Misy olona mankahala ny siansa kanefa nianatra Teolojia ve?

1. endriny ( 24/02/2015 17:49)
Raha misy izany dia aleo soloina ny anaran'io taranja teolojia io
novalian'i Strong3 ny 09/03/2015 08:25
2. Tefigasy ( 25/02/2015 04:12)
endriny:

Raha misy izany dia aleo soloina ny anaran'io taranja teolojia io

Fa nisy angaha ilay izy sa mba ho hizarana hevitra fotsiny ?
Ny mifanohitra amin'izany no toa hitako mantsy : "misy ny olona mankahala teolojia satria nianatranatra siansa". Fa raha ny baiboly no asaina milaza izay ao anatiny dia izao no ambarany : Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy . .
Dia raha mazoto ianao dia vakio ny baiboly fa mbola hazavainy tsara ao ny tiany lazaina amin'ny hoe "miasa" sy "mitandrina" .
Nisy filozofa iray izay niteny hoe "Science sans conscience n'est que ruine de l'âme". Dia asaivo mandeha irery eo amin'ny tontolo misy azy ao anie ny siansa hahitanao ny fanondranany e! Tsy hoe rehefa mametraka ny siansa amin'ny toerana tokony hisy azy dia atao hoe mankahala. Samy manana ny ataony hoe mankahala koa angamba izany e! Tsy maninona rehefa izay no fandraisan'ny sasany azy fa ho an'ny olona mpandalina baiboly aloha dia io ambony io no nasaina natao : 'hitandrina' sy 'hiasa'
3. endriny ( 25/02/2015 04:19)
Ahoana moa no ankahalan'ny Siansa Teolojia e... sa ny dikan'ilay siansa hoe fahalalana tsotsotra mihintsy no sarotra amintsika. Ary ny Theolojia angaha moa tsy siansa e?
4. Strong3 ( 25/02/2015 06:41)
dia gaga ianao mahita jamba mamitantana toka-maso!!!
Notsoahin'i Platon sy aristote tao amin'ny filozofia ny téolojia satria manelingelina ny fikarohana métafizika ... ka ireo nampisaraka azy anotaniana hoe nga tsy siansa izany.

iza moa no tsy mahalala fa fahalala ny dikateny arabakiteny ny hoe siansa eh, fa ny fisarahana nisy tany aloha no nampizara azy ho lalana roa samy hafa.

ny tena hoe ady hevitra angamba hatreto dia hoe: miantehitra amin'ny métafizika ny athée izay tsy mijery ny tontolo tsy hitamaso. fa lasa avadika indray moa ilay resaka eto ... dia ny tena no menatra :p
5. endriny ( 25/02/2015 14:58)
NY matematika ange ry Strong ka Filozofia taloha e

Ny Teolojia dia siansa na fikarohana fahalala mikasika an'Atra, ratsana iray ao amin'ilay atao hoe Siansa momba ny fiaraha-monina.

Ary tsy voatery hoe ny Atr'Israely no ianara ao akory
6. Strong3 ( 26/02/2015 12:15)
mampianatra ahy ve ianao izany ? hihihihi
7. endriny ( 27/02/2015 14:54)
Izaho angaha mpampianatra, fa mpiserasera fotsiny aho
8. gasy1zay ( 27/02/2015 20:28)
Ny olona miditra @ sampana teolojia aloha ry endriny dia olona efa nandia fianarana ary tokony manana Bacc (na BEPC??? tsy haiko fa za tsy nianatra tany) fa tsy hoe olona tsy nianatra dia afaka miditra ka dia mazava hoazy olona nahita fianarana ve dia hankahala siansa nefa ny ankizy mianatra vao EPP dia efa mianatra fahalalana tsotsotra, kajy, jeografia sns sns rehefa CEG dia mivadika maths, physique chimie, sciences nat, sns sns

Raha ny tianao hiavina indray hoe mankahala siansa ny mpino dia lazaiko hoe i Lioka nanoratra ny filazantsaran'i Lioka sy ny Asan'ny Apostoly dia dokotera raha tsy fantatrao, ka dia olona mankahala siansa ve izany dokotera izany?
9. rhaj0 ( 27/02/2015 20:51)
Raha ny fahazoako azy, dia ny manao Siansa dia mifanipaka @ manao Finoana.

