miarahaba!saika mba hametraka fanontaniana.Raha oh...

1. olylala ( 19/12/2014 12:54)
miarahaba!saika mba hametraka fanontaniana.Raha ohatra ka nividy tany efa 6 taona lasa izay efa vita mutation @nay le tany de @ zao fotoana misy tonga milaza fa tompon'ny tany indray de inona no tokony hatao de aiza no aleha mila valiny SVP raha misy manankevitra.Misaotra
novalian'i hery ny 09/02/2015 11:09
2. hery ( 09/02/2015 08:36)
Nanahoana no niafaran'ity resaka ity?

Raha ny tokony ho izy dia tsy vita mutation izany ny tany raha toa ka tsy tena an'ilay nivarotra azy, fa amin'izao fotoana izao dia matetika manjàka be ny hosoka ka na ilay mpivarotra tany aza dia milaza fa ho tompony ary manana taratasy milaza izany, nefa misy olona hafa izay tena tompony koa, manana taratasy milaza izany.

Ny anakiray amin'ireo taratasy ireo ihany anefa no tena marina.

Tsara jerena any amin'ny fananan-tany hoe iza marina no tena tompony misoratra any, fa tsy izay mitondra taratasy rehetra dia mety ho tompony avokoa.
3. ombelline ( 09/02/2015 10:49)
Mety hadinon'i Hery hoe any Madagasikara no miseho ny tantara .

Izahay manana tany any, efa in-3 izao no nisy nivarotra ilay tany : efa misy olona manomboka asa eo , dia hitan'ny fianakaviana vao gaga hoe fa ahoana ? tany vao novidiany hono io. Tsy diso izy fa voafitaka .

Ao @ domaine no misy olona manao tsikombakomba @ mpangalatra . Ny anay moa dia nazava be hoe misy mahalala hoe tsy eo an-toerana ny tompony dia mamorona taratasy sy miray tsikombakomba @ ao @ domaine izy mivarotra azy @ olona tsy mana-tsiny.

Tsy mandainga aho milaza an'io hoe efa in-3 nisy nivarotra io
4. hery ( 09/02/2015 11:09)
Ka io no mahagaga ahy.

Raha ilay mpivarotra tany no manana taratasy fitaka dia ekeko ihany. Fa raha toa ka hoe alohan'ny mividy tany no mijery any amin'ny domaine hoe an'iza marina ny tany dia mbola ho voafitaka koa ve?
Sa tsy azo atao ny mijery any amin'ny domaine hoe an'iza marina ny tany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6195