Tsimberina

1. hafahafa ( 15/01/2015 10:59)
Miarahaba daholo ny namana isany e!
Iza no mba mahatadidy kely ny sandambola tany aloha tany e!
Otrinona no mba vola nomeny olona anareo taloha nefa nahafaly sy nahazahoana zavatra.
Misaotra antsika mandray anjara.
ohatra ny ahy zao tadidiko tsara nomeny lay tonton ahy zay 20Ar fa tena faly be za taminy zany e!
novalian'i ora ny 17/02/2015 07:01
2. booboo ( 15/01/2015 14:50)
2 Ar, t@ zaho T2 tadidiko tsara, nividianako voamadilo sy sira mavokely teny amoron-dalana.
3. hery ( 15/01/2015 15:18)
Izaho koa mbola nahazo 2Ar natao gouter tany ampianrana. Nividianana bonbon na mangahazo :-)

Dia taty aoriana nomena Ar 4 nijerevana cinema

Dia Ar 6 ny vidina mofo dipaina iray ohhh
4. vahiny2004 ( 15/01/2015 16:24)
Raha misy référence taona tena vao maika tsara :

- t@ 1978 tany ho any angamba izany mofo ariary 6 izany

- frais bus : Ar 2 t@ 1978 ihany koa
5. booboo ( 15/01/2015 17:32)
- t@ 1987 tany ho any na afara kelin'izay( tsy tadidiko tsara ), frais taxi-brousse supergôlety Tanà - Mahitsy : 100 Ar.
6. mpisotrtoaka ( 16/01/2015 06:34)
Ny ahy vola ariary 2 ! tam 1991 ! Namidika bômbô elo sy kakaoety teo ampitan'ny masera Ilanivato fa tao mantsy aho no nianatra fahiny ! Mbola ao ireo mpivarotra ireo hatramin'izao ! Ny tena nahafaly ahy tamin'io vola io d efa latsaka tao anaty dalle le izy d nitomany be aho dia nomen'i zokinay solony ! Rehefa azoko ny solony d nokafiriako indray ilay latsaka ary azoko ihany ! hihihihi ! Za kou fetsy !
7. hafahafa ( 16/01/2015 08:29)

mpisotrtoaka:

Ny ahy vola ariary 2 ! tam 1991 ! Namidika bômbô elo sy kakaoety teo ampitan'ny masera Ilanivato fa tao mantsy aho no nianatra fahiny ! Mbola ao ireo mpivarotra ireo hatramin'izao ! Ny tena nahafaly ahy tamin'io vola io d efa latsaka tao anaty dalle le izy d nitomany be aho dia nomen'i zokinay solony ! Rehefa azoko ny solony d nokafiriako indray ilay latsaka ary azoko ihany ! hihihihi ! Za kou fetsy !

Ho anay zaza taty aoriana io efa 20Ar io ary dia tena faly be tsis otranizany mitsiny nomeny le Tonton sendra izy mba nivahiny kely tao aminay fa taloha mbola tadidiko nahatratra mofogasy aminy le 6Ar.
Tena mahafinaritra le tantarany fahazazana e! ref misy vahiny de tena manao ze zavatra tiny mitsy aminizay izy mba manome gouter kely ref le hande iny.
8. mpisotrtoaka ( 26/01/2015 06:56)
Ny tao aminay indray rf mis vahiny d mividy jus sy biscuit opim bdb ny ao an-trano d misakafo eo ny vahiny sy ny lehibe fa ny ankizy asaina milalao fa ts mahazo ! d mody miditra tampoka ao an-trano d hoe miantso ahy angah i neny sady ny maso amzany any amle sakafo ihany
9. ora ( 17/02/2015 07:01)
matsiro be lay mofomangahazo novarotan'i Rozy tao @ CEG Ampefiloha, ariary 6 tamzany dia ny gouter nefa ariary roa foana dia ref mba te hihinana lay mofomangazo dia tehirizina tsara ilay gouter mandritra ny telo andro dia zay vao afaka mividy sy mahazo mofo anakiray, hi3
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0867