POOPY 32 taona an-tsehatra @ 2015- hanao fampisehoana ve ?...

1. shmaisrael ( 11/12/2014 10:05)
Feno 30 taona ny nihiran'i poopy 1983 - 2013... tokony nisy ny 30è fa noho ny toe javatra maro.. dia @ 2015 ny fampisehoana... betsaka no miteny hoe tsy hijery intsony noho ny fiovan'i poopy... amiko raha mpankafy tsy tokony ny vie privée-ny no jerena fa ny kanto atolony...
2. hery ( 11/12/2014 11:01)
Tsy resaka vie privée kosa angamba ilay izy fa miankina amin'ny Kanto atolony tokoa.

Raha miova ny kanto atolotr'i Poopy ohatra hoe hira, tarehy, feo, akanjo sns dia tsy hijery poopy intsony ireo olona tia an'ireo taminy.

Ny olona tia Poopy tsinona dia anisan'ny nitiavany azy daholo ireo.

3. shmaisrael ( 11/12/2014 11:52)
raha tena mahafantatra azy sy mankafy dia tsy niova izy... nanao fampisehoana izy taorian'ny fiovany... animation mariage, fety privé, fampisehoana miarak@ artiste maro fa toa voa may gaga ny olona rehetra hoe hay tsy niova izy... mbola ao daholo ihany ilay maha poopy azy... faly ny mpankafy na dia betsaka aza ny tsaho e...
4. shmaisrael ( 11/12/2014 11:55)
... asa iza loatra izao manely tsaho hoe tsy mihira intsony izy...
5. hery ( 11/12/2014 11:56)
Ka rehefa avoaka ny sary, ny video sns dia ho hitan'ny olona hoe kay tsy niova izy.

Inona moa no misakana an'i Poopy tsy hanao fankalazàna ny 32e année nihirana dia atao mafotaka ny pub hoe ilay Poopy taloha ihany io, raha maharesy lahatra izy dia tena tsara. Fa raha tsy tonga ny olona dia mety ilay Poopy mihitsy no efa lany manja fa tsy hoe niova na tsia.
6. shmaisrael ( 11/12/2014 12:06)
tsy mila ampahafantarina hoe tsy niova izy sns... hitan'ny olona eo foana izy rehefa tonga ny fotoana e... ny olona rehetra @ zao efa miandry mafy io fampisehoana io...
7. shmaisrael ( 11/12/2014 12:14)
nisy fampisehoana t@ volana mai "tolotanana ho an'i nono"... dia nandray anjara izy...izany ary hoe public an'i mahaleo fa horakoraka tsisy otrzany... otrzay ihany koa ny t@ izy invité t@ escale n'ny kopikolé tany @ tv plus... tsy nifandrenesana tao anaty trano... otrzay ihany tao @ coliséum ny ampitson'iny... tena ni-manquer ny olona izy...
8. sylvia14 ( 11/12/2014 19:01)
ny maha poopy azy no jerena fa tsy ny hoe niova izy ma ahoana e.
9. shmaisrael ( 12/12/2014 05:39)
ohatra, raha mihira ilay tahak'izay iny ve izy @ zao... dia hiova aona moa??? ny feony ihany no feony...izy poopy ihany no mihira azy.... ny olona tena mampalahelo mihitsy fa faly ny hitakoritsika foana...
10. moustaraf ( 17/12/2014 07:30)
Salama namana,
Ny hira dia "Art" na "haikanto" ka tsy ny feony fotsiny akory no inona fa ilay IZY @ maha-izy azy no itiavan'ny mpankafy azy! satria efa izy no "sary na image" velona ao an-tsain'izy ireo! ka raha hivarotra hira dia amindy ihany koa ny momba ny mpanakanto manao an'ilay hira.
Tsy eto amintsika loatra akory no tena misy an'io fa ny mpanakanto malaza rehetra any ivelany ireny dia "mitandrina fatratra @ io image " ivelany io mba tsy hiova ny fankafizan'ny mpankafy azy.
Ohatra:
-Be dia be ireo mpihira "arabe" no akafizina @ territoire chrétienne ohatra, fa ilay feeling "musulman" mihitsy no itiavan'ny olona azy,
-MARO IREO mpanakanto "les abelines, Fara andriamamonjy, sTENNY,..." no mampiaina feeling chrétien ,
ka tampoka eo ireo olona ireo MIOVA SARY, i Fara Andriamamonjy ohatra lasa nanao hira "très islamique" na gadona na feo, sns....
Mila fotoana elaela mihitsy vao mety ho voataiza amin'izany iretsy efa mpankafy taloha iretsy!
Tsy ifanomezana tsiny io fa zavatra très personnel, izay tsy baikon'ny tena akory aza satria feeling et sentiment!

11. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 04:48)
Ary ny teny tonga hira ary ny hira dia kanto ary ny kanto dia art ! Noho izany ! Fitaovana fotsiny ny mpitondra ny kanto ! Raha mihira am fiteny ofisialy Ramora favôria dia be ny hankafy ! Fa ny fahalalan'ny maro ny vie privé-ny dia nahatonga ny fandraisan'ny olona azy ho adaladala sy miteniteny foana ! Any Amerika ireo artista tena miteny ratsy tsotra izao ! Eto anefa zavatra tahaka ireny dia ts zaka ! Indrisy ry mpijery tavan'ny Kanto ! Ny kanto re jerena sy ankafizina fa izay mitondra azy any ve ho raharahianao e ! Sa tsy izany
12. shmaisrael ( 16/01/2015 12:00)
ny tena mampalahelo dia ny tsaho etsy sy eroa!!! lasa any @ kohen hono i poopy e.... tsy manao kiraro intsony hono izy dia misarona daholo ny vatany dia ny masony sisa no miseho, tsy mihira ny hirany taloha intsony hono e............ sipan'i kohen rivolala e.... voan'ody e...... aza mampihome ry reto ah
13. Fiffi ( 16/01/2015 13:58)

shmaisrael:

ny tena mampalahelo dia ny tsaho etsy sy eroa!!! lasa any @ kohen hono i poopy e.... tsy manao kiraro intsony hono izy dia misarona daholo ny vatany dia ny masony sisa no miseho, tsy mihira ny hirany taloha intsony hono e............ sipan'i kohen rivolala e.... voan'ody e...... aza mampihome ry reto ah


ianao ihany no mandefa zao dinika zao ato koh......raha tsy mino sy nahita an'zany ianao de aza lazaina eto fa .....
14. Fiffi ( 16/01/2015 14:00)

shmaisrael:

... asa iza loatra izao manely tsaho hoe tsy mihira intsony izy...


;) de maninn no lazaina eto zany nefa efa fantatrao tsaho ? ;)

....eto zao de enao no milaza an'zany.....
15. shmaisrael ( 19/01/2015 11:02)

Fiffi:


shmaisrael:

... asa iza loatra izao manely tsaho hoe tsy mihira intsony izy...


;) de maninn no lazaina eto zany nefa efa fantatrao tsaho ? ;)

....eto zao de enao no milaza an'zany.....





milaza ireo aho satria ireo no tsaho lazain'ny olona ary malaza be amin'izao, ka rehefa tenenina hoe tsy marina ireo dia zay vao gaga ny sasany hoe ary iza ary no mamorona an'ireo.... ? forum no eto, fifanakalozan kevitra, ary normal raha tanisaiko eto ireo satria resaka toy ny resaka rehetra... @ maha mpankafy ah no hitenenako an'ireo... satria mampalahelo ny fisainan'ny olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1119