Sabata

61. RBNIR ( 25/01/2015 13:07)
Faly misera hatrany ry namana isany

1- Inona no nahasarotiny an'Andriamanitra tamin'ny fanangonana mana sy ny naka kitay?

2- Ary nahoana Izy no tsy sarotiny tamin'ny salohimbary?

1- Ny fanangonana mana sy naka kitay mitaona ny olona handika ny didin'Andriamanitra (mandrehitra afo amin'ny andro Sabata):

Eks.35:3 Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.

Vakio tsara « Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. » (Eks.16:23)
Mbola nendasina ny mana (tsy maintsy nandrehitra afo) fa tsy hoe nohanina avy hatrany,

Ilay naka kitay moa dia "no comment" hoy ny vahiny satria matoa naka kitay dia handrehitra afo izy izay......

Ny salohim-bary kosa avy dia nohanina tsy mila mandrehitra afo intsony....

Izay manana maso aoka hahita, izay manana saina aoka hisaina.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana
62. Strong3 ( 28/01/2015 11:12)
ny Eks 16 dia milaza va azo ohanina avy hatrany ny mana ; hoy izy : __ ohatran'ny mofo misy tantely
ny Nomeria 11 indray izy dia milaza fa kosehina ary endasina na andrahoina

midika izany fa misy hevitra roa tsy azo lavina ao amin'ny baiboly momba ny mana
__ noho izany MBOLA MITANY NY TENIKO FOANA ZA fa FAMPIANARAN-DISO NY FILAZANA FA TSY RAHARAHA IZANY:
°° mioty na manangona na mikosoka na mitoto izany
RAHARAHA IREO
ny namana RBNIR anefa dia milaza fa tsy raharaha izany.

faharoa
°°° ny hoe MANINTSY NA MANOVA NA MAMAHA

dia fampianaran-DISO KOA NY FILAZANA FA "AFAKA VAHANA NA OVAINA NA AHINTSY" NY DIDY SY NY LALANA araka ny voalazan'i Torah

i RBNIR anefa eto dia sahy milaza fa "NAMAHA" ny lalan'i sabata i Jesosy Kristy

Mahadiso izany; Fatatr'i Jesosy Kristy mihitsy fa nandika ny didy Izy. saingy lazainy MAZAVA TSARA FA eo AMBONIN'NY LALANA IZY . KA AFAKA MANOVA NY LALANA ARAKA IZAY METY AMIN'NY MINO AZY

_« Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. » (Matio 12:8)
« Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata. » (Marka 2:27)

___ hoy isé ry namana RBNIR : nitandrina ny sabata ny mpianatra. ie iarahantsika nahita io ; fa na i Petera aza mbola nitandrina ny biby maloto
fa nahoana i JK no namaha izany ny sabata mba hanaovanao raharaha amin'ny andro sabata;
Taloha ny olona niafina namaha ny biby amin'ny andro sabata; fa tonga i Jesosy KRISTY hampiarihary izany fanaovan-DRAHARAHA IZANY
___ saino amin'ny saina mandalina sy vory tsara izany; METY VE IZANY ARAKA NY LALANA
°°°° hevero tsara ny dikan'ity teny ity :
« Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. » (Matio 19:8)

faharaoan'izany :
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
« Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo] » (Matio 5:18)
« Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 5:19)
« Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Matio 5:20)
« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:21)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22)
« Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, » (Matio 5:23)
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Matio 5:28)
« Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina* anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany] » (Matio 5:29)
NAHOANA NO MISY ___ amahana
DIA misy ___ HAMAFISINA ???

ny zavatra hita hatreto namana RBNIR dia tsy voafehin'isé ny resaka sabata , fa izany hoe doctrine ao aminareo fotsiny dia tohanana mafy fotsiny.

« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Galatiana 4:10)
MILA MITANDRINA NY KRISTIANA AMIN'IREO MPAMIOROHORO ARA-PINOANA, FA NA NY ZAVATRA ASAINY TANDREMANA AZA TSY VOAFEHINY.

