Ahoana no ilazana fa misy fitiavana ?! tsy foatery ho olondroa

1. Strong3 ( 27/03/2015 12:12)


Misy miteny hoe ny manome no tena fitiavana
Misy miteny hoe ny mandray
Misy hoe ty sy day

Sao mba fitiavan-tena no tena misy eto ambonin'ny tany ? sa nofinofin'ny te hotiavina no betsaka sa ny hitia ???...
novalian'i Strong3 ny 02/04/2015 05:41
2. 5laody ( 27/03/2015 14:17)

Ny fitiavan'ny reny ny zanany hono no tena lafatra raha samy fitiavana.

Misy amin'ny olombelona io ary misy amin'ny biby (jereo ny fikarakaran'ny reninao anao sy ny fahasarotan'ny biby mitaiza raha misy te hikitikitika ny zanany).

Ankatr'izay indray tsy tsaroako hoe inona ilay hormone mahatonga ho taraiky be iny amin'ny voalohany. (resaka olondroa indray eto), fa raha lefilefy iny dia ilay ocytocine indray no nofonkena mitam-pihavanana. dia ilay iray farany mety ilay mitovy amin'ny fitiavan-dreny n zanany tetsy ambony io.

Ary ny fitiavan-tanindrazana mbola tantara hafa.....

Toa misy lohahevitra fitiavana io ankavia io fa mba apetraho ao ny hevitra ry zalahy fa aiza ve dia eto foana a! sa ity moa ilay mipoitra eo ambony indrindra amin'ny forum ?
3. ombelline ( 27/03/2015 15:13)

5laody:


Ny fitiavan'ny reny ny zanany hono no tena lafatra raha samy fitiavana.

Misy amin'ny olombelona io ary misy amin'ny biby (jereo ny fikarakaran'ny reninao anao sy ny fahasarotan'ny biby mitaiza raha misy te hikitikitika ny zanany).




Ity angamba tena marina tsy misy adi-hevitra !
Ny fitiavan'ny zanaka ny reny nefa toa tsy mitovy karazana / intensité @ fitiavan'ny reny ny zanaka
4. endriny ( 28/03/2015 03:48)
Fa ny fitiavan-javatra koa azo ampitahaina amin'ny fitiavana olona?

Raha tsy izany mantsy ny fitiavana dia voafetra ho amin'ny olona roa fara faha keliny... Afa tsy ny fitiavan-tena...
5. ombelline ( 28/03/2015 19:39)

endriny:

Fa ny fitiavan-javatra koa azo ampitahaina amin'ny fitiavana olona?



?????
6. Strong3 ( 30/03/2015 07:12)
iNONA ARY NO fahitanareo ilay fifandraisan'ny reny sy ny zanaka?
hoe naharary azy ve dia arovany sa ...
sa tena fihetsehampo hoe ana dia karakaraiko de omeko ny zavatra rehetra?
7. booboo ( 30/03/2015 09:41)
hormones
8. ombelline ( 30/03/2015 11:47)

booboo:

hormones


Ny lahy sy vavy koa hono hormone, phéromone .

Fitiavana = action hormone ?
9. Strong3 ( 31/03/2015 08:37)
b s b:
Ny lahy sy vavy koa hono hormone, phéromone .

Fitiavana = action hormone ?


avy aiza no nihavian'io sy mahatonga an'io hormone io hitia olona ?
rehefa manin' io no mivadika ho fakahalana ?

10. rhaj0 ( 31/03/2015 10:34)
Aza miala @ wiki k'lou fa io no misy (gratuit)
http://en.wikipedia.org/wiki/Love#Biological_basis

Rahefa novakiako kely dia toa hoe:
- ao ny scientific modeleS : biological (mammalian drive) na/sy psychological (cultural/cultural),
- dia ao hoz'izy ny religious view..

Ka raha ho akatona @ ilay fijery "reliziozy" k'lou ilay izy, satria izay no titinareo maro eto, dia ... hi hi hi ... tsotra : Fitiavana? avy @ A.tra. Tsisy-adi-hevitra. Tsisy-kianina. Tsy mila resaka betsaka. Point final.

Fa raha jerena siantifika (biolozia, sosiolozia, psikolozia,...) dia... ho lava ny resaka.

