Ny niafaran'ireo virijiny adala 7 sy ireo virijiny hendry 7 any an-danitra ilay fiainantsihita

1. endriny ( 25/02/2015 04:36)
Rehefa vita ny fampakaram-bady dia voaroaka ireo vehivavy virjiny adala 7. Ary tena nampahonena fa tsy nisy lehilehy mba taitra tamin'ireo nandritry ny androm-piainany ka nijanona ho virjiny mandrakizay izy 7 vavy.

Ireo virjiny Hendry fito kosa dia nampandrosoina nanaovana lamako, noredonina mozika sy dihy mba ho hitan'ny be sy ny maro fa ireto ny virjiny hendry. NIsomaritaka ny mason'ny zatovo lahy sy ireo te hanana vadikely, nivanaka nila hiraraka ny rarakivin'ny sasany nahita ny hatsaran'ireto virjiny hendry 7. Nandritry ny fety ihany dia efa nisarin'ny lehilahy zoro, Ka tsy andriny ny andro maraina dia indreo izy fito vavy fa efa very ny nahavirjiny azy.

Rehefa tonga tany an-danitra dia gaga ny virjiny Hendry fito fa ireo adala fito no nomen'Atra ny seza fiandrianana teo an-kavia sy an-kavanana

Indrisy mantsy ry lanitra, tohanako ihany ianao tsy hianjera, fa ny tundra-drano aza ity efa manahirana... rahoviana aho vao ahavita lakana ohatran'i NOah
novalian'i Strong3 ny 17/03/2015 11:46
2. hery ( 25/02/2015 08:21)
... satria tsy ny maha virjiny (ara-nofo) no maha tonga any an-danitra.

Ny fo no mila atao virjiny izany hoe tsy voakasiky ny fahotana na voadio tamin'ny fahotana.

Fa iza hono ireto virjiny 14 be ireto?
3. rhaj0 ( 25/02/2015 11:16)
Aza atao hoe "virijiny be" k'lou, fa rahefa "be" no ampiasainao dia lasa hotry ny hoe "katavy" ny an-tsain'ny sasany (toa ahy), dia manjary hoe, rahefa virijiny (tsy mba misekisa mampiditra) ve dia lasa "katavy" :-)

Fa ahoana koa k'lou ilay "virjiny (..) voadio"-nao izany ry Hery a ? Possible ve ?? dia "nodiovina" t@ inona 'retany a ???
4. vahiny2004 ( 25/02/2015 13:22)
5 sa 7 ?
5. hery ( 25/02/2015 13:33)
:-)
Ka arakarak'ilay lazaina hoe virjiny eto ihany ka.

Resaka sexe ve no tiana lazaina eto? Dia raha resaka sexe dia resaka physique koa ve?

Sa plutot hoe resaka fahadiovana, fahadiovam-po? Dia raha resaka fahadiovam-po indray dia inona no antsoina hoe virjiny? Izay tsy naloto fo mihitsy sa izay naloto fo taloha fa niova fo lasa madio?

Mora takatra ihany kosa izany rhaj0 a
6. rhaj0 ( 25/02/2015 13:59)
Dia asa aloha e.. toa hotry ny ovaina ny famaritana ny teny (satria izay no mampetimety ny baolina)...

- virijiny = "qui n'a jamais eu"
- virijiny voadio = qui a eu ... mais .. magie magie pensee magique .. ca compte plus: maintenant, on est "qui n'a jamais eu"

??
7. endriny ( 25/02/2015 14:55)
Ilay hoe famaritana ny hoe virjiny:

Aleo aloha atomboka amin'ny fanontaniana hoe: "Inona ary izany no andraisantsika ny hoe Maria Virjiny raha toa ka tsy ilay hoe izy tsy voakasi-dehilahy no dikany?

Fa hatramin'izay dia ny hevitry ny teny hoe virjiny dia mbola madio tsy nandeha tamin'ny lehilahy na vehivavy raha olom-belona. Tsy resaka fo na fanahy izay fa ara-batana. Ary misy lanjany lehibe io maha virjiny io eo amin'ny Israelita sy ny Mohamedanina rehetra.