63. RBNIR ( 28/01/2015 11:32)
Strong3:

Faly misera aminao ry namana strong3 (efa hita tokoa fa dia tafaverina tamin'ny congé ianao namana,
Hatreto aloha dia resaka mana fotsiny ihany no tena teny entinao, fa izao, izaho efa nihezaka namaly ny fanontanianao koa dia mba valio kosa ary ireo point 6 sisa namana...

Samia ho tahin'ny Tompo
64. RBNIR ( 28/01/2015 11:38)

i RBNIR anefa eto dia sahy milaza fa "NAMAHA" ny lalan'i sabata i Jesosy Kristy

Fanitsiana kely fotsiny namana strong3 tsy izaho fa i Jaona (apostolin'i Jesosy) no nilaza an'io vakio tsara ny teny :« Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)

Hoy Jaona hoe noho ny namahany ny amin'ny Sabata........
65. RBNIR ( 28/01/2015 11:45)
Strong3:

ny Eks 16 dia milaza va azo ohanina avy hatrany ny mana ; hoy izy : __ ohatran'ny mofo misy tantely
ny Nomeria 11 indray izy dia milaza fa kosehina ary endasina na andrahoina

Vakio tsara fa tsy misy mihitsy ao fampirisihina olona hihinana mana (manta), tsy maintsy miafara amin'ny resaka vilany sy fanendasana foana raha vao mana no resahina....

dia miandry ny valin'ireo point 6 sisa amin'izay namana strong3 a! araka ilay tenin'ise dia aoka mba "tsy hakatontsika" amin'ny resaka mana ny hadihevitra (raha mety :))
66. Strong3 ( 28/01/2015 11:49)
Fanontaniako an'ise kosa ary?
1- Naninona no nankany amin'ny sinagoga foana i Jesosy isaky ny Sabata?
2- Naninona no nianatra izany koa ireo mpianany ka nitady fitoerana fivavahana ny Sabata?
3- Naninona ireo vehivavy mpanaradia azy ry Maria sy ry Salome sns...no nitandrina tsara ilay
Sabata tamin'ny andro nahafatesan'i Jesosy?

Valiny : JESOSY Tompo tsy nampianatra ny olona handrava ny fitandremana ny Sabata mihitsy
____

Finaritra indray!

NAMANA RBNIR//

ireo fanotaniana ireto dia lasitra iray ka tsy dia hitako ny antony nanasarahana azy, ary namaly ihany moa isé dia valiny tokana.

fa na izany aza dia hanome fahafaham-po an'isé sy ny sabatiste rehetra ato amin'ity forum ity ny tenako.

« Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? » (Lioka 5:34)
NOSAFIDIANA MANOKANA IO TENY IO MBA HAMPAHAZAVA NY SAINAREO fa maro ny zavatra mbola tsy NOTANTERAHINA AVY HATRANY RAHA TSY EFA NANDRAY NY FANAHY MAHERY ireo mpianatra
___ ny mpianatra dia nanao ny fanaon'i Jesosy rehefa sabata. miditra synagoga:
toerana fanaovana inona kay ny synagoga namana RBNIR???

« Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. » (Matio 12:1)
« Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza? » (Lioka 14:5)
« Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay. » (Jaona 5:9)
« Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy. » (Jaona 9:14)
« Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asan'ny Apostoly 16:13)
« Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo. » (Lioka 14:1)
« Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia? » (Lioka 14:3)
« Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lioka 23:56)
« Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao. » (Jaona 5:10)
« Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy. » (Jaona 5:16)
« Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jaona 5:18)
« Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. » (Jaona 7:22)
« Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata. » (Jaona 7:23)
« Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny. » (Asan'ny Apostoly 15:21)
« Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao. » (Asan'ny Apostoly 17:2)
« Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 18:4)

____ ireo verset ireo dia nalahatra fotsiny ihany mba hiarahantsika mandinika fa TSY MIFANARAKA AMIN'NY FITANDREMANA NY SABATA ARAKA NY DIDY FOLO SY NY TORAH MIHITSY ireo zavatra nataon'i Jesosy sy ny Mpianatra
__noho ny maha jiosy sy ny fitoerany eo amin'ny tanin'ny jiosy dia nanaraka ny lalan'ny fiarahamonina jiosy
fa amin'ny maha kristiana azy ireo dia tsy mitovy intsony ny fomba fitandremany azy (sabata io) ASA NA MBA HITAN'I RBNIR IZANY???

