« Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jao.3:16)

1. RBNIR ( 20/12/2014 03:32)

Lehibe ny fitiavan'Andriamanitra an-tsika ry namana isany, Tena lehibe ka nafoiny hatramin'Ilay Zanany Lahy tokana (Ilay tiany indrindra mba ho fanavotana an-tsika).

Lehibe ihany koa ny Fitiavan'i Jesosy Kristy an-tsika Izay nanaiky nanao sorona ny tenany (eny hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza) ho fanavotana izao tontolo izao sy mba hanaporofoana amin'izao tontolo izao fa tena MISY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY izay antony tokana hitoriana Azy ankehitriny : « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor.15:14).

Koa ankehitriny dia mampahatsiaro an-tsika ny tenako eny mampahafantra ihany koa ho an'izay mbola tsy mahalala ny anton'ny nanirahana Azy tety ka nanaovany Asa lehibe maro izay nentiny nanaporofoana ny fisian'Andriamanitra Marina tokoa:

1- « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

2- « Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lio.10:13)

Ireo no antony nanirahana Azy tety ry namana isany :
1- Hanambara amin'ny olona fa ny fanaovana ny Sitrapon'Andriamanitra irery ihany no antoka tokana hidirana amin'ny fanjakan'Andriamanitra
2- Hanambara ny olona fa ny anton'ireny asa lehibe ireny dia mba hitaomana ny olona hibebaka ka hiverina amin'Andriamantira indray.

Matoa nalatsaka ny ràny dia tsy kitoatoa akory ny fivavahana ry namana isany! Tena misy dia misy tokoa ny zavatra takian'Andriamanitra amin-tsika olombelona rehetra.

Ankehitriny VAKIO ATO niverina indray i JESOSY KRISTY mampianatra ilay fampianarana nampianariny 2000 taona lasa izay, Fampianarana izay nambarany fa tsy Azy fa an'Ilay naniraka Azy « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
Io ilay fampianarana atao hoe tsy misy kilema (satria Andriamanitra no nanome azy) Io no fampianarana nomena sy niainan'ireo apostoly fahiny, io ihany koa no niainan'ireo kristianina tany amboalohany.

Mitaona anao aho ankehitriny mba hijery izany fampianarana Vitao ny asan'ny fahamarinana izany isa-maraina amin'ny 05 ora sy sasany ka hatramin'ny 6 ora (ao amin'ny kolo tv ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma)

Fandraharana izay ampianatra anao ao ireo sitrapon'Andriamanitra izay nambaran'i JEsosy fa tsy maintsy hatao raha te hiditra amin'ny fiainana isika.
Ampianatra aminao izany atao he FIBEBAHANA marina sy fiverenana amin'Andriamanitra izany!
Ambianatra anao ihany koa ireo zava-miafina rehetra nampianarin'i Jesosy Kristy

Hitahy an-tsika anie ny Tompo
novalian'i RBNIR ny 27/12/2014 19:02
2. moustaraf ( 20/12/2014 04:14)
Salama namana,
Mandra pahoviana no tsy isokafan'ny mason-tsainareo fa ilay Mesia tsy nitory an'izany andriamanitra izany e???

"Fa toy izao no itiavan'Elohym ny olom belona..."
Andriamanitra, sampy nivavahan'ny razana malagasy, noterena nampidirina anaty bokim pivavahana.

.....Foana ny fivavahana amn sampy.....
AMEN
3. sitlo ( 20/12/2014 07:40)
Ary izay tsy mino azy?

Ny tena dikan'io lohateny io dia hoe: miankohofa ianao amin'ny finona kristianina raha tsy tia ho very.
4. RBNIR ( 20/12/2014 19:12)
sitlo:

Ary izay tsy mino azy?

Izay tsy mino Azy v? Izay tsy mino azy dia tsy mba isan'ireo manao ny asan'ny Rainy izay any an-danitra namana : « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny. » (Jao.6:29)
Rehefa ho tonga ilay fotoana dia tsy mba afaka hiteny izireo fa niasa ho an'ilay Rainy any andanitra izireo.

Hanasokatra ny mason-tsika anie Izy namana!
5. sitlo ( 20/12/2014 19:42)
Dia ahoana izany ilay samaritana tsara fanahy?
6. RBNIR ( 21/12/2014 04:12)
sitlo:

Dia ahoana izany ilay samaritana tsara fanahy?

