Kapoka & tsoran-kazo

1. Tefigasy ( 21/11/2014 04:00)
Nisy zazavavy kely iray: Ony no anarany, telo taona izy. Anisan'ny tena nifampatoky tamin'ny ray aman-dreniny tokoa i Ony satria tsy mbola hita nandainga na nagala-pinana na naka zavatra tsy nierana na namalivaly na sarotra tenenina izy.
Indray andro, tratran'ny fakam-panahy i Ony: nisy zavatry ny rainy, izay efa nitenenana azy tsara fa tsy tokony ho kitihany sy lalaoviny nefa noraisiny ihany ka lasa simba ilay izy satria nianjera. Fantatr'i Ony tsara fa ho bedy izy satria efa nilazana mialoha fa tsy tokony hikitika io zavatra io mihitsy. Niantso azy ny dadany dia nanontany azy, tsy nandainga i Ony fa nilaza ny marina fa tena izy mihitsy no namotika ilay zavatry ny dadany. Efa niteny azy ny dadany fa raha manao zavatra toa izany i Ony dia kapohina. Nokapohin'ny dadany i Ony ary tena tsapan'i Ony fa narary azy ilay kapoka. Nikaikaika mafy izy no sady nitomany, tsy nitsoaka izy fa vao maika aza nofihininy mafy be mihitsy ilay dadany eo am-pikapohana azy. Inona hoy ianao no nitranga ? Lotika ihany koa ny fon'ilay dadany ary dia samy nifanambitamby teo izy mianaka. Hoy i Ony hoe: tsy hanao intsony za fa mifona, sady mbola namikitra mafy ny rainy, ny dadany kosa namaly azy hoe tsy hahazo kapoka intsony ianao ry Ony raha tsy mamerina intsony.

Mety efa kristianina ianao nefa mbola mihatra aminao hatrany ny tsoran-kazon'Andriamanitra. Dia hoy aho aminao hoe hiderao sy hankalazao Azy izany fa mbola mariky ny fitiavany anao hatrany, mbola mandraharaha anao ny Tompo.
Ao anatin'izany kapoka izany dia manaova toa ny nataon'i Ony: aza mandositra Azy, fa vao maika hifikiro mafy Izy, fa milaza aminao aho fa tena hahita an'izany tena fitiavana sy tambitambin-dRay izany ianao. Dia mahereza ao amin'i Kristy, ity ny hafatra: Lio.15:20
novalian'i rhaj0 ny 02/12/2014 15:03
2. moustaraf ( 21/11/2014 07:50)
Salama e!
Tsetratsetra tsy aharitra ihany!
Ny teny hoe Kristi dia vy t@ "Chrestos" olom-boahosotra menaka,rehefa avy niofana ho mpanao ody mahery (mpamosavy, mpamorika, sns...)
Ny mpanara-dia an'ireo Chrestos ireo no natsoina hoe Chrestian, na krisitiana, na chrétien
Nho izany dia maro be ny olona "kristi" tamin'ny fotoan'andro fa tsy hoe tokana akory, satria nanjaka t@ izany ny fifaninanana ody mahery, mosavy, sy magie noire
(Azo vakiana ireo boky maro be momba ny mythologie grecque)

Fanontaniana:
Ilay zanaky ny Avo indrindra ve "kristi" ?
Isika ve manaiky ho antsoina hoe "kristiana" satria mpanaraka "kristi"?

Satria tsy voadika tamin'ny teny grika ny "Hamashyarh" hebreo dia nampahitsiana ny fandikan-teny , na dia mibirioka @ tsy alehany intsony.
Ary misy antony lehibe ara-panahy izany, dia ny hampiondrika an'izao tontolo izao @ "kristi" grika (mpanao ody ratsy, mpamosavy,...) ary tsy ho fantatra intsony ilay tena tokony ho antsoina. IZA NO AMBADIK'IZANY???
3. hafahafa ( 21/11/2014 13:27)

moustaraf:

Fanontaniana:
Ilay zanaky ny Avo indrindra ve "kristi" ?
Isika ve manaiky ho antsoina hoe "kristiana" satria mpanaraka "kristi"?