NY TIANA MAZAVA ETO DIA SAMY HAFA NY FITANDREMAN'nY JIOSY NY SABATA SY NY KRISTIANA NY SABATA teo amin'ny mpianatrin'ny Tompo

_ ka ny zavatra hita eto dia MARO NO TE HO JIOSY ka te hotapahana amin'ny lalana jiosy araka ny fomba jiosy.

JEREO TSARA NGE IZAO ZAVATRA IZAO EH
__ finoana no naneken'i Abrahama fa hoforana izy sy ny taranany rehefa feno valo andro izireo
__ finoana koa no naneken'ny Zanak'isiraely hanamasina ny sabata rehefa tonga ny zoma hariva ka hatramin'ny sabotsy maty masoandro
__ finoana koa no handraisan'ny kristiana fa « Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, » (Hebreo 3:7)
« fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota. » (Hebreo 3:13)
« raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8). » (Hebreo 3:15)
DIA MILA MIAMBINA NA AMIN'NY ORA NA TSIA, NA AMIN'NY ANDRO (sabata) na tsia
araka ny voalazan'i Jesosy ao amin'ny Marka 13:33

______°°°° koa nahoana aza ny Jiosy no mamora amin'ny andro sabata nefa mino ny DIDY FOLO
______°°°° koa diso ve ny kristiana raha tsy manaja andro iray fa manaja ny fito andro feno???

raha NOVAHANA NY SABATA, INONA NO TSY ITOVIZANY AMIN'NY ANDRO REHETRA; MBA HIVAVAHANA SY HANAOVAN-DRAHARAHA?????

koa dia fomba tany ny MANOKAN-ANDRO IRAY HIARAHANA MITSAHATRA; ka dia manaiky ny mpitondra eo ny mpino
__ FA TSY MIDIKA IZANY FA TSY MANANA AN'I JESOSY KRISTY HITARIKA AZY AMIN'NY MARINA NY KRISTIANA
fa ny gasy jiosy izay mitodika any jerosalema dia tsy manaiky raha tsy mivavaka sabata satria manana ny fiarahamonina azy manokana izy ireo.

FEHINY/ __ nanaja ny lalana jiosy ny mpianatrin'ny Tompo Jesosy Kristy noho ny fiarahamonina sy ny fanaon-drazana. fa ny lalan'i Kristy no nanapaka ny fanahiny ( fa amin'ny nofo izy dia jiosy) FA AMIN'NY FANAHINY DIA KRISTIANA VELONA IZY;

asa na azon'ny RBNIRY SY NY SABATISTA NY hevin'izany izao hihihi
67. RBNIR ( 28/01/2015 11:56)
Ho fanamporofoina izay lazaiko:

Ao amin'ny eks.16:23 no hilazan'i Mosesy ny fomba fihinana ny mana « Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. »

Mila endasina na andrahoina ny mana raha ny eks 16 no vakiana...

Nomery 11

« Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo. » (Nom.11:8)

vakio tsara fa misy etape 4 mazava tsara:
1- mitoto
2- nahandro
3- natao mofo
4 - izay vao fanandramana (fa tsy hoe ny fanandramana no lasa aloha akory)

Izaho tsy mahay na inona na inona (tena marina ny filazanao ny momba ahy namana) fa IZY no nanoro an'izany an!!!

Samia ho tahin'ny Tompo e!!!!

68. Strong3 ( 28/01/2015 12:06)
hihihi izaho no namoaka ny Nom 11 ary mbola izaho koa no nomeny Eks 16
donku , voafehiko tsara ny zavatra lazaiko

MISY DISO VE IZANY NY BAIBOLY??
Eks 16 izy milaza fa mofo misy tantely
Nom 11 izy milaza mofo misy diloilo

azavao ny hevitr'isé ary??? __ nahaona no tsy mitovy ny fitantarana ataon'ireo boky ireo raha andrahoina daholo izy vao hanina

faharoa!
manaiky ve isé izany fa raharaha ny etape 4 notantarain'isé ireo ???

hihihih :-)
69. RBNIR ( 28/01/2015 12:12)

Fa diso ilay hevitr'ise satria ise (raha araka ny fanazavan'ise dia nihevitra fa nandramana manta ilay mofo (fa tsy ilay izy efa voaendy). (Tsy hihomehy aho satria na izaho koa aza mba tsy nahafantatra taloha).

