Miraharaha sy mamonjy Jeso / Tsy mandraharaha Jeso

1. Tefigasy ( 20/11/2014 05:21)
Indray andro, rehefa avy nampianatra Jeso dia naniraka ny mpianany hialoha azy ho any amin'ny toerana iray atao hoe Betsaida fa Izy kosa mbola handeha hitokana hivavaka. Efa hariva ny andro tamin'io, ary naherihery ihany ny tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina satria sambokely no fitaovam-pitanterana nampiasan'izy ireo.
Nahita sy nahafantatra izany fahasahiranan'ny mpianany izany ny Tompo na dia tsy nisy nanambara taminy aza, na dia tsy nisy niantso vonjy (nivavaka) taminy aza ireo mpianany. Tonga nanatona azy ireo Izy, nandeha tongotra teny ambonin'ny ranomasina ary namonjy ny mpianany tra-pahasahiranana.

Indray andro, nasain'olona tamin'ny fampakaram-bady i Jeso. Teo am-pisakafoanana indrindra anefa dia lany alohan'ny sakafo ny divay. Sahiran-tsaina ireo tompon-draharaha noho izany satria dia hahita fahafaham-baraka. Teo i Jeso saingy tsy rototra sy tsy nanao n'inon'inona Izy. Nanery an-kolaka Azy ny reniny nanao hoe : "Tsy manana divay izy !" Fa ny navalin'i Jesoa azy dia hoe "ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? "

Hajanoko hatreo ilay tantara, fa hainao ve no mety hifandraisan'ireo tantara roa ireo na ny hevitra fonosin'ireo tranga roa ireo ?
Aleo aloha ianao no mamaly dia omeko ihany ny hevitro rehefa any ambanimbany any !
novalian'i rhaj0 ny 01/12/2014 18:38
2. rhaj0 ( 20/11/2014 11:11)

Tefigasy:
Fa ny navalin'i Jesoa azy [ny reniny] dia hoe "ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? "

Dia Jesoa marina no miteny, fa raha mba (maka inspiration dia) maka tahaka azy aho izao, na koa ny Ankizy mba mamaky ny tantara, dia hahazo ny hoe : "tena namelona zana-baratra ilay raneny"... na koa hoe "ireny ilay rehefa tafita dia manitsaka"... na ny tsotra indrindra, dia hoe "izany no mpaniratsira r-a-d" sy "mitsipa-doha laka-nitana"...
3. ombelline ( 20/11/2014 13:31)

Ny fijeriko azy dia hoe Andriamanitra mahalala izay mahasoa antsika na tsy miteny aza. Indrindra fa @ ity tantara faharoa ity, tahaka ny miteny izy hoe efa fantatro ny tokony hataoko
4. rhaj0 ( 20/11/2014 14:23)
ombelline:
Ny fijeriko azy dia hoe Andriamanitra mahalala izay mahasoa antsika na tsy miteny aza. Indrindra fa @ ity tantara faharoa ity, tahaka ny miteny izy hoe efa fantatro ny tokony hataoko

Tena misaotra manazava... fohy sady mazava.

Ny "communication" Aminy izany mandeha joli foana ao, ary "fantaNY ny tokony ataoNY"...

Ka dia tena "araka ny sitrapoNY" (daholo) koa izany izay mitranga rehetra eo... ary izany dia, n'inon'inona ataontsika.
5. gasy1zay ( 20/11/2014 14:26)
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako.

Raha ny fahazoako an'io dia tsotra, misy fotoana ny zavadrehetra, raha ny tokony ho izy zany dia tsy mbola tokony nanao fahagagana i Jesoa teo fa i Maria nefa nahafantatra hoe zanak'Andriamanitra izy ka mahay manao izay zavatra nangatahiny
6. rhaj0 ( 20/11/2014 16:10)
ok ok... dia hotry ny hoe dia mpitsongoloka fotsiny aho... Fomba fijery "nandra" na "virijiny" ny ahy, satria izaho tsy m(p)amaky hotr'anareo.. fa kosa hotry ny Ankizy ihany aho izany io..

Ka dia soa ho anareo izany fa mahazo feedback tsy miolankolaka ianareo... (rahefa miteniteny foana)... ny Ankizy ve tsy ny masony fotsiny no apitrapitrany ary dia .. tsy hainao izay any an-tsainy any, fa rahefa mamaly anao ny Ankizy hoe "mifaninona akory izaho sy ianao"... izay ianao vao taitra ...

