Joba! "...Ny fanantenan'ny zanak'olombelona..." HATRAIZA NY FANANTENANA ETO ANTANY?

1. Strong3 ( 02/03/2015 11:15)
« Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. » (Joba 14:1)
« Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo] » (Joba 14:2)
« kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana*![Na: fitsaranao] » (Joba 14:3)
« Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza. » (Joba 14:4)
« Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana, » (Joba 14:5)
« Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany] » (Joba 14:6)
« Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony; » (Joba 14:7)
« Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony, » (Joba 14:8)
« Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena. » (Joba 14:9)
« Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy? » (Joba 14:10)
« Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra, » (Joba 14:11)
« Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony. » (Joba 14:12)
« Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola] » (Joba 14:13)
« Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako*.[Na: fiovako] » (Joba 14:14)
« Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao. » (Joba 14:15)
« Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao? » (Joba 14:16)
« Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko. » (Joba 14:17)
« Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany; » (Joba 14:18)
« Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona. » (Joba 14:19)
« Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy. » (Joba 14:20)
« Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany. » (Joba 14:21)
« Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny. » (Joba 14:22)
novalian'i Strong3 ny 03/03/2015 06:33
2. Strong3 ( 02/03/2015 11:22)
« [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny » (Joba 3:1)
« nanao hoe: » (Joba 3:2)
« Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! » (Joba 3:3)
« Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy; » (Joba 3:4)
« Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy] » (Joba 3:5)
« Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana; » (Joba 3:6)
« Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby; » (Joba 3:7)
« Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona; » (Joba 3:8)
« Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy, » (Joba 3:9)
« Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko. » (Joba 3:10)
« Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e? » (Joba 3:11)
« Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako? » (Joba 3:12)
« Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra, » (Joba 3:13)

METY HO VERY FANANTENANA LALINA NY OLONA eo amin'ny fahoriana mianjady aminy, ka tsy hitany intsony izay ho sarangotina... inona no vaha olana hoy ianao, raha ianao no teo ...
3. Strong3 ( 02/03/2015 11:49)
« Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro. » (Joba 9:11)
« Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao? » (Joba 9:12)
« Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha] » (Joba 9:13)
« Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy; » (Joba 9:14)
« Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko. » (Joba 9:15)
« Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy. » (Joba 9:16)
« Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana. » (Joba 9:17)
« Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy. » (Joba 9:18)
« Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko? » (Joba 9:19)
« Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy. » (Joba 9:20)
« Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona. » (Joba 9:21)
« [size=16] Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.  [/size] » (Joba 9:22)
4. Strong3 ( 02/03/2015 12:23)
« Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena! » (Joba 12:2)
« Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany? » (Joba 12:3)
« Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny. » (Joba 12:4)
« [size=16] Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany] [/size] » (Joba 12:5)
« Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny » (Joba 12:6)
« Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; » (Joba 12:7)
« Ary makà saina* amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika] » (Joba 12:8)
« Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala] » (Joba 12:9)
5. Strong3 ( 02/03/2015 12:34)
« Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota. » (Joba 16:11)
« Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny. » (Joba 16:12)
« Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana; » (Joba 16:16)
« Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako! » (Joba 16:18)
6. Strong3 ( 02/03/2015 12:56)
« Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana. » (Joba 17:1)
« Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho. » (Joba 17:2)
« Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako. » (Joba 17:6)
« Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra. » (Joba 17:7)
« Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra; » (Joba 17:11)
« Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. » (Joba 17:12)
« Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola] » (Joba 17:13)
« Ny fasana* no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana] » (Joba 17:14)
« [size=16] Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?  [/size] » (Joba 17:15)
« Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola] » (Joba 17:16)
7. endriny ( 02/03/2015 13:26)
Ny ahy angamba aleo hijanona eto « Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana* » (Joba 14:2)

Joba aza nahalala hoe tsara toy ny voninkazo ny miaina. Dia aleo mba hifaliana... fa tsy hoe lalalalala... radio fanambakana (aza fady hay moa fanambarana). Diso kely aho tamin'iny.

Dia arotsay leiretsy e
8. endriny ( 02/03/2015 16:16)
Ka na hivavaka sy andohalika in-1000 isan'andro aza ianao ry Strong3. Vao notoritoriana hono ianao dia efa fantatr'Atra ny toerana tokony asiana anao na any amin'ny AFOBE na any amin'ny paradisa.

Toa tsy misy ilana tantara lava izany fa reveo aloha ilay voninkazo e
9. Strong3 ( 03/03/2015 06:33)
« Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; » (1 Petera 1:24)
« [Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany. » (Mpitoriteny 11:9)

Mifalia sy miravoravoa fa tsy misy lalana mandrara izany sakaiza ah

« Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? » (Lioka 12:17)
« Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. » (Lioka 12:18)
« Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. » (Lioka 12:19)
« Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao? » (Lioka 12:20)
« Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra. » (Lioka 12:21)
« Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. » (Lioka 12:22)
« Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana. » (Lioka 12:23)

INONA MARINA IZAO NO FANANTENAN'I ENDRINY RAHAMPITSO??? hisy asa be dia hamokatra be de handray vola be sa hoe , hatory haka sasatra dia hilomano sy hitsangatsangana fa nahazo fialantsasatra ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2974