Raha manao Siansa ianao, dia tena (mahasahy) mi-remettre en question ets... Izany anefa tsy afaky ny ataonao @ Finoana.

Raha milaza-tena ianao fa "manao Teolojia", ary handeha hamadibadika ny Finoana izany ianao io, hoe teolojia dia etude ny relizio sy A.tra sy Finoana... dia ... ahoana ? Mahasahy @ ilay hoe "hi-remettre en question" ny Finoana ve ianao rahefa "mahita ny tsy fahita" ao ??

ka raha ny fahitako azy, ilay Teolojia dia TSY Siansa, fa etude hanamafisana sy hanamarinana ny Finoana fotsiny. Tant que TSY mi-remettre en question ilay Finoana fototra, dia manasola loha hoe mi-etudier-be izany hono ry Teolojista.. TSY mino aho hoe "objectif" (sahala @ manao Siansa) ry Teolojiana solaloha ireo.

ka raha ny fanontaniana hoe: olo mankahala Siansa no manao Teolojia ? Dia raha ny fahitako azy, dia tena possible ho izay indrindra ilay izy...

10. endriny ( 28/02/2015 07:33)
Tsy hijery LaRousse sy Robert aho... Ary izaho koa tsy dia nandia fianarana firy araka ny voalaza etsy ambony. Fa ny theologie araka ny mba haiko dia taranja iray mikasika an'Atra ary mikasika indrindra ny hoe ahoana no fahitan'ny olona izany Atra izany. Ahoana no namoronan'ny olona izany Atra izany.

Rahoviana ary amin'ny fotoana toa inona ny olona no lasa mpino an'Atra? Rehefa toa inona ny olona no mora saritina hino? Ahoana no fomba ampaharitra finoana iray? Inona no lanjan'ny finoana sy ny vokany eo amin'ny fiarahamonina....

Marina fa mila tantara koa ao. Saingy ilay fandrafetana ny paikady sosialy, toekarena ary fitantanana no tena lehibe ao. Dia ny statistika hijerena hoe aiza no be olona malemy finoana sy mora ahodina ho iray vala amintsika. Iza no firenena azo rebirebena idirantsika mora?

Dia amaranako azy fotsiny dia ny hoe: tsy tonga tonga ho azy ny hoe ny fitantanana, filozofia, ary ny toekarena no tena taranja ampianarina amin'ny oniversitiam-pinoana maro...
11. Strong3 ( 02/03/2015 10:41)

rhaj0:

Raha ny fahazoako azy, dia ny manao Siansa dia mifanipaka @ manao Finoana.

Raha manao Siansa ianao, dia tena (mahasahy) mi-remettre en question ets... Izany anefa tsy afaky ny ataonao @ Finoana.

Raha milaza-tena ianao fa "manao Teolojia", ary handeha hamadibadika ny Finoana izany ianao io, hoe teolojia dia etude ny relizio sy A.tra sy Finoana... dia ... ahoana ? Mahasahy @ ilay hoe "hi-remettre en question" ny Finoana ve ianao rahefa "mahita ny tsy fahita" ao ??

ka raha ny fahitako azy, ilay Teolojia dia TSY Siansa, fa etude hanamafisana sy hanamarinana ny Finoana fotsiny. Tant que TSY mi-remettre en question ilay Finoana fototra, dia manasola loha hoe mi-etudier-be izany hono ry Teolojista.. TSY mino aho hoe "objectif" (sahala @ manao Siansa) ry Teolojiana solaloha ireo.

ka raha ny fanontaniana hoe: olo mankahala Siansa no manao Teolojia ? Dia raha ny fahitako azy, dia tena possible ho izay indrindra ilay izy...

voalohany, ny teolojia dia fikarohana ny fisian'Atra,
faharoa ny fikarohana ny fisian'Atra dia midika ho tsy finoana, an'Atra... satria takarin'ny finoana Atra fa tsy fahitana mahaolona fotsiny ihany.
fahatelo;
rhaj0:
Raha milaza-tena ianao fa "manao Teolojia", ary handeha hamadibadika ny Finoana izany ianao io, hoe teolojia dia etude ny relizio sy A.tra sy Finoana... dia ... ahoana ? Mahasahy @ ilay hoe "hi-remettre en question" ny Finoana ve ianao rahefa "mahita ny tsy fahita" ao ??

