NO-EL / NOEL / NOELY

1. moustaraf ( 04/12/2014 10:33)
NO-EL !
lavintsika tokoa ve i EL?
EL: ilay nampisy ny lanitra sy ny tany
EL: ilay nivavahan'i Abraham, Itshak , Yaakov
EL: nanome antsika ny mpamonjy dia ny zanany malalany

Inona no mitranga?
Jeremia 10 : 3
Izao no nolazain’i Adonay: “Aza mianatra ny fanaon’ireo firenena+ ary aza mihorohoro noho ireo famantarana eny amin’ny lanitra, satria ireo firenena no mihorohoro rehefa mijery an’ireny.+ 3 Fa zava-poana toy ny fofonaina ny fanaon’ireo firenena.+ Hazo+ nokapaina tany an’ala no namboariny, dia asa tanan’olona tena havanana amin’ny fampiasana antsy fanaovana sokitra.+ 4 Volafotsy sy volamena no nandravahany azy,+ ary fantsika sy marotoa no nanakambanany azy mba tsy hihetsiketsika.+ 5 Toy ny kalo fampitahoram-borona eny amin’ny sahan-kôkômbra ireny, ary tsy afa-miteny.+ Tsy maintsy bataina ireny fa tsy afa-mamindra.+ Koa aza matahotra azy, fa sady tsy mahatonga loza izy no tsy afaka manisy soa.”+

Tsy izany ve no mitranga rehefa ankalazaina ny NO-EL?
2. shmaisrael ( 05/12/2014 08:05)
mampalahelo fa manaraka be fahatany ny ataon'ny firenena hafa isika e... oviana vao ho tonga saina! ny olantsika dia tsy mamaky tsara izay voasoratra, sy ny niandohan'ny tantaran' io 25 décembre io... saingy efa tonga ny fotoana hiverenan' elohim @ vahoakany...dia aleo ho hitan'ny havany eo izay minia mikipy sy tsy hitandrina ny didiny
3. hery ( 05/12/2014 08:17)
lolll...
izany ve tsy mitovy amin'ny hoe
HOT-EL / HOTEL /HOTELY?

Mafana tokoa i EL ao amin'ny hotely?

Mba jereo ihany ny fiavian'ny teny (étymologie) fa ihomezan'ny olona fotsiny ange ianareo e.

4. mpisotrtoaka ( 12/01/2015 05:06)
Marina ny an'i Hery ! Ny B-EL-zeboba koa izany mba ahoana ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9725