Hiditra sekta hono :-)

1. hery ( 02/01/2015 23:11)
Tratry ny taona daholo aloha.

Hosoratako ao amin'ny blaogiko lalindalina kokoa ity fa eto aho no maka feeling aloha :-p

Samy manana ny halalin'ny salosany tokoa ny olon-drehetra. Samy manana ny fahalemeny ihany koa. Matetika rehefa ao anaty fahalemena dia miha marivo ilay salosana. Resy lahatra hono ity namana iray fa hiditra sekta... Noteneniny teo ilay anarana fa tsy dia tena tadidiko. Ny antony narosony? "Tsy mamely ny ao am-piangonana"... notsindriako ilay fandavana hoe "Tsy mamely" satria ny fahitàna zavatra tsy mamely tao izany no tena antony fa tsy hoe ny fahitàna zavatra tsara any ivelany akory. Mifototra amin'ny zavatra "negatif". Nomeko tsodrano soa amantsara izy, tsy nosakanako. Ny nantitrateriko mafy azy fotsiny dia hoe "aza matahotra ny hiverina aty aminay raha sendra misy tsy mety any." Aza matahotra na menatra mihitsy fa izay ihany no olana matetika. Ary tiako mihitsy ilay tsy manao vava loatra rehefa mandeha fa mijaikojaiko mba hahamora ny fiverenana rehefa aoriana.

Ny tena tsapa mantsy, ny olona tena maharitra ao amin'ny sekta dia ny mpitondra (ireo lohandohan'ny mpisorona) sy ireo tena manompo (fanatika). Fa ireo eo anelanelany dia manomboka tonga saina rehefa mitombo loatra ilay fampanantenana sy ilay kobaka am-bava. Ma hitazomana ny ambiansy tokoa mantsy dia tsy maintsy ampitomboina ihany ilay fampanantenana. Ka ny olona tsy fanatika dia manomboka tonga saina hoe tsy mamely izy izany. Manomboka tsy hita ilay firehidrehitry ny fanahy nanintona tany am-boalohany. Manomboka tsikaritra hoe toa "tsy mamely" koa ato.

Eo no olana raha nanao vava ratsy tamin'ny niala tany amin'izay nisy azy taloha. Tsy sahy hiverina intsony. Ahoana tokoa moa no hiverenana raha natao daholo izao fanaratsiana ny fiangonana nitaiza nandritra ny taona maro? Noharatsiana ny olona mpitarika, ny mpiray fiangonana sns.

Rehefa tapi-dalan-kaleha tsy manana fanetren-tena hiverina dia roa ny safidy. Na manakipy maso dia manao tahaka ny fanatika, na mifindra sekta vaovao dia toa izany hatrany, mandra-paha tapa-kevitra hoe aleo manakipy maso dia manao tahaka ny fanatika.

Rehefa tapa-kevitra ny ho fanatika dia miezaka tsy mijery ilay "tsy mamely" fa atao "mamely" daholo izay hita. Manenjika ihany anefa ny eritreritra satria tsy mitombona intsony ilay antony voalohany nialàna tany am-piangonana taloha nahatonga niditra sekta. Mba handresena ilay nenina sy hamelomana ilay hambom-po tsy hiverenana dia mila mamorona antony vaovao maromaro izay entina hanaratsiana ilay fiangonana teo aloha amin'izay. Hamafisina sy ampitomboina ilay "tsy mamely" tany aloha mba hampamely kokoa ilay "tsy mamely" hita amin'izao. Izay no tena mahatonga ny olona any amin'ny sekta manaratsy ilay fiangonana nisy azy teo aloha. Milamindamina kokoa ny sainy amin'izay.

Miala any amin'izay ny fandresen-dahatra mafana toy ny hoe "Izaho nobeazina tao amin'io fiangonana io ka haiko tsara izany" rehefa sendra mba miady hevitra sy mandresy lahatra ireo mpiara-miangona taminy taloha. Tahaka ilay vehivavy na lehilahy misaraka amin'ny vadiny dia miseho ho mahalala tanteraka ilay vadiny. Mahalala tokoa angamba izy fa tsy nitia. Nefa tsy ny tia ve no mahalala kokoa?