Tany aloha teo amin'ny fikambanan-drelijiosy dia notakiana teo amin'ireo nilatsaka ho masera io maha virjiny io. Saingy sarotra notanterahina ilay izy, ka voatery ny fikambanana sasany nihataka nitoka-monina mihintsy ka namorona ilay karmelita sy ireo karazana Maonasitera isan-karazany.

Fa raha izay angamba no notohizana dia angamba zara raha nisy ny masera, hany ka novaina ilay fijery sy ny famaritana ilay hoe virjiny lasa hoe madio fo sy fanahy

Dia ahoana indray anefa ny Menaka Oliva Virjiny? Ireny tsy manana fo sy fanahy... ihihiiihihih
8. rhaj0 ( 25/02/2015 18:36)
ok ok... ieee.. misaotra Endriny mi-inspirer fa kOpy aho... :-)

Ary ny virijiny dia "madio toa ny tsy nandia tany" [size=8](@ lhl na vhv)[/size]... ka raha "nandia tany" [size=8](@ lhl na vhv)[/size] ianao, ary dia "diovina", ary dia lasa hotry ny "madio TOA ny tsy nandia tany".

Ary izay ilay "virijiny voadio". Ary dia ilay dikan'ny "toa" no maha-samy hafa azy ;-)

Ary dia "toa" izany koa i Mpanota (ohatra i Strong3 sa moa i Gasy1zay mpandeha boite de nuit). Ary Virijiny tsy mpanota izy vao teraka, "madio toa ny tsy voakitiky [size=8]ny makorelina/daina/toaka...[/size]", fa tena nandeha boite de nuit izy, ary dia voakitiky[size=8] ny makorelina/daina/toaka[/size]. ary dia "nodiovina" izy. Ary dia lasa hotry ny "madio TOA ny tsy voakitiky[size=8] ny makorelina/daina/toaka..[/size]."

... ary dia yeah ... ary dia izay koa ilay afak'ota !!!!
9. rhaj0 ( 25/02/2015 18:43)
Sarotsa be izy izany.. fa izao indray kay..


"virijiny ... voadio" = virijiny izy taloha ary virijiny [size=4](fa voadio)[/size] izy izao
"mpanota ... afak'ota" = mpanota izy [size=4](taloha)[/size] fa tsy mpanota [size=4]intsony izy izao[/size]

[size=6](tsy haiko hoe, ohatra koa hoe i Tefigasy.. gasy izy taloha fa ... na hoe i Strong3.. Strong2 izy taloha fa ... :-)[/size]
10. Strong3 ( 26/02/2015 06:55)
Tsy ao anaty Baiboly ilay virijiny 7 hendry sy 7 adala momba ity lohahevitra ity ka aleo tsy miditra na dia misy manonona ny anaranay aza :p
11. rhaj0 ( 26/02/2015 13:28)
[size=8]hi hi hi... mitady hitsoaka ny dobo filomanosana i Strong3 fa sintominay hiditra foana eee... :-)[/size]

Ka nareo zany ry Hery mabamin-dry Strong3 na koa Gasy1zay afaka manomboka twitter manao koa hoe [size=15]#JeSuisVierge[/size]
12. 5Laody ( 26/02/2015 15:23)

Tsy koà izany Rhajo fa samy manana ny tonon-taona nahaterahany io.

#JeSuisCapricorne
#JeSuisSagittaire
#JesuisCharlie etsetra
13. Strong3 ( 27/02/2015 06:24)
hahaha ka jereo ny baiboly tsy tianao iny fa tsy misy vierzà 7 adala sy hendry izany ao eh! :p
Mila hay hoa ny zavatra toherana fa tsy ny tohanana ihany :-)
raha mahalala mpanao box malaza ianao dia mety mba mahalala ihany koa hoe : izy ireny tsy miakatra ringa raha tsy fantany ny olona hifanandrina aminy, hitany ny fomba fiadiny (teknikany) ... indrindra raha mba tena hifanakalo sy hifampizara ny soa sy ny tsara eto ve dia tsy hitrandraka aloha vao hifampisitona eto...
atao hoe teny diso tsy mba kabary iny lohahevitra iny, fa 5 ilay isa fa tsy 7
hevitra goavana sy lehibe no nentin'ny Hery, nefa tao raisinareo ho sangisangy indray ka dia aleoko mihitsy mitazana aloha , parabole io vierzà 5 adala sy hendry io...
ary io fanakarana hitan'i Hery io dia anisany mamaha ilay sari-teny nentin'i Jesosy hampitaina
__ je suis c q zésouihhhh :-)
14. endriny ( 27/02/2015 14:45)

vahiny2004:

5 sa 7 ?