Satria tsy voadika tamin'ny teny grika ny "Hamashyarh" hebreo dia nampahitsiana ny fandikan-teny , na dia mibirioka @ tsy alehany intsony.
Ary misy antony lehibe ara-panahy izany, dia ny hampiondrika an'izao tontolo izao @ "kristi" grika (mpanao ody ratsy, mpamosavy,...) ary tsy ho fantatra intsony ilay tena tokony ho antsoina. IZA NO AMBADIK'IZANY??

Miarahaba namana,
-Sahinao izany ny milaza fa ny kristianina rehetra dia miankohaka aminy mpanao ody ratsy?
-Dia diso ny Testameta misy ny anarany Jesosy(jesoa) Kristy?
Enao zany mbola miandry ny mpamonjy fona atramin'izao fa nenareo mbola tsy teraka ve?
sa hafa ny anarany sa tsy misy mitsiny? hi3
4. hafahafa ( 21/11/2014 13:32)

hafahafa:

So de Kristy iany no inoany moustaraf fa le lazainy eo ambony io toa Kristi
ny difference "i" sy "Y" ny farany
raha izay dia diso za.
5. gasy1zay ( 21/11/2014 14:47)

moustaraf:

Salama e!
Tsetratsetra tsy aharitra ihany!
Ny teny hoe Kristi dia vy t@ "Chrestos" olom-boahosotra menaka,rehefa avy niofana ho mpanao ody mahery (mpamosavy, mpamorika, sns...)
Ny mpanara-dia an'ireo Chrestos ireo no natsoina hoe Chrestian, na krisitiana, na chrétien
Nho izany dia maro be ny olona "kristi" tamin'ny fotoan'andro fa tsy hoe tokana akory, satria nanjaka t@ izany ny fifaninanana ody mahery, mosavy, sy magie noire
(Azo vakiana ireo boky maro be momba ny mythologie grecque)

Fanontaniana:
Ilay zanaky ny Avo indrindra ve "kristi" ?
Isika ve manaiky ho antsoina hoe "kristiana" satria mpanaraka "kristi"?

Satria tsy voadika tamin'ny teny grika ny "Hamashyarh" hebreo dia nampahitsiana ny fandikan-teny , na dia mibirioka @ tsy alehany intsony.
Ary misy antony lehibe ara-panahy izany, dia ny hampiondrika an'izao tontolo izao @ "kristi" grika (mpanao ody ratsy, mpamosavy,...) ary tsy ho fantatra intsony ilay tena tokony ho antsoina. IZA NO AMBADIK'IZANY???

http://fr.wikipedia.org/wiki/Christ#Religion
http://fr.wiktionary.org/wiki/Christ

6. rekinbelo ( 21/11/2014 16:56)
salama tsika ato ee
Krisrty dia avy @ teny grika oe kristos= voahosotra ary ra teny hebreo izy dia midiak oe Mashiah = voahosotra iany koa ny dikany.
Kristianina= manaraka an'ilay voahosotra fa tsy hoe mivavaka aminy akory.
Kristy tsy nohosorana menaka akory ary tsy misy fitantarana izany mitsy ao anty baiboly ao fa ny fanahy masina no nahosotra azy.
otrany tsy ampy fahatakarana soratra hebreo kely nareo ry moustaraf fa tadidio fa ny matio anie ka teny hebreo ny original no nadika teny grika nefa mazava tsara.
zay fa manakalaza namana izany de samy ho tahiana Jehovah daholo eee
7. bor2lais ( 21/11/2014 17:37)
Lasa nivilana ilay lohateny !
[size=8]Sao dia ... nefa moa lasa lazain'i rhaj0 fa manilikilika eo indray ! :-)[/size]
8. rekinbelo ( 22/11/2014 06:31)
Salama namana
tsy hoe nampivona le resaka za akory fa tiako ahintsy le teniny moustaraf etsy ambony namana, fa momba le oe kapok'Andriamanitra indray dia tsotra angamba no amaliako azy tefigasy aaa.z
Andriamanitra tsy mamaly na hoe mikapoka antsika @ zavatra nataontsika.
Nanome safidy malalaka anie izy eee dia ny hoe ny fiainana sy ny fahafatesana, ka isika no misafidy fa tsy manery izy, ary raha diso safidy isika dia tsy mikapoka antsika izy fa isika ihany no mizaka ny vokany eo. Izay hafafintsika ihany no jinjantsika.Hoy ny Galatiana 6:7 hoe izay afafintsika iany no jinjaintsika.
Safidy zany eo no mitana ny toerana voalohany fa tsy oe avy @ Ray akory.
Jereo ohatra fotsiny hoe nande mafy t@ moto lehilahy iray mpisotro toaka sy maditra @ vehivavy, de maty izy, misy izao no mitsara oe kapok'Andriamanitra no nahafaty azy, nefa raha ny marina dia izy no nahafaty ny tenanay fa tsy misy idiran'Andriamanitra mitsy, avy eo ko de lazaina fa nantsoiny Ray hody any aminy nefa ny adalany sy ny tsy fitandremany no nahafaty azy.
Fehiny tsisy idirany kapoka na famaizan'Andriamanitra ny safidy ataontsika fa isika ihany no tompon'antoka voalohany.
ZAy fa mahereza namana
9. rhaj0 ( 22/11/2014 14:07)
rekinbelo:
... tsy misy idiran'Andriamanitra mitsy, avy eo ko de lazaina fa nantsoiny Ray hody any aminy nefa ny adalany sy ny tsy fitandremany no nahafaty azy....

