Marina ve fa Jesosy tia ny olona rehetra afa tsy:

1. endriny ( 17/03/2015 10:26)
afa tsy ny Jiosy, ny Arabo, ny Azianina, ny mainty, ny mpanala zaza, ny kaominista, ny maormona, ny lesbianina ary ny mpivady samy lehilahy... dia ny zaza tsy vita batisa?
2. rhaj0 ( 17/03/2015 10:33)
[size=8]be fitiavana kosany Izy e... ohatra t@ resaka tatsy.. menazy a troua.. :-)[/size]
3. fidinirina ( 17/03/2015 10:43)
Mbola diso koa ity hevitra ity, tia ny olona rehetra Jesosy, izany no nahatongavany teto. Tonga Izy hitady ny very sy hamonjy ny olombelona rehetra.
Marka 2 : 17
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota .

Jeremia 31:3
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.

Ho anao mihitsy no nahatongavany ry namana "endriny". Ny Andriamanitry ny Kristiana, satria FITIAVANA dia tia ny olona hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

Sady, zava-boariny ve r'se dia tsy ho tiany. Na ny zanakao aza mba maminao ihany (na vita batisa izy na tsia).
4. Strong3 ( 17/03/2015 11:09)
io indray ra menazy, dia gaga enw :-)

« [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony] » (Jaona 8:11)

« Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] » (Jaona 3:17)

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” Jaona 3:16

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” Jaona 15:13

IANAO ENJEHIN'NY ERITRERITRAO ANDRO AMANALINA IO satria avy nanao ratsy, i JC irery ihany no hanafaka anao amin'io ratsy nataonao io !
5. booboo ( 17/03/2015 11:32)
Aleo manao solomaso totoklera fa lava zany lista zany. Gli ny dadatoako iraika izay dia ouz lay nenitoako baibolista denz be zay : Aza mitomany fa tsika Kristiana tsy mitomany no sady tsy tian'i Jesosy zany. Voaopako an'eritreritra. Ndraindray ho'aho dontom-pinoana no betsaka...
6. hery ( 17/03/2015 11:53)
Ny fitiavana ve manana tsy fitiavana :-)
7. Strong3 ( 17/03/2015 11:58)
hihihih baibolista fa tsy mpinoista ve?
8. RBNIR ( 17/03/2015 12:05)
endriny:

afa tsy ny Jiosy, ny Arabo, ny Azianina, ny mainty, ny mpanala zaza, ny kaominista, ny maormona, ny lesbianina ary ny mpivady samy lehilahy... dia ny zaza tsy vita batisa?

Faly misera namana,

Tian'i Jesosy daholo ny olona rehetra tsy ankanavaka, na ny mpamono olona, na ny mpametaveta , na ny heverintsika fa efa tsy mba olona intsony fa efa lasa biby mihitsy aza....
Omeny andro hibebahana ny olona iray amin'izao fiainana izao, ka izay tafabebaka amin'ny fotoana izay hapetrany (miantso foana izy fa tsy reraka dia eo no mila manararaotra manantona aingana sao tratra aoriana) dia ho avotra na inona na inona vitany, izay tsy tafabebaka kosa dia ho very....
Mpitsara marina Izy : toy izao no fomba fitsarany :
« Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako* va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb. lalana] » (Ezek.18:25)
« Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. » (Ezek.18:26)
« Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny. » (Ezek.18:27)
« Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. » (Ezek.18:28)


Vakio tsara fa tsy tokony ho diso hevitra : ka hanao hoe izaho efa nanompo an'Andriamanitra elabe ka mba hiala sasatra amin'izay aho fa aleho ho an'ny hafa indray....

Ny ratsy fanahy koa tsy tokony ho kivy hoe efa nanota be aho,« Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. » (Isa.1:18)

Saingy izao no tsarovy.....rehefa mibebaka dia mibebaka hatramin'ny farany ary tsy miverin-dàlana intsony.....
« Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Mat.24:13)
« [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony] » (Jao.8:11)

Dia tsy tokony ho tara aoriana koa vao hibebaka fa rehefa maheno antso (toy izao anio izao) dia tamy aingana......« Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apok.2:21)
« Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. » (Apok.2:22)

Manome fetr'andro Izy (ianao no mahalala fa aza matoritory e!) rehefa tsy mibebaka ao anatin'iny fetr'andro iny dia afanenina Izy namana....