7. gasy1zay ( 20/11/2014 16:28)
Io dia samy manana ny fomba firesany ry rhaj0, ianareo any Québec izao mitutoyer patron izay tena tsy fanajana hoan'ny frantsay, dia io koa mety mahagaga antsika gasy izay manaja ray aman-dreny nefa mety fomba famalin'zareo refa misy mangataka zavatra t@ izany, raha ny dikateny frantsay izao misy milaza hoe :Jésus lui répondit : « Que me veux-tu, femme ? Mon heure n'est pas encore venue. » , ny anglosaxon misy mandika azy hoe :“Woman,[a] why do you involve me?” Jesus replied. “My hour has not yet come.”
8. rhaj0 ( 20/11/2014 16:33)
[size=8](HS kely: miresaka mi-tutoyer ianao, fa t@ nandalo taty i Francois Hollande, dia nikabary ofisialy, dia ni-tutoyer... tena niambakavaka sahala @ nandrabe RaFransoa... esy e... vita HS)[/size]

Dia kay izany ny dikan-teny koa no tsy nety arak'io avoitranao io.. Ka dia vao mainka loza ho an'ny Ankizy mihintsy izany izy ity...

Dia ahoana koa izany ilay hoe "izay voasoratra dia voasoratra" izao ???
9. gasy1zay ( 20/11/2014 17:16)

rhaj0:

Tena nampiova ny finoan'i rhaj0 ve zany raha hoy i Jesoa hoe " Ahoana tompoko" :)

Ianao ve rehefa lehibe ka miresaka amin'ny ray amandreninao dia mbola mitovy ny famaly mbola kely koa hoe "ahoana tompoko" ?

Tena mety "offusqué" tokoa ve ny zanakao raha mamaky an'io valintenin'i Jesoa io ?

10. rhaj0 ( 20/11/2014 18:13)
Aza mijery "ahy" k'longany e... Araka ny efa nolazaiko dia ny Ankizy no tsinjoviko (ny zanako), ka dia hotry ny maka ny toeran'ny Ankizy eo anoloan'ny Finoana aho... ary dia manadihady mamabaha... ary dia hotry ny manome feedback ho anareo. Fa dia hoe: tsy "izaho manokana" no ilaina resena lahatra..

ka raha resaka, izay tsoriko fa "mamingavinga" r-a-d ny fahitako azy io, ilay dikany @ teny gasy io... raha izany no vakian-janako ohatra... dia ... soa fa nivoaka teto izany izy io.

Dia na ny tantaran'i Noa "mamo tampina" koa izany ohatra dia ... soa fa hitako mialoha koa ohatra..

Dia hita(ko) eto ahoana ny fandraisanareo an'izany rehetra izany (fa dia isaorana foana ho'a ianareo rehetra @ izany)

11. ombelline ( 20/11/2014 22:04)
rhaj0:

ka raha resaka, izay tsoriko fa "mamingavinga" r-a-d ny fahitako azy io, ilay dikany @ teny gasy io... raha izany no vakian-janako ohatra... dia ... soa fa nivoaka teto izany izy io.

Resaka dika-teny ny fijeriko an'io, tsara jerena ihany ny contexte feno hoe tahaka ny ahoana ny fomba fiainan'ny olona sy ny fomba fifampiresahan'ny olona t@ io toerana io t@ fotoan'andro

rhaj0:

Dia na ny tantaran'i Noa "mamo tampina" koa izany ohatra dia ... soa fa hitako mialoha koa ohatra..

Dia nahavariana ahy mihintsy hoe izay ihany ve no zavatra azonao notsoahina t@ io resaka io, raha tsy diso aho mantsy dia resaka divay no resaka teto.

Hoy ahy izao ny zavatra azo notsoahina haingana indrindra teto dia hoe " na olom-be tahaka inona aza dia mety ho resin'ny divay rehefa tsy mitandrina "
12. Tefigasy ( 21/11/2014 10:40)
rhaj0:

Tefigasy:

Fa ny navalin'i Jesoa azy [ny reniny] dia hoe "ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? "

Dia Jesoa marina no miteny, fa raha mba (maka inspiration dia) maka tahaka azy aho izao, na koa ny Ankizy mba mamaky ny tantara, dia hahazo ny hoe : "tena namelona zana-baratra ilay raneny"... na koa hoe "ireny ilay rehefa tafita dia manitsaka"... na ny tsotra indrindra, dia hoe "izany no mpaniratsira r-a-d" sy "mitsipa-doha laka-nitana"...

Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy ; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe : Anaka , andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio .Fa namaly izy ka nanao hoe : Tsy handeha aho ; nefa nony afaka izany , dia nanenina izy ka nandeha ihany . Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa . Ary izy namaly ka nanao hoe : Handeha aho , tompoko , kanjo tsy nandeha izy . Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy?.

