You are here: home > Forum

Sakafo malagasy anio

Lohahevitra : Sakafo
Fitohizan'ny hafatra : Sakafo malagasy anio
Valiny : 1
ryana - 25/11/2014 09:10
Sakafo malagasy anio

gouter : mangahazo endasina sy sauce voanjo (na sakafo hariva)
- andrahoina ny mangahazo lena voatapaka lavalava ary asiana sira kely.
mandrapaha-masaka ny mangahazo dia manao sauce voanjo.
- ity fomba iray : Endasina ny oignon votetika madinika dia arotsaka ny votabia dia arotsaka ny voanjo efa voatoto asiana rano kely ary asiana sira dia avela ho masaka, raha diso matsora loatra dia azo asiana lafarine kely dia vita.
- rehefa masaka ny mangahazo dia ariana ny ambin'ny rano ary endasina amin'ny menaka ka rehefa mena tsara vao esorina.

azo hohanina miaraka amin'ny hena atono na koa amin'ny salade, ny ahy nohanina tamin'ny cocombre sy beignet de crevette
mazotoa o
http://forum.serasera.org/media/images/m/75932921fec63a5cf8c3591e3e92ba77.jpg

Nalaina tao am fb
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 25/11/2014 19:33
wow, tsara velona izany anaty vilia zany ! Misaotra nizara recette ô.
Valio | Miverina eny ambony