Adihevitra Tsy mino an'Andriamanitra(Athé) Vs Kristianina (teny anglisy)

1. gasy1zay ( 23/01/2015 12:19)
Hoan'ireo namana havanana @ teny anglisy na mba te hiheno ny adihevitra eo @ mpino sy tsy mpino



novalian'i Strong3 ny 16/02/2015 11:38
2. rhaj0 ( 21/01/2015 17:52)
misaotra mizara.. fa tsy mahazo mijery youtube zaho ato am-piasana, fa raha misy resaka tsongoina avy tao avoaka eto dia favy...
3. gasy1zay ( 21/01/2015 18:17)
Somary lava ilay adihevitra fa raha maka fanontaniana nananosarotra ny mpandray anjara aho dia ireto :
hoan'ny Athé dia sarotra taminy namaly hoe :

- Raha kisendrasendra (tsy misy asan'Andriamanitra) ny fisian'ny fiainana sy ny zava-drehetra dia ahoana ny hanazavany ny big bang nianga avy t@ ny tsy misy.
- Porofo inona ny andrasany mba hinoany hoe misy Andriamanitra

Hoan'ilay kardinaly dia sarotra taminy ny namaly hoe :
- Fa maninona no avelan'Andriamanitra misy ny fijaliana eto ambonin'ny tany
- Fa maninona no raran'ny fiangonana ny fanambadiana L+L sy V+V

Ohatrany mampatsiahy ny dinika teto ihany :)
4. rhaj0 ( 21/01/2015 18:52)
Raha izaho no hanontanianao dia...
gasy1zay:
- Raha kisendrasendra (tsy misy asan'Andriamanitra) ny fisian'ny fiainana sy ny zava-drehetra dia ahoana ny hanazavany ny big bang nianga avy t@ ny tsy misy.

Ny fanazavana ny zava-misy dia asa mitohy (work in progress). Raha tsy voazava androany, dia mizotoa mifoha maraina miezaka ny hitady ny valiny rahampitso. Fa tsy izany akoriny no ahavery ny torimaso rahalina...

gasy1zay:
- Porofo inona ny andrasany mba hinoany hoe misy Andriamanitra

Sahala @ fanaporofoin'ny siantifika izay misy na nisy na hisy eto @ izao tontolo izao, dia
- facts, na koa, hevitra nosintomina avy t@ facts efa voaporofo ara-siantifika teo aloha
- miaraka @ famabahana mampiasa method siantifika
- afaka reproduiser independamment ny vokam-pikarohana

Fa raha ny hevitro manokana ihany, dia averiko indray, fa ny Siantifika TSY (mila) mitady ny hanaporofo ny hoe "misy A.tra". Ny mpino no mitady izany; nefa ho'a, ilay hoe "finoana" dia efa intrinsequement midika hoe "tsy-mila-porofo".

5. gasy1zay ( 21/01/2015 19:24)
Ka izay anie no tsy azoko @ lazainao rhaj0, lazainao fa "Objectif" ny fijerin'ny Athé nefa dia tsisy porofo tahaka ny an'ny mpino ihany, raha nahita porofo siantikika tsy azo lavina ny siantista fa tsy misy Andriamanitra dia manaiky aho hoe "objectif" na siantifika ny fijeriny.

Tsy misy mpino mangataka porofo ny fisian'Andriamanitra izany aloha raha ny fahalalako azy fa izy ary efa mino koa hitady porofo atao inona? Mety tsy mbola mino tsara izy raha izany :)
6. gasy1zay ( 21/01/2015 19:33)
Azafady fa omeko ny valiteny tokony navalin'i Kardinaly mikasika ireo fanontaniana nahasadaikatra azy :

- Fa maninona no avelan'Andriamanitra misy ny fijaliana eto ambonin'ny tany?

Misy ny fijaliana eto an-tany satria mbola maro ny olona tsy manankina ny fiainany amin'Andriamanitra, satria mbola maro ireo diso safidy, misafidy ny hanao ratsy (hamono olona , hangalatra, hijangajanga, sns...). Faharoa misy fahoriana eto an-tany satria tsy eto ilay toerana tsy misy fahoriana nampanantenain'ny Tompo hoan'ireo mino ka hovonjena :)

Fa maninona no raran'ny fiangonana ny fanambadiana L+L sy V+V?

