Mba fantatrareo moa hoe inona ilay trano fotsy be ao Malakialina Antanifotsy io ?

1. mpisotrtoaka ( 23/01/2015 08:05)
Fasana io sady toeram-pivavahana ! Misy olona milevina anaty fiara 4x4 ao dia hita amin'ny fitaratra !
2. AFOBE ( 28/01/2015 20:10)
Mba tantarao aloha ny momba anzan fa ôtrn mahalina a!
3. Strong3 ( 29/01/2015 09:05)
tsy misy tohiny ve ity resaka ity nefa de mahaliana saingy manondro mivantana dia miala resaka maripototra
4. mpisotrtoaka ( 30/01/2015 06:40)
Resaka marim-pototra io Strong3 a ! Ny fanadihadiana mbola sarotra be fa ny zavatra hitan'ny maso rehefa mandalo avy eny amin'ny arabe io nolazaiko io ! Tena nanadino ny naka sary aho nefa sitrany mba natao tohan-kevitra teto dia izay no hampahafantarako ny namana rehetra ! Afaka mandalo ze te ahita sy te hijery ka !
5. hery ( 11/02/2015 07:40)
Ary mba tsy misy mamaky izany fasana izany an. Nefa sady tonga d mahazo fiara no mahazo taolana tahaka ny mahazatra
6. hafahafa ( 11/02/2015 07:54)
tena misy mampataotra zany matoa tsy sahy ry zala ko
7. Strong3 ( 11/02/2015 08:45)

Raha sendra mandalo eny tanjombato ianao ka mahita ilay fiangonana navaozin'ny FJKM eo malaza; dia ahita fasana eo ambaniny
izany hoe : ilay fasana aloha vao ilay fiangonana raha hoan'ny andoharanofotsy ianao

ao anatin'io fasana io izany hoe: ao anaty vavahadin'io fasana io dia misy moto fotsifotsy mihidy ao.

rehefa mandeha ny resaka dia fantatra (fa manjavozavo) ny nahatonga azy io mipetraka ao anaty vavahadim-pasana ao; voalaza ary fa cadôan'ana tovolahy vao afaka bacc teo izy io.
Mampalahelo anefa fa raha nahazo izany izy dia tratrin'ny lozampifamohivoizana ny tovolahy ka dia namohy ny ainy. Noho izany dia nalevin'ny fianakaviany tao anaty fasana nisy azy koa ilay moto.(hita maso ety ivelany , ety amin'ny arabe io moto io)
__ ny loza dia izao ; tsy aritrin'ny jiolahy io moto io ka nangalariny tao hono...
rehefa tsy hita fotoana lavalava ilay moto dia gaga ny olona; kanjo afaka fotoana tsy nampoizina dia io fa nisy namerina teo ilay moto ...

mipetraka ny fanotanina; nahoana no naverin'ny mpagalatra teo ilay moto???
_ natahotra polisy ve ?
_ nisehoan'ny tompony ve ?
_ sa inona ... ???
8. nirinaWH ( 20/02/2015 11:06)
ito misy hitako tany ho any nisy nandefa mahakasika ilay lohahevitra:


FASANA io trano fotsifotsy avobe misy fitaratra io.
Toy izao ny pozin'ilay razana milevina ao : @ rihana ambany misy fitaratra be , dia misy 4x4 tsara be mipetraka ao, dia ilay razana (vehivavy) mipetraka eo @ devant an'ilay 4x4 eo, miakanjo tsara, tsy haiko hoe notsondromina inona aloha .Ilay 4x4 zany no cercueil, dia ilay razana tsy mifono, fa mipetraka. Za ry zareo tena tsy nino ny notantarain'olona, fa nahita aho vao nino . Raha mandalo eo ianareo ka avoavo ny fiara dia mijereva, ilay izy tsy azo idirana, misy gardien 24h/24 (mikarama lafobe ,hono ), fa ety @arabe no mijery .
Ilay razana tsy haiko hoe iza , ny fianakaviany koa tsy haiko hoe iza , fa toa hoe fianakaviana , malagasy, faran'izay manakarena eto madagasikara hono.
9. hafahafa ( 20/02/2015 11:40)
Rehefa nijerijery tany ambadika tany za dia nahita lohahevitra any lay trano fotsifotsy atao fivavahana ao antanifotsy io.
Ka so d io iany ity zavatra lazainy mpisotro toaka ity sa toerana2 samy hafa mitsy ve ny misy anireo,
10. mpisotrtoaka ( 22/06/2015 15:56)
Io mihitsy ka ! Lalana mankany Bira ! Ny maso mihitsy no nahita fa ts afaka naka sary moa ny tena ! Aiza ho aiza eo Tanjombato izany ry nirinaWH ?
11. Zanajavatra ( 24/09/2015 15:29)
Gasy manana orinasa BTP sy quincaillerie no tompon'io. Mba passion-ny hono io e. Ny manelingelina ny saiko dia ny jirobe arehitra eo mandritra ny alina, nefa ny manodidina mitankizina
12. mpisotrtoaka ( 30/09/2015 01:55)
Zanajavatra : Fa hoe taranak'Andriana hono ry zareo d nanao an'io ho fanampiana ireo tia vavaka ! Ny fanontaniako dia hoe : Ekena fa misy fasana eo ivelany ? Mba misy mahafantatra ve ny anton'ilay fasana an-trano misy milevina anaty fiara ?
13. zanajavatra ( 03/10/2015 18:51)
bold text
Hafahafa tokoa ilay toerana. Fa izahay manokana dia tsy nahita an'izany razana anaty fiara izany. Efa mahay mitahiry razana tsy hihintsana toy izany ve ny eto amintsika? Dia eken'ny fanjakana ve izany nefa rehefa mangataka permis de construire hanao fasana aza, misy contrôle be atao? Tsy azo asiana briques de verre ohatra ny fasana, ka dia ho azo apetraka anaty fiara taza-maso be ve ny razana? Ny valiny avy amin'ny zanajavatra : tsy nahita (sady tsy te hahita) zava-doza toy izany. Fa loza tokoa izany raha tena misy an
14. andrypa ( 22/10/2015 07:13)
Tena mahaliana daholo izany rehetra izany, fa ny tsara aloha dia ny tena mahita fa aleo ho any indray androa any. Fa tsara ka mba mifankahafantatra ny tsy fanatatra koa
15. napou ( 10/11/2015 06:31)
Ndao mba hiaraka ho any e! samy liana ihany koa hi3
andrypa:

Tena mahaliana daholo izany rehetra izany, fa ny tsara aloha dia ny tena mahita fa aleo ho any indray androa any. Fa tsara ka mba mifankahafantatra ny tsy fanatatra koa

16. ora ( 29/04/2016 07:21)
zanajavatra ---> io sary napetrakao io ve izany sa mba sary tianao hatao eo io? ohatran'ny tsy mahatazana 4x4 mants aho eo @ lay sary io an!

dia tsy nisy tohiny intsony lay momba ity loha hevitra ity nefa toa mahaliana lay izy, izaho manokana dia eto ary izao mihitsy vao naheno izany fasana any Antanifotsy izany.
17. vahiny2004 ( 29/04/2016 13:12)
Nahita sary maromaro momba an' io aho.

Ilay resaka hoe misy milevina ao voalaza t@ ilay sary, fa tsy voalaza hoe ao anaty 4x4 kosa

Fa ny resaka hafa dia toeram-pivavahana hono io dia misy hoe mifanasa tongotra rehefa mankao, dia avy eo miakatra any ambony fa any akaikin'i Jesosy na ny Tompo tsy haiko tsara

Sary t@ fotoana nanokanana io trano io, toa feno miaramila miambina koa izy io
18. zanajavatra ( 30/04/2016 08:12)
Ora : io ilay toerana. Anoroana anareo hoe io ilay izy raha mandalo eny ianareo. Raha nanana sary 4x4 aho dia nasehoko teto. Azo atao ny miakatra eny dia mijery sy manontany. Misy panneau lehibe mikasika an'io eo Andranobevava Antananarivo, fiandohan'ny lalana manasaraka ny marais Masay.
19. Mpiandry ( 29/05/2017 14:56)
Trano fivavahana io. Mahazo miditra ao izay te hiditra satria tsy manavaka anarampiangonana. Misy fasana ao, fa toa hoe fasandrazan'ny tompon'io tanàna io. Izahay dia isan'ny mpandalo ao mivavaka, rehefa manampotoana mandritra ny trajet Tanà - Antsirabe. Rehefa tonga ao ianao dia misy mpanompon'ANDRIAMANITRA mandray anao aho. Mitory teny fohifohy, mikasika ny fibebahana sy ny fanolorantena ho an'Andriamanitra. Avy eo ianao afaka miakatra amin'izay rihana tianao (misy rihana fito ao) mitokana ambavaka miaraka. Na ihany koa miditra ao anaty efitra antsoina hoe "Box" raha te hitokana samirery. Misy trano fivavahana azo anaovana fotoambavaka miaraka amina fiangonana na fikambanana masina koa ao ka azo ampiasana. Tamin'izahay nandalo farany tao dia eo ampanamboarana trano fandraisambahiny rizareo tompony. Azo hidirana soa amantsara izy io raha te hivavaka ianao. Misy mpiambina raheto ao azo anontaniana. Mikasika ilay fasana dia tsy fantatro, sady tsy dia tiako hidirana lalina satria heveriko fa raharahampianakavian'ny tompony.
Misy toerana fifanasana tongotra tokoa ao anatin'ilay chapelle ao. Io indray dia fanaon'ny Fifohazana satria isan'ny hafatra napetrak'i Jesoa Kristy izay nanasa ny tongotry ny Mpianany. Mariky ny fifamelankeloka sy ny fibebahana ary ny fanetretena ny fifanasana tongotra. Mirary soa ho antsika rehetra dia samy ho tahian'ny Tompo Jesoa.
20. Shafira ( 24/11/2020 19:56)
Ary tsy nasiana anarana ve ilay toerana??ohatry ny mahaliana ahy ilay izy an!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2119