TENA TIAN-TSIKA JESOSY raiso ho toy ny antso vaovao indray izao hafatra izao....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
9. RBNIR ( 17/03/2015 12:49)
Ny Jiosy no tena tiany saingy tsy nandray Azy....Inona no fahadisoany amin'izany....efa nanao tahaka ny reniakoho izy ary NITOMANY MIHITSY AZA......
« Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jao.1:11)
« Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy. » (Rom.11:24)...Ny hazo oliva naniry ho azy dia ireo hafa firenena nampidirina taty aoriana (na koa hoe jentilisa) ireo tena hazo oliva kosa dia ny Jiosy...Hitanao amin'izany ny tena fitiavany azireo....Saingy nampalahelo fa dia tsy nandray Azy e....PS (toy ireo olona marobe hitoriana ny marina ankehitriny nefa manda mafy ery.....

« Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo! » (Mat.23:37)

Izay ilay ataoko hoe mila mihaino sy mamaly ilay antso isika fa tsy variana manara-drenirano ny olona marobe any e. Rehefa mibebaka ianao dia efa fahazavana iray vaovao ho an'ny hafa indray iny aloha mitombo ihany ny JIRO hanazavana an'ity izao tontolo izao anaty aizina ity.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
10. rhaj0 ( 17/03/2015 12:53)
Samy manana ny tiany tenenina @ hoe "fitiavana", sy samy afaka mitono-tena ho "be fitiavana" daholo io kouh...

Mety ao ny "fitia rotsa-kazo", ny "fitia varavarana", ny "fitia-siligoma", ets... Samy afaka mihambo ho "be fitiavana" araka ireo daholo.. Fa dia samia mahita soa amin'azy ao.

Fa ny ahy izao ny fitiavana hitako hoe "tena lehibe" dia ny "fitia-tsisy-takalo": amour inconditionnel.

ka fanontaniana ny ahy: ny an'i Jesoa ve mba "fitia tsisy-takalo" ?

"kely finoana" @ izany aho: raha mbola "faty" sy "afo" no fara-teniNY dia resak'eh ny sisa.
11. fidinirina ( 17/03/2015 13:11)
rhaj0:
raha mbola "faty" sy "afo" no fara-teniNY dia resak'eh ny sisa.

Fa iza no miteny aminao fa izay no fara-teniny ?

2 Tesaloniana 2 : 16
Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ ny fahasoavana,

Romana 8 : 37
Kanefa amin’ izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ ilay tia antsika.

Andriamanitra tia ny olona rehetra, tsy niandry akory ny fitiavanao dia efa nanolotra ny zava-drehetra ho anao : famelan-keloka, finoana, famonjena, fiainana mandrakizay.
12. fidinirina ( 17/03/2015 13:18)
rhaj0:
raha mbola "faty"


Fa angaha ianao rhaj0 tsy ho faty?

Apokalypsy 14 : 13
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.

Ny maty @ tsy finoana (fanekena) tokoa no ho any @ afo.

Apokalypsy 21 : 8
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
13. gasy1zay ( 17/03/2015 13:37)

endriny:

afa tsy ny Jiosy, ny Arabo, ny Azianina, ny mainty, ny mpanala zaza, ny kaominista, ny maormona, ny lesbianina ary ny mpivady samy lehilahy... dia ny zaza tsy vita batisa?


Izy anie efa mitady anao e! Efa mampahafantatra anao ny fisiany izy @ ireo olona maro mijoro vavolombelona @ fisiany sy ny fitiavany eto @ forum fa saingy ianao no tsy tia na tsy te hanantona azy, ianao mahalala ny antony.
14. fidinirina ( 17/03/2015 13:47)

...tohiny
1 Jaona 4 : 8
Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.

1 Jaona 4 : 16
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Andriamanitra dia fitiavana izany hoe Andriamanitra = fitiavana

Efa toetran'Andriamanitra mihitsy ny FITIAVANA. Tiany avokoa ny olona rehetra, nohariny tsy hisy hitovy na iray aza.

[Vous êtes une creation unique de Dieu. Les empreintes digitales sont uniques et caractéristiques de chaque individu. Même les vrais jumeaux présentent des empreintes digitales différentes...]

Jean 3:16 Car Dieu a tant aimé le monde qu'il a donné son Fils unique, afin que quiconque croit en lui ne périsse point, mais qu'il ait la vie éternelle.
15. vahiny2004 ( 17/03/2015 13:59)

rhaj0:

Samy manana ny tiany tenenina @ hoe "fitiavana", sy samy afaka mitono-tena ho "be fitiavana" daholo io kouh...

