ANDROROSY

1. mpisotrtoaka ( 21/01/2015 05:38)
Inona marina ilay atao hoe ''Androrosy'' ?
novalian'i vazivazo ny 26/01/2016 11:21
2. 5laody ( 21/01/2015 17:26)

mpisotrtoaka:

Inona marina ilay atao hoe ''Androrosy'' ?


Mety ho hippie n fiheverako azy.
3. mpisotrtoaka ( 23/01/2015 08:25)
hahaha ! Elah ty lets d mahalatsaka miits ka !
4. sitlo ( 27/01/2015 09:37)
Hoe, nisy miaramila avy an'ady anakiroa efa ho faty tonga teo amin'ny tanàna iray. Dia teo amin'ny tani-mangahazo alohan'ny hidirana amin'ny tanàna dia ny iray tonga dia nangady mangahazo ho haniny manta. Dia ny iray nankao an-tanàna nangataka.
Ilay tao ivelany hitan'ny mpamboly avy any an-tsaha dia nolazainy fa mpangalatra dia novonoiny. Ilay faharoa indray noderain'ny olona fa miaramila mahery fo, dia sady nahazo fitsaboana, voninahitra ary sakafo tsara.
Dia nianiana hono izy fa ny taranany dia hangataka. Ka izay no nahatonga ny kolotsain'ny Androrosy. Olona tsy miasa, tsy manao inona fa mangataka aman'olona.

Misy tokoa ny olona mitanin'andro fotsiny, fa dia tsy haiko ny hoe iza no mamelona azy ireny. Nisy tanàna izay taminay mbola kely tamin'iny Ankorondrano iny dia tsy haiko fa dia isaky ny mandalo eo aho dia mifampisikotra hao fotsiny no hitako ataon'ilay olona. Mety tsy hitako angamba ny mandeha miasa, fa ilay mijanona eo amin'ny tanàna dia mahagaga ahy mihitsy.
5. mpisotrtoaka ( 28/01/2015 03:52)
Msaotra indrindra ry Sitlo a ! Izany mihitsy ilay fanazavana mba tadiaviko ! Homba anao anie ny Tompo ! Kony a ! Raha misy hafa anefa d raisiko hatrany fa fahalalana ankapobeny izany satria efa zary lasa kolotsaina le izy aty Dago !
6. booboo ( 29/01/2015 09:11)
(mpisotrtoaka > :-D :-D :-D. ary efa hiova fo koa ingahy atsy ho atsy, kony e ? :-D)
7. mpisotrtoaka ( 30/01/2015 06:31)
Ny foko ange ka madio ry booboo e ! Fa ny anarako no nataon'i dada sy neny an'io d ts hitako ze atao ! Tahaka ilay hoe Lovakely nefa le olona ar ngezabe ! Milay nareo namana e !
8. vazivazo ( 10/02/2015 07:04)
ianao no te hamorona io pseudo-nao io ka ny ray aman-dreninao no tonotononinao eto, sao d mbol mionda-tavoahangy ary dia tsy tadidy hatramin'ny nanome anarana, aza mapme an!
mpisotrtoaka:

Ny foko ange ka madio ry booboo e ! Fa ny anarako no nataon'i dada sy neny an'io d ts hitako ze atao ! Tahaka ilay hoe Lovakely nefa le olona ar ngezabe ! Milay nareo namana e !
9. mpisotrtoaka ( 25/01/2016 12:41)
Mbola ho azoko ity vazivazo ity fa ataovy ihany ho'aho
10. vazivazo ( 26/01/2016 11:21)
DIA HENJEHINAO AMIN'NY INONA HONO ITY IZAHO ?? BETAXE sa POSY2 ......hihihihi
sady eny aminareo betsaka mihitsy ireny an
mpisotrtoaka:

Mbola ho azoko ity vazivazo ity fa ataovy ihany ho'aho
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2573