Izao Tontolo Izao

1. rhaj0 ( 19/12/2014 16:42)
http://htwins.net/scale2/

Tsindrio io rohy io ambony ahitanao @ kisary "izao tontolo izao", h@ kibontitina kely ka h@ tsy hita pesipesenina, araka ny takatry ny fahalalan-draolombelona @ izao fotoana izao.

Dia aiza ho aiza @ io ilay "finoana" ?

Satria ilay "fahalalana" dia nitombo betsaka mihintsy izay am-polony na an-jatony taona farany izay... ary mbola hitombo haingana @ taona manaraka ho avy...
novalian'i rhaj0 ny 13/01/2015 16:03
2. gasy1zay ( 19/12/2014 20:14)
Ny finoana ambarako aloha dia ny finoana an'ilay Andriamanitra ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay ambaran'ny baiboly, izay mahay ny zavatra rehetra, ny finoana an'ilay Andriamanitra nahary io "izao tontolo izao" io e! , Ka raha hoy ianao rhaj0 hoe diso izany fa ny siantista sy ny fahalalany ny nahavita izany dia tsy afaka ny hanery anao hoy aho ny tenako.

Mitombo ny fahalalana ary mbola hitombo? Tsara izany, tsy misy maharatsy izany ka, ny baiboly koa nilaza fa avy amin'i Jehovah izany.

Dia aiza ho aiza ny finoana? Eto dia mizara roa ny valiny, misy ireo tena mijoro amin'ny finoana ary misy ireo hihemotra, tsy hoe noho ny herin'ny siansa akory na ny fahalalan'olombelona fa efa voasoratra 2000 taona lasa izany : "Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia"

rhaj0 moa nitanisa ny statistique momba ny olona lasa athé nefa tsy hainy hoe manamarina ny voalazan'ny baiboly daoly anefa izany :)
3. rhaj0 ( 22/12/2014 12:08)
Ka rahefa scroller-na izany ilay izao tontolo izao, dia, raha ny fahitako azy, dia hatreo @
- 10^-3,8 no fara-fahakeliny hitan'ny Baiboly: ny hatevin'ny taratasiny
- 10^+6,8 no fara-fahalehibeny hitan'ny Baiboly: ny faritra jeogirafikany

Sa hatraiza hoz'ianao Gasy1zay no hitan'ny Baiboly?
(na hoe hatraiza araka ilay interpretation-nao...)
4. gasy1zay ( 22/12/2014 14:13)

rhaj0:

Ka rahefa scroller-na izany ilay izao tontolo izao, dia, raha ny fahitako azy, dia hatreo @
- 10^-3,8 no fara-fahakeliny hitan'ny Baiboly: ny hatevin'ny taratasiny
- 10^+6,8 no fara-fahalehibeny hitan'ny Baiboly: ny faritra jeogirafikany

Sa hatraiza hoz'ianao Gasy1zay no hitan'ny Baiboly?
(na hoe hatraiza araka ilay interpretation-nao...)


Izay toerana rehetra misy kristianina mijoro vavolombelona hoe misy Andriamanitra, mamaly vavaka Andriamanitra dia mitondra ilay hazavana hoan'ny tsy mino lazain'ny baiboly daolo, izay ny anton'ireny tafika masina ireny, izany ny anton'ny fitoriana amin'ny endriny maro samihafa. Izay toerana rehetra hahafahanao maheno, mandre, mamaky baiboly dia efa hahafahanao MINO, satria :"ny finoana dia avy amin’ ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ ny tenin’ i Kristy". Ka aiza no toerana tsy hitan'ny baiboly na tsy ahafahanao maheno na mamaky na mandre baiboly @ izao isika miteny izao?
5. rhaj0 ( 22/12/2014 14:45)
Ity ohatra izao tsy hitan'ny Kristiana (tao @ Baiboly), ary tena tsy ahafahany "mijoro vavolombelona" (satria TSY hitany) :-)

Raha t@ 2.000 taona lasa tany ho any, ny tany @ middle east dia maresaka Jesoa, mafana Baiboly, dia:
- tatsy @ ~7.000 km tatsy atsinanana kosany, any Sina, dia namboatra mausolee ny emperor Qin: miaramila efa ho 6000 vita t@ tanimanga, hiaro an'i Qin rahatrizay maty izy.
- tatsy @ ~6.000 km tatsy andrefana indray, ao zamerika afovoany ao, dia niroborobo ny Tanana Mayan sy ny ... kalandrie Maya izao nilaza hoe efa ho vita "izao tontolo izao"...

Ka hono ho'a ry Gasy1zay, ao anaty Baiboly (na hitan'ny Baiboly) ve ny Sinoa sy Mayan ?


