Ny niandohan'ny kristianina

1. endriny ( 31/10/2014 05:55)
Efa nolazaiko teto moa ilay hoe ny Testamenta vaovao dia tsy ny tantaran'i Jesosy tena izy akory fa tantara noforonin'ny Romana, indrindra ilay fianakavian'ny amperora atao hoe PISO.

Tamin'ny andron'ny Amperora Hadrian mantsy izay nanjaka ny taona 117-138 dia ity amperora ity no nanao izay andravana fanindroany indray ny tany Hebreo. Ary dia anisan'ny paika napetrany ny fanafoanana ny finoana Ziona, fa nametraka ny Venus Andriamaniny izy. Sarotra ny ady, fa nisy mpiratitafika mpioko Israelita, izay nantao hoe Simeon Bar (ity ilay Barabasy taty aoriana) nahery fo sy nahataona olona maro. Saingy nisy ilay Rabia nantsoina hoe Yeshua (Ity moa ilay Jesosy e), nitaona ny olona hanaiky ny Romanina, dia nivaky roa ny Israelita ka tavela teo ambany fifehezan'ny Romana.

Dia nanomboka teto moa izany dia nalain'i Hadrian sy izay nanaraka rehetra ny fahendren'ity Yeshua ity ary nataony filosofia mihintsy. Dia ry Piso taty aoriana no nanohy ny tantara sy nanoratra ny tantaran'i Yeshua.

Hany ka hatramin'ny andron'ny amperora Constatinople, dia tsy maintsy natao Grika ny filohan'ny fivavahana romanina, izay lasa katolika moa izy rehefa nianjera ny fanjakazakan'ny romanina tany eraopa tamin'ny taon-jato faha 5. Dia niforona ilay Papa tao Roma ary tsy voatery ho Grika intsony. NIsy moa ilay fifanarahan'ny 5 tonta tamin'ny fananganana ny sata nitondrana ity andrim-piangonana voalohany ity.
novalian'i endriny ny 04/11/2014 15:44
2. rhaj0 ( 31/10/2014 13:52)
Misaotra fa tena manja rahefa mahatakatra ny ao ambadiky ny rideau toa io, fa tsy dia mandray foana fotsiny izay rehetra iniana aseho ambony scene, ka ampinoana anao...

etoy koa ho an'izay mbola manana ny fitiavana te-ahalala misimisy kokoa...
http://fr.wikipedia.org/wiki/Origines_du_christianisme
http://en.wikipedia.org/wiki/Origins_of_Christianity

[size=8]Aza hidiana io varavaran-tsaina io fa mampitomany hono...[/size]
3. leea ( 31/10/2014 14:11)
Ary ahoana ndray no i assure na fa tsy ireo te handrava ny fivavahana kristiana no namorona ny text ao anatinireo liens ireo ? Izy io manko toa efa nenjehina foana hatraminizay, atao izay haharava azy.
Fa maninona tokoa no ezahana ravaina ny finoana kristiana e: misy zavatra atahoran'ny mpanenjika ve? Sinon, maninona raha avela any tahaka ny finoana madinika marobe hafa e? Sa efa voavaly sahady ny fanontaniko.
4. rhaj0 ( 31/10/2014 14:24)
ny @ wikipedia k'lou dia efa miezaka ny mpandrindra mba ho "marina" ny resaka ao.. Na ny andaniny na ny ankilany dia samy afaka manoratra eo. Fa ny zava-dehibe, dia ireo "references" aroson'ny tsirairay, ka dia afaka (misaina) manamarina na mandiso izay voatolotra eo ny mpamaky.
5. voromailala ( 31/10/2014 14:38)
Izaho moa izany dia Kristianina ary hitako hoe ilaina ny mamantatra ny tantaran'ny finoana manaraka ny fampianaran'i Kristy.

Inty indray ny ahy no hozaraiko ilay Manuscrits de la mer Mort

Tamin'ny taona 1995 no nilaza ny tao Vatican ny fisian'ny fandikateny avy amin'io loharano io, ary hatramin'izao dia mbola misy mpikaroka mandika izany.

