Aiza ny mpanao gazety malagasy?

1. hery ( 16/01/2015 15:56)
Mampalahelo ihany fa vitan'ny mpanao gazety malagasy ny miandry adin'ny folo anaty orana sy tanin'andro eny amin'ny CCI Ivato, miandry vaovaon'izy 5 mirahalahy prezidà taloha.
Fa vitsy ny tena mampita vaovao rehefa anaty fahamaizana tahaka ny rivodoza sns.

2. 5laody ( 17/01/2015 16:23)

Ndryyyy, samy manana ny mahamay azy tokoa, misy miandry olo-malaza sy mitsikilo ny fiainany (teny inona moa ilay hoe paparatsy?),
misy mandeha any amin'ny tany miady lasa takalon'aina. (Ny tsy azoko indraindray rehefa avy avotana avy any izy dia mbola te hiverina ihany).

3. mpisotrtoaka ( 23/01/2015 05:57)
Mis lafiny roa no mahatonga izay ! Ny voalohany dia baiko avy amin'ny deban'ny gazety na radio na tv hiasany no arahan'ny mpanao gazety sasany hoe ity aleha na iroa andehanana ! Ny faharoa dia izay ahazoany tombotsoa manokana (felaka) sy ny sisa no imatimatesana ! Noho izany ilay tena vaovao dia tsy mivoaka ho hitan'ny rehetra !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1012