Fa iza avy tokoa no hanaraka ahy any amin'ny afo be e?

1. endriny ( 28/02/2015 08:22)
Ireo zazakely mbola tsy vita batisa aloha izany ka nindaosin'ny fahafatesana noho ny aretina mbola kely na ny fahasamponana dia efa hanaraka ahy any satria nandova ny fahotana tamin'ny fototra hono e...

Ireo tsy ao anaty isa aloha dia efa manaraha koa ana e...

Dia ireo tsy Israelita koa aloha dia tokony efa hiomana dia eny izao satria ity Atr'i Abrahama ity dia an'ny Israelita raha ny nolazain'ny baiboly e....

Dia ho lasa kitoza masiso aho izany... tsy dia maninona...
novalian'i Strong3 ny 09/03/2015 11:08
2. endriny ( 28/02/2015 08:25)
Resaky ny miandry rano midina ity eh... Mena be ohatry ny afo mantsy ilay rano... io izao raha mba solika a... aiza ary Jesosy hanova an'io ho solika...

I Strong3 sao mba ampy finoana tsara mba afaka manova an'io ho solika?
3. Fiffi ( 28/02/2015 18:39)
endriny:

Ireo zazakely mbola tsy vita batisa aloha izany ka nindaosin'ny fahafatesana noho ny aretina mbola kely na ny fahasamponana dia efa hanaraka ahy any satria nandova ny fahotana tamin'ny fototra hono e...




fa maninn kay miteniteny foana tahak'zao ?

.....fidin'ireny zazakely ireny nga no nahafaty azy ? ....

toujours aussi n'imp....

endriny:
I Strong3 sao mba ampy finoana tsara mba afaka manova an'io ho solika?



de lasa Jesoa tampoka teo koh i Strong hanova rano ho lasa solika....vraiment n'imp.....
4. endriny ( 02/03/2015 04:33)

Fiffi:

fa maninn kay miteniteny foana tahak'zao ?

.....fidin'ireny zazakely ireny nga no nahafaty azy ? ....

toujours aussi n'imp....


Izaho angaha moa niteny hoe fidiny azy ireny io na tsia. Fa somary tara ianao amin'ny adihevitra izany dia averina kely. Hoy I Sitlo: "HO an'ny Kristianina zaza vao teraka aza dia fa mpanota". Dia namely ny Kristianina namana hoe: "Ka mandova ny fahotana tamin'ny fotatra izy, nandova ny fahotana tamin'i Adama sy Eva". Dia novaliako hoe: "Fa dia tena Atra tsy manitosa mihintsy ve ity Atr'Israely ity e... fahotana efa tamin'ny andron'i Adama sy Eva no mbola anarahany anay hatramin'izao?"

Ka eto aho izany dia manaraka ilay finoana Kristianina dia tsy lasa any an-danitra ny zaza rano fa dia manaraka ahy any amin'ny afobe... Satria mandova ny fahotan'i Adama sy Eva...

Dia inona koa no tokony hafarako aloha e (Importena)?

Fiffi:

de lasa Jesoa tampoka teo koh i Strong hanova rano ho lasa solika....vraiment n'imp.....


Ka raha manam-pinoana ny olona hoy I Jesosy dia tokony ahafindra tendrombohitra koa.. zara aza aho tsy niteny hoe: "Raha manam-pinoana izao I Strong3 dia voatatitra mankany Bekily ireto rano ireto"

Inona indray izao no tsaratsara noho ilay vraiment n'imp.....?
5. Strong3 ( 02/03/2015 07:28)
viraima n'importa kwa!
ny fahagagana dia tsy natao hoan'izay mitady fa natao hoan'izay mangetaheta...
isé izao tsy mangetaheta fa mitsapatsapa...