Avelako ianareo hamaky dia izay voasoratra ao sy hieritreritra zay tianareo eritreretina :-).
6. voromailala ( 31/10/2014 14:40)
Mety misy hifandraisany amin'ilay resaka eo ambony,tiako hozaraina aminareo kirsitianina ohatra ahy ihany koa dia ny tantaran'ny konsily voalohany.
Premier concile de Nicée
7. rhaj0 ( 31/10/2014 15:03)
Mankatelina mankasitraka @ fizarana fahalalana...

Après plusieurs mois au cours desquels les évêques ne parvinrent pas à se mettre d'accord sur un texte décidant de la nature de la relation du Christ au Père, l'empereur menace les quatorze récalcitrants. Trois restent fidèles à leurs conceptions, dont Arius, et sont excommuniés.

Izany izany ny taloha.. fa izao izao ny Papa Fransoa sy Vatican misaintsaina ny @ "Ny Fampianarana Katolika sy ny Fianakaviana Ankehitrio" ohatra..

Dia ahoana... hisy excommunication koa ve rahefa tsy mitovy ny hevitra ao ???

Dia afaka 1700 taona any aoriana any vao ho tafavoaka ho fantatr'olona ny mitranga ao izao ??...

8. endriny ( 02/11/2014 04:59)
Tsy dia haiko aloha ny wiki hoe manao ahoana na manao ahoana. Fa mba mizara ny zavatra nampianarina ahy ho anareo aho

Ny Masaonika ny Katolika moa mbola ady iray goavana satria ny Masaonika no tena mahalala ny tsiambaratelon'ny fiangonana kristianina hatramin'izay...
9. voromailala ( 04/11/2014 10:44)
Tsara ny fizarana vaovao ohatra izao ary tokony ho fantatry ny Malgasy rehetra. Anjaran'ny tsirairay no mijery hoe marina na tsia aminy.

Toa hoe ny templiers hono no nanana an'izay tsiambaratelo dia avy eo lasa masaonika.

10. endriny ( 04/11/2014 15:44)
voromailala:

Tsara ny fizarana vaovao ohatra izao ary tokony ho fantatry ny Malgasy rehetra. Anjaran'ny tsirairay no mijery hoe marina na tsia aminy.

Toa hoe ny templiers hono no nanana an'izay tsiambaratelo dia avy eo lasa masaonika.


Ito aloha mbola tantara be satria dia niainga tamin'io fankahalana ny Jiosy io no fototra niorenan'ilay hoe Kristianina, ary dia narantiranty tamin'izany ilay hoe :"Jesosy dia zanak'Atra, fa novonoin'ny Jiosy".

Nisy anefa tamin'ireo templier, izay nasaina nandrava an'i Jerosalema nandritry ny kroazady, no tonga saina fa tsy mety ity fandravana ity fa fananganana aza no ho atao. Efa taon-jato ela taty aoriana, vao tonga saina ilay Zezoita iray atao Adam Weishaupt, izay mpitsikilo sy mpanatanteraka ny famonoana antsokosoko izay tsy mifanaraka amin'ny fotokevitra katolika, ka nirona nitondra fahavazana vaovao fa misy tsy mirindra ity fivavahana arahiny sy tompoiny ity.

Tao anatin'ny kristianina mantsy dia fototra iray lehibe nankahalan'ny Papa ny Masaonika ilay hoe: "Ny masaonika dia fikambanana ialokalofan'ny Jiosy, dia ny Jiosy izay namono an'i Kristy". Dia io no lasa nadika "Masaonika mira satana satria I satana no fahavalon'Atra, ary ny fahavalon'Atra dia izay mamono sy miady amin'Atra: Ny jiosy namono ny zanak'Atra noho izany satana ireo"

Betsaka ny fomba nandravana sy nandripahana ny Jiosy nanombaka faha Raomanina, fa indreo izy, tsy maro an'isa a... fa mbola afaka mifehy ny toekarrena amin'ny tany izy ireo. Fifehexan ny toekarena eran-tany izay nofinofy ho an'i Roma sy Canterbery fony faha Romanina...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1382