Satria voalazan'ny baiboly mazava fa tsy hanana toerana ao @ fiainana mandrakizay ireo izay manao izany.
7. rhaj0 ( 21/01/2015 22:02)
gasy1zay:
Ka izay anie no tsy azoko @ lazainao rhaj0, lazainao fa "Objectif" ny fijerin'ny Athé nefa dia tsisy porofo tahaka ny an'ny mpino ihany, raha nahita porofo siantikika tsy azo lavina ny siantista fa tsy misy Andriamanitra dia manaiky aho hoe "objectif" na siantifika ny fijeriny.

TSY azoko hoe ahoana no "hanaporofoina fa TSY misy", araka ny filazanao, ny zavatra iray.

Ameo ohatra zavatra iray porofoina fa TSY misy hoe e... Ohatra hoe, tsisy lalao basikety rahariva satria ... porofo: avy ny orana ??? sa inona ny "porofo" tianao aroso fa "tsisy lalao basikety rahariva" ???


Sa indray atao "raisonnement par l'absurde" ??

Raha ny tanjonao, dia ny hanaporofoina fa hoe, "tsy misy A.tra", dia
=> mila aseho izany fa "absurde" ny hoe, "misy A.tra"


Afaka manao an'io isikana kah...

8. endriny ( 22/01/2015 08:51)

rhaj0:


Raha ny tanjonao, dia ny hanaporofoina fa hoe, "tsy misy A.tra", dia
=> mila aseho izany fa "absurde" ny hoe, "misy A.tra"


Afaka manao an'io isikana kah...




Saingy ity no olana tsy mbola nisy porofo ihany koa fa misy Atra, fa finoana fotsiny io ary tantara toy ny tantara angano ihany ny Atr''Israely... Tsy voaporofo fa nosoratana mba hampino ny olona fotsiny.
9. rouj ( 22/01/2015 09:08)
Mahagaga ihany ny tsy nanany vali-teny t@ izany @ maha cardinaly azy; tsotra ny valiny
- Fiainana tsy nisy fanahiana no teto t@ voalohany satria paradisa. Sangy rehefa tafiditra ny fahotana dia niditra niaraka t@ izany ny fahafatesana, fijaliana, sns... Ka tsy hoe navelan'Atra fa fotsiny t@ izao fa nanao planina izy ka tonga nofo mba hitady sy hamonjy ny very. Hoan'ireo olomboafidy dia hiveriana ao @ fiainana tsy misy fanahiana ka efa misantatra an'io sahady izy ireo na dia mbola izao fahavelona izao aza.
- Fandraran'ny fanambadian'ny mitovy sex indray dia ireo te hanaram-po @ filan'ny nofo no te-hanetsitadiny fotsiny fa lahy sy vavy no olona ara-bohajanahary miray ara-nofo. @ maha Kristianina dia fantatsika ny antony naharava an'i Sôdôma sy Gômôra.

gasy1zay:

Somary lava ilay adihevitra fa raha maka fanontaniana nananosarotra ny mpandray anjara aho dia ireto :
hoan'ny Athé dia sarotra taminy namaly hoe :

- Raha kisendrasendra (tsy misy asan'Andriamanitra) ny fisian'ny fiainana sy ny zava-drehetra dia ahoana ny hanazavany ny big bang nianga avy t@ ny tsy misy.
- Porofo inona ny andrasany mba hinoany hoe misy Andriamanitra

Hoan'ilay kardinaly dia sarotra taminy ny namaly hoe :
- Fa maninona no avelan'Andriamanitra misy ny fijaliana eto ambonin'ny tany
- Fa maninona no raran'ny fiangonana ny fanambadiana L+L sy V+V

Ohatrany mampatsiahy ny dinika teto ihany :)
10. endriny ( 22/01/2015 09:27)

rouj:

. @ maha Kristianina dia fantatsika ny antony naharava an'i Sôdôma sy Gômôra.


