Misafo helika ny kary

1. vahiny2004 ( 04/11/2014 09:14)
Hono ho aho, sao mba misy mahalala ny hevitr'io "misafo helika ny kary" io , 1h du matin io @ ora malagasy , ka mba tiako ho azo ny heviny

Ny hafa toa azo daholo ihany "Vaky masoandro" , "mody mpamosavy" ...

Misaotra mialoha
2. 5laody ( 04/11/2014 15:22)
"Misafelika" angamba no tena mahazatra. Ny fahazoako azy dia hoe injany mandalo mihodina any ambadiky ny trano any ilaikary (mitady akoho atao sakafo).
3. vahiny2004 ( 05/11/2014 13:36)

5laody:

"Misafelika" angamba no tena mahazatra. Ny fahazoako azy dia hoe injany mandalo mihodina any ambadiky ny trano any ilaikary (mitady akoho atao sakafo).


Toa marina tokoa izany ! Ora fivoahan'ny kary io izany !
Misaotra anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1459