ImanoEl: amintsika El

21. gasy1zay ( 15/12/2014 17:01)
rhaj0 > afaka manery anao hivavaka ve aho? Tsia ngamba ny valiny, fa ny afaka ataoko dia manoro anao hoe misy famonjena sy fiainana mandrakizay azo raisina raha mino an'i Jesoa Kristy ianao, ny mananatra anao hoe mety rehefa tsy mino ianao dia mety aona no hiafarany ...

Afaka manery an'i raneny hiditra anaty bus ve ianao raha mihevitra izy hoe tsy mety aminy ilay tery? Tsia ngamba ny valiny, fa ny afaka ataonao dia ny mampitandrina azy hoe mety io ny bus farany mandalo fa ho tavela eo izy raha tsy miakatra.

22. rhaj0 ( 15/12/2014 17:16)
OK... "mampitandrina" sa "manoro"... Rahefa iana(re)o dia "manoro" fa rahefa izaho dia "mampitandrina" :-)

Rehefa iana(re)o, raha ny fahitako azy, dia mampihorohoro :-)
23. RBNIR ( 15/12/2014 17:22)
rhaj0:

OK... voanao ve izany aho @ io ? :-)

Akanga aloha... ka tsy mazava (amiko) aloha izany ny an-dry RBNIR, hoe "ny anao ihany aloha" sa tsia...

Rehefa navotana hiala tao sodoma ry lota mianakavy dia indrisy nandika ilay didy nomen'Andriamanitra ny vadin'i lota (niherika izy ka lasa vongatsira),

Izaho mino, fa raha variana niverina i lota sy ny zanany namonjy ilay vadiny sy ilay reniny dia azoko antoka fa dia tavela teo ihany koa,

Misy fetra ny fitiavana ny hafa ry namana tsy hoe rehefa te-hovery akory ny hafa dia iny koa ianao fa hiaraka aminy any na dia fantatrao fa ho very any koa aza ianao.

Ampy ho fanehoana fitiavana ny filazana ny marina amin'ny hafa namana tsy azo atao ny manery olona fa ny mampahafantatra no azo atao.

Izay fotsiny ihany......

Samia ho tahin'ny Tompo namana
24. rhaj0 ( 15/12/2014 17:32)
OK.. dia rahefa aiza ho aiza (aho) no tokony "hitehaka" ?? dia iza no tehafina ????
25. RBNIR ( 15/12/2014 18:51)
rhaj0:

OK.. dia rahefa aiza ho aiza (aho) no tokony "hitehaka" ?? dia iza no tehafina ????

Raha inoanao fa Andriamanitra no miasa amin'ilay olona mitory teny dia IZY omem-boninahitra fa aza ilay olona mitory e!
Izay no mahatonga an'ilay hoe AMEN! NA HALELOIA isaky ny mandre toriteny ianao ka resy lahatra amin'ny fahamarinan'ilay teny notoriana!
HALELOIA = Voninahitra anie ho an'Andriamanitra! Amen = Fanekena na koa hoe hotanteraka tokoa anie izany (manana heviny 2).

26. moustaraf ( 16/12/2014 09:19)
Tsy hoe manamaivana ny fanohizanareo ny fifanakalozana, fa toa lasa hors sujet be amn "Imano El " fa tsy Imanoela araka ny dikan teny,
2. Ny teny hoe "hallou yah " dia :
imperatif midika hoe "derao yah "
yah :forme dimunitif an'i Elohym,

Ka mampalahelo be ny mahita ireto mpivavaka mafana fo samy mihiakiaka "aleloya! aleloya !vokatra ny tsy fahalalana,
Iza no asaina hidera? ny vahoaka
Ary raha ny vahoaka indray no miredona aleloya, dia iza no asainy midera?? lasa tsy misy dikany ilay zavatra atao!

27. ombelline ( 16/12/2014 10:21)

rhaj0:

OK.. dia rahefa aiza ho aiza (aho) no tokony "hitehaka" ?? dia iza no tehafina ????