Fa aiza ao amin'ny tantaran'ny Sodoma sy Gomora tokoa moa no misy milaza fa ny homosexuel no antony nandoroan'Atra azy?
11. rhaj0 ( 22/01/2015 13:20)
gasy1zay:
- Fa maninona no avelan'Andriamanitra misy ny fijaliana eto ambonin'ny tany?
Misy ny fijaliana eto an-tany satria mbola maro ny olona tsy manankina ny fiainany amin'Andriamanitra

Raha "par l'absurde" izany dia hoe... ny olona manankina ny fiainany @ A.tra dia TSY mijaly... fa ho hoy nareo izao hoe, "ara-panahy" io fa TSY "ara-nofo/saina/vatana/fahasalamana/..."

Ekena mba tsy ifandirana.. ara-panahy, ao @ finoanao ao, izay du point de vue atheist, ao @ "imagination"-nao (samy irery na collective) ao, dia TSY mijaly ianao.... Mahasoava aminy ao azany kouh...

(ilay olona midaina koa rahefa mivaninika ao iny, dia TSY mijaly, ary mety ho sambatra be akoriny koa azany .. ao @ "imagination"-ny ao)
12. sitlo ( 22/01/2015 14:04)
Ny hoe misy Andriamanitra na hoe tsy misy Andriamanitra dia samy tsy misy porofo avokoa.

Ny mino fa misy Andriamanitra indray dia mbola eo koa ny hoe ahoana ny paoiziny, inona no tiany, inona ny nolazainy sns. Maro dia maro ny miseho malahala izany fa mbola tsy misy porofo na singany iray aza.
Misy any Inde amin'izao fotoana izao no milaza fa vatatenan'ny Andriamanitra anina. Ny kristianina indray milaza fa tamin'ny roa arivo taona lasa dia iny lehilahy iny i Andrimanitra.

Ka amiko, tsy maninona ahy izay inoan'ny olona na inoanao any. Fa ny tsy mety amiko dia ny olona hoe akaiky an'Andriamanitra kokoa ka noho izany dia tsara kokoa, na ambony kokoa, na manam-pahefana kokoa...
13. gasy1zay ( 22/01/2015 14:32)
ny fihevitry rhaj0 anie dia ohatrany hoe ny fijerin'ny siantista officialy = fijery athé nefa dia misy siantifika kristianina. Izaho tsy milaza hoe porofoy na tsia fa misy Andriamanitra satria izaho mahafantatra fa misy izy fa ny tiako tsiandriana dia io voalazan'ny namana hafa io hoe tsy misy porofo siantifika mintsy hoe misy na tsy misy Andriamanitra ka tsy tokony hilaza ny athé hoe "Andriamanitra tsy misy" no "fijery siantifika objectif satria araky ny filazan'i rhaj0 tany aloha dia ny siantifika raha tsy zavatra tsy misy porofo siantifika tsy ekeny ho marina.

Officiellement: ny scientifique maneratany dia mbola miady hevitra @ théorie 2: évolution (niforina ho azy izao tontolo izao) Vs création (nisy mpamorina =Andriamanitra)

ary averiko foana fa tsy misy olona efa mino mitady porofo momba ny fisian'Andriamanitra izany (araky ny filazan'ny rhaj0) satria olona mino = efa resy lahatra @ fisian'Andriamanitra.

i rhaj0 moa dia tsy hita ny tena heviny mazava fa indraindray izy milaza hoe ny mpino = tsy mila porofo indraindray lazainy fa mitady porofo ny mpino :) inona ny tena marina fa izaho aloha tsy mila porofo fa efa resy lahatra.
14. gasy1zay ( 22/01/2015 14:36)
rouj > tsy hoe tsy nahita avaly izy fa somary sahirana izy t@ namaly na plutôt hoe tsy voavaliny tsara ilay izy araka ny fahitan'ny mpijery azy .
15. sitlo ( 22/01/2015 14:50)
Ahoana koa ary iany hoe tsy manana porofo aho fa mahafantatra sy resy llahatra? Eo angamba no tian'i rhaj0 tenenina hoe mba objectif.

Ny valin'izany akory tsy hoe "ary ianao angaha objectif?"

Ataoko fa hakamoana kosa angamba ny an'ny mpino ny amin'ny hoe: tsy ilaina ny fikarohana ara-tsiatifika satria efa "inoany" fa misy.