Raha ny fahtako azy, dia tena tsy takan'ny zanak'atidohan'ny tao Middle East izany; tena tsy hainy eritreretina akoriny ny fisian'izany. F'izany hoe, rahefa nasisiky ny nahay azy tao @ Baiboly hoe, "ireo hafa firenena" rehetra, dia mihazakazaka ianao, dia hoe, hitany koa izany I Sina sy ny Mayan...
6. gasy1zay ( 22/12/2014 15:03)
Ka vita ary ve ny tantaran'izao tontolo izao arak'ilay alimanaka maya t@ 2012?

Voalazan'ny baiboly mihintsy hoe mbola maro ny firenena jentilisa t@ andron'ny Jesoa ka izay no antony nanirahiny ny mpianany hitory sy hampiely ny filazantsara, sa tian'i rhaj0 ny hoe mba notanisaina tao daoly hoe ireto avy ireo firenena tsy nivavaka t@ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina t@ andron'i Jesoa Kristy.


7. rhaj0 ( 22/12/2014 15:32)
i Canada izao efa ho t@ 1534 vao hitan'ny Kristiana, torak'izany koa Madagasikara. Entre-pa fa variana kely aho nijjery ny Tantarantsika fa efa 2000 avant JC kay efa nisy gasy tao Mada (jereo wikipedia ohatra)

Ny tiako lazaina dia TSY tao anatin'ny "imagination"-n'ny (nanoratra ny) Baiboly akoriny ireo, ka hoe mandehana "hitory sy hampiely" ny resaka any rehetra any (fa ianao no manitatra...)

Io ilay limitation geographique-n'ny Baiboly : rahefa mi-scroll @ ilay pejy itsy ianao dia hatreo no takany: 10^+6,8.

Dia ianao izao, mba mizara ny fahalalan-draolombelona izao, dia mba ... kOpy e... :-)


Dia hitanao io fa ianao afaka mi-scroll h@ 10^+27; asa raha nataonao izay, sa ngo dia mahafanina loatrany :-)

Dia na hatreo @ 10^+9 azany ho'a... dia xmas moa izao no andro, dia izaho aloha dia nanontani-tena hoe, taiza ho aiza t@ ireo ilay "kintana" nampilaza ny fankalazana izao io ?
8. rhaj0 ( 22/12/2014 16:37)

gasy1zay:
Ka vita ary ve ny tantaran'izao tontolo izao arak'ilay alimanaka maya t@ 2012?

Tsy hitanao ve fa "mitovy trosy" ny Maya belazao sy ny Middle East belazao? Samy ni-predire araka ny fahalalany tao @ toerana sy fotoanany tao...
9. rhaj0 ( 22/12/2014 18:09)
gasy1zay:
Ka aiza no toerana tsy hitan'ny baiboly na tsy ahafahanao maheno na mamaky na mandre baiboly @ izao isika miteny izao?

http://www.journaldemontreal.com/2014/12/19/le-pere-noel-plus-connu-en-chine-que-jesus-christ
Le père Noël plus connu en Chine que Jésus-Christ

Toa tena TSY mahalala akoriny izany zareo Sinoa (sasany) kouh... Io dia tena nahita aho, ilay namako sinoa izay : tena TSY "naheno na namaky Baiboly" mihintsy izy... Izy ho'a ilay entinay mibalady, dia mivatravatra miditra Leglizy, f'ataony fa toerana touristika izy io fa tsy toerana ivavahana..

[size=8](mila mivoaka avy ao @ tanananao ao ihany ianao ry Gasy1zay... fa araraoty ny internet fa afaka mandeha virtoaly hatraizatraiza ianao...)[/size]
10. rhaj0 ( 22/12/2014 18:13)
gasy1zay:
izay ny anton'ireny tafika masina ireny

hono ho'a .. sao reference mitovy io lazainao io sy ny lazain'ny moslimo fundamentalista ?
Samy "Abrahamic religion" mantsy ireo... iray fototra.
11. gasy1zay ( 22/12/2014 18:57)
Ny tafika masina resahiko dia ny fitoriana ny filazantsara any @ ny toerana tsy mbola naheno fa ny an'ny silamo moa dia tsy haiko raha manao izany izy na tsia.

Izaho anie tsy nilaza hoe izay rehetra maheno na mandre ny baiboly dia lasa "converti" ho kristianina daoly e! Misy mandre fa tsy mino, misy maheno fa tsy miraharaha, fa midika ve izany fa raha te hamaky baiboly ny sinoa ohatra dia tsy hahita izy? Tsy misy baiboly @ teny sinoa ve?
12. rhaj0 ( 22/12/2014 19:15)
Ny sinoa anie ry Gasy1zay ka amina miliara e... Ny vohitrakely sinoa any, dia tena siora (aho), fa misy TSY nahita baiboly ny voamasony.. Ny vohitrakelinao izao manana, fa any Mada koa misy tsy manana, tsy nahare na ny pitiny aza ny @ izany.

