Fantatrao ve ny Tompo

1. Tefigasy ( 24/11/2014 07:03)
Tovovavy kely iray manana fahasembanana i Sarindra. Tsy mahay miteny izy no tsy mahay manetsika tsara ny tanany toa ny olon-drehetra ary be rarakivy ihany koa. Hatramin'ny fahakeliny dia tomany sy fahakizitinana ihany no fomba firesahany amin'ny reniny sy ny manodidina azy rehefa misy zavatra ilainy na tadiaviny. Rehefa izany dia somary nailikiliky ny ankizy mitovy taona aminy i Sarindra satria toa manahirana ny miara-miaina aminy. Vokatr'izay dia matetika i Sarindra no milalao irery.
Nampahonena tokoa ny mijery an'i Sarindra, hany ka somary niangaran'ireto anabavin-drainy anakiroa izy. Isaky ny tonga mamangy azy, ireto nenitoany roa ireto dia mitondra zavatra (kilalao, sakafo) ho an'i Sarindra mitokana hatrany. Faly ery anie i Sarindra isaky ny mba tonga any aminy ireto havany ireto e.
Indray andro, tsy mbola nisy nahalala ny tao antranon-dry sarindra hoe ho avy hamangy azy indray ireto nenitoany roa ireto. Vao nanagasanga kely teny an-dafiandrefan'ny tanany ireto olona hamangy dia efa nibitabitaka teo andavarangana i Sarindra. Gaga daholo ny tao an-trano hoe maninona i Sarindra no faly be. Nijery azy teo an-davarangana ny tao an-trano ary notondroin'i Sarindra ireo olona mbola eny an-dafiandrefan'ny tanana. Mbola gaga ihany ny tao an-trano hoe izy ireny olona ireny, satria mbola tsy tazana mihitsy ny endriny, na ny tsanganany aza mbola sarotra vinaniana hoe lehilahy ireny sa vehivavy. Sarindra anefa tsy mijanona mitsinjaka. Nanatona ihany ireto olona ary rehefa nihanakaiky vao talanjona ny rehetra fa tena ireo nenitoan'i sarindra ireto olona.

Hajanoko hatreo ilay tantara, fa atodiko aminao ny hafatra: Sarindra dia olona manana fahasembanana, misy tsy fahatomombanany ny fiainany; na izany aza dia fantany foana na dia mbola alavitra dia alavitra azy aza ireo olona tiany, mikarakara, mahafinaritra azy. Ianao kosa, mino aho fa olona hary nofo sy saina tsara ianao, mba fantatrao ve na tsy mbola hitanao mivantana aza ilay Andriamanitra mikarakara, mitia, mitaona anao ho ao aminy ? Te hampandova fiainana sy fifaliana ho anao io Andriamanitra io ary mbola fitiavany anao hatrany raha mbola asainy mamaky ity hafatra ity ianao, valio ny antsony, tafio Izy, dia ho hitanao fa hahafantatra Azy mihoatran'izay niainan'i Sarindra ianao. Ity ny fehiny : Mark.14:11
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3812