fa inona tokoa moa no ataon'isé io raha eo ampahafatesana no manomboka mahita ny afobe?
__ izy ity aloha tsy haiko na finoanoampoana na fifandrifiana, fa nisy olona maty tany Lazaina; rehefa hofaty rafotsy be dia maty aloha ny ilany, avy eo dia velona indray ka ny ilany indray no maty (izany hoe mangatsika sy mihinjitra be)
nanomboka teo dia mivoaka ny fofona efa atao hoe fofo-paty... lasa saina ny fianakaviany; farany dia nisy zoki-olona nilaza hoe : na io toloranareo fanoto na misy mandray ny tanany...
(amin'io ilay rafotsy be manipinipy tanana tsy hay hoe ahoana.) __ rehefa nisaina elabe teo ny fianakaviany dia narahina ny tenin'ilay zoky olona ka ny fanoto no notorana ilay rafotsy be; teo dia nihafatrafatra hoe: "May aho eh... vonjeo eh ... "; tsy ela an'izay dia maty izy.

io aloha dia tsy hay hoe ahoana , betsaka ny kihonohono . fa tsy afaka ny hisy hilaza hoe : inona no nitranga marina.
Tsy izany koa no hilazana hoe misy tokoa ny afobe sa tsia.
Tany russia; nangady lavaka ny mpitrandraka petrol. rehefa nihalalina izany dia nanomboka ilay martô be amin'ny taonina ireny no nanohizana ny asa.
Tampoka teo anefa rehefa nifanesy nilatsaka ny martô dia hitsorôpaka tsy nisy farany nandona intsony ilay izy (martô io)
teo dia nisy feo niorakoraka nampitahotra niala avy tany andavaka tany ary nisy setroka tao mainty miendrika matoataom-bazahy (casper) ireny no nanaloka ny toerana teo , moa io toa matoatoa io nanao feo mierona nampitahotra.
rehefa izany dia niverina nanantona ny olona nitsoaka noho ny tahotra ity tranga ity , ka naheno feo minaonao be avy ao ambany ao (anaty lavaka ao); farany dia nisy nanana hevitra hihaino izay tena feo marina ao ambany ao.
Nandefasana micro tany amin'ny lalina; ka indro fa feon'olona miantsoantso vonjy maro no heno sy reny , ary mitoreo sy midradradradra mafy tsy misy toa izany: hoe : may izahay , vonjeo sns...
io tranga io no nampitombo ny kristiana tany russia tamin'ny taona 1990 tany hoany .
andeha atao hoe : tsy izay koa no ilazana fa marina ny baiboly sy misy tokoa izany afobe izany..
fa ny dahalo eto mada dia maro no lasa kristiana, inona no antony? rehefa maty tamin'ny asany ny sasany dia nahita fahitana , dia ny afobe sy ny paradisa.. teo dia niaiky sy nivavaka izy fa hoe naverin'Atra tety antany hanohy ny fibebahany sy hampibebaka ny olombelona izay tratrany antso rehetra...
__ Mety mba hiombon-kevitra amin'i rhaj0 ihany za hoe : INONA TOKOA MOA NO INTERET-AN'ATRA handefa ny olona any...? fa maniny raha toa ka foanana tsy hisy fotsiny ireo mpaniratsira sy ireo tsy manao ny sitrapony dia samy vita? hihihi...
fa henjana koa ange ny baiboly eh, mamandrika olona, hoe rehefa maheno dia adinina amin'izany raha toa ka tsy nandray sy nino nefa naheno!
voatery hino izany ny olona vao maharé ny fitoriana sy ny vakiteny ao amin'ny baiboly.

i endriny izao dia tena mahay baiboly mihitsy , ary mamaky sy mahatadidy izay voasoratra ao, azo eritreretina fa irony vita batisa sy mpandray mihitsy tamin'ny fotoan'andro... fa rehefa tsy nahita izay nahasoa sy nafinaritra tao ampiangonana tao dia niala , moa ny fitadiavana koa mandreraka dia ny alahady ihany no mba afaka maka aina.
Ka farany dia tonga nanita-tsaina hoe : andeha izaho tsy hino ity baiboly ity intsony...
ka tonga manohitra mafy dia mafy.
Fa rehefa hitan'i endriny ny fanafody fanafoanana ny tahotra sy horohoro amin'ny filazan'ny baiboly dia mba zarao aminay fa mety hiroboka ihany ny mpivavaka mihambahamba toa ny sasany mpanaradrenirano hihihi...