Mety ao ny "fitia rotsa-kazo", ny "fitia varavarana", ny "fitia-siligoma", ets... Samy afaka mihambo ho "be fitiavana" araka ireo daholo.. Fa dia samia mahita soa amin'azy ao.

Fa ny ahy izao ny fitiavana hitako hoe "tena lehibe" dia ny "fitia-tsisy-takalo": amour inconditionnel.

ka fanontaniana ny ahy: ny an'i Jesoa ve mba "fitia tsisy-takalo" ?

"kely finoana" @ izany aho: raha mbola "faty" sy "afo" no fara-teniNY dia resak'eh ny sisa.


Oudry ! angaha fara-teny ilay izy ?
16. rhaj0 ( 17/03/2015 14:02)
rhaj0:
raha mbola "faty" sy "afo" no fara-teniNY dia resak'eh ny sisa.

fidinirina:
Fa iza no miteny aminao fa izay no fara-teniny ?

F'angaha tsy "afobe" no iafarany?

Amiko aloha n'inon'inona tambitamby sy angolagola-teny na izay kabary rehetra eo, rahefa hoe, @ farany dia "afobe", dia ... izay izany ny "fara-teny", fa dia resabe fotsiny ireo "tambitamby sy angolagola-teny sy izay kabary rehetra eo" :

... TSY "inconditionnel" ilay fitiavana....
17. rhaj0 ( 17/03/2015 14:10)
vahiny2004:
quiconque croit en lui ne périsse point

ka ireo mi-"perir" izany TSY tiany e...

Tsy azoko mihintsy hoe miziriziry nareo fa "tiany daholo" (manohitra an'i Endriny milaza fa tia Izy "afa-tsy"...). Nefa ianareo ihany no miteny avy eo fa misy tokoany no ataony mihinan'ny tsakaokany io, araka ny finoanareo azy ao..

ka "tiany daholo", sa "tiany afa-tsy" eee???
18. rhaj0 ( 17/03/2015 14:16)
tena sahala @ ireny publicitE misy sora-madinika ireny izy izany.. toa ny hoe:

"TiaNY daholo ny olb eto an-tany [size=4]afa-tsy ireo izay tsy manaraka ny teniny.. dia ny Jiosy, ny Arabo, ny Azianina, ny mainty, ny mpanala zaza, ny kaominista, ny maormona, ny lesbianina ary ny mpivady samy lehilahy... dia ny zaza tsy vita batisa[/size]
19. vahiny2004 ( 17/03/2015 16:06)

rhaj0:

vahiny2004:
quiconque croit en lui ne périsse point

ka ireo mi-"perir" izany TSY tiany e...

Tsy azoko mihintsy hoe miziriziry nareo fa "tiany daholo" (manohitra an'i Endriny milaza fa tia Izy "afa-tsy"...). Nefa ianareo ihany no miteny avy eo fa misy tokoany no ataony mihinan'ny tsakaokany io, araka ny finoanareo azy ao..

ka "tiany daholo", sa "tiany afa-tsy" eee???


Avy aiza no nivoahan'io quote vahiny2004 io ????
20. vahiny2004 ( 17/03/2015 16:35)
rhaj0:

Samy manana ny tiany tenenina @ hoe "fitiavana", sy samy afaka mitono-tena ho "be fitiavana" daholo io kouh...

Mety ao ny "fitia rotsa-kazo", ny "fitia varavarana", ny "fitia-siligoma", ets... Samy afaka mihambo ho "be fitiavana" araka ireo daholo.. Fa dia samia mahita soa amin'azy ao.

Fa ny ahy izao ny fitiavana hitako hoe "tena lehibe" dia ny "fitia-tsisy-takalo": amour inconditionnel.

ka fanontaniana ny ahy: ny an'i Jesoa ve mba "fitia tsisy-takalo" ?

"kely finoana" @ izany aho: raha mbola "faty" sy "afo" no fara-teniNY dia resak'eh ny sisa.


Ianao ve raha mampitandrina ny zanakao hoe aty lalàna fa aza mandeha atsy fa misy lavaka sy afo atsy dia manao fara-teny ?

Tsy fitiavana no itenenanao azy fa inona ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3307