d'accord 200%... misaotra!.. tsotra sady mazava.
10. Tefigasy ( 24/11/2014 04:14)
rekinbelo:

(...)
Andriamanitra tsy mamaly na hoe mikapoka antsika @ zavatra nataontsika.

Sal.89:32 / Jer.14:17 / Nom.11:33 / Deo.28:59 / Lev.26:21
11. booboo ( 24/11/2014 13:07)
HS on(ndriiiiiii mampalahelo Ony. Ny dadany no adala tsy nahay nampirina tsara ny raha, tsy mba nieritreritra akory hoe maison d'adulte sa misy toerana ahafahan'ny zanany mivelatra mi-éxpérimenter koa ny tranony. Indrindra raha dangereux ilay zavatra tsy azo kitihana, maninona no mbola nataony à hauteur d'enfant ? Ilay rainy no adulte, tokony izy no nanontany tena hoe inona no besoin n'ilay zanany ambadik'ilay nanimba zavatra nefa efa notenenina ? Rehefa feno ( comblé ilay besoin ) dia tsisy ilaina ny kapoka mihitsy vao ho raiketin'ny cerveau-ny ny lesona.) HS off.

Zavatra toy izao no tsy ekeko mihitsy @ fomba fitoriana ny momba an'i Jesoa, mampita zavatra miainga avy @ trucs tsy manaja akory ny maha ankizy ny ankizy.
12. Tefigasy ( 24/11/2014 13:21)
booboo:

HS on(ndriiiiiii mampalahelo Ony. Ny dadany no adala tsy nahay nampirina tsara ny raha, tsy mba nieritreritra akory hoe maison d'adulte sa misy toerana ahafahan'ny zanany mivelatra mi-éxpérimenter koa ny tranony. Indrindra raha dangereux ilay zavatra tsy azo kitihana, maninona no mbola nataony à hauteur d'enfant ? Ilay rainy no adulte, tokony izy no nanontany tena hoe inona no besoin n'ilay zanany ambadik'ilay nanimba zavatra nefa efa notenenina ? Rehefa feno ( comblé ilay besoin ) dia tsisy ilaina ny kapoka mihitsy vao ho raiketin'ny cerveau-ny ny lesona.) HS off.

Misaotra anao naneho hevitra !
Fa toa mitovitovy am'in'io tranga io ilay zava-nisy tany Edena hatrizay tamin'ny andron'i Adama sy Eva. Dia ilay Andriamanitra nametraka ilay teniny tamin'ilay hazo tsy azo kitihana koa ve izany no diso hoy ianao ? Hoe efa fantany ihany fa .... mbola tsy nalany teo ihany, maninona izao iny hazo iny raha notehiriziny tsara tany an-danitra tany, ....blablablabla
Eritrereto ihany aloha e

Fa raha ilay zavatra tsy nasaina nokitihan'i Ony dia zavatra tsy misy dikany loatra mihitsy, zavatra tena mora simbaina, kanefa dia efa nampitoerin'ny dadany tamin'i Ony ny teniny ka na tsisy dikany aza ilay zavatra, i Ony no ......