Raha izany daholo dia tsy nisy nijery meteo angamba fa dia mbola nanatitra fanatitra hodorana ho an'Andriamanitra. Ny grika koa mantsy tena "nino" tokoa fa Andriamanitra no mitsoka ny rivotra.
16. gasy1zay ( 22/01/2015 15:22)

sitlo:

Ahoana koa ary iany hoe tsy manana porofo aho fa mahafantatra sy resy llahatra? Eo angamba no tian'i rhaj0 tenenina hoe mba objectif.

Ny valin'izany akory tsy hoe "ary ianao angaha objectif?"

Ataoko fa hakamoana kosa angamba ny an'ny mpino ny amin'ny hoe: tsy ilaina ny fikarohana ara-tsiatifika satria efa "inoany" fa misy.

Raha izany daholo dia tsy nisy nijery meteo angamba fa dia mbola nanatitra fanatitra hodorana ho an'Andriamanitra. Ny grika koa mantsy tena "nino" tokoa fa Andriamanitra no mitsoka ny rivotra.


Tsy manakana ny hafa hanao fikarohana ny tenako fa saingy tsy miandry izany aho vao hino satria misy tranga teo @ fiainako nahatsapako ny herin'Andriamanitra sy ny valimbavaka nataony, raha tsy mino an'Andriamanitra ianao dia mety hoy ianao hoe tssss kisendrasendra izany, raha niverina matetika ilay fahasoavana dia hilaza ndray ianao hoe tena tsara vintana ianao, raha tafita @ izay atao rehetra (rehefa nivavaka) dia hoy ny tsy mpino hoe ka izy mahay na hoe sendra nety ny nataony?

Objectif? subjectif? Imagination-ko? Tsy maninona izay filazan'ny hafa fa raha nivavaka aho t@ Andriamanitra ka azoko ny zavatra nangatahiko, tsy hoe indray mandeha na indroa fa tsy voaisako intsony izay efa azoko nandritry ny taona maro nanarahoko ny Tompo izay, dia amiko mamaly vavaka izy, koa raha mamaly vavaka izy dia misy izy izany. Tsy hoe mivavaka fotsiny aho mba hahazo ny fiainana mandrakizay fa efa izao ankehitriny izao aho dia efa mahatsiaro sambatra satria efa azoko izay nangatahiko.

Amiko tsy resaka hakamoana hoe mino fotsiny dia izay fa tena nandramako tokoa ay nizahako hoe tena mamaly vavaka ve io Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina io? ENY ny valiny, raha mamaly ny zavatra angatahiko aminy izy dia ampy ahy izay. Ny finoana tsy misy ifanerena fa saingy azoko tsara hoe tsy mino ny sasany satria mety tsy mba nahazo fahasoavana toy ny voaraiko fa kosa mba efa nangataka ve izy ireo? Efa nanandrana nivavaka ve mba hahita hoe tena mihaino vavaka tokoa ve Andriamanitra sa tsia?

Raha tsy mamaly vavaka Andriamanitra tsy mino aho hoe mbola ho @ milliard ny kristianina manerantany ary hoan'ny mpino dia io no maharesy lahatra azy @ fisian'Andriamanitra, ny valimbavaka.
17. vahiny2004 ( 22/01/2015 15:27)

Izay no fanontaniako : tsy maintsy porofo siantifika daholo ve no ilaina mba hanekena fa misy / marina ny zavatra iray ?

Inona no atao hoe " irrationnel " ?
18. rhaj0 ( 22/01/2015 15:32)
gasy1zay:
tsy tokony hilaza ny athé hoe "Andriamanitra tsy misy" no "fijery siantifika objectif ...

Ny Athee, sy koa ny Agnostic, dia samy manana ny filazany (sy izay eritreretiny). Raha ny fahitako azy, dia tsy misy "dogme"-be hoe arahin'ny Athee rehetra (izay "dogme-be tsisy-adi-hevitra" izay indrindra no tsy revy).. ka ny hilaza hoe "A.tra tsy misy", dia ohatra, ny Agnostic mampihantona ny resaka hoe, mety misy, mety tsy misy.

gasy1zay:
ny siantifika raha tsy zavatra tsy misy porofo siantifika tsy ekeny ho marina.

