OMAR manao politika

1. rhaj0 ( 25/03/2015 18:18)
Ary efa tena tsy menatra fa manao (fanambarana) politika mihintsy anie ry OMAR izany ee..
http://www.lanation.mg/article.php?id=18043

Inona ary ity m(p)ihatsara vela-tsihy ity, ary m(p)anararaotra ny tsy fisian'ny fifanajana lalAna any Dago, dia io (manohy) manao loham-boto io, dia manao politika io tokoany.. Maninona raha mba mijoro dia manao ny ara-kitsiny ???

Raha manao politika ny Leglizy, dia tokony asaina mandoa hetra izany !!!
Ataok'ity ny TSY handoavany hetra dia satria ny azy asam-panasoavana ?

novalian'i endriny ny 04/04/2015 07:19
2. Tefigasy ( 26/03/2015 04:46)
rhaj0:

Ary efa tena tsy menatra fa manao (fanambarana) politika mihintsy anie ry OMAR izany ee..
http://www.lanation.mg/article.php?id=18043

Inona ary ity m(p)ihatsara vela-tsihy ity, ary m(p)anararaotra ny tsy fisian'ny fifanajana lalAna any Dago, dia io (manohy) manao loham-boto io, dia manao politika io tokoany.. Maninona raha mba mijoro dia manao ny ara-kitsiny ???

Raha manao politika ny Leglizy, dia tokony asaina mandoa hetra izany !!!
Ataok'ity ny TSY handoavany hetra dia satria ny azy asam-panasoavana ?

Fa aiza ho aiza aloha no misy miteny hoe tsy mahazo manao politika ny laika e ? Ao anaty lalam-panorenana ve sa ao anaty baiboly ?
Davida, Mosesy, Abrahama, Daniela, sns toa laika daholo saingy toa afaka sy nanao politika daholo koa a!
Sa ve tena tianareo raha fehezin'ny tsy mpino na ny athée ity izao tontolo izao ity, izay ve no tanjona dia rabirabiana ny laika mba tsy hiditra amin'ny resaka politika mihitsy !!!!!
3. Tefigasy ( 26/03/2015 05:14)
Aleo aloha marihiko tsara fa ny politika amin'ny heviny marin-drano no resahiko eto : politika = c'est l'art de gouverner la cité. Dia inona izao no maharatsy izany. Josefa ary PM tany Egypte nandritry ny taona maro, Adam nasaina nitandrina ny saha Edena, Davida moa filoham-panjakana mihitsy sns ....
Ny laika aloha hatreto dia tsy mbola nalana tanteraka eto amin'izao tontolo izao fa mbola nasaina nanao asa eto amin'izao tontolo izao ary ny tanjona dia hoe "mba ho iray ihany izy rehetra tahaka ny maha-iray Antsika' (Jao.17:11-18 ; 1.Kor.5:9-13)
Fa raha mijery ny any amin'ny bokin'ny Apokalipsy indray ianao dia ilay bibidia sy ny antikristy no efa miezaka mamorona alliance maro eran'izao tontolo izao mba hifehezana ity izao tontolo izao ity ary anisan'ny paikadiny ny fanilihana ny laika ho any ivelany tanteraka !
Dia anjaranao ny mandinika hoe aiza ho aiza ny camp misy anao ary !

Koa raha mba ho fampihavanana no hirahirain'ny FFKM, inona moa ny olana, raha mba ny fampandrosoana sy ny fikolokoloana ny maha-olona hifanaraka amin'ny toe-po sy toe-panahin'Andriamanitra no hijoroan'ny fiangonana, maninona moa ? Ilay izy mantsy rehefa tsy mifanaraka amin'ny firehan-kevitra misy eo amin'izao tontolo izao no hijoroan'ny fiangonana dia toa atao daholo izao fanenjehana rehetra izao sns ...... Nanomboka tany amin'ny fomba fitaizana zaza, fampiasana kapoty, fiainana sodomita, rafim-pitantana eo anivon'ny fiaraha-monina, sns ... vao miteny mikasika ireny ny fiangonana dia avoitra foana ny resaka hoe mitsabaka politika, ratsy ny politika, sns .......
4. rhaj0 ( 26/03/2015 10:40)
SAmy manana ny fijeriny marina io.. Ny fahitako azy dia:

1- demokrasia no tandrovana @ politika. Demokrasia fa TSY oligarchie na monarchie, indrindra moa TSY (mamofopofona) theocratie no resahina.

