifanaratsy sy hanambany ny maha Malagasy...fa ny hanatsara sy hahatakatra hoe inona no mahatonga ny olana misy ary avy aiza izany, ary inona no vaha olana sns...
Ny momba ny resaka finoana na fivavahana, dia efa miparitaka eraky Gasikara, tsy misy maharatsy izany fa kosa aoka ho fantatry ny rehetra fa be dia be koa ny mpaminany sandoka, ary entina hambamboana ny sain ny be sy ny maro, fa raha fijery saina milamina sy mahatakatra izany, dia i Kristy ihany no marina sy zanak Atra, izy irery ihany no mahavaha ny momba izao tontolo izao kanefa tsarovy fa ny olombelona ety antany, dia ho faty ary maty noho ny ota, nofo sy ra hoy aho, ary mety ho azon ny fakampanahy sns...tsy misy kadoa eto antany ary samy miady daholo eo amin ny fiainana na aiza na aiza, araka ny sehonjavatra misy arra politika na araky ny lalana misy, mitovy daholo ny olona rehetra eo ambanin ny lalana (justice) na iza na iza, na president, na olontsotra, na manampahefana, na polisy na gendarme na iza na iza
Eo ihany iny finoana sy fivavahana iny fa aoka koa isika mba hiezaka, hanatsara ny zavamisy sy ny fiainana na ho an iza na ho an iza

la chose la plus précieuse d'un enseignant ne est pas la connaissance et la compréhension en soi, mais un désir de connaissance et de compréhension et une appréciation de la valeur intellectuelle qu'ils soient scientifiques artistique ou morale

ny zava-tsarobidy indrindra ny mpampianatra dia tsy fahalalana sy ny fahazavan-tsaina ny tena fa ny faniriana fahalalana sy fahatakarana ary ny mankasitraka ny danja ara-tsaina na ara-tsiansa ho kanto na ny fitondran-tena

the most valuable thing a teacher is not knowledge and understanding per se but a longing for knowledge and understanding and an appreciation for intelectual value wether they be artistic scientific or moral (Einstein)

Misy koa milaza fa misy Malagasy tsy manampy ny tanindrazany na mialokaloka antanin olona, fa amiko misy sahaza azy ireny na aiza na aiza, ohatra lazaiko eto Net toy itony ataoko itony dia efa fampisehoana fa ....

Ny Banky mondiale koa na ny banky iraisampirenena koa dia mibaiko erantany, ka antony voalohany mampikatso ny fandehanan ny toekarena sy politika amin ny tany andalampandrosoana, ohatra seho, fanaovana atrik asa momba ny fambolena amin ny tany mahavokatra akora na tany misy maminy....hahazoany manao fifanarahana mivilana hentina hamatsiana ireo firenena indostria matanjaka resaka akora, izay handringanana ireo tranon olona na handringanana hanafoanana ny fahazarana na toerana fionenan ny tompon tany sns...

Aoka hahiratra ny sain izay manana andraikitra momba izany indrindra fa ao Gasikara ao, fombandravatra no hisian ny loko maro mena mavo maintso mainty fotsy sns...aoka isika hahay hanavaka tsara....

Ny fahalalana no fahatokisana
Savoir faire est le pouvoir
Knowledge is power
novalian'i endriny ny 17/04/2015 08:48
2. saho ( 17/04/2015 08:47)
Ireo izay liana tantara mahery fo malagasy, tsindrio madagascar hier ao facebook

na koa tsindrio www.v.ytapi.com

Ireo no tantara voaporofo fa ny ankoatra izay dia lovantsofina daholo, moyen age efa nisy, izay te hikaroka izany dia arosoy ny fikarohana, taloha aza efa nisy atody ngeza be , atodimborona ngeza be hitan ireo mpikaroka archeologue vahiny tany Gasikara, efa nisy foana ny tantara Malagasy taloha
3. endriny ( 17/04/2015 08:48)
Tsy ilaina ampianarina ny olona fa manjary tsy azo angalaram-bato rehefa fifidianana..

Tsy ilaina ampianarina ny olona fa manjary mahay mamaky teny ka tsy misy hakana ny taniny antsokosoko

Tsy ilaina ampianarina ny olona fa manjary sahirana be ny fanjakana amin'ny fanaovana karapanondro

Tsy ilaina ampianarina ny olona mba hisin'ny fitondrana ifandovana mandrakizay..

Tsy ilaina ampianarina ny olona...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2787