Toa izany koa eto, tokony handainga ve Jeso ka hanamboatra fomba fiteny ho maivamaivana kokoa nefa tsy hahalaza ny ao am-pony sy ny tiany atao akory ? Tsy aleo miteny mahitsy nefa mbola afaka hiova hevitra toa izay hiolakolaka nefa tsy hanjary akory aveo ny raha atao ! Sa ahoana hoy ianao
13. Tefigasy ( 21/11/2014 10:43)
ombelline:

Ny fijeriko azy dia hoe Andriamanitra mahalala izay mahasoa antsika na tsy miteny aza. Indrindra fa @ ity tantara faharoa ity, tahaka ny miteny izy hoe efa fantatro ny tokony hataoko

Tsy mandiso ny fijerinao aho, saingy kosa angamba mila avahana sy tsindrina tsara ilay hoe ANTSIKA .
Diniho tsara ilay tantara voalohany fa Jeso sy ny mpianany no "Sujet na aton-dresaka" ao. Ao amin'ilay faharoa kosa Jeso sy ny tompon-draharaha no tena "sujet na aton-dresaka" ao. Ny reniny no te hiditra amin'ny pataloha tsy antonony azy ny tena marina ka nipingapinga tamin-java-tsy tokony ho nataony fa i Jeso dia efa mahalala ny zavatra mety amin'ny fotoany avy.
Raha ny mpianatry ny Tompo no tra-pahasahiranana dia tonga tsy natsoina Izy mba hamonjy (io ilay tantara voalohany).
Fa raha tsy ny mbola mpianatra kosa, na eo aza ny Tompo, na misy olona miantso Azy aza dia tonga amin'ny fitenin'ny bandy hoe "mahazo directe avy hatrany".

Misy lesona iray lehibe azo raisina tsara eto. Isika matetika rehefa mahita olona marary, mila vonjy, tra-pahasahiranana, tsy misakafo, tsy mitafy, .... dia mivavavaka ho an'ireny olona ireny isika mba hialany amin'io fahasahiranana manjo azy io: ao ny mivavaka ho an'ny marary mba hanasitrana azy ny Tompo, ao ny mivavaka ho an'ny mpanala fanadinana mba ho afaka fanadinana, ao ny mivavaka ho an'ny poketra mba ho ambinina amin'ny vola, .....
Ny fanontaniana eto dia hoe : laharam-pahamehana ho an'i Jeso ve izany ? Dia ho sanatria tsy hahay haka lesona amin'ity nanjo an'i Maria ity ve isika !
Talohan'ny niakaran'ny Tompo ho any amin'ny Ray dia izao ny hafany voalohany indrindra hoe : ataovy MPIANATRA ny firenena rehetra . Tsy naniraka mihitsy ny Tompo hoe andana manasitrana, na mivavaha ho an'ireo tra-pahasahiranana dia eto aty amiko. Fa mialoha izany rehetra izany , ny laharam-pahamehana ho an'i Jeso dia ny mba hahatonga ny firenena rehetra mba ho "Mpianatra" aloha. Rehefa tonga mpianatry ny Tompo ny olona iray, lasa zanak'Andriamanitra tao amin'ny fananganan'anaka; dia anjarany amin'izay ny mitantana izay azy ary mahalala izay hiheverany ny azy Izy (Isa.45:11)

Ny conclusion ary : tsy ny mitondra ny fahasahiranan'ny olona iray eo amin'ny Tompo no voalohany, fa ny mitondra io olona io ho lasa mpianatry ny Tompo aloha, ho tonga zanaka. Dia mino aho fa raha efa kristianina ianao, ho ataonao vain-dohan-draharaha mihoatra nohon'ny vavaka ny fitorian-teny, ny fitaritana ny olona ho tonga zanak'Andriamanitra, fa raha izay no hefanao, dia matokia fa hiteny aminao ny Tompo hoe "Tsara izany , ry mpanompo tsara sady mahatoky; midira amin'ny fifalian'ny tomponao " ; ary amin'izany dia hanana hafaliana tahaka an'i Paoly ianao ka hilaza hoe "Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho" . Dia ho aminao hatrany anie ny Tompo.
14. Tefigasy ( 21/11/2014 10:45)
rhaj0:

Ka dia tena "araka ny sitrapoNY" (daholo) koa izany izay mitranga rehetra eo... ary izany dia, n'inon'inona ataontsika.

Dia sanatria ve hiteny ingahy hoe "sitrapon'Andriamanitra mihitsy ny nanoheran'i Adama sy Eva ny tenin'Andriamanitra !"
15. Tefigasy ( 21/11/2014 10:49)
gasy1zay:

Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako.