6. Fiffi ( 02/03/2015 09:22)
....Non car ce n'est pas le baptême qui sauve.....

...... Jésus s'est fait baptiser à 30 ans....

......La Bible enseigne également que les morts sont inconscients (Ecclésiaste 9:5, 10).
Les parents peuvent donc trouver du réconfort dans la promesse de Jésus selon laquelle “l’heure vient où tous ceux qui sont dans les tombeaux commémoratifs entendront sa voix et sortiront” pour vivre dans le Paradis rétabli (Jean 5:28, 29; Luc 23:43)......

1/ Dieu ferme les yeux sur les temps d'ignorance. Actes 17:30 - Un enfant ignore le bien et le mal, il ne peut être condamné.

2/ Dans la Bible nous ne trouvons aucun baptême d'enfant. La personne doit être enseignée selon la Bible. C'est seulement lorsqu'elle aura acquis la connaissance exacte qu'elle s'engagera ou non à servir Dieu. Jésus s'est fait baptiser à 30 ans. Alors du ciel Dieu a dit : "Tu es mon Fils le bien aimé, je t'ai agréé." Dieu agréait cette façon de faire.

3/ Enfer vient du mot latin 'infernus' qui signifie 'ce qui se trouve en bas'. Ce mot désigne la tombe. Il est parfois confondu avec 'le lac de feu' qui ne désigne pas non plus un lieu de tourment mais 'la seconde mort' voir Apocalypse 21:8 et 20:14

4/ Tous nous péchons à cause de notre imperfection héritée d'Adam. Le salaire que paie le péché c'est la mort, de sorte que celui qui est mort est acquitté. Romains 5:12, 6:7 et 23 - La mort est le contraire de la vie : "Tu es poussière et tu retourneras à la poussière." Genèse 3:19

5/ Il y aura une résurrection des justes, des injustes, de tous ceux qui sont dans les tombes. Jean 5:28, Actes 24:15

Conclusion : Un bébé qui décède retourne à la poussière, il est inconscient. Le moment venu Dieu lui redonnera la vie dans le paradis terrestre. Il grandira et apprendra à connaître les voies de Dieu. S'il accepte il vivra éternellement heureux ; s'il veut faire le mal il sera détruit, comme on jette quelque chose que l'on ne veut plus dans le feu pour la détruire.
Dieu est Juste et il nous aime. Il fera tout pour que nous soyons un jour heureux. Son Fils, notre Sauveur Jésus-Christ est mort pour que la résurrection soit possible, alors ne doutons pas qu'elle aura lieu.
7. Fiffi ( 02/03/2015 09:27)
Notre Seigneur est miséricordieux, et un enfant n'a pas sa place en enfer... même si pour ma part l'enfer, c'est le moment présent et que de ce fait, malgré tout la tristesse que puissent ressentir ses parents, ce petit ange est certainement plus heureux là ou il est.
8. Strong3 ( 02/03/2015 11:08)
mety tsara ka!!! (y) ... :-)
9. rhaj0 ( 02/03/2015 11:32)
Fiffi:
ce petit ange est certainement plus heureux là ou il est.

Izay ilay hainareo tsara ka... Ilay finoana ampiasaina "hiononana"..

raha mba ampiasaina ilay finoana hakana hery(-ntsaina) hiasana ... mba tsy nandany andro nanao incantatio isak'alahady tao fa ny prevention no no-planifier-na sy natao mialoha..