Ny tanjon'iny fampianarana iny dia ny hilazana amin'ny olona hoe iza moa no tokony ho namana?
Valiny : ny olona rehetra,
Taloha (indrindra ny jiosy dia nanavakavaka namana) ary na dia i petera aza saika tsy handray ireo atao hoe jentilisa mihitsy raha tsy nanehoana ilay fahitana (Vakio ny asan'ny apostoly toko fahafolo).
Nanomboka teo dia tsy misy intsony jiosy na jentilisa na grika........« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

N.B : tsy ilay hatsaram-panahy nataon'ilay samaritana ihany no takian'Andriamanitra amin'ny olona namana (anisany iny) fa mbola misy hafa ireo didy izay takiany mba hotandremana (ireny koa dia tafiditra ho isan'ny sitrapon'Andriamanitra).

Hotahiny anie isika rehetra......
7. maniry4 ( 21/12/2014 04:19)
Tsara ny Tompo ka tsy tiany hisy ho very izay mino azy, sambatra ilay samaratiana satria nandray ny Tompo t@ zoto-po izy fa tsy tahaka ny sasany mandeha mivavaka ihany fa miatsara velatsihy fotsiny , ka tandremo ry namana ny toy izany fa ny mason'ny Tompo dia mijery eny rehetra eny, mazotoa hianao!
8. moustaraf ( 21/12/2014 04:21)
Salama namana,

Ny mpaminany rehetra dia nandray teny tamn anaran' ELOHYM, ary naminany ny fihavian'YESHUA,

Rehefa tonga ny mpamonjy dia nanaporofo fa ELOHYM no naniraka azy ary YESHUA no anarany,

Raha nitory teny sy nanasitrana ny Apostoly dia tamn anaran'YESHUA sy ELOHYM Ray.

Ka fahefana avy aiza no isika aty aoriana be aty no miana kendry manova ireo anarana ireo?
"TOKANA ny anarako,hoy Adonay Elohym ary TSY MIOVA "

Na inona na inona "fanasitranana, fahagagana, faharesen dahatra, fifaliana, ..." ka tsy avy amn anaran' ELOHYM nanao ny lanitra sy ny tany sy YESHUA mpamonjy, dia sandoka daholo ! ary avy amn'ilay mpisoloky mahay izay manangoly izao tontolo izao.

"Dia hosoratana eo amn handriny ny ANARAN'NY RAINY sy ny ANARAN'NY ZANAK'ONDRY "
Ka iza no hosoratana eo amn handrinareo???
Atra, god, got, dieu,....??? jesus, jesosy, jeso, iesu,...???
9. RBNIR ( 21/12/2014 18:39)
Raha manaraka tsara ny fanazavanao hatramin'izay aho namana moustaraf dia ny fahafantarana ilay anarana aloha no voalohany vao ny fanaovana ny sitrapony.
Tsy izay anefa ny fampianarany araka ilay Mat.7:22 « Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Mat.7:22)
Araka io teny io dia :
1- na dia nahafantatra ilay anarana aza ireo olona ireo dia tsy avotra satria tsy nanao ny sitrapon'ilay rainy izay any an-danitra (Mat.7:21)
2- Mitovy lanja ny fanaovana "Tompoko, Tompoko" sy ny fahafantarana ilay anarana nefa tsy manao ny sitrapon'ilay Rainy izay any an-danitra.

Ity no porofo fa aleon'Andriamanitra lavitra mahita olona iray manao ny sitrapony toy izay olona"manaja Azy imolotra fotsiny ihany"
« Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. » (Mat.21:28)
« Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » (Mat.21:29)
« Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. » (Mat.21:30)
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Mat.21:31)

P.S:
moustaraf:

Ka fahefana avy aiza no isika aty aoriana be aty no miana kendry manova ireo anarana ireo?
"TOKANA ny anarako,hoy Adonay Elohym ary TSY MIOVA "

Mampahatsiaro ahy ny fanontaniana napetraka tamin'ny fahiny io fanontanianao io namana
« ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao? » (Mar.11:28)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!

Samy hotahiany anie isika rehetra!
10. RBNIR ( 21/12/2014 19:24)
moustaraf:

Ka fahefana avy aiza no isika aty aoriana be aty no miana kendry manova ireo anarana ireo?
"TOKANA ny anarako,hoy Adonay Elohym ary TSY MIOVA "

Izao no fitantarany namana, rehefa tonga nifidy azy IZY dia hoy IZY hoe "Izaho JESOSY (fa nilaza IZY hoe Izaho yeshu'a) ity.....
Izaho tsy nahita izay nitranga marina fa ny azoko hijoroana vavolombelona dia mitovy 100% amin'ilay fampianarana 2000 taona lasa ny fampianarana zarainy ankehitriny!
Ary izy irery hatramin'izao no mbola manana io fampianarana io raha eto Madagascar.