Raha ny fahazoako an'io dia tsotra, misy fotoana ny zavadrehetra, raha ny tokony ho izy zany dia tsy mbola tokony nanao fahagagana i Jesoa teo fa i Maria nefa nahafantatra hoe zanak'Andriamanitra izy ka mahay manao izay zavatra nangatahiny

Raha manaraka tsara ny bokin'i Jaona ianao dia hahita fa efa naneho famantarana i Jesoa talohan'io zavatra nataony io. Tsy io akory no fahagagana (raha izay no tianao hilazana azy) voalohany nataony. Jesoa rehefa maneho ireny famantarana ireny dia tsy mandendeha hoazy toa io fa hialohavan'ny fampianarana hatrany. Iny fampianarana iny no miteraka finoana eo amin'izay hanaovany famantarana, ary miankina amin'io finoan'ilay mandreha azy ny hanaovany na tsy hanaovany ireny famantarana ireny. Voalazany ombieny ny hoe "ny finoanao no nahavonjy anao,...." Eto anefa tsy nisy blabla mihitsy fa tonga dia hoe "lany ny divainy!" F'angaha moa mpanompony i Jeso no hananany fahefana ? Ary mila apetraka tsara eto ity tenin'i Jesoa manaraka ity hoe Ary Izy namaly azy ka nanao hoe : Iza no reniko sy rahalahiko? Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy , dia hoy Izy : Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko . Ho aminao hatrany anie ny Tompo
16. rhaj0 ( 21/11/2014 11:25)
Amiko aloha izy ity dia sahala @ mamaky boky na mijery filma rehetra ihany e... raha mijery filma ve ianao, ka ilay heros izany "mamo tampina" dia manao ny tsy fanao toa ny "manary lamba" sy "mandry amin-janany", na koa "mamingavinga reny", na koa ny tantara dia mi-proner violence sy abus (ilay tsora-kazon'i Tefigasy atsy ilany atsy)... dia ahoana ?

Raha izaho manokana aloha no anontanianao, dia TSY (mila) mijery an'izany aho raha "ho ahy" manokana. Fa voatery mijery sy manaraka ireny aho, na filma na jeux video ohatra, raha "ho an'ny Ankizy".

Dia hoy nareo hoe, ka Visa A ilay izy; fa ho an'ny Ankizy, dia misy ny Visa C. ntss... koa na olon-dehibe azany dia "influencable", ary dia ataony "inspiration", ary dia ho ataony koa izay hitany eo. Izao izao ny filma taloha ireny dia misy voatery kosehina ilay "mifoka sigara" satria izany ihany no ianaran'ny Ankizy sy ny olon-dehibe io.

Dia hoy nareo hoe, dia izany resaka "mamo tampina" sy "mamingavinga" sy "violence sy abus" izany ve no mba hany sintominao avy @ io filma goavana io ? Nefany ny "hevi-dehibe" sy ny "anatra lalina" fonosiny ao toa tsy hitanao, na inianao tsy ho hita akoriny ? ntss... dia hoy aho hoe, "interpretation"-nao manokana izany. Na koa spin ataon'ny mpi-spin io dia roboka tokoany ianao.

Fa na izany na tsy izany, dia raha feheziko, dia mila "interpreter"-na (foana) izany ny Baiboly. Ary dia raha diso fandray ianao, dia IANAO (foana) no diso. Dia misy koa ny belazao milaza-tena (foana) fa ny "interpretation"-ny ihany no "tena izy".

An an ... TSY kapoakako izany..
17. ombelline ( 21/11/2014 12:34)

Tsy voatery hitovy ny zavatra voarain'ny tsirairay @ zava-mitranga iray , satria maso tsy mitovy, saina tsy mitovy .

Ny anton'ny fifanakalozana dia mba hahitàna fijery hafa ihany koa, ka raha tsy mampety ny anao ny fijerin'ny hafa dia tsy olana mihintsy ka , tsy misy bedy.
18. rhaj0 ( 21/11/2014 12:42)
ombelline:
Tsy voatery hitovy ny zavatra voarain'ny tsirairay @ zava-mitranga iray , satria maso tsy mitovy, saina tsy mitovy ....

hum... Dia miombon-kevitra tanteraka aminao aho...

Fanefany kosa, miara-manaiky koa isika rehetra fa ny "mpino" dia mitady na tia hirona any @ ilay "verite absolue"... Ka inona no "tsy mitovy" ao ???
19. ombelline ( 21/11/2014 13:32)

rhaj0:

hum... Dia miombon-kevitra tanteraka aminao aho...

Fanefany kosa, miara-manaiky koa isika rehetra fa ny "mpino" dia mitady na tia hirona any @ ilay "verite absolue"... Ka inona no "tsy mitovy" ao ???

Mitovy ihany ny zavatra ataonareo fa jereo tsara, samy extrêmiste
20. rhaj0 ( 21/11/2014 13:50)
ok.. hijery tsara aho.. fa hotry ny tsy maintsy roritiko aty @ extreme ilany ny bodofotsy fa toa mihanjaka foana zahay aty.. dia ianao izany no eo afovoany ao, mafana foana :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2789