Averiko hatrany (matoa i Jesosy niteny hoe tsy manan-tsiny dia "tsy tafiditra ao amin'ny raharaha iny fiotazana salohim-bary iny namana... ary voaporofo eto fa tsy mitovy ny mana sy ny salohimbary satria ny mana dia mbola endasina....

70. Strong3 ( 28/01/2015 12:13)
« Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby; » (Eksodosy 16:13)
« ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany. » (Eksodosy 16:14)
« Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo. » (Eksodosy 16:15)
« Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy. » (Eksodosy 16:16)

MBA LAZAO HOE NISY ETAPE EFATRA (4) ARAKA NY VOALAZAN'ISE FA ETO??
__ andininy 15 : __ ITONY NO MOFO izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo

MBA TENA MAHITA KOA ISE IZANY AN, HIHIHI

faharoa : tsy hoe mikatona amin'ny mana ny resaka fa raha io aza tsy takatr'isé atao ahoana no fiditra amin'ny tena mofo avy any andanitra ; izay nahatonga ny jiosy hitorabato an'i Jesosy???
71. Strong3 ( 28/01/2015 12:21)
hihihihi niatsinahay isé no tena marina eto fa tsy hoe nitombo kilasy

tsy manatsiny satria tsy raharaha ny mioty kkkkkkkkkkkkkkkkkkkk

TENA HITAKO ETO ARY SAHIKO NY MILAZA FA MBOLA ZAZA ARA-PANAHY ISE FA lehibe amin'ny torah sy ny lalana ary ny nofo mahaolona

ny olona TAPAHINA AMIN'NY LALANA TSY ARAKA NY TOKONY HO ENTINY NO LAZAIN'I JESOSY KRISTY ETO FA TSY MANANTSINY
fa tsy nanondro ny zavatrin'ny tany Izy ôh
grave koa ilay miresaka amin'isé ka....

eto koa moa vitsy mpiseraka ka tsy afaka mivelatra ny resaka ; ngamba mba ahiratra ihany isé rehefa misy namana maromaro mifampiresaka amin'isé

fa na izany aza mafinaritra ny miresaka amin'isé eh! mba ahitana fomba fijery hafa kely indray hoe : tsy raharaha ny mioty
__ ny jiosy aza milaza hoe : TAOM-PIOTAZANA

72. Strong3 ( 28/01/2015 12:43)
raha zavatra iray no manana tsirony samy hafa dia tsy mba tonga saina ihany ve ny mpihinana sy ny mpamaky baiboly????

ohanina eo ampotony izy misy tsirona tantely
endasina izy misy tsirona diloilo

sa hoe endasina izy dia mamoaka tsiro roa samy hafa
hihihihi

mba mandiniha kely ihany hoa vao miresaka :-)
73. RBNIR ( 28/01/2015 12:48)

Strong3:

faharoa : tsy hoe mikatona amin'ny mana ny resaka fa raha io aza tsy takatr'isé atao ahoana no fiditra amin'ny tena mofo avy any andanitra ; izay nahatonga ny jiosy hitorabato an'i Jesosy???

F'angah moa izay ilay tanjona fa tsy ny hitady ny marina? misy point 6 tsy mazava satria mifanohitra amin'ny hevitra aroson'ise, dia mba anjaran'ise no manazava azy amin'ny hafa (tsy mahay e)......
74. bor2lais ( 28/01/2015 15:06)
Strong3:

... ngamba mba ahiratra ihany isé rehefa misy namana maromaro mifampiresaka amin'isé

:-)
Strong3:

fa na izany aza mafinaritra ny miresaka amin'isé eh! mba ahitana fomba fijery hafa kely indray hoe : tsy raharaha ny mioty

+1
:-)
75. gasy1zay ( 28/01/2015 15:31)

RBNIR:

i RBNIR anefa eto dia sahy milaza fa "NAMAHA" ny lalan'i sabata i Jesosy Kristy

Fanitsiana kely fotsiny namana strong3 tsy izaho fa i Jaona (apostolin'i Jesosy) no nilaza an'io vakio tsara ny teny :« Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)

Hoy Jaona hoe noho ny namahany ny amin'ny Sabata........