Betsaka ny azon'i Ony hanitarana ny sainy raha ny tao an-tranony, na ny kilalaony fotsiny ihany aza dia tsy vitany ny mikirakira ny sasany fa betsaka loatra, ny fitaovana entina manitatra saina koa feno ao an-trano, saingy tsy haiko na niniana napetraky ny dadany mihitsy ve ity zavatra hafahafa kely iray ity

Enga anie ka ho azonao amin'izay ny lesona ao anatiny
13. booboo ( 24/11/2014 13:35)
Azoko tsara ny tianao hampitaina kah ;-). Ataoko fa tsy mitovy ny maturité n'ny adama sy eva ( adultes ) sy ny ankizy 3 ans, sa ? Ny besoins n'ny ankizy à 3 ans sy ny an'izy roa efa lehibe, izay efa comblés tanteraka vao napetrak'i Atra tao @ saha Edena ry zareo, tena tsy mitovy mihitsy. ny tena tsy ekeko mihitsy dia hoe satria lesona masina ho antsika adultes no tiana hampitaina dia tsy dia quoi loatra izay images omena anatin'ilay fanoharana, indrindra indrindra ka resaka ankizy. Izay ihany kah ;-).
14. Tefigasy ( 24/11/2014 13:43)

Eny ary , hiresaka fitaizana isika : tsy mampaninona anao ary ve ny tsy hifehy ny ankizy, tsy hasianao balise mihitsy ve ny zanakao amin'ny fiainany na dia mbola kely aza izy. Andrasanao ho efa lehibe tsy ho azo tenenina, efa manana ny mokon-dohany ve ny olona iray vao hampidirana sy asaina mitandrina zavatra iray. Hoy ny baiboly izay hoe Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza , ka na rehefa antitra aza izy , dia tsy hiala amin'izany.
Mba eritrereto ihany e
15. rhaj0 ( 24/11/2014 14:11)
Io "zaro amin'izay lalana tokony alehany" io kosa alongany ry Tefigasy, dia raha ny fahazoako azy, rahefa mandinika anareo aho, ampahatsorana, dia hotry ny hoe "dia asio tampi-mason-tsoavaly" fa dia "na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala ain'izany". Na hoe "ampiasao Karoty sy Kibay", ary rahefa "zatra" @ izay izy, dia ...

Ny ahy, na ny natoro ahy taty, dia hoe... avelao ny Ankizy hitady dia hahita, izy tenany ihany, ny lalana ho alehany, fa ianao r-a-d dia manampy sy manohana azy @ izay ilainy ao. ("how can I help you")
16. Tefigasy ( 24/11/2014 14:18)
rhaj0:

Averiko aminao ireto teny ireto dia mba vakio manontolo ilay toko raha mety : Sal.89:32 / Jer.14:17 / Nom.11:33 / Deo.28:59 / Lev.26:21
17. Tefigasy ( 24/11/2014 14:20)
Fa raha tohizako ny fiainan'io tovovavy kely io. Iray tanana amiko moa izy io ary mba anisan'ny tena mahafinaritra ahy tokoa. Nandeha nianatra izy indray mandeha (efa 6 taona izy teto), tsy dia lavitry ny sekoly hianarany ny tranony fa eo amin'ny 1km eo ihany. Eny an-dalana izy no nisy olona fianakaviany ihany (fa havana alavidavitra kely) nitondra fiara niteny azy hoe andao hiaraka aminay fa lalanay ihany ny fianaranao. Saingy tsy nitodika mihitsy izy na nierika fa ny lalany ihany no nizorany. Ny harivan'iny ihany dia nandeha niteny ny ray amandrenin'i Ony ireto havany hoe f'angaha na izahay koa aza dia tsy avelanareo hifampizatra amin'ny zanakareo fa nisy toa izao sy toa izao ..... Namaly azy ireo ny mamany hoe: ny an'i Ony rehefa tenenina izy hoe tsy mivilivily, tsy milalao an-dalana, tsy miresaka amin'ny olona rehefa eny an-dalana, dia tena ara-bakiteny ary voatandriny 100% iny fa hialana tsiny aminareo raha niavonavona izy androany.