Dia giravy ilay egocentrisme-nombril du monde-nao eeee... Raha ni-scroll ilay io izao ianao, dia angambany ... hitako hatraty fa hotry ny hoe, avy any an-danitra izany I A.tra, avy atsy @ galakisia ilay sary @io, dia mi-scroll ka mi-scroll, dia midina ary mi-se concentrer "aminao tenabenao" (sy ny finoanao) = ianao (sy ny finoanao) no "centre du monde"...
13. gasy1zay ( 22/12/2014 19:43)
Tsy ni scroll izany za e! :) mba mamaly araky ny fahitako azy eto za fa tsy nitsingolika ny lien nalefan'ingahy :)

fa tsy haiko anie hoe inona no tena andrasan'i rhaj0 @ ny kristianina sy avy @ Andriamanitra e!
14. rhaj0 ( 22/12/2014 20:19)
http://htwins.net/scale2/
Mbo jerijerevo sy sokafo ihany fa ny zanako izao ohatra dia tena sondriana mihintsy mahita ny firafitr'izao tontolo izao. Koa na izaho azany mba variana hoe kay izay ilay izy...

[size=8]Fa hotry ny hoe, matahotra ve I Gasy1zay sao dia mahazo "fahalalana" izay mety mifanipaka @ "finoana" ? Aza matahora eeee :-)[/size]
15. rhaj0 ( 23/12/2014 12:02)
gasy1zay:
fa tsy haiko anie hoe inona no tena andrasan'i rhaj0 @ ny kristianina sy avy @ Andriamanitra e!

an an... "tsy miandry n'inon'inona" aho kah... tsy mitady n'inon'inona... tsy manantena n'inon'inona.

Dia mbola hotry ny hoe, ny "finoanao" no centre du monde, ary "incontournable" @ fiainan' "izao tontolo izao" rehetrarehetra mihintsy ny anao ao... tena izany o?

Ary dia tena hotry ny tsy mi-click aminao mihintsy fa ny olona hafa maro anie ka samy manana ny reviny koa, ary tena samy hafa @ ny anao, ary dia tena "revy" koa anefa izany...

Fa dia asaina (inviter) mi-scroll ihany aloha ianao mba ahafahanao mba maka recul, fa dia tena hotry ny mampalahelo fa dia hotry ny mikarainkona miforitra mihoboka ao @ nombril-nao ao foana izany ianao k'nouuuu...
16. rhaj0 ( 23/12/2014 13:53)
Toa diso indray aho raha milaza fa tsy miandry n'inon'inona, f'aza tsiny... Manantena ampitombo "fahalalana" tokoany kay moa aho @ ireo fanontaniako apetrako eto ireo.
17. gasy1zay ( 23/12/2014 14:03)

rhaj0:

Toa diso indray aho raha milaza fa tsy miandry n'inon'inona, f'aza tsiny... Manantena ampitombo "fahalalana" tokoany kay moa aho @ ireo fanontaniako apetrako eto ireo.


Mitovy ihany anie isika raha izany e, ianao rhaj0 te hampitombo ny fahalalan'ny sasany @ resaka siansa sy ny fahalalana dia izaho mba te hampitombo ny fahalalanao/nareo an'i Jesoa Kristy.
18. rhaj0 ( 23/12/2014 14:30)
Ka dia mahafinaritra izany, ary isaorana ny namana maro teto, fa mahatsiaro aho, fa nitombo fahalalana ny @ finoana kristiana @ ankapobeny tokoany. Betsaka izay resaka teto izay, fa dia mahatsiaro vonona aho izao rahefa manana... "questionnement" ... ny zanako ohatra (koa na izaho sy ny questionnement-ko aza dia efa voavaliko tenako ihany koa izao).
19. gasy1zay ( 23/12/2014 14:37)
Ko inona izany fa dia Joyeux Noel e! :)
20. rhaj0 ( 23/12/2014 14:47)
Ieee.. Happy Holiday - Joyeuses Fetes - daholo...

Entre-pa.. ny anay ho'a, vao manomboka ny volana desambra, dia fony kely ny ankizy, dia ametrahanay miafina 'hafatra' kely avy @ Lutin ao an-trano. Dia iny no tadiaviny isa-maraina, ary dia manjabe ny andro manontolo.

Dia ny aty Kebek koa izao, dia tena mamboatra hotry ny statue-kely na Lutin indray izao no malaza. Dia ny ataony dia, asaina manao zavatra mampihomehy, espiegle, toatoa izany ilay Lutin isan'andro (na araka izay ahavitana azy ao). Ohatra hozy ilay namanay hoe, ilay sariolona lutin keliny izany efa eo, dia manao bonhomme de neige kely eo akaikiny izy, Na hoe, asiany tady mitsivalana ao an-trano, dia ahantony @ ireny bonbon cane ireny ilay sarivongana lutin, dia hoe mikorisa avy any ka mankany, na atao miafina ao anaty akanjo na kiraron'ny ankizy, ets...

Fa dia mamirapiratry ny hafaliana ny mason'ny kilonga e... manidina mihintsy ny "imagination"-ny... Mahafinaritra daholo izany :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2467