Ho famaranana dia averiko hamafisina fotsiny ilay hoe "aza matahotra ny hiverina raha toa ka 'tsy mamely' koa ny any".
novalian'i RBNIR ny 29/01/2015 20:40
2. Fiffi ( 03/01/2015 07:10)
Bonne et heureuse année daholo....

nrooo mampalahelo lé ranamana zany....

rehefa ritra ve ny eo am-pelatanana fa lasan'sekta tsy ho tonga saina ihany we....

ny nenina hono tsy eo aloha hananatra fa ....enganié kosa ho sahy hiverina rehefa nahatsapa fa vao maika mazana be lé ao am sekta....na we tena tsy mamely koh ny tao ?

hery:
"aza matahotra ny hiverina raha toa ka 'tsy mamely' koa ny any".
3. ravatorano ( 03/01/2015 08:29)
tsy mahagaga io amin'ny olona mbola tsy tena votom-pinoana amin'ny fivavbahana izay arahany hany ka lasa mibirioka mora foana izy ireo ! atao ahona fa toa efa "lamaody" ihany koa io fomba fijery io eh !
4. bor2lais ( 03/01/2015 08:54)
Ahatsiarovako fampianarana iray izay : fatra-pitady "Fiangonana tonga lafatra" ilay ranamana.

Mazava ho azy fa tsy nahita izy satria nahoana ?

Ny Fiangonana noheveriny fa tonga lafatra rehefa nidirany dia lasa tsy lafatra intsony ! :-)

5. rhaj0 ( 03/01/2015 16:46)
Ka inona azany no maha-samy hafa na koa mampitovy ny sekta sy ny fiangonana tradisionely...

Raha Izaho k'lou raha manao kisarisary (caricature), dia toatoa ny hoe

- ny ao @ sekta dia ny olona dia ilay manipy tanana any an-danitra, mitabataba ireny rahefa mivavaka.. mihetsiketsika misavorovoro izany.. tena hotry ny tena resy lahatra fa tena izay ilay izy e... tsy hoe ao an-tsaina sy eritreritra fa tena exprimer-n'ny vatany mihintsy...

- ny tradisionely indray dia.. ao am-piangonana ny olona hendry tsara mihaino izay lazain'i bêêêlazaina... ny sasany aza moa dia manoaka matory fa ny nahatongavany tao dia ... mety hoe ilay "miseho" fotsiny, na hoe, mandeha fiangonana ny olona dia mba mandeha koa..
6. RBNIR ( 03/01/2015 17:10)
Faly misera amin'ny namana rehetra indray ary koa mirary soa ho an-tsika rehetra noho izao fahatongavan'ny taona vaovao izao indray,

Raha ara-pamaritana ny secte dia tsy hoe ratsy akory ary raha mandinika ny tantara isika dia Jesosy Kristy no nanangana ny secte voalohany, noho izany n'iza n'iza milaza ho mpanaradia azy dia secte avokoa.

Tsy ny fidirana amin'ny secte koa no tena tanjon'Andriamanitra ankehitriny fa ny famerenana ny olona ho amin'ilay fampianarana tsy misy kilema.

Io fampianarana io dia i Jesosy Kristy no nitondra azy, ary nampianariny mivantana tamin'ireo apostoly.

Io no fampianarana niainan'ireo apostoly fahiny, ary io koa no niainan'ireo kristianina tany amboalohany,

N'iza n'iza tafala amin'io fampianarana io (na amin'ny ampahany na amin'izy manontolo) dia ireny no "hampodian'Andriamanitra" ankehitriny hiverina amin'ilay tsy misy kilema.

Jesosy Kristy irery no mahafehy tanteraka an'io fampianarana io, ary raha ny zava-nisy fahiny dia Izy no mifidy mivantana izay olona tiany hanaparitaka an'io fampianarana io (ireo apostoly) Ireny olona ireny dia ampianariny mivantana tsy misy mpanelanelana.