Io ho'a tandremo ihany sao dia voa toa an'ilay congregation katolika tatsy Japan, ka hoe avotry ny tsunami, dia ... tsy ny tokony natao indray no natao, fa nilaozana niakatra tamina havoana kely hoe hidera sy hankalaza, fa dia nipaosin'ny vague #2-na tsunami tao ...
10. Strong3 ( 02/03/2015 11:41)
hihih ... fampionona hono

tsy manana olona be heritsaina toa ny kristiana ianao ka...
ary ny heripony hitety vaza-tany hilaza izany Asa 17:3

fa tsy ratsy aloha ilay hoe hakana heritsaina haiasana... io no filazanao hoe : izay ilay mahasoa ny kristiana. ao amin'ny finoany ao dia io no asa lehibe ka mampahery azy ,hifoha maraina sy hali-pandry ; hiasa ho an'Atra fa tsy ho an'ny tenany ihany.
miasa ho an'Atra izy mba ahasoa ny hafa, fa tsy ho an'ny tenany ihany
11. endriny ( 02/03/2015 13:10)
Ry Andriamanitra o, tsy Andriamanitray ianao fa Andriamanitr'Israely..

Nahoana re ity olonay no avelanao hiady fo sy aringana any amin'ny afobe e. Dia tsy manotosa, tsy be fitiavana sady tsy be indrafo araka ny voalaza. Fa ny zaza rano aza arahinao alahelo tamin'ny fandikana nataon'ny Adama sy Eva 5.000 taona lasa izay.

Dia sahinao ve ny hanameloka ny taranaka noho ny nataon'ny teo aloha. Dia tsy hainao ve fa izahay olom-belona aza manana ny fomba sy fiteny hoe: "Ny heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka"

Fa dia ny anaranao no atao fampitahorana anay, ny anaranao no entina andringanana anay.

Fa iza loatra ireto olona nomenao ny hafatrao ireto...

Enga anie mba hamaly ahy ianao (Raha misy ianao ry Atr'Israely)
12. rhaj0 ( 02/03/2015 13:45)
Strong3:
ny heripony hitety vaza-tany

K'io anie no mahavaky vava an'i Endriny eo e... ny zaza rano ambany masony TSY asiany sira fa izao "vaza-tany" izao no andanian'ilay kristiana ny "heripony".

Nefa anie ilay "asa" be lazainy fa ataony eraky ny vazan-tany io, zavatra vitan'Izy irery, Izy ao ihany, fa ... ny maka-19 moa tsy maintsy ataon-dry Kristiana foana ao ihany ka dia...
13. gasy1zay ( 02/03/2015 20:36)
Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina

Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany,

Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka,

Voalohany, tsy misy milaza mintsy hoe izay tsy vita batisa dia lasa any @ afobe na "hohelohina",

Faharoa, izay nihaino na nanambarana ny tenin'Andriamanitra ka nandà izany no hotsarain'ny teny henony nefa nolaviny

Fahatelo Andriamanitra tsy hanome tsiny anao raha tsy mba afaka nisafidy ny hino na tsia ianao.

Farany, i Jesoa dia nibedy ny mpianany raha nanakana ny ankizy hanantona azy ireo ary ny nambarany dia hoe : ho an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra, koa dia aza manao hoe raha maty aho matesa rahavana na hoe raha hoa any @ afobe ahy dia makanesa any rankizy fa tena diso be
14. rhaj0 ( 02/03/2015 21:33)
hotry ny fahitako azy, afangaronao voraka ao ny interpretation manokana anao sy ny versets...
15. Strong3 ( 03/03/2015 07:11)

rhaj0:

Strong3:
ny heripony hitety vaza-tany

K'io anie no mahavaky vava an'i Endriny eo e... ny zaza rano ambany masony TSY asiany sira fa izao "vaza-tany" izao no andanian'ilay kristiana ny "heripony".