__ efa nolazaiko foana fa tsy téoria fotsiny ny baiboly fa pratika no tena izy, eo amin'ny cas pratika no fanaovana remise en question izay hita fa toa tsy naorma ... ireo ady hevitra maro toa ny hoe mihinana kisoa ny sa tsy mihinana, mivavaka sabata sa alahady.. ireo dia hita any amin'ny cas pratika ... izany akory tsy midika hoe tsy ilaina ny téoria, tena ilaina ny téoriana ary hita taratra amin'izany fahaizana tao amin'ny Paoly, izay tena tafapetraka ara-pandaharan-teny tsara,
Ohatra iray amin'io remise en kestion io ny Asan'ny Apostoly 17
« Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo [size=18] ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia. [/size] » (Asan'ny Apostoly 17:11)
« Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa* nanan-kaja sy ny lehilahy. [*Gr. Grika] » (Asan'ny Apostoly 17:12)

tsy olona ihany no hametrahana io fanotaniana io fa na ny tenany manoka, na ny Atra ivavahany dia samy hametrahany io fisalasalana io , ka azahoana valiny mahafapo rehefa mangetaheta...
Ka diso sy toherina ny filazana fa tsy sahy manao izany ny finoana (ny mpino) , ny mpinofino foana sy ny mpanaradrenirano no minomino foana ka tsy mi-remettre en question ny zavatra ampinoana azy :p (fantatro fa tsy tianao io rhaj0 fa izay no fahamarinana)
12. rhaj0 ( 02/03/2015 14:16)
Ilay famaritana manokana an'i Strong3 k'lou, " teolojia dia fikarohana ny fisian'Atra", dia mila ahitsy kely indray. TSY reraka mihintsy i Strong3 mamoaka ny revireviny izy irery manokana eto, dia lazainy fa izay ny famaritana @ samy izay olona... fa TSY reraka koa aho, na koa i Ralarosy, fa dia hoe
theologie = Étude concernant la divinité et plus généralement la religion.
Dans un sens chrétien, étude portant sur Dieu et les choses divines à la lumière de la Révélation.

Fa izany eo ihany, fa rahefa ao anatin'ny theologie ao izany ho'a izany rizareo solaloha, dia rahefa nahita fa "tsy marina" (na tsy lojika) @ ilay "soratra masina", dia inona no nolazainy ?? mba ameo ohatra @ izany hoe e...

(manjary lasa belazao fotsiny ianao nefa tsy mahaseho ny seho akoriny)
13. gasy1zay ( 02/03/2015 18:06)
fa inona moa ilay olon'ny siansa resahin'i rhaj0? Tsy hoe betsaka ny siantista tsy mino an'Andriamanitra, indrindra any @ tany mandroso dia midika hoe izay siantifika dia tsy mpino, ny dokotera izao tena nisy niova fo nahita hoe marary tokony tsy ho sitrana narahiny maso sy notsaboiny nefa dia sitrana rehefa nanankina ny fiainany t@ Andriamanitra.( sa ny dokotera tsy ao anatin'ny siansa?)
14. rhaj0 ( 02/03/2015 18:45)
k'efa hoe 72% no TSY mino. Ataovy ny kajy fa dia 28% no mino. Dia hanontanio ireo mino ireo hoe, ahoana no ataony, ka hoe alahady mivavaka sy mino an'i Madame Eve, dia alatsinainy mitsikaroka ny @ Madame Lucy.

ka ahoana ny @ ilay fanontaniako etsy ambony:
rhaj0:
rahefa nahita fa "tsy marina" (na tsy lojika) @ ilay "soratra masina", dia inona no nolazainy (ireo teolojiana) ?? mba ameo ohatra @ izany hoe e...

(manjary lasa belazao fotsiny ianao (Strong3) nefa tsy mahaseho ny seho akoriny)
15. gasy1zay ( 03/03/2015 01:16)

Tsy marina na tsy lojika aona moa loll! Theologie = Andriamanitra ny étudiena fa tsy olombelona na siantista koa raha zavatra tsy vitan'ny siantista no lazainao fa tsy lojika sy tsy marina dia ieee tsy ho takatry ny sainao mintsy ny heriny sy ny fahalalany, inona moa ny mahazamahagaga azy raha vitan'olombelona ny manasaraka ranomasina mena, mampahiratra ny jamba, mampiteny ny moana, mampitsangana ny maty etc...