Ankehitriny dia mifidy olona mivantana toy izany indray Izy, ary mampianatra mivantana ihany koa .
Mila mandinika tsara anefa isika fa tsy rehetra izay miteny akory dia izy avokoa.

Ny voany (tenin'Andriamanitra toriany) no hamantarana ny hazo hoy ny Tompo, tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara hoy Izy.

Averiko hatrany ATO misy iray hitako, ary olona marobe ankehitriny no afaka mijoro vavolombelona ny amin'izany.

Voaporofony ara-baiboly avokoa ny fampianarany izay nambarany fa tsy azy fa i Jesosy Kristy no nampianatra azy;

Hotahiny anie isika rehetra

7. hery ( 03/01/2015 21:25)
Ny voany (fruit) tokoa no hahafantarana azy.
Ny olana anefa dia matetika voany tsy hita maso sy any an-danitra no ampanantenaina. Ka oviana izany vao ho tonga saina?

Mila jerena tokoa hoe inona ny asa famonjena (oeuvres de charité) ataon'ireny olona ireny. Izany hoe izy ireo ve ohatra mba mitsinjo ny olona ara-batana (manome trano, sakafo, fitsaboana sns) ary indrindra miahy ireo tsy mpikambana ao aminy ?
8. RBNIR ( 04/01/2015 00:18)
hery:

Ny voany (fruit) tokoa no hahafantarana azy.
Ny olana anefa dia matetika voany tsy hita maso sy any an-danitra no ampanantenaina. Ka oviana izany vao ho tonga saina?
Mila jerena tokoa hoe inona ny asa famonjena (oeuvres de charité) ataon'ireny olona ireny. Izany hoe izy ireo ve ohatra mba mitsinjo ny olona ara-batana (manome trano, sakafo, fitsaboana sns) ary indrindra miahy ireo tsy mpikambana ao aminy ?

Faly misera hatrany namana
,
Raha ny tena fampianarany aloha dia izay hitany sy reny momba izay any ambony any no tena notoriany sy nampanantenainy fa tsy ny zavatry ny tany loatra,

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao. 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao. 3:33)

Ary nambarany koa fa ny fanjakany dia .....« Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jao.18:36)

Io fanjakany io anefa no tena nitaomany ny olona « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat. 6:33)

Mikasika ny oeuvre social sns...ireny tsy tsara raha aderadera satria hoy izy hoe: « Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, » (Mat.6:3)

Isika tsinona tsy mitady sitraka amin'ny olona fa Aminy irery ihany....« mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. » (Mat. 6:4)

Fampianarana avy any ambony izany namana.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana



9. moustaraf ( 04/01/2015 09:52)
Tsy mbola voavaly foana ilay fanontaniana :
Yeshua : famonjena : imano El : amintsika El

Raha novana "jesosy " hoy ianareo, teny grika dia midika inona ??? tokony ho fantatra mazava izay dikany, satria ANARANA MISY DIKANY, MISY HERY, MISY FAMONJENA no nomena antsika.

Sao sanatria ka soloina zavatra hafa tsy fanta piaviana, sanatria ka anaran'alika ...
Ilay milaza fa nampianarin'i jesosy ve tsy afaka mamaly ???
10. RBNIR ( 04/01/2015 14:32)

moustaraf:

Tsy mbola voavaly foana ilay fanontaniana :
Yeshua : famonjena : imano El : amintsika El

Raha novana "jesosy " hoy ianareo, teny grika dia midika inona ??? tokony ho fantatra mazava izay dikany, satria ANARANA MISY DIKANY, MISY HERY, MISY FAMONJENA no nomena antsika.

Sao sanatria ka soloina zavatra hafa tsy fanta piaviana, sanatria ka anaran'alika ...
Ilay milaza fa nampianarin'i jesosy ve tsy afaka mamaly ???

Ity koa mbola tsy novalianao namana :
tamin'ny fomba ahoana no namantaran'ilay hafa firenena fa Famonjena ny dikan'ny Yeshua?
Izao miteny hoe tsy maintsy nadika ilay teny, ny valiny avy aminao no andrasako namana.....