Ilazao ahy azany hoe inona no maha-demokratika ny fijoron'i OMAR miteniteny politika io.

Nofidiana ve i OMAR ? Redevable @ ireo nifidy azy ve i OMAR ?

Fa io ho'a dia mbola tanora marina ny demokrasiantsika, ary dia manararaotra sahala @ banga mihomehy alina ry OMAR[size=4](koa ny i Tefigasy izany io mitehaka rahefa mihomehy i OMAR)[/size]


2- ny any Dago, toa @ tany maro, dia mametraka mazava ilay "separation eglise-etat".. Sasanangy roa samy hafa ireo. Raha mitsabaka @ Etat ny Eglizy, dia ... reciprocite: hitsabaka @ Eglizy koa izany ny Etat.

ka nivoatra ny fi(s)ainana ary dia io separation io no soatoavin'ny taona 1900-2000


3- ny leadership sy autorité an'i OMAR, izay azony avy tany Vatican, dia autorité sy leadership ho an'ny Finoana. Ampiasainy hanaovana politika anefa izany. Abus d'autorité tsotra fotsiny izany.

Ohatra hoe, raha mpampianatra matematika ianao, dia nefa ao an-dakilasy ianao manindry aloka ny ankizy hanaraka ny finoanao, dia mba ahoana izany ? Atao hoe ny finoan'ilay prof dia moslimo @ io, satria raha Kristiana indray mantsy ny finoan'ilay mpanararao-pahefana dia ataonareo fa "masina" indray ny ataony.

5. hery ( 26/03/2015 11:45)
Raha raisiko ilay prof de math lazain'i rhaj0 eto. Afaka miteny sy mizara momba ny finoany izy saingy tsy azony atao mandritra ny fampianarana. Satria raha izay tokoa dia manao abus d'autorité izy. Ary mazava ho azy heviny manokana fa tsy hoe hevitry ny mathématicien rehetra.

Toa izany koa. i OMAR (ny pretra, ny eveka, ny Papa) dia manana zo hilaza ny fahitany ny toe-draharaha politika, sosialy, ekonomika ao Madagasikara (na firenena hafa). Saingy tsy fampianaram-pinoana izany (tsy ataony mandritra ny toriteny raha heviny manokana) ary tsy hevitry ny Katolika rehetra. Izany hoe tsy misolo tena ny Katolika izy rehefa miteny.

Tsy tokony hisakana azy tsy hanana hevitra mihitsy ny maha Eveka azy.

Fa matetika ny olona no manafangaro e. Ary contradictoire ihany ilay fisainana. Rehefa hitsikera mpitondra katolika tsy mieritreritra ny pouvoir-ny, tsy mieritreritra hoe ny Fiangonana no tsikeraina. Kanefa rehefa miteny indray ny mpitondra fiangonana dia lazaina fa amin'ny anaran'ny fiangonana.
6. rhaj0 ( 26/03/2015 12:37)
Ka nijoro @ maha-OMAR azy fotsiny izy io teo, sa @ maha-OMAR de Vatican azy, na mifangaro amina Conférence épiscopale malagasy na koa sahala @ lettre des Evêques de Madagascar ?

Ilay prof de math angaha rahefa manao politika dia mitondra ny sainan'ny syndicat-n'ny prof de math ohatra?


Koa na t@ ireny tany EKAR 2009 ireny, nijoro @ maha-olona, mihevitra manana ny zony hanao ny tiany atao, na dia TSY araka ny lalAna azany, nijoro @ anarany irery izy t@ ireny, sa notsofin'ny Vatican rano azany eee...

Sa moa i Vatican manafi-keloky ny pretrany foana, fa izany hoe mamely moramora ihany.. mety izany no tsy mety maha-Karidinaly an'i OMAR io.. (tombatombana ny ahy fa societe secrete tsinona ny anareo)

7. rhaj0 ( 26/03/2015 13:05)
Hery:
Tsy tokony hisakana azy tsy hanana hevitra mihitsy ny maha Eveka azy.

iverenako kely... ny fahitako manokana kosa aloha dia ny Eveka tsy azo(ko) ampitoviana @ Prof..

Ny an'ny Eveka dia miaro "finoana" ny fahefany. Ka rehefa "finoana" ny resaka, dia hainao ihany fa io "tsisy adi-hevitra" io. Izany no maha-kiana ny olona an'io "separation eglise-etat" io.

