DREAM'IN

1. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 05:01)
Inona no andraikitry TV gasy eto Madagasikara raha ny tokony ho izy !? Mijery ilay fandaharana Eigyo iny aho dia entanina ny tanora sy ny zaza malagasy ho eny amin'ny alliance hianatra ny kolotsain'ny japoney ! Maro anefa no tsy mahalala ny kolotsaina misy eto Madagasikara na dia ny akanjo malabary fotsiny aza !
novalian'i den ny 25/04/2016 06:01
2. Nav ( 15/01/2015 15:22)

mpisotrtoaka:

Inona no andraikitry TV gasy eto Madagasikara raha ny tokony ho izy !? Mijery ilay fandaharana Eigyo iny aho dia entanina ny tanora sy ny zaza malagasy ho eny amin'ny alliance hianatra ny kolotsain'ny japoney ! Maro anefa no tsy mahalala ny kolotsaina misy eto Madagasikara na dia ny akanjo malabary fotsiny aza !

TV gasy=Fanjakana malagasy: tsy miraharaha izay an'ny Malagasy satria olona tsy mahafantatra ny "maha izy" azy dia ny "maha Malagasy" azy.
Inona io maha Malagasy io? Efa voalazanareo: kolotsaina, soatoavina, sns . . .
Rehefa tsy manao ny Malagasy (ny fanjakana) dia araraotin'ny hafa ny mampiditra ny azy. Hafetsen'ny frantsay ny mandefa zavatra hafa rehetra tsy fahitan'ny Malagasy fa ny tena tanjon'ny frantsay dia ny ampisehoany fa manana foibe ara-kolotsaina frantsay izy ary ampiasainy handemena ny kolotsaina malagasy (Fantaro fa maro ny Alliance française eto Mad, maro koa ny foibe radio RFI sy ireo Centre de Lecture et d'Activités Culturelles frantsay manerana ny tanàna lehibe eto Mad).
Ny ahy izao no ataoko dia manomana ny toe-tsain'ny Malagasy @ izay mikasika ny teny ary izany no ahitanareo ireny lahatsoratra arosoko eto @ Kianja Serasera na any @ facebook na any @ internet na ao @ Akademia Malagasy.
Maro no azo atao hanomanana ny ampitso fa tsy tokony ahakivy akory ny ataon'izao Fanjakana jamba sy kanosa izao.
3. mpisotrtoaka ( 16/01/2015 06:27)
Misaotra fa ampy tsara izany ! Dia tena gaga tokoa aho amin'ilay Cercle Franco-Malagasy etsy Anosy ! Nahoana no tsy mba misy Centre tonga d Malagasy tsotra izao tahaka ireo IFM sns ireo manerana an'i Madagasikara ! Mahaliana be ahy ny momba anao Nav ka tiako raha alaina namana manokana na eto na any am FB sn ny mail !
4. Nav ( 19/01/2015 18:06)

mpisotrtoaka:

Misaotra fa ampy tsara izany ! Dia tena gaga tokoa aho amin'ilay Cercle Franco-Malagasy etsy Anosy ! Nahoana no tsy mba misy Centre tonga d Malagasy tsotra izao tahaka ireo IFM sns ireo manerana an'i Madagasikara ! Mahaliana be ahy ny momba anao Nav ka tiako raha alaina namana manokana na eto na any am FB sn ny mail !

Misaotra anao. Izaho aloha mba mihesiketsika eto @ forum.Serasera (tsy dia manaraka isan'andro fa sahirana ihany fa mijerijery eo na isan-kerinandro aza . . .)°Any @ internet koa indraindray ary ao @ fb koa.
Ny tanjona moa dia ny hanaporofoana fa matanjaka ny teny malagasy rehefa asiana fanamboarana kely, tsy sarotra saingy kanosa angamba ny Malagasy ka tsy te hijery izay tena mahomby fa mijanona eo @ fahazarana mavesatra hatr@ 100 taona. Ny tena marina dia ny handresy lahatra ireo izay lazaina hoe manampahaizana malagasy no tanjona, manampahizana izay ahiahiako fa mpihatsara-velatsihy ny ankamaroany.
Inona no ilazako hoe: "mpihatsara-velatsihy" ireo izay milaza azy ho manampahaizana? Rehefa tsy hainy tsara ny teny malagasy dia tonga dia mivadika @ teny frantsay sy fisainana @ fomba frantsay ry zareo . . . ary dia hitanareo fa tsy miezaka mihitsy izy ireo @ izay hanampiana ny teny malagasy, ny fomba amam-panao sy soatoavina malagasy. Ny fanjakana no voalohany @ izany, izany hoe ireo izay nahazo fahefana avy @ vahoaka? (satria t@ fifidianana?) nefa tsy mahafantatra intsony ny mponina sy ny vahoaka malagasy . . .
Marihina ho anareo rehetra mamaky ity lahatsoratra ity fa teny malagasy moderna no entiko eto fa tsy hihanona fotsiny @ tantara tranainy sy poezia na kabary irery ihany akory.
5. mpisotrtoaka ( 26/01/2015 07:06)
marina daholo ireo ! Miezaha hatrany hanasoa sy hanatsara ny teninao !
6. mpisotrtoaka ( 17/06/2015 13:45)
Mba afaka mahazo ny mombamomba am fb ar ve aho ohatra ? misaotra indrindra eeeeeeeeee !
7. Nav ( 22/06/2015 11:21)
mpisotrtoaka:

Mba afaka mahazo ny mombamomba am fb ar ve aho ohatra ? misaotra indrindra eeeeeeeeee !

Tsy misy olana:na ao amin'ny fb na ao amin'ny internet dia mitondra ny anarako feno aho: Solonavalona Andriamihaja.
Azonao araraotina ny mijery ireo lahatsoratra sasany ao amin'ny fb na ao amin'ny internet momba ny teny malagasy:
- Fandefasana telefonna amin'ny teny malagasy
- Fomba fanisana malagasy narenina
- PROGRAMA JAVA: boky fianarana mandrafitra programa amin'ny fiteny Java, amin'ny teny malagasy tsotra sy mora nefa teny malagasy avo lenta, nosoratana ho an'ny teratany malagasy manomboka manao informatika
8. tojonjanahary ( 08/07/2015 06:56)
Dream'in lo ny TV tsy clé njinjany eto @tsika no ilay izy matimatikambo, mitomany mafy de mafy ho vazaha sy sinoa ry zareo . Aleoko lavitra de lavitra mjery "record"!
9. TenWords ( 30/09/2015 08:43)
Tsy nanana vinam-piaraha-monina mazava isika ka izany no mahatonga antsika miady sy mifanaritaka tahaka izao: Ny tiana holazaina dia rehefa misy ny tsy fahombiazana tahaka izao hitantsika izao dia mifanomE tsiny ny iray tanAna ...
hiverina amin'ny lohahevitra hoe:

Inona no andraikitry TV gasy eto Madagasikara raha ny tokony ho izy !? Mijery ilay fandaharana Eigyo iny aho dia entanina ny tanora sy ny zaza malagasy ho eny amin'ny alliance hianatra ny kolotsain'ny japoney ! Maro anefa no tsy mahalala ny kolotsaina misy eto Madagasikara na dia ny akanjo malabary fotsiny aza !

Ny andraikitry ny orinasan-tserasera rehetra misy eto Madagasikara dia ny "mampahafantatra vaovao. Manabe sy mitaiza, ary mampifandray, ka isan'ny fanabeazana ny fampahafantArana kolontsaina japoney ao amin'ny fandaharana Eigyo lazainao, fijery mikatona sy miiba ny manilika ny kolontsaina hafa kanefa na ny an'ny tena koa aza tsy fehezina, voararan'ny lalam-pisainana iraisam-pirEnena ny tahaka izany fa ny tokony horaisina dia ny mandray omban-tanjona izay aroso amin'ireny sehatra ireny, fijery miabo hatrAny no tokony hananantsika na dia tE hihoatra sy hisongadina amin'ny an'ny tena aza: tsarovy fa ny rA malagasy no maha-gasy anao satria tsy itovizanao amin'ny hafa izany
10. Nav ( 06/10/2015 06:32)
Tohin'ny adihevitra sy fifanakolazan-kevitra momba ny kolontsaina, soatoavina, teny malagasy teo aloha rehetra ireo.
Efa maro ny voalaza ary ombako manana daholo ny tokony hihetsehantsika malagasy hanatsara sy hampiely ny antsika (tsy mitsipaka amin'ny fisokafana amin'ny kolontsaina vahiny aho fa hamafiso aloha ny an'ny tena izay vao miditra mandray ny an'ny hafa).
Ireto ny ezaka nataoko azonareo ao amin'ny Kianja Serasera (tsy ity forum ity fa ilay Serasera.org raha tsy diso aho: anontanio ).
Ao amin'io kianja io no mandeha izao ny andiana lahatsoratro "Ny Abidia malagasy (1), (2) sy (3): jereo dia valio aza fady.
Misaotra anareo rehetra
11. den ( 25/04/2016 06:01)
manao ahoana daol zay lay nolazaik hoe mila hajaina ny maha malagasy ny malagasy ny fitenindrazan @ maha malagasy ! mis manko ireo ankiz ten tsy mahay ny teny malagasy akory ny gfomb amam panao malagasy sns rehetr e! satri a matin y fiten vahin rehetr izao , ny fihavanana nyf fifanajana sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3066