11. moustaraf ( 04/01/2015 17:21)
Raha raisina hoe ianao ilay hafa firenena, sarotra be aminao ve ny mandray na mihaino hoe "raha adika ny anarana Yeshua teny hebreo mira Famonjena "??? salut, salvation,.... Fa ilay anarana mijanona Yeshua.

Ny dikan'ny Nantenaina : desiree
i Nantenaina gasy ve azonao antsoina desiree na dia mitovy dika aza??

Barak : voninahitra, Barak obama ve izany rehefa aty mada de ho lasa Ravoninahitra Obama ! ???

Misy lalana anie mifehy ny "traduction " e! indrindra fa Nom propre no kitihina !
Fehiny:
Tsy azo ovana ny anaran tsamy irery, fa azo hazavaina ny heviny. sarotra be ve zany ???
Efa nentiko taminao teto, fa maro ny hafa firenena ankehitriny (sonoa, karana, afrikana, amerikana,japoney,...) no efa miverina amn tena anarany, toa afaka tsara izy ireo manonona sy midera an'Yeshua!!!

Omeo ary ny hevin'ity Jesosy ity (teny grika )
12. RBNIR ( 04/01/2015 17:56)
moustaraf:

Raha raisina hoe ianao ilay hafa firenena, sarotra be aminao ve ny mandray na mihaino hoe "raha adika ny anarana Yeshua teny hebreo mira Famonjena "??? salut, salvation,.... Fa ilay anarana mijanona Yeshua.

Ary maninona no tsy nosoratanao ilay dikany amin'ny teny grika???
13. booboo ( 04/01/2015 18:02)
Mirary taona milay kokoa hatrany noho ny t@ herintaona ho an'ny rehetra e. Ahatsiarovako ilay fomba fiteny hoe " makorelim-piangonana " ouz ity bla² n'i Hery ity. Efa iny aho no lasa ------ >



14. RBNIR ( 05/01/2015 02:34)
moustaraf:

Omeo ary ny hevin'ity Jesosy ity (teny grika )

Ilay avy aminao no andrasana fa ilay teny grika hitako "??????" (izay iraisan'ny be sy ny maro) otran'ny tsy mety voaray eto amin'ity site ity an mety tsy programmé amin'izay ngamba izy ity
Fa ny iraisany dia hoe "sauveur" na koa hoe "sauveur du monde".

Dia miandry ilay avy amianao ary namana, inona ilay dikan-teny grika hitanao? (aoka mba valiteny iarahan'ny rehetra manaiky ny fahamarinany raha mety zfdy

Samia ho tahin'ny Tompo namana!
15. bor2lais ( 05/01/2015 09:33)
Tsy mila mitady ohatra intsony angamba i Hery e ! :-)

booboo:

Ahatsiarovako ilay fomba fiteny hoe " makorelim-piangonana " ouz ity bla² n'i Hery ity.

Mety fomba fiteny hebreo angamba io izao ! ;-)
booboo:

Efa iny aho no lasa ------ >

:-)
16. moustaraf ( 05/01/2015 09:36)
salama e!
Efa nomena teto foana ilay anarana hebreo, ka izaho no manontany hoe aiza ilay grika???
alefa!!!
17. vahiny2004 ( 05/01/2015 10:10)
Indraindray ilain'ny olona ihany koa ny "mivezivezy mikaro-java-tsoa" ka manandrana zavatra samihafa, hahitàny hoe aiza marina no tena "soa"

Tena zava-dehibe ny nilazàn'i Hery hoe aza misalasala na menatra ny hiverina raha tsy mamely koa ny any
18. rhaj0 ( 05/01/2015 12:09)
Efa tsy nisalasala sy tsy menatra anie izy ny niala tao (aminareo) fa tsy mamely ny tao (aminareo) eee... dia ho ampihodikodinina eo foana kosany ve izy izany fa tsy mba ... an...
19. 5laody ( 05/01/2015 13:50)

Miverena amin'izay Rhaj0 fa aza mihodinkodina any a.
20. rhaj0 ( 05/01/2015 13:52)
Izaho mbola toa ny alika, mihodikodina manenjika ny ramboko kah... fa tsy toa ny alika indray azany e... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.2911