Tsy azoko ny tianao ambara : namahany eto tsy nanaja fa tsy hoe nanafoana fa mba jereo ny dikateny sao diso fandray ianareo :
"A cause de cela, les Juifs cherchaient encore plus à le faire mourir, non seulement parce qu'il violait le sabbat, mais parce qu'il appelait Dieu son propre Père, se faisant lui-même égal à Dieu."
76. RBNIR ( 28/01/2015 16:31)
gasy1zay:

Mba hampahazava azy ary dia izao e: ny olona dia nanana ny fomba fitandremany ny Sabata.
Ohatra na dia ny manasitrana aza dia tsy azo natao.
Jesosy tsy nandrava fa nampianatra (raha tsy tianareo ilay hoe namaha) ny fomba fitandremana ny sabata ka nilaza fa azo atao ny manasitrana amin'ny andro Sabata,
Ny fitenenana an'izany tsy mahafoana ilay didy fa mampianatra ny olona ny tena fitandremana ilay didy (araka ilay fampianarana tsy misy kilema nomen'Andriamanitra Azy).
Ny tsy tokony ho adinoina dia hoy Izy hoe "tsy Ahy ny fampianarako fa an'Izay naniraka Ahy)
Dikany Andriamanitra mihitsy no nampianatra ny olona ny amin'ny fitandremana ny Sabata.
Tsy foana akory na sanatria rava fa natoro ny olona ny hoe "Mety ny manao soa amin'ny andro Sabata".
Izay ilay Izy namana, ary ny porofo fa marina izany dia Jesosy mihitsy no voalohany nitandrina ilay Sabata (tamin'ny fandehana isa-tsabata tany amin'ny sinagoga namonjy fotoampivavahana na fivoriana masina).

Nianaran'ny mpianany io ka izay no nahatonga azireo nitady fitoerana fivavahana rehefa Sabata......

77. RBNIR ( 28/01/2015 16:36)
Mba hampahazava azy kokoa, dia haka ohatra tsotra sady mazava aho, lasa i dada dia nametraka izy hoe ampirimo ny trano,
Ao anatin'izay samy manana ny sainy ny ankizy dia samy mampirina araka izay tiany, ny sasany mihevitra fa tokony hosasaina hatramin'ny gorodona , ny sasany mihevitra hoe fafaina fotsiny dia vita, ny sasany mieritreritra fa tokony ho fafaina koa ny meuble sns...
Ny kamo lahy moa dia milaza tsotra hoe tsy mety daholo fa diso izany ataonareo izany fa ny dikan'ny hoe mampirintrano dia (blabla bla bla
Rehefa niverina i dada dia nanazava tsara, ny fomba fampirinana ilay trano....
78. RBNIR ( 28/01/2015 16:39)
Ny hafarany rehefa tsy nitovy hevitra ireo ankizy dia tsy vita araka ny ilain'i dada azy ny fampirinana ilay trano ary dia nandray fanampahankevitra i dada hampianatra azy rehetra ny tena fampirinana ilay trano.

Taty aoriana dia voampirina tsara arka ny takian'i dada foana ilay trano (tsy tonga aho handrava fa hanantanteraka).....
79. RBNIR ( 28/01/2015 17:00)
Strong3:

eto koa moa vitsy mpiseraka ka tsy afaka mivelatra ny resaka ; ngamba mba ahiratra ihany isé rehefa misy namana maromaro mifampiresaka amin'isé

F'angah tsy vitan'ise intsony strong3 ny mandresy lahatra ahy no miantso namana atao secours ise????
80. RBNIR ( 28/01/2015 17:05)
Raha ilay resaka mana fotsiny aloha tsy haharesy lahatra ahy mihitsy e, satria i Mosesy tao amin'ny Eks.16:23 no "nampianatra ny olona ny fomba fihinana ny mana".....Nohamafisina tany amin'ny nomery io....
Ny zavatra lojika mantsy tsy possible mihitsy hoe Izy mitaona ny olona hitandrina ny didy dia Izy indray no handrava Azy.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2311