Io no mbola blocage hoan'ireo siantista mihevitra ny tenany ho tena tampo-pahaizana ka izay tsy takatry ny sainy sy tsy vitany dia lazainy fa tsy marina na tsy lojika, Andriamanitra tsy mitovy ny olombelona raha tsy izany tsy misy maha Andriamanitra azy.

16. Strong3 ( 03/03/2015 07:29)

rhaj0:

Ilay famaritana manokana an'i Strong3 k'lou, " teolojia dia fikarohana ny fisian'Atra", dia mila ahitsy kely indray. TSY reraka mihintsy i Strong3 mamoaka ny revireviny izy irery manokana eto, dia lazainy fa izay ny famaritana @ samy izay olona... fa TSY reraka koa aho, na koa i Ralarosy, fa dia hoe
theologie = Étude concernant la divinité et plus généralement la religion.
Dans un sens chrétien, étude portant sur Dieu et les choses divines à la lumière de la Révélation.

Fa izany eo ihany, fa rahefa ao anatin'ny theologie ao izany ho'a izany rizareo solaloha, dia rahefa nahita fa "tsy marina" (na tsy lojika) @ ilay "soratra masina", dia inona no nolazainy ?? mba ameo ohatra @ izany hoe e...

(manjary lasa belazao fotsiny ianao nefa tsy mahaseho ny seho akoriny)

raha i ddabe larosy no namorona ny def ny fiainana rehetra moa ka maniinona, ka inona moa no mahadiso ny filazako hoe fikarohana ny fisian'Atra amin'ity larosinao ity? sa ilay A amin'ilay hoe andriamanitra no tsy zakanao dia mila soloina a kely mba hampety azy tsara vao mifanaraka amin'ny norme mety aminao? :p
hatreto ireo teolojianina dia mbola tsy nahita tsy marina tao aloha ka tsy hisy valiny izany.
fa raha tsy marina izy dia inona moa fa tsy samy hanao izay sai-patany isika rehetra , fa efa tsy misy boky haneritery ny feon'ny fieritreretantsika intsony (izay mety tena hampadihy helika anareo tsy mpino..)
17. rhaj0 ( 03/03/2015 13:30)
ampinoana ianao fa "marina" daholo ny ao dia mino tokoany.. dia hoana hozy ny intellect-nao ao @izany...
18. endriny ( 03/03/2015 15:21)
Raha tsy siansa ny Theologie dia tokony nesoriny teo ilay hoe Logie amin'izay izy Logique kokoa...
19. gasy1zay ( 03/03/2015 15:36)
Ny finoana tsy arahina asa dia tsy mitombo, matoa mitombo ny finoana dia nampiasaina teo @ fiainana ary nahitana vokany, io ilay hoe nivavaka t@ finoana dia nisy valiny, ny kristianina izany tsy hoe mivavaka mba hiandry ny ao aorinan'ny fahafatesana fotsiny fa dieny ety an-tany dia efa mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindram-pony.

Io ry rhaj0 dia tsotra, raiso ohatrany hoe nomena boky misy tsiambaratelon'ny zavatra iray ianao, ohatra hoe ahoana ny hahazoana harena be, misy ny mangetaheta ny mba hanankarena dia manandrana izay nolazain'ny boky ary misy ny tsy mino hoe mampanankarena tokoa raha manaraka ny voalazan'ny mpanoratra, izahay izao mahita hoe izay voalazan'ny baiboly ka nampiarinay t@ fiainanay dia tena nahomby tokoa ka izaho moa tsy manana fiangonana harovana na hoe mitaky fahafolonkarena any aminao fa rehefa tsy mety aminao ilay voalazan'ny baiboly, tsy mety aminao ny famonjen'i Jesoa Kristy dia vita ny adidiko nampahafantatra izay kely fantatro taminao.
20. endriny ( 03/03/2015 15:48)

gasy1zay:

Ny finoana tsy arahina asa dia tsy mitombo, matoa mitombo ny finoana dia nampiasaina teo @ fiainana ary nahitana vokany.

Tena marina io, hatramin'ny nanonganana an'Ingahy Ravalomanana izay saika hanitatra ny Fiangonana Protestanta, dia niroborobo be izay tsy izy ny Katolika taorian'ny hetsika fanohanany ny fanonganana (Finoana tsy arahin'asa tsy mitombo)

Fa ny an'i Ravalo hoe : "Aza matahotra, minoa fotsiny ihany"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3544