Hoy IZY hoe "ny voany no hahafantaranareo ny hazo....." Ampy ahy ny voa noraisiko taminy hahafantarako na hazo tsara tokoa izy na hazo ratsy namana....

Ka raha hitady ilay fahefana ianao namana dia IZY hanontaniana......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!

Samia ho tahiny namana!
11. RBNIR ( 22/12/2014 10:38)
Fanitsiana kely namana!

Izao no fitantaran'ilay pasteur namana: rehefa tonga nifidy azy IZY dia hoy IZY hoe "Izaho JESOSY KRISTY no manatrika anareo eto (fa tsy nilaza IZY hoe Izaho Yeshu'a no manatrika anareo eto.....

Ka raha hitady ilay fahefana ianao namana dia IZY hanontaniana hoe naninona no tsy niteny ianao hoe Izaho Yeshu'a no manatrika anareo eto?......

12. moustaraf ( 22/12/2014 15:51)
salama,
Izaho anie tsy milaza hoe tsy misy ilay jesosy kristy e! tena misy io namana, ary mampianatra, manasitrana, manao batisa, sns...
Fa ny marihiko fotsiny dia ny hoe "ilay.mesia mpamonjy dia Yeshua hamashyarh no anarany, fa tsy jesosy kristy "

koa raha i jesosy kristy no niseho taminareo, fa tsy Yeshua araka ny nosoratan'ny mpaminany, sy nolazain'ny anjely, dia miheritrereta lalina...

Indro hiteraka zazalahy ianao...ary ny anarany atao hoe YESHUA.

Ary Saoly nahare feo avy tany an danitra tamn teny HEBREO,...Nahoana ianao no manenjika ahy?......Izaho no YESHUA izay enjehinao.
Izy tenany mihitsy eto no manonona ny anarany!!!
MAZAVA BE KOSA NGAMBA O!
13. RBNIR ( 22/12/2014 16:38)

Eny ary namana nefa tandremo sao hiteny ratsy ny Fanahy Masina ianao ary tandremo koa sao dia sanatria ka ho hisan'ireo voalaza fa tsy fantany ary mpanao meloka ianao (satria ireo mahay tsara ilay anarana no voatonona tamin'io namana)

Koa dia samia ho tahiny ary isika e!
14. rhaj0 ( 22/12/2014 19:07)
RBNIR:
Izao no fitantarany namana, rehefa tonga nifidy azy IZY dia hoy IZY hoe "Izaho JESOSY (fa nilaza IZY hoe Izaho yeshu'a) ity.....
Izaho tsy nahita izay nitranga marina fa ny azoko hijoroana vavolombelona dia mitovy 100% amin'ilay fampianarana 2000 taona lasa ny fampianarana zarainy ankehitriny!
Ary izy irery hatramin'izao no mbola manana io fampianarana io raha eto Madagascar.

Raha azoko io izany, dia nofidian'i Jesoa ilay Rangahy Mpitandrina an'i RBNIR.

Dia ahoana?

Dia profeta toa Joseph Smith an-dry Mormons ve izy, fa mba hoe profeta gasy izany izy io, sa mbola tsy mivily @ Baiboly tradisionely ao ihany izy io...

Sa sahala @ ireny gourou marobe eran-tany ireny, toa an'i Jean-Gaston Tremblay aty Quebec izao, izay nanorina (sekta) hoe "Apôtres de l'amour infini "...

Ireo mantsy, hoy ny mpanaraka azy, dia tena ao @ ilay hoe "araka ny voany", sahala @ filazan'i RBNIR azy izay foana koa.

Sa tena hafa noho ny hafa izao Mpitandrina anao ao izao ry RBNIR ?

[size=8]mbola tsy fantatro ihany ilay anarany, sy ny anarana entinareo, fa tsy maninona raha mbola tsy (tianao) aseho eeee...[/size]
15. RBNIR ( 22/12/2014 20:30)
rhaj0:

« Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. » (Lio.6:43)
----->Raha hazo ratsy izy tsy hamoa voa tsara mihitsy
« Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)
------> ilay tenin'Andriamanitra toriany no hamantarana azy.
Jesosy Kristy dia namafy "voa" koa fahiny, noho izany raha tena Jesosy Kristy marina no nampianatra azy dia tokony hitovy amin'ilay voa nafafin'i Jesosy fahiny ny voa afafiny ankehitriny.

Efa nijoroko vavolombelo teto fa hoe 100% mitovy amin'ilay nafafin'i Kristy ny afafiny ankehitriny namana!

Ianao koa afaka manamarina vakio ato fa hohitanao ato izy ary ho fantatrao ato koa ny valin'ny fanontanianao.