Ary mety gaga angamba ianao hoe zazakely 6 taona no tsisy manatitra intsony fa avela sy afaka mandeha irery (raha tsy avy orana na marary tongotra, na misy tranga mampanahy eo an-tanana), satria tena lasa atokisan'ny ray aman-dreniny tanteraka izy nohon'ny fitaizana azony tao an-trano.
18. rhaj0 ( 24/11/2014 16:35)
Izany "kapoka" izany k'lou ry Tefigasy dia ... revy taloha eee... mety hoe ara-dalana izany ao aminao ao, fa raha aty (Kanada) aloha ianao, dia tandremo fa ho enjehin'ny Direction de la Protection de la Jeunesse ianao e... Ary dia ho esorina aminao ny zanakao e... Fa dia tandremo dia tandremo ny manaraka ara-baki-teny toa io ho'a, n'inon'inona "voasoratra" ao ...

Ary any aoriana any koa, dia mety ny zanakao mihintsy no manenjika anao eny @ Fitsarana fa nanao "abus" ianao eee... Dia tandremo tsara fa ny "abus" anie ka tsy hoe "abus physique" fotsiny, fa ny "abus verbal" sy ny "abus psychologique" dia tena takatry ny Ankizy tsara mihintsy izany izao (tsy voatery ho psy izy vao mahay io)... Mety tsy ho hainao angamba izany (izao) fa lazainao fa "fitiavana"daholo izany, fa mba sokafy ihany ny saina sy ny sofina eee....

...ndrao mantsy dia ifoterany ao rahefa antitra ee...

19. rhaj0 ( 24/11/2014 16:38)
Ampiako kely... aty Kanada izao, misy ireny afrikana sy mpihavy hafa ireny. Dia miseho be saina hoe, rahefa ato an-tranoko dia ny didiko no mandeha fa tsisy an'izany "droit de l'enfant" izany... he he ... fa dia mampamangy ary hitan'ny havany ao...
20. gasy1zay ( 24/11/2014 17:06)

rhaj0:

Izany "kapoka" izany k'lou ry Tefigasy dia ... revy taloha eee... mety hoe ara-dalana izany ao aminao ao, fa raha aty (Kanada) aloha ianao, dia tandremo fa ho enjehin'ny Direction de la Protection de la Jeunesse ianao e... Ary dia ho esorina aminao ny zanakao e... Fa dia tandremo dia tandremo ny manaraka ara-baki-teny toa io ho'a, n'inon'inona "voasoratra" ao ...

Ary any aoriana any koa, dia mety ny zanakao mihintsy no manenjika anao eny @ Fitsarana fa nanao "abus" ianao eee... Dia tandremo tsara fa ny "abus" anie ka tsy hoe "abus physique" fotsiny, fa ny "abus verbal" sy ny "abus psychologique" dia tena takatry ny Ankizy tsara mihintsy izany izao (tsy voatery ho psy izy vao mahay io)... Mety tsy ho hainao angamba izany (izao) fa lazainao fa "fitiavana"daholo izany, fa mba sokafy ihany ny saina sy ny sofina eee....

...ndrao mantsy dia ifoterany ao rahefa antitra ee...

Tsy izay lazain'ny lalàna any Kanada ry rhaj0 dia ho marina daoly fa ianao kosa angamba tsy afaka hilaza tsy ampihambahambana fa tsara taiza daoly ny zaza any amerika avaratra an! Izaho aloha tsy idirako lalina ny mikapoka sy ny tsia fa omeko ohatra mivaingana ianao, izao dia efa mandeha ny lalàna any USA ka toa efa eritreretin'zareo any Kanada momba ny fifohana rongony ankahalalana, raha izany no fitaizana modely ireo tanora aminao dia tsy kapoakako fa aleoko ihany fitaizana gasy sy ilay voasoratra ao @ baiboly :).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3912