Manitatra par l'absurde ianao, raha ny fahitako azy. Ka dia ndao zohina ny contraire...

Ny "zavatra misy porofo siantifika no ekena ho marina". Ny zavatra tsisy porofo siantifika ... dia ho hita eo rahampitso.

gasy1zay:
Officiellement: ny scientifique maneratany dia mbola miady hevitra @ théorie 2: évolution (niforina ho azy izao tontolo izao) Vs création (nisy mpamorina =Andriamanitra)

Tsy haiko hoe aiza sy inona no reference "officiel" hitanao, ka hitomponao an'io. Ny Siantifika dia EFA manilika tanteraka ny "creationisme", na fara-faharatsiny ilay araky ny Baiboly. Zahavo ny site ofisialy, ohatra hoe ny NSF (http://www.nsf.gov/)

Ampitao hoe ny reference-nao.. dia ho hita eo raha "pseudo-science" no misavika ny "science" toa izany.


gasy1zay:
ary averiko foana fa tsy misy olona efa mino mitady porofo momba ny fisian'Andriamanitra izany (araky ny filazan'ny rhaj0) satria olona mino = efa resy lahatra @ fisian'Andriamanitra.

Ianao angambany no "manaiky-tsisy-adi-hevitra" izay inonanao ao... fa ny (mpino) hafa, satria roritin'ilay sain'olb tia karokaroka sy tsy manaiky ilay "tsisy-adi-hevitra", dia mangetaheta "porofo"...

sitlo:
Ataoko fa hakamoana kosa angamba ny an'ny mpino ny amin'ny hoe: tsy ilaina ny fikarohana ara-tsiatifika satria efa "inoany" fa misy.

TSY hakamoana no fahitako azy, fa "fahatahorana" ngo dia lasa mikitikitika ny ... tsy tiana ho kitikitihina... ekena tokoany fa mety ny hakanoana no voakitika :-)

19. rhaj0 ( 22/01/2015 16:00)
Marihiko kely fotsiny... Atheist sy Siantista dia TSY hoe dia iray..

http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists

Atheists among scientists
Personal disbelief (in personal God) : 72.2 % (1998)

Atheists in America
Date of birth 1977+ : 19 %

Atheists in Prison : 0.209 %
20. gasy1zay ( 22/01/2015 16:07)
rhaj0 > tena diso aho kay fa tena mbola théorie de l'évolution'i Darwin hono izao no mbola eken'ny siantifika e!

momba ilay mpino mitady porofo,raha mahita mpino ohatrizay ianao dia tsy maninona fa mba aza classena ao anatiny aho :) satria izaho hoy aho efa resy lahatra ny @ zavatra inoako, manaiky tsisy adihevitra ve ny fahitan'i rhaj0 ahy? fa inona izany ny resaka ataontsika eto? tsy efa nambarako ve ny antony inoako fa ohatrany tsy metimety aminao ilay izy satria tsy "siantifika" loatra na tsy "objectif" loatra :)

Ny afaka hazavaiko ana(reo)o dia izao : raha voaporofo siantifika araka io andrasana(reo)o io fa misy Andriamanitra dia tsy finoana intsony ny ilazana ny fanarahana azy satria raha zavatra efa hita sy tsy azo lavina dia sarotra ny handa azy ary olona adala ny mbola tsy hatahotra ny afobe ka tsy hibebaka raha izay no mitranga.

Ny andrasan'Andriamanitra amintsika dia ny hanatonantsika azy @ finoana sy fitiavana, fa tsy amin'ny tahotra ny ho very, raha izay dia niseho tamin' ny heriny Andriamanitra dia ho natahotra daoly izay nahita azy dia ho nivavaka taminy. Tsy izay ny sitrapon'Andriamanitra satria izy dia namela antsika olombelona safidy malalaka foana hatr@ voalohany ka hatr@ izao, hino ve ianao sa tsia, raha miseho amin'ny heriny sy ny voninahiny Andriamanitra amin'ny olona rehetra dia tsy afaka ny hisafidy intsony ny olona fa tsy maintsy voatery hino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2183