Samia ho tahin'Andriamanitra namana!

16. moustaraf ( 23/12/2014 04:08)
Salama,
Rehefa voaporofo fa sandoka ilay anarana "jesosy kristy " dia mazava araka izany fa sandoka avokoa izay rehetra manodidina azy : pasitera, mpiandry, diakona, evanjelisitra, mpaminany...
Sy izaay fety sy fihetsiketsehana rehetra mikasika an'ilay anarana.

Mba fantatry ny vahoaka ve fa "Iesu Krst " no sampy egyptiana goavana indrindra, izay nindramin'ny grika sy romana??? Iesus kristos

Fanahy masina :
Ny nantson'ny malagasy hoe Masina dia ireo razana efa maty, ary mandraka ankehitriny ny sampy dia miantso ny masina,
ka inona moa ity fanahin'ny masina ity?
17. RBNIR ( 23/12/2014 17:11)

Ireto no hitako raha mikasika ny Andriamanitra http://fr.wikipedia.org/wiki/Andriamanitra

À Madagascar, et plus particulièrement aux Haute Terres, Andriamanitra1 est un terme servant à désigner la divinité suprême.

Dia ato koa ilay jesus http://fr.wikipedia.org/wiki/J%C3%A9sus_de_Nazareth
Jésus, en grec ?????? / I?soûs, vient de Yehoshua5,6 (hébreu : ?????), à travers sa forme abrégée Yeshua7 (hébreu : ???). Yeshua signifie « Sauveur »8 et Yehoshua est un nom théophore qui signifie : « Dieu (YHWH) sauve9 ».

Mazava Be io niainga avy amin'ilay anarana fototra io teny io fa tsy araka ny nambaranao....

Ka izay iray alehany na ny anao no diso, na ny azy namana! Tsy asiantsika polémique be koa fa anjaran'ny tsi11 no misaina sy mandinika,

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

P.S : Hatramin'izao dia mbola tsy nahasahy nivaky ianao raha ohatra ka nitovy tamin'ny fifidianana ireo apostoly ary nampianariny mivantana koa ilay mpitarika anao.

Hotahiny anie isika rehetra namana!
18. moustaraf ( 23/12/2014 19:20)
Salam e!
F'angaha ry reto hatreo amn wikipedia no fikarohana vitanareo e? mapalahelo raha mpampianatra lazaina fa izao sy izatsy no wikipedia no mba ifotorana...

Na ny olona farany vendrana anie ka afaka mamoaka article anatin'ireny eee!
Raiso ny baiboly ka vakio tsara, ary ianaro ny teny hebreo mba tsy ho voafitaka.

Fantatro fa hatreo ny fahalalanareo momba ny mpamonjy, ary ny finoana sy fampianarana entinareo dia mofototra amin javatra tsy misy dikany akory.
YESHUA : Famonjena, Imano El
jesosy : ??? tsy misy dikany,
Ny teny hoe "alika " aza mba fantatra ny zavatra izay tondroiny, dia tena gaga aminareo milaza fa mitory ireo aho!!!
19. RBNIR ( 24/12/2014 01:21)

Raha tsy tianao ny wikipedia dia arosoko indray ny manaraka fa mbola tsy araka ny nazavainao hatrany e, (ity fandalinana misy misy kokoa satria diksionera malagasy.....
http://motmalgache.org/bins/teny2/andriamanitra
Tsy asian-tsika polémique be hoy aho fa anjaran'ny tsi11 no mandinika...

20. RBNIR ( 24/12/2014 01:33)
Azafady misy ifandraisany kely amin'ilay nolazainao ihany kay Un dieu (se dit parfois des ancêtres) [Hallanger 1974]
Izany hoe raha azoko tsara dia ilay "parfois" izany no noraisinao namana...

Hafatra kely fotsiny : ireo apostoly fahiny "tsy mba nandalina" na "nampianarin'olona" fa ny filazan-tsara izay notoriany dia niainga amin'ny fanambarany mivantana........

Dia toy izany koa n'iza n'iza milaza ho manana ny "tena Marina" rehefa tsy otran'izay no nandraisany ilay filazan-tsara toriany dia "mitovy amin'ny fanaon'ny olona" ihany izany.

Efa nambarako teto fa raha tonga Izy nampianatra dia izaho no voalaza fa "nambarany" Izaho Jesosy Kristy no manatrika anareo eto" Tsy niteny Izy hoe Izaho Yeshu'a fa mazava tsara ilay fanambarany "Izaho Jesosy Kristy" ka IZY no nanome "ILAY FAHEFANA" ry namana.

Avereno henoina tsara ange e (henoy ato)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6645