Ny ao Italia misy anao ve ry Hery mipentsapetsana koa ny Eveka rahefa nanao ny nataony i Berlusconi ? na koa rahefa voa ny mahantra @ politikan'izay gvt ao ? na koa rahefa misy scandale financier eny rehetra eny (oops.. scandale financier an'i Vatican ve hipetsapentsanany)..

8. hery ( 26/03/2015 13:13)
Tsisy adi-hevitra ahoana indray ary. Fa tsy ianareo ihany ve no miteny fa efa tsy manana pouvoir firy intsony ny Fiangonana sy ny finoana.

Eny. N'aiza n'aiza (hatraty Italie sns) dia manana ny heviny ny mpitondra fiangonana. Eny hatrao Vatican aza... fa tsy voatery ho fantatry ny tsy mila mahafantatra izany.

Amiko dia tsy olana mihitsy na i OMAR na i Pasitera Mailhol na i Dadarabe raha manakiana na manatsara ny fitondrana... rehefa tsy miteny izy hoe hevitry ny olona tarihiny izany. Malalaka tahaka ny olontsotra rehetra izy ny hiteny rehefa manaraka ny lalàna ifampifehezan'ny fiaraha-monina ny teniny (tsy manompa, tsy manao diffamation sns).

Raha ohatra indray izy ka miteny hoe "izahay katolika" kanefa tsy nifanarahana ny zavatra teneniny dia diso izy.


9. rhaj0 ( 26/03/2015 13:22)
Hery:
Tsisy adi-hevitra ahoana indray ary. Fa tsy ianareo ihany ve no miteny fa efa tsy manana pouvoir firy intsony ny Fiangonana sy ny finoana.

Manana pouvoir @ mpanaraka azy izy... ianao izany tena mihevitra fa rahefa miteny i OMAR, ka miresaka politika, dia tena tsy rahirahian'ny Katolika ao @ paroasiny na ny eveche-ny izay lazainy ao, satria hevitr'i OMAR manokana; indrindra moa raha manana hevitra politika mifanohitra @ ny an'i OMAR ilay katolika ao..
10. endriny ( 26/03/2015 14:57)
Hoy ilay namana iray izay tary ambadika tary: "Rehefa ny Malagasy no Tompon'ny vola miasa eto Madagasikara, dia ataovy teny Malagasy ny fampianarana"

Dia roritiko kely satria tato amin'ny finoana no niresahana an'io. Dia tsy gaga aho raha manao politika ny fiangonana satria azy Roma e...

Sady Tatandraza aza tsy voafehintsika ve maika fa i Odon Razanakolona... Lavitry ny afo ny kitay zalahy a...

Faly ery i Odon izao fa mitombo ny mahantra mandeha mipapapapa mamonjy fiangonana mitady vonjy... Izao feno foana ny fiangonana na maraina na atoandro na hariva...

Velona Jesosy, zalahy a... Vive Odon Razanakolona et ses disciples
11. Strong3 ( 27/03/2015 07:47)
« fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako? » (Estera 8:6)

ity vehivavy ity dia mpitazona ny fomban-drazany , mivavaka tsara ary tena mpino ... tonga vadin'i Mpanjaka nefa izy. izay Mpanjaka manjanaka ny firenena nihaviany

rehefa naheno anefa izy fa hoaringana ny fokom-pirenena nihaviany dia io TENY IO NO TONGA TAO ANDOHANY KA NOTANTERAHINY.
__ fandraisana andraikitra ny an'ny mpitondra fivavahana eto FFKM fa tsy fijabahana. malagasy ireo fa tsy vahiny. Nahoana rehefa ry SADC sy FRS no miditra eto ekenareo fa rehefa ny rà malagasy na fiangonana na sojabe na printsy na apanjaka no avadika zavatra hafa foana ny fomba fandraisana azy???
12. RBNIR ( 27/03/2015 08:51)
Faly misera namana,

Tsy fahaizan'ny kristianina ny soratra masina io dia betsaka no manaonao foana miditra amin'ny tsy tokony hidirana.....

Jesosy tsy nampianatra ny mpitondra fivavahana sy ny olona notarihiny hanao politika sy ny mitovitovy amin'izany....

Tamin'ny andron'i Jesosy dia azo lazaina fa IZY no mpitondra fivavahana (ohatra velona)...