5 angaha moa ilay izy. MIsaotra e
15. rhaj0 ( 27/02/2015 14:49)
Strong3:
__ je suis c q zésouihhhh :-)

Tsy mahasahy mijoro ho #JeSuisVierge i Strong3 ...
Fa dia naninona loatra ny azany :-)
16. endriny ( 27/02/2015 14:53)

Strong3:

atao hoe teny diso tsy mba kabary iny lohahevitra iny, fa 5 ilay isa fa tsy 7
hevitra goavana sy lehibe no nentin'ny Hery, nefa tao raisinareo ho sangisangy indray ka dia aleoko mihitsy mitazana aloha , parabole io vierzà 5 adala sy hendry io...
ary io fanakarana hitan'i Hery io dia anisany mamaha ilay sari-teny nentin'i Jesosy hampitaina
__ je suis c q zésouihhhh :-)


Ilay isa ve? Tsy maninona io aloha fa efa nahitsinareo

Fa raha ilay virjiny=sariteny araka I Hery, dia diso izay, satria tena izay mihintsy ny fomba fampakaram-bady teo amin'ny Israelita ary mbola be ny manaraka izany any amin'ny tany Arabika sy Io afovoany Antsinanana io. MIsy ireo vahivavy tanora virjiny atao mpisehatra lanonana amin'ny fanambadiana.. Nalain'ny Kristianina io fomba io dia novainy hoe "Fille d'honneur".

Saingy taty ariana efa vitsy ny virjiny eo amin'ny tanora kristianina (tandrefana) dia naleo mihintsy natao ankizikely ilay fille d'honneur sy garcon d'honneur.

Ilay izy ve rehefa tiantsika atao hoe sariteny dia hoe sariteny e...? Miala ilany fotsiny
17. sitlo ( 27/02/2015 16:49)
virijiny am-panahy
18. endriny ( 28/02/2015 07:38)
Ka raha ilay fanahy ange no virjiny dia tsy notsindriany mihintsy ny hoe Virjiny HENDRY sy ADALA e. Fa tkony nataony fotsiny hoe Virjiny sy ny mpanota ohatra...

Dia ireo virjiny ireo izao no miandry ireo olona mandova ny lanitra. Ary efa miandry eo amoron'ny farihy feno divay izy ireo...

Fa tsy nolazainy kosa aloha raha miboridana ry zareo eo na ahoana ny akanjony a... Fa aleo ianareo indray no maminavina ny ataony eo amoron'ny dobon-divay eo

Fa ny anay ranopotaka no eto akaiky eto aloha izao.
19. Strong3 ( 02/03/2015 08:50)

rhaj0:

Strong3:
__ je suis c q zésouihhhh :-)

Tsy mahasahy mijoro ho #JeSuisVierge i Strong3 ...
Fa dia naninona loatra ny azany :-)


hihi za r'ingahy ity manambady ka ho vierga ahoana ah!? hihihih
efa miray amin'i Jesosy isanandro isanandro ... fa amin'io fodiana io dia ilay tanana nampanantenaina anay vokantrin'ny faharetan'ny mariaginay
dia tsy maintsy ho latsaka indray izao ra boribory tia zava-betaveta hoe .... hahaha
20. endriny ( 02/03/2015 13:15)

Strong3:

hihi za r'ingahy ity manambady ka ho vierga ahoana ah!? hihihih

Fa angaha tsy sariteny indray ilay hoe vierga e? Fa ahoana aza ity miovaova ity

Strong3:

efa miray amin'i Jesosy isanandro isanandro ...

Jesosy ange ka lehilahy ry Strong3 e... sa koa efa niova ho....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6331