Mba nanao mofomamy

1. hery ( 17/01/2015 19:00)
Misaotra anareo mpampiditra recettes eto fa mba nanao mofomamy koa aho na dia lehilahy aza :-)
Toa izao ny nanaovako azy: ny famarana nampiasaina dia vera plastika

1. Yaourt: 1 famarana
2. Atody roa
3. Lafarinina 3 famarana
4. Menaka 1 famarana
5. siramamy 1,5 famarana
6. Leviora 1 fonosana.

- Nafanaina 180° ny lafaoro
- Nafangaro ny Yaourt sy atody ary siramamy. Nafangaro ela be mandra-pifangarony tsara
- Narotsaka tao anatin'ny fangaro ny menaka sy lafarinina (narotsaka tsikelikely) ary ny leviora.
- Nafangaro tsara (nandreraka tanana)
- Natao tao anaty lasitra dia nampidirina tao anaty lafaoro.
- Najanona tao nandritra ny atsasakadiny.





novalian'i bazylou ny 09/02/2015 16:42
2. hery ( 17/01/2015 20:42)
Fanamarihana kely: Tsisy temps de pause an. Vao vita ny pate dia narotsaka tao anaty lasitra
3. Fiffi ( 18/01/2015 14:31)
clap clap hery....miammm

.....de nanandrana koh zah an ! de io ....








tena miammmm be le izy....

merci tam recette hery an ! clap ! clap !
4. hery ( 18/01/2015 22:44)
waow... mivoaka tsara koa
5. Fiffi ( 19/01/2015 13:28)
nivoaka tsara koh saingy tsy nipasaka tahaka ny anao...

ny siramamy nahenako ho 1 fotsiny

ny menaka nahenako hatsasany fa nivoaka tsara ihany....:)
6. 5laody ( 21/01/2015 17:47)

hery:

Tsisy temps de pause an


Aza atao hoe Mba Rahery fa tena tsara ny fahitako azy.
Ataovy tonga aty amiko io fa tsisy temps de pause koa fa tonga dia lany.
7. mpisotrtoaka ( 23/01/2015 06:36)
mampilendaka fotsiny koa tony ! miam miam tendan-kanina ze mijery kômariana
8. bazylou ( 09/02/2015 16:42)
eh biiin. loooooool
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2587