Nefa anie ilay "asa" be lazainy fa ataony eraky ny vazan-tany io, zavatra vitan'Izy irery, Izy ao ihany, fa ... ny maka-19 moa tsy maintsy ataon-dry Kristiana foana ao ihany ka dia...


kay izay nge ilay laziko anao ry rhaj0 hoe mba mamaky ny ao anatiny tanteraka aloha alhan'ny hanorena azy be fahatany eh!
efa tsy mamaly ny helokin'ny ray amin'ny zanaka itsony Atr'israely, efa nofohanana izany didy izany,
faharoa: tsy ny kristiana no maka 19 fa Atra no nomé baiko Mark 16:15

ny zavatra hay tsara no tokony toherina fa tsy tokony hanohitra be fahatany fa miteniteny foana... :-)
16. rhaj0 ( 03/03/2015 11:21)
tsisy nanohitra anao re teo e... Ianao ihany no manohitra ny ninoanao anjambany taloha (TT).. Izaho mampamoaka ny ataonao ao fotsiny.
17. endriny ( 03/03/2015 15:06)

Strong3:

efa tsy mamaly ny helokin'ny ray amin'ny zanaka itsony Atr'israely, efa nofohanana izany didy izany,
faharoa: tsy ny kristiana no maka 19 fa Atra no nomé baiko Mark 16:15


Hay ve... dia ahoana ihany e... vao tamin'ny herinandro ianareo no mitabataba ny fahotana tamin'ny fototra, ny heloka nataon'i Adama sy Eva izay lovaintsika. Dia anio tsy manana alahatra indray dia hoe: "tsy mamaly ny helokin'ny ray amin'ny zanaka itsony Atr'israely"

Ary I Strong3 ve mino fa ny Atr'Israely hanavotra Malagasy mainty ngizina aty Afrika?

Ka ny Kristianina angaha kosa maka 19 fa 20.5 mihintsy no alainy. Tsy maintsy maka tombony hiakarana any an-danitra...
18. Strong3 ( 04/03/2015 09:59)
ity endriny ity hoa dia mahatsikaiky mihitsy ka...

endriny:
Ary I Strong3 ve mino fa ny Atr'Israely hanavotra Malagasy mainty ngizina aty Afrika?
rasista beuh tssss...

[size=6] ao afrika ao dia misy manana saina toa anao ihany, toa hoe: nanangana jesosy maintsy hoditra hoe zareo ... [size=12] shutt !! :p [/size] , dia mba mivavaka any ny fiangonana manerana izao tontolo izao hihi [/size]

endriny:
Hay ve... dia ahoana ihany e... vao tamin'ny herinandro ianareo no mitabataba ny fahotana tamin'ny fototra, ny heloka nataon'i Adama sy Eva izay lovaintsika. Dia anio tsy manana alahatra indray dia hoe: "tsy mamaly ny helokin'ny ray amin'ny zanaka itsony Atr'israely"

... za ve niteny izany? __ raha izaho dia hoy izaho: "zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza..." io ilay lazaiko foana hoe : tsy ho lasitra iray daholo ny manana anarana iombonana


19. endriny ( 05/03/2015 04:45)

Strong3:

... za ve niteny izany? __ raha izaho dia hoy izaho: "zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza..." io ilay lazaiko foana hoe : tsy ho lasitra iray daholo ny manana anarana iombonana


Aza fady ary raha tsy ianao e... fa ilay Kristianina mitovy aminao...

Dia mitombo iray indray ny isa azoko ho any amin'ny afobe izany... Any izao tsy misy tondradrano mihintsy...
20. endriny ( 07/03/2015 04:49)
Any amin'ny afo be any izao sady tsy misy delestazy no tsy mila vola...

Izay izany vao azoko ny tena mahalasa ireny zaza rano ireny any amin'ny afo be:

1) Voaozona tamin'ny fahotana tamin'ny fototra
2) Tsy vita batisa na batemy
3) Tsy manam-bola hidirana any amin'ny lanitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1858