Ary raha jerena @ fahendrena Malagasy, dia tena be dia be koa ny ohabolana atsy @ pejy Ohabolan'i Hery
http://ohabolana.org/ohabolana/

Ny ahy ny tiako sy mahafinaritra izao dia ilay fahendrena Malagasy : vita @ fampitaha sy kilalao-teny ny fazahoana na fanazavana resaka.

Ka ny Fitia izany dia toy ny ketsa, toy ny lambamena, savony, voatavo, voangivy, toy ny fanjaibe hazo, ... isan-karazany e...


Ny fahitako azy izao, dia raha ampitahaina ny fahendren'ny Razana (ohabolana) sy ny fahendren'ny Kristiana (baiboly), dia ... hey .. inona no tianao : tondrahana Ohabolana ny eto sa tondrahana versets ? Ny ahy izao raha hi-relax nefa hianatra sy hahay fi(s)ainana, dia Ohabolana. Raha tia ampiasa ny saina sy andalina tsara, dia ny Siansa. Dia izay ihany :-)
11. 5laody ( 31/03/2015 11:14)
ilay toraka wiki sy toraka toko sy andininy aloha eto tsy atakaloko toraka traikefa sy vazizy e.

na maimaim-poana aza ilay wiki toa afaka manova daholo ny vahoaka ko.jereo anie eto e!
12. ombelline ( 31/03/2015 12:24)

b s b:

Ny lahy sy vavy koa hono hormone, phéromone .

Fitiavana = action hormone ?

Strong3:

avy aiza no nihavian'io sy mahatonga an'io hormone io hitia olona ?
rehefa manin' io no mivadika ho fakahalana ?




Dia tsy haiko aloha hoe avy aiza na ahoana no niforonany e

Rehefa lany angamba ilay hormone dia mivadika fankahalàna ilay izy

Saingy ny fiainana tokoa tsy azo ajanona sy jerena @ lafiny biolozika fotsiny fa misy sosialy sa fakitera maro mandravina azy eo
13. rhaj0 ( 31/03/2015 13:57)
5laody:
ilay toraka wiki sy toraka toko sy andininy aloha eto tsy atakaloko toraka traikefa sy vazizy e.

ilay wiki sy izay hita eto @ interinety k'lou dia raisina arak'izay, dia cross-checker-na sy anaovana recoupement.. fa TSY hoe, dia hampiasa ilay reflexe-mpino dia boky-tokana iny foana..

Fa miresaka traikefa 5laody. T@ zahay fony kely, dia manindry ery ilay zokiny iray izay, hoe, nareo maniratsira tsy manaja lehibe.. tsy mba takatrareo angaha ny maha-sarobidy izany "experience vecue" izany...
Dia nikimokimo zahay nandeha mba tsy ifandirana, fa hozy zahay atsy ambadika.. "experience vecue.. par un con"
14. 5laody ( 31/03/2015 14:47)
Ka mba anjaranareo indray ny mizara traikefa ho an'ny zandriny e! (sy mitaty ny daka ambadika)
15. rhaj0 ( 31/03/2015 15:49)
Ilay razokiny hihomehezanay anie, dia hotry ny hoe, satria fotsiny izy dia lehibe, dia hoe tsy maintsy "hajaina tsy azo dohifina" eee.. Io toatoan'ny koa hoe, satria fotsiny resaka tatsy @ Baibla dia tonga dia "hajaina tsy azo dohifina".

F'izaho indray k'lou raha 'mizara traikefa ho an'ny zandriny", dia ny hirany ihany no averiko:
Atsipinay 'le kaozy, (tsy) mihaino ianao dia tsara a... :-)
16. Strong3 ( 01/04/2015 12:32)
ka hoe rhaj0 sy ny tsymisyAtra tsy tia zavatra fiksà hoe , de na con na tsy con no manoratra sy manova io wiki io dia ekana sy hanidritsindriana eto hihihihi.... :-)
17. rhaj0 ( 01/04/2015 13:36)

Strong3:
ka hoe rhaj0 sy ny tsymisyAtra tsy tia zavatra fiksà hoe , de na con na tsy con no manoratra sy manova io wiki io dia ekana sy hanidritsindriana eto hihihihi.... :-)

ka ... na con na tsy con no manoratra sy manova io baiboly io dia ekana sy hanidritsindriana eto hihihihi....
18. Strong3 ( 02/04/2015 05:41)
Mba asio porofo hoe iza ilay nanova ny baiboly teny ampanidinana , mety ho hitan'i wiki koa izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.387