Quand tu veux et qui tu veux ... clap clap
28. rhaj0 ( 16/12/2014 13:48)
Io mitehaka io ange ry Ombelline ka tena maneho ny artisitikanao e... ohatra hoe, rahefa 1-2-3-4 ohatra ny hira, dia ny fotsy hono eo @ 1 sy 3 izy mitehaka, ny mainty eo @ 2 sy 4.
Ka aleo manontanintany foana.. fa ny valimbaliny foana dia mbola tsy raisina aloha :-)
29. ombelline ( 16/12/2014 15:01)

rhaj0:

Io mitehaka io ange ry Ombelline ka tena maneho ny artisitikanao e... ohatra hoe, rahefa 1-2-3-4 ohatra ny hira, dia ny fotsy hono eo @ 1 sy 3 izy mitehaka, ny mainty eo @ 2 sy 4.
Ka aleo manontanintany foana.. fa ny valimbaliny foana dia mbola tsy raisina aloha :-)


Ka matetika ianao manontany nefa toa tsy vonona ny hihaino ny hafa ka tsy aleo ve dia lazaina mialoha anao hoe izay tianao io
30. rhaj0 ( 16/12/2014 15:12)
Ekena.. fa ny marimarina kokoa, dia "TSY vonona" (na TSY-tia akoriny angamba hoy ianao) ny handray (assimiler) aho, fa kosa, manontany tsara ahalalako sy azahoako (comprehension) tsara ny fipetrakareo ...
31. ombelline ( 16/12/2014 15:25)
rhaj0:

Ekena.. fa ny marimarina kokoa, dia "TSY vonona" (na TSY-tia akoriny angamba hoy ianao) ny handray (assimiler) aho, fa kosa, manontany tsara ahalalako sy azahoako (comprehension) tsara ny fipetrakareo ...


Izay koa ilay mahatonga ny valy boraingona satria izaho mahatsapa fa tsy raharahianao ( respecter) akory izay lazain'ny hafa mamaly eto

Dia samy afaka hoy ny ankizy :-)
32. rhaj0 ( 16/12/2014 15:35)
Raha misy politisiana manao debat izany dia, satria ny andaniny TSY "hino" izay aroson'ny ankilany, dia "valy borainginy" no henoin'ny mpijery... Ka dia asakasakao izany... fa samy afaka daholo kah :-)
33. bor2lais ( 17/12/2014 10:04)
moustaraf:

Anarana "tsy azo ovana " ,izay no antsoina hoe "droit culturel et originel "

mousta:

yah :forme dimunitif an'i Elohym

Lazao izay marina : azo ovana ve sa tsy azo ?
H.S
Mety heviny hafa : yah = eny = oui
Rehefa miverindroa dia lasa hoe "oui-oui" ! ;-)

mousta : forme diminutive an'i moustaraf ... :-)
Tapitra ny H.S
34. ombelline ( 17/12/2014 10:16)

rhaj0:

Raha misy politisiana manao debat izany dia, satria ny andaniny TSY "hino" izay aroson'ny ankilany, dia "valy borainginy" no henoin'ny mpijery... Ka dia asakasakao izany... fa samy afaka daholo kah :-)


Mazava tsara izany ny état d'esprit nao tonga eto ka rariny ihany ny vali-boraingona.
35. moustaraf ( 17/12/2014 13:13)
Ka eo indrindra ry namana bor2lais sa bor2l azafady, no mampibirioka ny fivavahana maro be.
Misy kolotsaina miaraka amin'ilay fivavahana izay an'ni hebreo
36. rhaj0 ( 17/12/2014 14:10)
Mampiasa ny teny "rariny" i Ombelline, fa ity k'lou ny famaritana
Rariny: Fitsarana araka ny tokony ho izy, izay mirary tsara, izany hoe miady masony tsara tanteraka...

Izany hoe, ny tianao tenenina ry Ombelline ve, dia hoe, "miady masony tsara" @ atao eto ny valim-boarainginy atolotry ny Kristiana (sasany) ?... Rahefa izay izany no "atao eto", hoz'nareo mpanome vali-borainginy), dia tsisy olana (amiko) .. ny Ankizy mandalo eto ny ahy no zava-dehibe ny mba ahalalany ny resaka..
37. bor2lais ( 17/12/2014 15:54)
mousta > "akaikin'i EL" ve no tianao tenenina ? :-)
38. moustaraf ( 21/12/2014 04:31)
Ny famakiana ny tantaran'ny hebreo dia ilana fahalalana ny kolotsaina miaraka aminy.
ohatra:
hallou yah : raha tsy mahalala ny kolotsaina hebreo dia tsy hahafantatra fa Yah : El

ka ny hoe "IMANO EL "dia tsy azo adika velively hoe amintsika Atra. Satria El tsy Atra.
39. rhaj0 ( 23/12/2014 14:37)
dia ahoana izany ilay hira nankafizinay, fianaranay flute, ilay taloha hoe "El Condor Pasa" ? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8593