« Ary Jesosy nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.» (Lio. 2:52)

Nandroso fitia tamin'ny olona i Jesosy....

Ary farany dia niakatra be mihitsy ny "popularité" an'i Jesosy ary ny olona dia efa nikasa ny hametraka Azy ho mpanjaka SAINGY TSY NANAIKY IZY...
« Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao. » (Jao;6:14)
« Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.. » (Jao;6:15)

Fa naninona moa Izy no tsy nanaiky?
Satria hoy Izy :
« Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jao.18:36)

Raha ny tena marina ny fanapahana rehetra sy ny fanjakana rehetra eto amin'izao tontolo izao dia efa natolotra an'i????????

« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)

Izany hoe taloha mbola tsy natolotra azy fa taty aorina no natolotra azy....

Mazava be io teny io, ka inona no hidiran'ny kristianina amin'izany resaka izany????
« Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. » (Lio.20:25)

Tsy fahafantarana no mahatonga izany e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana...





13. Strong3 ( 27/03/2015 08:57)
:-) __ tsy fahafantara?! asa aloha na iza ilay tsy mahafantatra...

Andeha ary atao hoe tsy misy titandandraharana eto amin'ny renena... inona no mety ho vokany raha samy ho midongy ho kristiana tsy handray raharaha daholo isika rehetra?

hoy ilay namana hendry izay : " raha samy hanao toa izany daholo isika rehetra?"

tsy tsaraoan'i namana RBNIR angaha fa mba nisy mpitantan-draharaha tao amin'ny apostolin'i Jeso?
14. RBNIR ( 27/03/2015 09:07)
Strong3:

:-) __ tsy fahafantara?! asa aloha na iza ilay tsy mahafantatra...

Andeha ary atao hoe tsy misy titandandraharana eto amin'ny renena... inona no mety ho vokany raha samy ho midongy ho kristiana tsy handray raharaha daholo isika rehetra?

hoy ilay namana hendry izay : " raha samy hanao toa izany daholo isika rehetra?"

tsy tsaraoan'i namana RBNIR angaha fa mba nisy mpitantan-draharaha tao amin'ny apostolin'i Jeso?

Ahoan-tsika inona moa izany problema izany namana???
Moa tsy ain'Andriamanitra va ny zavatra rehetra????

Raha tena mpanaradia Azy marina ianao dia raiso ity teny ity...

« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.  » (1 Jao.2:6)

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
15. RBNIR ( 27/03/2015 09:13)
P.S : nisy mpitondra fivavahana iray naminany ny ho mpitodra?????
Avy amin'Andriamanitra tokoa v ilay faminaniana????

Araka ireo voalaza ireo dia tena tsy mba avy Aminy izany ry namana....

Ary dia tena noporofoiny fa tsy avy taminy e :
« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. » (Deo.18:22)

IZAY REHETRA MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY REHETRA MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
16. Strong3 ( 27/03/2015 09:17)
raha ianao no teo amin'ny toeran'i Jodasy izany dia nanda tsy hitantana ny raharaha kelin'i Jeso enao? nefa izy no nanendry anao
17. RBNIR ( 27/03/2015 09:18)
Atsy aoriana kely atsy dia tena asehon'ny devoly fa tena izy marina tokoa no nametraka izay tiany apetraka eo....
VAKIO ATO

Amin'izay fotoana izay dia tena ho ampiasainy amin'izay tiany anaovana azy marina tokoa.....
18. Strong3 ( 27/03/2015 09:19)
ao amin'ny fiangonanareo izany tsy misy mpitantandraharaha koa fa dia i dadapasy Hery ihany no baikon'i Tompo ao de izay hitondrany azy ao sa hoe ahoana ....???




19. RBNIR ( 27/03/2015 09:20)

Strong3:

raha ianao no teo amin'ny toeran'i Jodasy izany dia nanda tsy hitantana ny raharaha kelin'i Jeso enao? nefa izy no nanendry anao

Jodasy iza aloha?
Ataoko angamba fa tsy misy olona maniriny ny toeran'i jodasy iskariota (raha izy no teneninao)....
20. RBNIR ( 27/03/2015 09:25)

Strong3:

ao amin'ny fiangonanareo izany tsy misy mpitantandraharaha koa fa dia i dadapasy Hery ihany no baikon'i Tompo ao de izay hitondrany azy ao sa hoe ahoana ....???

Aza afangaro fa politika sy ny mifanaraka aminny no resahina namana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1818